FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/8 p. 8-13
  • Aoka isika hamboly ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hamboly ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fisakaizana sarobidy
  • Ireo mifamatotra amim-pisakaizana amin’i Jehovah
  • Ario ny fisakaizana mihelina
  • Ny Fomba Hahazoana Namana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Nahoana Aho no Tsy Mahazona Namana?
    Mifohaza!—1996
  • ‘Antsoiko hoe Namana Ianareo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Afaka ny ho Naman’i Jehovah Ianao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/8 p. 8-13

Aoka isika hamboly ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana

“Fa hianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako.” — ISAIA 41:8.

1. Nahoana moa ny tena fisakaizana no tsy ho levona mihitsy?

TSY azo lavina fa ny tena sakaiza dia fananana sarobidy tokoa. Fa inona no fanorenan’ny tena fisakaizana maharitra? Izany dia tokony ho toetra tsy mety voakosoka, satria tsy mba tsy hita mihitsy ny sakaiza iray mendrika izany anarana izany. Inona ary izany? Manome antsika ny valiny amin’izao teny izao ny apostoly Paoly: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.” — I Korintiana 13:8.

2. Inona no heviny manokana ananan’ny matoanteny grika niavian’ny teny nadika hoe “sakaiza”?

2 Ao amin’ny Soratra hebreo, ny anarana adika hoe “fitiavana” dia avy amin’ny matoanteny izay ny dikany dia hoe “tia”. (Deoteronomia 6:4, 5; jereo Matio 22:37.) Ao amin’ny Septante, ny fitenenana hebreo mifanitsy amin’ny teny hoe “tiava” dia adika amin’ny teny grika hoe agapan. Ao amin’io fandikan-teny tranainy io anefa toy ny ao amin’ny Soratra grika kristiana, ny anarana nadika hoe “sakaiza” dia tsy iray fiaviana amin’io matoanteny io. Izany kosa dia ny teny hoe philos avy amin’ny matoanteny izay ny dikany dia hoe “manana firaiketam-po amin’ny”. Rehefa heverina amin’ny teny grika tamin’ny voalohany àry, izany dia fitiavana misy firaiketam-po izay tokony hisy eo amin’ny mpisakaiza. Na dia ny anarana latina nanome ny teny hoe “sakaiza” aza dia avy amin’ny matoanteny iray izay “tia” no heviny.

3. Ampitahao ny fitiavana tsapan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izaon’ny olombelona amin’ny ankapobeny sy izay mampiray an’i Jesosy amin’ireo mpianany.

3 Raha fintinina, ny matoanteny grika mifanitsy amin’ny teny hoe “sakaiza” dia milaza fihetseham-po akaiky kokoa sy mafana kokoa noho ny fitiavana voalaza amin’ny matoanteny hoe agapan, izay hita ao amin’ny soratra grika ao amin’ny Jaona 3:16 ilazana ny tenin’i Jesosy toy izao: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Araka ny miharihary amin’io andinin-teny io, ny fitiavana (agapê amin’ny teny grika) asehon’i Jehovah Andriamanitra dia ampy fahalehibeazana mba hahafaoka ny taranak’olombelona manontolo, na dia ao aza ny fahotana ao aminy. Nasehon’ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra tamin’ireo apostoliny nahatoky 11 fa izy ireo dia tafaray taminy tamin’ny fitiavana mafana kokoa sy akaiky kokoa.

Fisakaizana sarobidy

4. Raha manao inona ireo mpianatr’i Jesosy no afaka ny hitoetra ho ‘sakaizany’? Fisakaizana inona no hananany amin’ny maha-izany azy?

4 Nanazava tamin’ireo apostoly resahina i Jesosy fa hijanona ho ‘sakaizany’ izy ireo raha manohy manao ny zavatra nandidiany azy ireo. Izany fifandraisana misy tombontsoa izany dia nahafaoka fifankazarana niorina tamin’ny fifampitokisana, satria izao no teny nanampiny: “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:14, 15). Tamin’ireo teny ireo, Jesosy dia nampihatra ny hevitry ny teny hoe philos tamin’ny tsirairay avy tamin’ireo apostoly izay nanodidina azy tamin’izay fotoana izay.

5. Miankina amin’inona moa ny fisakaizana resahina ao amin’ny Ohabolana 18:24? Mafy ve ny fifandraisana toy izany?

5 Ao amin’ny Ohabolana 18:24 (MN ), dia nanambara toy izao ny olon-kendry iray nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra: “Misy mpinamana vonona dia vonona hifanorotoro, fa misy kosa sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.” Tsy miorina amin’ny fatoran’ny ra ny fisakaizana. Izany dia miankina amin’ny fanombanana marina ny hasarobidin’ilay entina toy ny sakaiza. Mety hisaraka noho izao antony mampiseho fitiavan-tena rehetra izao ny mpianakavy. Ny tena sakaiza kosa anefa dia tsy hiova foana, tsy hivadika amin’ny fisakaizany, na manao ahoana na manao ahoana fitsapana, fahasahiranana na tarehin-javatra mahavery hevitra mety hitranga.

6. Mampahatsiahy antsika ny fisakaizan’iza izany? Ahoana no namalian’i Davida izany fisakaizana izany?

6 Tsy isalasalana fa izany dia mampahatsiahy antsika ny hita tamin’i Jonatana, zanakalahin’i Saoly mpanjaka ratsy, sy Davida, ilay lehilahy nofidin’i Jehovah sy nohosorany ho mpanjakan’ny Isiraely. Naharitra hatramin’ny fahafatesan’i Jonatana teny an-tany fiadiana ny fisakaizan’izy ireo. Rehefa nandre izany vaovao nahatsiravina izany i Davida dia namorona ny hira fisaonana voarakitra ao amin’ny II Samoela 1:17-27. Naneho ny fitiavana lalina rehetra tsapany ho an’i Jonatana izy, ka nanoratra toy izao: “Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra hianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy.” Tsy tokony hohadinoina ny fisakaizana sahala amin’io. Nety ny hamaliana soa izany. Noho izany antony izany, Davida tonga mpanjaka dia naneho famindrampo tamin’i Mefiboseta, hany zanakalahin’i Jonatana sisa velona. — II Samoela 9:1-10.

7. Moa ve ny karazam-pisakaizana nampiray an’i Davida sy Jonatana nanjavona tamin’ny tany tao anatin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”? b) Araka ny nohazavain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny nahatoky, mitarika ho amin’ny fanehoam-pifankazarana inona moa izany fisakaizana izany?

7 Tsy tokony hanjavona amin’ny tany ny karazam-pisakaizana toy izany. Amin’izao andro izao, ao anatin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, ao anatin’ny fotoana ‘hampangatsiaka ny fitiavan’ny maro’, izany fisakaizana voamariky ny fitiavana izany dia miharihary eo amin’ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah ka natao batisa mba hanao fanambarana maneran-tany ho an’ny Fanjakany, mifanaraka amin’ny faminanian’i Jesosy (Matio 24:3-14). Ny mpisakaiza roa dia malaky mifampilaza tsiambaratelo, satria mifampatoky. Tadidio fa mandritra ny resaka alina nifanaovany tamin’ny apostoliny 11 izay nijanona teo anilany, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:14, 15). Hatreo, ny zavatra ara-panahy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay tokony ho tanteraka na hampiharina dia haharihary voalohany indrindra amin’ireo tena ‘sakaizan’ny’ Mpampianatra, Jesosy Kristy, dia ireo izay hateraky ny fanahy masina. Aorian’izany, ireny “sakaiza” ireny dia hanana tombontsoa sy andraikitra hanambara ireny zavatra nafenina hatreo ireny, amin’ireo olona izay haniry hahazo ny fisakaizana amin’i Jehovah Andriamanitra, Ilay niandohan’izany zava-miafina izany.

8. Iza no ifankazaran’i Jehovah? Ahoana no teny niresahan’i Jesosy ny amin’ny fanekena mifamatotra amin’izany fifankazarana izany?

8 Izany no nataon’i Jehovah tamin’ireo mpivavaka aminy nateraky ny fanahy, tamin’ireo izay voaray tao anatin’ny fanekena vaovao nifanaovany tamin’ny alalan’i Kristy. Rehefa nanorina ny Sakafon’ny Tompo i Jesosy, dia izao no nolazainy: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” (Lioka 22:20). Izany dia nifandrindra tsara tamin’ireto teny voasoratra ao amin’ny Salamo 25:14 ireto: “Ny fisainan’i [fifankazarana amin’i, MN ] Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.” Fahalalana mahatalanjona re izany ho an’ireo izay nampifamatotra fifandraisam-pisakaizana tamin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpanalalana ampiasainy!

Ireo mifamatotra amim-pisakaizana amin’i Jehovah

9. Fieboeboana ve ny hieritreretana fa afaka manana fisakaizana amin’olona noforonina Jehovah? Inona avy no teny ao amin’ny Baiboly mahatonga antsika ho afaka hahafantatra izany?

9 Nefa moa ve isika tena afaka manana an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra sy Tsitoha ho sakaiza akaiky? Ho ampy fanetren-tena ve Jehovah mba ho tonga sakaizantsika? Tsy fieboeboana akory ny fieritreretana toy izany. Tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ireo Isiraelita ara-panahy talohan’ny taona 70, datin’ny nandravana an’i Jerosalema, dia izao no nosoratan’i Jakoba: “Ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‘Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany’, ary natao hoe ‘Sakaizan’Andriamanitra’ izy.” (Jakoba 1:1; 2:23; Genesisy 15:6; Galatiana 6:16). Ao amin’ny anankiray amin’ireo ‘tenin’ny Soratra Masina’ amin’ny teny hebreo nakan’i Jakoba teny, dia hitantsika izao fitalahoana nataon’i Josafata mpanjaka tamin’Andriamanitra izao rehefa norahonan’ny fanafihana lehibe ny fandrian’i Jerosalema fahizay: “Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao [ilay tia anao, MN ]?” (II Tantara 20:7). Voamaritsika eto fa ny tena dikan’ny teny hebreo nadika hoe “sakaiza” dia ‘ilay tia’. Tsy azo lavina fa tia an’i Jehovah, ilay Andriamanitra namoaka azy tany Oran’ny Kaldeana sy nampiditra azy tany amin’ny Tany nampanantenaina i Abrahama. Koa satria tia azy Abrahama, dia afaka nandray azy ho sakaiza kosa Jehovah ho valiny.

10. Iza no miresaka ny amin’ny fisakaizana ao amin’ny Isaia 41:8? Inona no fihetsika nahatonga an’i Abrahama hitana toerana manokana teo anatrehan’Andriamanitra?

10 Ao amin’ny Isaia 41:8 dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no miteny. Ataony ho an’ilay firenena voaforon’ny taranak’i Abrahama izao teny mampahery izao: “Fa hianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako.” Nanaja ny fisakaizana nampifamatotra azy tamin’i Abrahama ilay Andriamanitra Avo Indrindra tamin’ny fanaovana izay hahatonga an’i Abrahama ho anisan’ireo nalaza indrindra tamin’ny razamben’i Jesosy Kristy, Mpamonjy ny taranak’olombelona izay anisany koa ny tenan’i Abrahama. Io taranak’i Abrahama io dia nihoatra noho ny sakaiza ho an’i Jehovah Andriamanitra, satria Zanany malala izy io. — Jaona 3:16.

11. Nahoana moa no tsy maintsy hosedraina ny fisakaizana mampifamatotra antsika amin’i Jehovah.

11 Avy amin’izany voalaza eo aloha rehetra izany, inona no fanatsoahan-kevitra azontsika tsoahina? Izao: Azon’ny zavaboary olombelona atao ny ho sakaizan’Andriamanitra eto an-tany, eto amin’ny ‘fitoeran-tongony’. (Isaia 66:1.) Mazava ho azy fa ny fisakaizana sarobidy hotanantsika aminy dia hosedraina ao anatin’izao tontolo izao ankehitriny, satria Satana Devoly “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, dia hikely aina handrava izany. — II Korintiana 4:4, MN.

12. Sahala amin’i Joba, tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika mba hitanana ny fisakaizantsika amin’ny Avo Indrindra?

12 Eritrereto koa ny amin’i Joba, olona niavaka iray fahizay. Izao no nambaran’i Jakoba mpianatra ny aminy: “Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo [Jehovah, MN ] taminy, fa miantra indrindra ny Tompo [Jehovah, MN ] sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11). Tsy ohatra amin’ny angano akory i Joba. Olona nofo aman-dra velona tany amin’ny tany Oza izy. Nolavin’ny Devoly ny fahamafisan’ny fisakaizana nampiray an’i Joba tamin’i Jehovah, ary navelan’i Jehovah izy hampihatra fitsapana mafy dia mafy tamin’i Joba. Tamin’ny fanjerana loza nahatsiravina tamin’i Joba, dia nanandrana nitarika azy handa an’i Jehovah i Satana. Nolavin’i Joba anefa ny hanohana ny Devoly amin’ny fandavana an’Andriamanitra, satria izany dia hahatonga azy ho faty eo anilan’i Satana ao amin’ilay fiadian-kevitra lehibe ny amin’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao. Noporofoiny kosa fa mpandainga maharikoriko Satana Devoly. Fony teto an-tany Jesosy dia nampiseho zavatra sahala amin’izany. Ary isika? Ireo izay mihevitra ho sarobidy tokoa ny fisakaizana amin’i Jehovah dia tapa-kevitra ny hanohana azy amin’io fiadian-kevitra eo amin’izao rehetra izao io. Ary hanao izany izy ireo mandra-panipy an’i Satana sy ireo demoniany any amin’ny lavaka tsy hita noanoa sy mandra-panginany, alohan’ny hanombohan’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy. — Apokalypsy 20:1-4.

13. Manao ahoana ny hasarobidin’ny fisakaizana mampifamatotra antsika amin’i Jehovah Andriamanitra etsy andaniny, ary amin’ny Zanany lahitokana etsy ankilany? Inona no fihetsika tokony harahintsika mba tsy hoheverina ho ‘mpijangajanga’ ara-panoharana?

13 Tsy misy fisakaizana lehibe kokoa noho ny an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, dia Jehovah. Manaraka izany ny an’ny Zanany lahitokana. Raha mamboly fifandraisana amim-pisakaizana amin’ireo olona roa ireo isika, izany dia hitondra ho antsika fahasambarana mandrakizay sy tsy misy fetra. Zon’ireo Sakaiza ireo tsara tokoa ny hitaky amintsika tsy fivadihana tsy voazarazara. Tsy afaka hirehareha ho manana ny fisakaizana amin’izy ireo isika raha mifanaraka amin’izao tontolo izao voaheloka ankehitriny. Raha lazaina amin’ny heviny ara-panahy, dia tsy ho tiantsika ny halahatra ho anisan’ny mpijangajanga, raha raisina io fitenenana mahery nampiasain’i Jakoba io (4:4): “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” Ireo teny ireo dia natao ho an’ny Isiraelita ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany, nefa mbola manan-kery toy izany ihany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah miaina eo amin’izao tontolo izao na fandehan-javatra amin’ny taonjato faha-20.

Ario ny fisakaizana mihelina

14. Raha ny amin’ny fisakaizana, ahoana no hahavoatsimbina ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fahatsapan-javatra voalazalaza ao amin’ny Zakaria 13:4-6?

14 Noho izy tsy sakaizan’izao tontolo izao maherisetra sy ratsy ankehitriny, dia endrikendrehina, asiana ratsy sy enjehina ny Vavolombelon’i Jehovah. Nihatra tamin’i Jesosy Kristy, ilay Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra teto an-tany izany, ary tsy lehibe noho izy, ireo (Apokalypsy 1:5; 3:14). Noho izy ireo manao ny marina manitsy foana ny fiheverany mba hampifandrindra azy amin’ny tenin’ny Sakaizany tsara indrindra, Jehovah Andriamanitra, dia tsy mba voatery nahatsapa ny voalazalaza ara-paminaniana ao amin’ny Zakaria 13:4-6 izay amakiantsika toy izao izy ireo: “Ary amin’izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty [hanao fitafiana ofisialy, MN ] volom-biby hamitahana izy, fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo ahy, fony aho mbola kely. Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ny tànanao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny.”

15. Nahoana moa ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana no manao fitafiana manokana ampahibemaso? Iza no nampifamatorany fisakaizana mba hahazoan’ny tenany tombontsoa?

15 Hatramin’ny taonjato maro ireo mpitondra fivavahana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia manao “fitafiana ofisialy” mba hanintonana ny saina ho amin’ny raharahany ary mba hiavahana amin’ny fomba hahazoana tombontsoa amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonany izay lazainy ho “lahika”. Tsy misy mihitsy anefa porofo fa Jesosy, ireo apostoliny sy ny mpitory ny filazantsara hafa nirahiny dia nanao fitafiana ofisialy mba hahalalana azy na mba hampiharihariana ny raharahany. Efa lasa lavitra dia lavitra isika ankehitriny ao anatin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra” izay nanomboka tamin’ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” na “andron’ny jentilisa”, tamin’ny 1914 (Matio 24:3, MN; Lioka 21:24). Nandritra ny ela be ny klerjy dia nanandrana ho ny sakaiza tsara indrindra ho an’izao tontolo izao ara-barotra sy ara-tafika ary ara-politika. Nanao toy izany izy noho ny fitiavan-tena, mba hahazoana tombontsoa ho an’ny tenany, ary tsy nisy fiahiahian’ny feon’ny fieritreretana mihitsy. Tsy haharitra anefa izany karazam-pisakaizana mampiseho fitiavan-tena izany.

16. a) Araka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, hanao inona moa amin’ny farany ireo ‘sakaizan’ny klerjy? b) Na dia ao anatin’ny toe-piainana vaovao aza ireo anisan’ny klerjy, tsy ho afa-mandositra ny inona izy ireo?

16 Samy miaina amin’ny fotoan’ny teknolojia ankehitriny na ny anisan’ny klerjy na ny lahika. Eo anivon’izao tontolo izao ankehitriny, ny fifandraisan’olombelona dia iharan’ny fihenjanana mihoapampana noho ny fahasarotan’ny andro. Na dia milaza aza ny klerjy fa manana ny fankasitrahan’ilay Andriamanitry ny lanitra dia tsy nahazo ny fanohanany izy amin’ny fandaharana ara-barotra, ara-tafika sy ara-politika tohanany. Tsy manana fanamaivanana mihitsy hatolotra an’izao tontolo izao izy, nefa miharatsy isan’andro isan’andro ny toe-piainan’izany izao tontolo izao izany. Tsy ho ela ireo ‘sakaizan’ny’ klerjy dia hahatakatra fa tsy nitondra soa ho azy ireo mihitsy izy. Ho tsapan’izy ireo fa enta-mavesatra ho azy ireo kosa aza izy, ary ny fampanantenana ambarany fa hahita andro tsara kokoa izy ireo, tsy misy fiheverana mihitsy ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah, dia tsy tanteraka. Ireny “sakaiza” tsy ara-pivavahana ireny dia hahatsapa ho voatosika hanampatra ny ahiahiny, ny fanamavoany sy ny fankahalany amin’ny farany. Haringany amin’ny fomba mahery vaika ny klerjy na fara faharatsiny dia hesoriny amin’ireo mpitondra fivavahana ny fitafiany ofisialy amin’ny fametrahana azy ireo eo amin’ny toerana tsotra na lahika, araka ny faminanian’i Zakaria (13:4-6). Izany fiovan’ny toerana izany anefa dia tsy hisakana azy ireo tsy hofoanana miaraka amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, araka ny ambaran’ny toko faha-17 sy 18 amin’ny Apokalypsy. Tsy ho hitany tanteraka amin’izay ireo “sakaiza” azon’ny klerjy teo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

17. Inona moa no fisakaizana mendrika ny hambolena? Haharitra toy inona ny tokony hitehirizana izany?

17 Eo an-katok’izany fisehoan-javatra izany, dia zava-dehibe indrindra ny hanariana ireo fisakaizana sandoka miorina amin’ny fitiavan-tena ka hanokanan-tena amin’ny fomba feno amin’ny kanto indrindra amin’ny fisakaizana, ny hany mendrika hambolena mandrakizay.

Ahoana ny hevitrao?

◻ Raha manao inona ireo mpianatr’i Jesosy no hitoetra ho sakaizany?

◻ Ahoana no hahafantarantsika fa misy olombelona mety hahazo ny fisakaizana amin’i Jehovah? Karazan’olona manao ahoana no raisin’i Jehovah ho ao anatin’ny fifankazarana aminy?

◻ Nahoana ny fisakaizana mampiray antsika amin’Andriamanitra no tsy maintsy hosedraina?

◻ Raha ny amin’ny fisakaizana, ahoana no hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho voatsimbina amin’ny fahatsapan-javatra mampalahelo voalazalaza ao amin’ny Zakaria 13:4-6?

[Sary, pejy 9]

Davida sy Jonatana dia voafatotry ny fisakaizana feno fahatsorana sy mafy orina. Miankina aminao ihany ny mety hahitanao fifaliana toy izany.

[Sary, pejy 11]

“Sakaizan’i Jehovah” Abrahama. Ary ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara