Nahoana no misy antokom-pivavahana vaovao maro be toy izao?
ANTOKOM-PIVAVAHANA iray alina amin’ny fivavahana lehibe folo! Araka ny fanombanana farany, dia toy izany izao ny isan’ny antoko ara-pivavahana mampisaratsaraka ny taranak’olombelona. Amin’io isa mitambatra io, dia toa hoe eo amin’ny 6 000 ny atsy Afrika, 1 200 any Etazonia, 421 any Japon ary 247 any Frantsa.
Ny sasantsasany amin’ireny antokom-pivavahana ireny dia noraisin’ny Tantara ary mihevi-tena ho Fiangonana manana ny maha-izy azy. Ny fivavahana tranainy sasany koa aza dia misampantsampana ho sekoly maro be ary ireo indray kosa dia mitsinjarazara ho antokom-pivavahana madinika. Ohatra, any Japon, ny Shintô dia tena fitambatambarana antokom-pivavahana sy fitsinjarazaran’antokom-pivavahana 153. Fa raha ny bodisma, ny mampiseho azy ao amin’io tany io dia fandaminana mitovitovy amin’izany 171. Tsara aloha ny manamarika fa Japone maro no manaraka antokom-pivavahana maromaro miaraka.
Atsy Afrika Atsimo, ny sampan-draharaha momba ny fanisana dia nanisa antokom-pinoana 4 000 isan-karazany, izay eo amin’ny 500 no isaina eo amin’ny Fotsy hoditra ary ny hafa eo amin’ny Mainty hoditra. Amin’ireny antokom-pivavahana manaiky ny fanavakavahana ara-pirazanana ireny, dia misy milaza tena ho kristiana.
Fiangonana sa antokom-pivavahana?
Tsy mitovy ny hevitry ny teny hoe “Fiangonana” any amin’ny tany rehetra. Araka izany, any amin’ireo firenena tena katolika, rehefa misy fitenenana hoe “Fiangonana” na “Eglizy”, dia miharihary fa ny Eglizy katolika no tiana holazaina. Any Frantsa, ohatra, dia mahalana ny teny hoe “Eglizy” no arahin’ny mpamaritra anarana hoe “katolika”, ary azo lazaina fa tsy arahin’ny mpamaritra hoe “Romana” mihitsy. Rehefa miresaka ny “Eglizy” tsy misy fanazavana tokoa ny Frantsay iray, dia tsy hoe mba hamoronana hevitra mampisalasala. Ny Eglizy katolika romana fotsiny no eritreretiny. Toy izany koa, any amin’ireo tany anjakan’ny anankiray amin’ireo Fiangonana any Atsinanana, io teny io dia tsy manondro afa-tsy ny Fiangonana ortodoksa.
Ao amin’ireo firenena manaraka ny fivavahana protestanta kosa anefa dia mandrakariva tsy hoe tsy misy antony ny hilazana mazava ny hoe Fiangonana inona no arahin’ny tena. Nefa, na dia amin’izany aza, amin’ny ankapobeny dia tsy ho sahy hilaza fa anisan’ny Fiangonana iray ny olona iray raha tsy anisan’ny anankiray amin’ireo fivavahana protestanta lehibe tranainy; raha tsy izany, dia mety hisy hampahatsiahy azy fa anisan’ny antokom-pivavahana iray kosa izy. Marina fa any Etazonia, na dia ny antokony madinika aza dia omena ny anaram-boninahitra hoe “Fiangonana”. Na dia izany aza, any amin’ny ankamaroan’ny faritra hafa amin’ny gilaoby, ireo fandaminana ireo ihany dia tsy maintsy hifankazatra amin’ny anarana ambany kokoa hoe “antokom-pivavahana”.
Inona no atao hoe antokom-pivavahana?
Nolazalazaina toy izao ny hevitry ny teny hoe “antokom-pivavahana”: “Tapany, mandrakariva vitsy, amin’ny fitambaran’olona ara-pivavahana izay niendaka tamin’io noho ny tsy fitoviam-pampianarana. Na koa: “Antoko ara-pivavahana izay (...) misaraka amin’ny fikambanana ara-pivavahana iray, amin’ny Fiangonana iray, mba hanapa-tena araka ny hevitry ny tenany ihany, na nalana tsy ho ao noho ny heviny vaovao lazaina fa tsy lanin’ny maro.”
Ny sasany milaza fa ny teny frantsay hoe “secte” (antokom-pivavahana) dia avy amin’ny matoanteny latina hoe secare (“manapaka”) ka noho izany dia milazalaza ny antokom-pinoana ho antokony izay nanapa-patorana tamin’ny Fiangonana voaorina iray. Misy hafa koa milaza ny fiaviany ho avy amin’ny matoanteny latina hoe sequi (“manaraka”) ary milaza fa ny atao hoe “secte” (antokom-pivavahana) dia fitambaran’olona iray manaraka mpampianatra na tompo olombelona iray.
