FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/8 p. 4-7
  • Ny fomba hahazoana Tena Sakaiza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fomba hahazoana Tena Sakaiza
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny maha-zava-dehibe ny tsy fivadihana
  • Ny fahasambarana manome
  • Ny fomba hitanana ny fisakaizantsika
  • Aiza no hahitana tena sakaiza
  • Ny Fomba Hahazoana Namana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Namana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Iza no irinao mba ho sakaiza?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Nahoana Aho no Tsy Mahazona Namana?
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/8 p. 4-7

Ny fomba hahazoana Tena Sakaiza

“NY HANY fomba hahazoana sakaiza dia ny haha-sakaiza ny tena koa”, hoy i Ralph Waldo Emerson. Mampalahelo anefa fa olona maro no nifidy ny lalan’ny fitoerana irery. Tsy manatsotra ny tanany izy ka tonga sakaiza fa manapa-patorana amin’ny mpiara-belona aminy. Inona no vokatr’izany? Namaly an’io fanontaniana io ny gazety breziliana iray tamin’ny fitantarana izao resaka nataon’ny mpanao fikarohana iray izao: “Ny olona izay mandany fotoana be dia be irery dia mirona hahatsiaro tena ho ‘tsy manana asa atao, malahelo sy lavin’ny olona rehetra’. Rehefa tsy misy na inona na inona hatao intsony, tsy misy olona hiresahana intsony, dia miforitra ny tena. Mora aoka izany ny manaiky ho safotry ny zava-manahirana ny tena.”

Tsy voatery ho tonga amin’izany anefa ianao. Ny rehetra na saika ny rehetra dia afaka mianatra mitondra tena toy ny sakaiza ka amin’izany koa dia hahazo ny fisakaizan’ny hafa. Aiza anefa no hanombohana? Zava-dehibe indrindra ny hitandremana ny toetrantsika, satria izany misy vokany mamaritra ny fahaizantsika mahita sakaiza. Manonona izao fanamarihana izao ny ohabolana iray fahizay: “Ny mahafinaritra amin’ny olona iray, dia ny fahamoram-panahiny.” (Ohabolana 19:22, Segond révisée). Ny tena fisakaizana àry dia valisoan’ireo izay miseho ho manana fahamoram-panahy. Rehefa ampahafantarintsika ny hafa fa mankamamy azy ireny isika, dia mandrakariva izy ireny no mailaka kokoa hihevitra antsika.

Ny olona iray manana fahamoram-panahy dia mihaino an’ireo izay miteny aminy. Ho sarotra amin’izay miresaka foana na manintona be loatra ny saina ho amin’ny tenany ny hahita olona miahy ny amin’ny fihetseham-pony sy ny faniriany. Ny fahamoram-panahy koa dia hanosika antsika hitandrina ny tenintsika. “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18). Mba hanazavana io hevitra io, dia aoka halaintsika sary an-tsaina fa mahamarika olona iray hita ho ketraka na velom-panahiana ianao. Ny toe-panahiny dia tsy isalasalana fa hampahatsiahy anao izao ohabolana izao: “Mahaketraka ny olona ny fo feno fanahiana, fa manatanjaka azy ny teny atao amim-pahalemem-panahy.” (Ohabolana 12:25, Bible en français courant). Ao anatin’ny toe-javatra miseho toy izany, dia mety hahazo fisakaizana amim-pahatokiana ianao raha miresaka amin’ny fomba mampahery.

Ny maha-zava-dehibe ny tsy fivadihana

Ny mpanoratra ny Ohabolana 18:24 dia nampiharihary ny fahalalany lalina ny fifandraisan’olombelona rehefa nanoratra hoe: “Misy olona manana sakaiza mitondra fahavoazana ho azy, fa misy kosa sakaiza izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” (Votre Bible). Raha ny marina, iza tokoa no ho faly amin’ny namana raha misy patsa fotsiny? Aoka hojerentsika kosa ny ohatra navelan’i Davida sy Jonatana ho antsika. Tamin’ny naha-mpandova ny seza fiandrianan’Isiraely azy, dia nety ho namelona fankahalana an’i Davida i Jonatana, satria tsy niafina taminy fa ho tonga mpanjaka eo amin’ny toerany i Davida. Niseho ho tsy nivadika sy tsy nialona anefa izy. Tonga hatramin’ny fanaovana vy very ny ainy ho azy izy. — I Samoela 18:1-3; 20:17, 31, 32; II Samoela 1:26.

Sakaiza nahatoky koa i Rota. Tsy nahafoy an’i Naomy rafozambaviny izy fa nifikitra taminy. Nisy aza olona nanodidina azy nanambara araka ny marina fa ‘tsara lavitra ho an’i Naomy noho ny zanaka fito lahy’ izy io. — Rota 1:16, 17; 4:15.

Mampiseho fahatokiana toy izany ve ianao? Sa kosa ahariharinao tsy amim-piheverana amin’ny hafa ireo kileman-toetra voamarikao eo amin’ireo namanao?

