Aoka isika hanovo fampaherezana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
JEHOVAH dia ‘Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra Izay mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’. (II Korintiana 1:3, 4.) Any aminy sy any amin’ny Teniny àry no tokony hitodihantsika mba handraisana fampaherezana sy ny fampiononana marina ao anatin’ny fotoan-tsarotra. — Romana 15:4.
Raha tsy mivadika amin’Andriamanitra isika, dia ‘tsy handao antsika mihitsy izy na hahafoy antsika akory’. Amin-toky, dia ho afaka hilaza isika hoe: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?” (Hebreo 13:5, 6; Salamo 37:39, 40). Marina tokoa àry fa tsy tokony ho ketraka na ho kivy isika, na dia rehefa mamakivaky fitsapana lehibe aza.
Tao amin’ny faminaniany malaza ny amin’ny androntsika, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza hianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. Ary ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako.” Taorian’izany avy hatrany anefa, dia izao no teny nanampiny: “Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza.” (Lioka 21:16-18). Ahoana no hetezan’izany? Amin’ny alalan’ny fananganana ny maty izay ny fahatsinjovana izany fotsiny dia nanohana an’i Paoly (Jaona 5:28, 29; II Korintiana 1:9, 10). Raha ny marina, moa ve tsy mampahery ny mahafantatra fa na dia ny fahafatesana aza dia tsy afaka manaisotra amintsika ny fanantenantsika mahatalanjona?
Eritrereto ny fampaherezana mety hoentin’io fanantenana io sy ny toky fa hahazo ny fanampian’Andriamanitra ho an’ireo kristiana izay iharan’ny famelezana, ho an’ireo manjary tapa-tongotra na tanana na mandringa noho ny fahasiahan’ny olona, ho an’ireo vehivavy tia fivavahana izay nosavihina sy ho an’ireo ray aman-dreny izay nesorina taminy ny zanany. Ao amin’ny Tenin’i Jehovah tokoa isika dia mahita fanambarana mampahery sy manome toky maro izay mahatonga antsika ho afaka hifaly na dia rehefa enjehina aza isika. — Matio 5:10-12.
Aoka isika hibanjina ny valisoa
Rehefa ianjadian’ny fahoriana sy ny alahelo isika, dia aoka hotadidiantsika fa tsy misy na inona na inona mitranga amintsika ka tsy efa nitranga tamin’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah hafa. Raha tiantsika ny hahatohitra ny Devoly izay manandrana manao izay hialantsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, dia tokony harahintsika izao torohevitry ny apostoly Petera izao: “Tohero izy [ny Devoly], ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.” (I Petera 5:9). Marina tokoa fa ny kristiana hafa dia iharan’ny fitsapana sahala amin’izany noho ny vaovao tsara, ary tsy mivadika hatrany izy ireny. Afaka manao toy izany isika.
Tokony hoheverintsika, tsy ny ohatra ny amin’ireo izay tsy nivadika hatrany ihany, fa ny amin’ny valisoa noraisin’izy ireo koa. Araka izany, Satana dia tapa-kevitra ny hanaporofo fa Joba dia tsy nanompo an’Andriamanitra raha tsy noho ny antony mampiseho fitiavan-tena, ka nampiharany fahoriana nisesy izy. Voalohany indrindra, ireo biby fiompin’i Joba dia ringana, avy eo dia ireo mpanompony, ary tamin’ny farany dia ireo zanany folo. Tsy nianina tamin’izany i Satana fa namely “vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany”. (Joba toko 1 sy 2.) Moa ve i Joba niala tamin’ny tsy fivadihany na dia izany aza?
Tsy izany velively. Inona no valisoany? Nampody ny fahasalamany Jehovah ary nanome azy “indroa toraka” izay nananany rehetra ary nanome azy fiainana lava sy nahafapo (Joba 42:10-17). Nanampy an’ireo valisoa ireo ny lehibe indrindra, dia ny fananganana ny maty miaraka amin’ny fanantenana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany (Joba 14:13-15). Azo antoka tokoa fa ny ohatra ny amin’i Joba dia mampahery sy manatanjaka ny kristiana ianjadian’ny fahoriana amin’izao andro izao.
“Manampy antsika Jehovah”
Aoka horesahintsika izao ny amin’ny vehivavy kristiana iray izay, tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nijaly nandritra ny taona maro tany amin’ireo toby fitanana tany Alemaina. Ankoatra ny toe-piainana nampahory indrindra, ny fitondrana tamin-kalozana sy ny fihafiana, dia nosarahina tamin’ny vady aman-janany izy nandritra ny dimy taona, ka tsy fantany ny niafaran’izy ireo. Tamin’ny farany, rehefa lasa ny taona maro niaretana sy tsy nivadihana, dia hitany indray ny ankohonany, ary hatramin’izay izy telo mianaka dia manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. Mariho izay ambarany ny amin’ny zavatra niainany:
“Nanatsoaka fianarana miavaka avy amin’izany taona rehetra lany tany amin’ireo toby fitanana izany aho. Fantatro izao fa tena afaka manatanjaka antsika tokoa ny fanahin’i Jehovah rehefa mandalo ireo fitsapana mafy indrindra isika. Talohan’ny hisamborana ahy, dia namaky taratasy iray avy amin’ny rahavavy iray aho, ka nolazainy tamin’izany fa rehefa misy fahoriana misedra indrindra, ny fanahin’i Jehovah dia mandatsaka eo amintsika, karazam-piadanana amim-pahatoniana. Tamin’izany fotoana izany, dia niteny anakampo aho fa angamba nisy filazana tafahoatra loatra tamin’izany. Kanefa, rehefa niharan’ny afon’ny fisedrana ny tenako, dia fantatro fa marina ny nolazain’io rahavavy io. Ho an’izay mbola tsy nandalo tamin’izany, dia sarotra ny maka sary an-tsaina izany, nefa tena tsapako tokoa izany. Eny, manampy antsika Jehovah.”
Moa ve tsy mahazo fampaherezana sy tanjaka amin’izany fanamarihana izany ianao? Noho io vehivavy kristiana io tsy nivadika hatrany tao anatin’ny fitsapana, ankehitriny izy dia tafaray amin’ny fianakaviany mba hibanjina ny fahatanterahan’ny fanantenany, dia ny fiainana mandrakizay (Hebreo 10:39). Azo antoka fa valian-tsoa ny tsy fivadihana!
Rehefa avy niharam-pitsapana nandritra ny taona maro Paoly rahalahy malalantsika, inona no tsapany? Kivy ve izy? Reraka ve? Ketraka ve? Tsy izany velively. Natoky izy, feno fanantenana, sambatra satria niaritra. “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay.” (II Timoty 4:7, 8). Nanohy ny fihazakazahany tsy nihozongozona i Paoly ary nahazo ny valisoany any an-danitra izy (Filipiana 3:4-14). Iza no tsy mahazo fampaherezana amin’ny ohatra tsara nomeny? Enga anie isika koa hiaritra fahoriana, hanovo fampaherezana ao amin’ny Soratra masina ka tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitsika tia, dia Jehovah!
[Sary, pejy 7]
Manatanjaka ny kristiana enjehina ny ohatra ny amin’i Joba.