Ny fanamavoan’ny Fiangonana ireo antokom-pinoana
Na antoko niendaka tamin’ny fikambanana ara-pivavahana lehibe kokoa iray ny antokom-pivavahana na antoko-mpianatra manara-dia lehilahy na vehivavy iray, dia zavatra iray no azo antoka: Tsy manafina ny fanamavoany an’ireo antokom-pivavahana ireo Fiangonana mahazatra. Ny amin’izany tsy fiheverana ho tsara izany, dia manipika ny Grande Encyclopédie Larousse fa ny teny hoe “antokom-pivavahana” sy ny fampiasana azy dia “tena manana toetra mampiseho firaiketam-po mafy, na manokana mihitsy aza: amin’ny ankapobeny dia ny fitambaran’olona nisarahan’ilay antokony kely izay mihevi-tena ho marina sy ny hany manome ny fahafenoan’ny fampianarana mbamin’ny fomba hahazoana sitraka, no miresaka an’ireo mpanaraka antokom-pivavahana amim-pitserana miharo fanamavoana. Izany fanambonian-tena izany indraindray dia ampiana fahasiahana be satria marina fa matetika ilay antokom-pivavahana dia mampiseho tsy misy antra amin’ilay fivavahana miorina ny fitaratr’izay tsy hita aminy intsony, dia: firahalahiana velona sy mafana, marisika sy mandresy”.
Nahoana no misy antokom-pivavahana vaovao be dia be toy izao?
Ireo antokom-pinoana resahin’ny filazam-baovao lava an-tsitrapo indrindra, mandrakariva mba hiresahana ny amin’ny asany ara-bola na ny fomba fampianarany, dia samy teraka tao anatin’ny roapolo na telopolo taona faramparany. Izany dia manosika antsika hanontany tena hoe nahoana ny androntsika no nahita fahaterahan’ny finoana vaovao be dia be toy izao. Momba izany, ny Fanampiny amin’ny “encyclopédie” voalaza eo aloha navoaka tamin’ny 1981 dia manambara toy izao: “Nahoana no mahomby ireo antokom-pivavahana rehefa ela ny ela? Voalohany indrindra, ny rivo-pahasahiranana misy ny sivilizasiona tandrefana — fifanoheran’ny fikambanana rehetra, fianakaviana, sekoly, tafika, Fiangonana — dia manome tany tsara ho azy ireo (...). Tokony hotsoahina avy amin’izany fa alohan’ny zavatra rehetra, ireo antokom-pivavahana dia manambara zavatra, famantarana ny fotoana, mariky ny tsy metimety eo amin’ny tanora mangetaheta zavatra hafa noho ny zavatra tsara tarehy nefa tsinontsinona ao amin’ireo ‘fikambanan’ny fandaniana’.”
Mitovitovy amin’izany ihany, dia izao no vakina nosoratan’i R. Quebedeaux, izay nandinika manokana ireo antokom-pivavahana: “Ny fileferana loatra mampiavaka ny fitambaran’olona misy antsika dia niteraka filana mafy tsy fileferana, lalàm-pifehezana sy fahefana. Leon’izany fitambaran’olona fatra-pitia ny zavatra ara-nofo izany izy ireny [ny tanora]; izany no antony itadiavany hanome heviny vaovao amin’ny fiainana.”
Ireo fanazavana roa ireo dia mampiseho, tsy mivantana fara faharatsiny, fa ireo fivavahana voaorina dia tsy afaka nanome fahafahampo tamin’izay nilain’ny olona an-tapitrisany maro samy hafa taona izay nitodika ho any amin’ireny fikambanana lazaina hoe vao haingana ireny. Ny fivelarana tampoka hita amin’ireo antokom-pivavahana tao anatin’izao am-polony taona maro faramparany izao dia manampy ny famantarana maro ny amin’ny “fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra”, dia fahaverezan-kevitra izay, araka ny filazan’i Jesosy Kristy, dia tokony ho anisan’ny “famantarana” manamarina fa madiva ho tapitra ny fandehan-javatra ankehitriny ary “akaiky ny fanjakan’Andriamanitra”. — Matio 24:3; Lioka 21:10, 11, 25-31.
Mampalahelo fa ireny antokom-pivavahana vaovao ireny izay mahavory mpanaraka maro tokoa, dia tsy mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany fanantenan’ny olombelona. Amin’ny fitsipika ankapobeny, ny fampianarany dia mifandray kosa amin’ny filozofia, ary matetika no maka hevitra amin’ny fivavahana tatsinanana na ny fampianaran’ny “gourou” (na mpampianatra ara-panahy) toy izao na izao. Ary mifamadika amin’izany, ny “gourou” rehetra izay afaka mahangona mpianatra maromaro dia manorina antokom-pivavahana vaovao foana. Tsy misy mahagaga mihitsy amin’izany ao anatin’ny faritr’ireo fivavahana tatsinanana, satria mandrakariva no ekena ao ny fahefan’ny “gourous”.
Hafahafa kosa anefa fara faharatsiny ny hoe amin’ireo Fiangonana sy antokom-pivavahana eo amin’ny 10 000 maneran-tany, dia an-jatony maro, raha tsy an’arivony maro aza, no mihambo ho kristiana. Inona no mahagaga amin’izany? Satria ny mpikambana ao amin’ny ankamaroan’ireny antokom-pivavahana ireny dia manaraka olona iray heveriny ho mpitari-dalana azy, nefa Jesosy Kristy nanambara hoe: “Iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” (Matio 23:10). Mahagaga toy izany koa ny mahita ny kristiana anarana voazarazara ho Fiangonana, finoana sy antokom-pinoana tsy mifanaraka be dia be toy izao. Kristy tokoa dia nivavaka tamin’ny Rainy ho an’ireo mpianany mba “ho iray ihany izy rehetra”. — Jaona 17:20, 21.
Amin’izany, nahoana no misy Fiangonana sy antokom-pivavahana maro be toy izao izay milaza ho manaraka an’i Jesosy Kristy? Ahoana no fomba nipoiran’ny fisafotofotoana ara-pivavahana manjaka amin’izao androntsika izao?