Fa inona no tokony hatao raha toa ny anankiray amin’ireo olon-tianao ka manao fahadisoana lehibe ilana fiheverana avy hatrany? Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, ny sakaiza mahatoky iray dia tsy ho voatana tsy hilaza ny marina noho ny tahotra ny ho fihetsik’ilay nanao fahadisoana. “Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza”, hoy ny Baiboly (Ohabolana 27:6). Mazava ho azy fa tsy milaza akory izany hoe tokony hasiaka na tsy hahay handanjalanja ianao. Indray mandeha ireo kristiana tany Galatia fahizay dia nila ny hotenenina mafy. Nanao izay hieritreretany tamim-pahakingana lehibe ny apostoly Paoly, avy eo dia nanontany azy ireo hoe: “Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?” (Galatiana 4:16). Ny sakaiza iray mendrika izany anarana izany dia mbola ho tia anao ihany raha milaza “ny marina” aminy ianao, na dia rehefa fitenenana azy aza izany. — Ohabolana 9:8.

Ny fahasambarana manome

Ny tena fisakaizana maharitra dia tsy maintsy andaniana zavatra sasany. Ireo izay mitady hahazo ny zavatra rehetra nefa tsy mba manome na inona na inona ho takalony dia tsy hahatsapa mihitsy ny fihetseham-po noresahin’i Jesosy tamin’izao teny izao: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny apostoly 20:35; Lioka 6:31, 38). Noho izany, dia miezaha hieritreritra izay azonao atao ho an’ny hafa fa tsy izay mety ho azonao avy amin’izy ireny.

Ny Baiboly dia mamporisika ny kristiana mba “hazoto manome sy miantra”. (Ohabolana 11:25; I Timoty 6:18.) Marina fa mety ho voafetra ny fanananao ara-bola, fa inona no holazaina ny amin’ny fotoananao? Eo am-pihazakazahana foana ve ianao? Ilaina ny fotoana mba hambolena fisakaizana, ary tsy misy mihitsy afaka manana fifandraisana tsara amin’olona iray raha tsy manokana fotoana ho azy. Angamba ianao miarahaba an’ireo olom-pantatrao amin’ny fitenenana mahazatra hoe: “Fahasalamana?” Nefa moa ve ampy fitiava-mizara ny fotoananao ianao mba hijanonana sy hihainoana ny valintenin’izy ireo? Tadidio ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy: Na dia sahirana aoka izany aza izy dia nahita fotoana hiheverana an’ireo izay nanatona azy. — Marka 6:31-34.

Ny fomba hitanana ny fisakaizantsika

Rehefa teraka ny fisakaizana iray, dia tokony hatao izay fomba rehetra hitehirizana azy. Marina fa rehefa mifankahalala tsara kokoa ny mpisakaiza dia mifampahita fahazaran-dratsy sy kileman-toetra. Tsara anefa ny tsy mijery ny fahalemena madinika. Ambonin’izany, ao anatin’ny fisalasalana, ny fahamoram-panahy dia tokony hanosika antsika tsy halaky hiahiahy an’ireo sakaizantsika sy hanary izay rehetra mety ho fiahiahiana tsy voamarina. ‘Mifandefera amin’ny fitiavana’, hoy ny torohevitry ny apostoly Paoly. Fa raha ny amin’ny apostoly Petera, dia izao no nosoratany: “Mifankatiava tsara: fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’.” — Efesiana 4:2; I Petera 4:8.

Zavatra hafa koa: Aoka isika tsy hieritreritra na oviana na oviana fa manana fotoana handraisana antsika foana ny hafa. Na dia ireo sakaizantsika akaiky indrindra aza dia mila ny hanana ny fiainany manokana, ka ny fitsidihana tsy mety tapitra, matetika loatra na tsy amin’ny fotoana mety dia manjary tsy ela dia manasatra sy tsy faniry. Ny fahaiza-manavaka sy ny fanajana àry dia hanosika antsika, araka izay rehetra azo atao, hampiomana an’ireo izay kasaintsika hotsidihina. Mahita izao torohevitra izao isika ao amin’ny Ohabolana 25:17: “Aza miditra matetika ao an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka anao izy, ka ho halany hianao.”

Fahendrena koa ny tsy hisehoana ho liana ta-hahafanta-javatra loatra, milaza ny tokony hafenina na mivolon-ko tompony. Ambonin’izany, ny fanetren-tena dia hisakana antsika tsy hitompo teny fantatra. Ny fisakaizantsika amin’ny hafa dia tsy manome antsika velively zo handidy azy hanaraka ny fiheverantsika sy ny fitiavantsika zavatra manokana. Raha tena hetsehin’ny “fahendrena izay avy any ambony” tokoa isika dia hahalala ny antonony amin’io lafiny io. — Jakoba 3:17.

Tohano ireo sakaizanao ka ampiharo amin’izany izao torohevitra nosoratan’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 12:15 izao: “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.” Aoka ianao ho vonona ny hiombona alahelo sy fahadisoam-panantenana ary fifaliana sy fahombiazana amin’ireo sakaizanao. Mahalalà vazivazy koa: Mahaiza mihomehy noho ny zavatra diso ataonao fa tsy ny an’ny hafa ihany. Ny vazivazy indraindray dia mety hampihena ny fihenjanan’ny rivo-piainana ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Marina fa tsy azo ambolena tsy misy fiezahana ny fisakaizana; nefa moa ve tsy mendrika ny hanaovana izany izy io?

Aiza no hahitana tena sakaiza

Aiza no mety hahitana tena sakaiza? Tsy isalasalana fa ho fahendrena ny hampitodihana voalohany indrindra ny fikarohan’ny tena any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana. Ireo kristiana marina mahaforona azy dia manana fifandraisana tsara aoka izany ka mifampilaza ho “sakaiza” tsy misy hafa amin’ireo mpianatra tamin’ny taonjato voalohany (III Jaona 14). Nanafa-tena tamin’ny anton-javatra mampisaratsaraka toy ny fanindrahindram-pirenena sy ny fireharehana noho ny firazanan’ny tena izy ireo. Miezaka izy ireo mba hitafy izay antsoin’ny Baiboly hoe “toetra vaovao”. Mba hanaovana izany, dia mikely aina izy mamboly toetra faniry toy ny “famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. (Kolosiana 3:10-12.) Tsy maintsy hahita sakaiza sarobidy ianao eo amin’ireo izay maneho toetra toy izany.

Amin’ny fiarahana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ho fantatrao koa ny fomba hahatongavana ho sakaizan’i Jehovah sy ny Zanany, Jesosy Kristy. Izao no nambaran’i Jesosy: “Hianareo no sakaizako raha manao araka izay andidiako anareo.” (Jaona 15:14). Fahiny Abrahama dia nantsoina hoe “sakaizan’i Jehovah”. Matoa izy afaka nampifamatotra izany fatorana niavaka izany tamin’Andriamanitra, dia noho ny finoany sy ny asany marina. Afaka manao toy izany ianao. — Jakoba 2:23.

Raha tsara ny mitady hahazo sakaiza eo amin’ny mpiara-belona amintsika, dia mbola zava-dehibe kokoa ihany ny hamatorana fifandraisana akaiky amin’ilay Sakaizantsika any an-danitra, dia Jehovah. Izy tokoa no hanorina indray tsy ho ela eto an-tany, paradisa hahafahan’ny mpanompony rehetra hiaina amim-piadanana sy filaminana. Amin’izay ny tsirairay avy dia ho voahodidin’ny olona an-tapitrisany maro izay hitoetra ho mpisakaiza marina mandrakizay. — Lioka 23:43, MN; Apokalypsy 21:3, 4; Salamo 37:10, 11.

[Efajoro, pejy 7]

Fisakaizana mampiray ny olona

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mpirahalahy sy mpianadahy na mpirahavavy ara-panahy fotsiny. Mpisakaiza koa izy ireo. Ary satria ny fisakaizan’izy ireo miorina amin’ny fiarahany manaraka ny didin’i Jesosy Kristy, dia tsy vato misakana ho azy ireo ny sisin-tany (Jaona 15:14). Izany fisakaizana izany dia mahatonga azy ireo hahazo ny fitahian’Andriamanitra mampiray azy ireo sy tsy mampanana ahiahy azy tahaka ny andian’ondry iray ao anatin’ny valany. — Mika 2:12.

Mahalana ny toeram-panorenana no toeram-pisakaizana sy firaisan-tsaina. Rehefa mivory anefa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanorina Efitrano Fanjakana “mitombo isa haingana”, dia voamarika eo amin’izy ireo ny fitiavana fiaraha-miasa sy fisakaizana tsara dia tsara. Ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia, Angletera sy Pays de Galles dia nanakambana ny fanandramana efa nataony mba hananganana toeram-pivavahana toy izany. Toy izao ny hevitr’izy ireo:

“Mbola tsy nahita zavatra toy izany mihitsy aho hatrizay niainako”, hoy ny fihiakan’i Roger, mpandatsa-biriky anglisy iray. “Tsy nieritreritra aho fa hisy mpandrafitra ho afaka hiara-hiasa amin’ny mpandatsa-biriky, satria tsy mitranga mihitsy eo amin’izao tontolo izao izany. Nefa kosa, mba hanorenana Efitrano Fanjakana iray, dia hita fa misy rahalahy miasa eny an-tafontrano, raha mbola miasa eo ambany indrindra ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-biriky miaraka amin’ny mpanoso-doko sy ny mpametraka karipetra. Miara-miasa daholo izay rehetra eo. Mahatalanjona fotsiny izany!”

Nanamarika i Mike, “Gallois” iray niteraka roa, fa “ny olona rehetra dia afaka nanana anjara tamin’izany fisakaizana izany”. Nanazava ny antony tamin’izao teny izao i Malcolm sakaizany: “Rehefa miara-miasa daholo toy ny olona iray ny rahalahy rehetra, noho ny anaran’Andriamanitra, dia mitahy ny fiezahan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanahiny Andriamanitra.”

[Sary, pejy 5]

Tsy ho vato misakana ho an’ny tena fisakaizana ny taona.

[Sary, pejy 6]

Mba hahazoana tena sakaiza, dia ilaina ny halala-tanana sy ho vonona hizara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara