Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny batisan’i Jesosy
HATRAMIN’NY enimbolana teo ho eo izao no nitorian’i Jaona. Jesosy, izay telopolo taona izao, dia nanatona azy tao Jordana. Inona no antony? Tiany ve ny hanao fitsidihana tamim-pisakaizana taminy mba hahafantarana ny fandrosoan’ny asany fotsiny? Tsia. Tonga mba hangataka azy hanao batisa azy izy.
Nanohitra avy hatrany i Jaona. “Izaho no tokony hataonao batisa, hoy izy, ka Hianao indray va no mankaty amiko?” Fantatr’i Jaona fa tsy lehilahy tahaka ny hafa akory Jesosy, zanak’olo-mpiraitampo taminy: Zanak’Andriamanitra izy io. Tadidio izao: rehefa tonga tao an-tranon’i Elizabeta i Maria nanana an’i Jesosy, dia niantsambotra tao an-kibon-dreniny i Jaona noho ny hafaliana. Azo antoka fa tsy nanadino ny nitantara izany taminy Elizabeta, renin’i Jaona. Tsy isalasalana fa noresahiny taminy koa ny amin’ilay anjely izay nanambara ny hahaterahan’i Jesosy, sy ny amin’ireo mpitondra hafatra avy any an-danitra izay niseho tamin’ireo mpiandry ondry tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy.
Noho izany antony izany dia tsy hoe tsy fantatr’i Jaona akory i Jesosy. Ary fantatr’i Jaona tsara tokoa fa tsy natao ho an’i Jesosy akory ny batisany. Izany dia natokana ho an’ireo izay nibebaka tamin’ny fahotany; tsy nanana ota anefa i Jesosy. Ary anefa, na dia tao aza ny fanoheran’i Jaona, dia nanamafy toy izao i Jesosy: “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.”
Nahoana no ara-drariny ny nanaovana batisa an’i Jesosy? Satria raha ny aminy, ny batisa dia tsy milaza fibebahany amin’ny fahotany, fa fisehoany teo anatrehan’ny Rainy mba hanao ny sitrapony. Hatreo i Jesosy dia mpandrafitra; tonga anefa izao ny ora tokony hanombohany ny fanompoana nanirahan’Andriamanitra azy ho eto an-tany. Heverinao ve fa nanampo fisehoan-javatra hafahafa i Jaona tamin’ny fotoana nanaovany batisa an’i Jesosy?
Hotantarainy toy izao izany atỳ aoriana: “Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina.” Araka izany, dia nampoizin’i Jaona ny hilatsahan’ny fanahy masin’Andriamanitra teo amin’ny anankiray tamin’ireo izay hataony batisa. Azo inoana àry fa tsy tena gaga izy rehefa ‘nidina tahaka ny voromailala ka nankeo ambonin’i Jesosy’ ny Fanahin’Andriamanitra’ tamin’ny fotoana nivoahany avy tao anaty rano.
Nisy fisehoan-javatra hafa iray nitranga anefa tamin’io batisa io. Nisokatra tamin’i Jesosy ny lanitra, ka nisy feo nanambara hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Feon’iza izany? Ny an’i Jesosy ve? Azo antoka fa tsy izany! Ny an’Andriamanitra io. Miharihary fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy fa tsy Andriamanitra mihitsy, araka ny lazain’ny sasany. Matio 3:13-17; Lioka 3:21-23; 1:34-36, 44; 2:10-14; Jaona 1:32-34; Hebreo 10:5-9.
◆ Nahoana moa Jesosy no tsy hoe olona tsy fantatr’i Jaona?
◆ Koa satria tsy nanao fahotana i Jesosy, nahoana izy no natao batisa?
◆ Rehefa heverina amin’izay fantatr’i Jaona ny amin’i Jesosy, nahoana moa no azo atao ny mihevitra fa tsy gaga izy nahita ny fanahin’Andriamanitra nidina teo amboniny?