Manahaka ny fahamoram-panahin’Andriamanitra ve ianao?
TADIDINAO ve ny nampisehoan’olona hatsaram-po farany taminao? Iza tokoa no tsy ho voatohina noho ny mariky ny hatsaram-panahy sy fangoraham-po ary fahalemem-panahy?
Na dia tsy hita firy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny aza ny fahamoram-panahy, dia tsy hoe tsy fantatra eo akory. Tsy maintsy malemy fanahy amin’ny mpividy ny mpivarotra. Fantatry ny mpanao raharaham-barotra ny hasarobidin’ny fahamoram-panahy eo amin’ny fifampiraharahana lehibe ataony. Tokony hekena anefa fa be dia be no mampiseho an’io karazam-pahamoram-panahy io noho ny fitiavana hitady tombontsoa ho an’ny tena. Na dia ao aza izany rehetra izany, dia misy tokoa ny tena fahamoram-panahy. Vavolombelon’izany ny amin’ity lehilahy nila halemy tanteraka noho ny fijanonan’ny fiasan’ny faritra iray amin’ny vatany tampoka (attaque). Nonina lavitra azy ny zanany lahy sy ny vinantony vavy. Rehefa tonga teo an-doham-pandriany anefa izy ireo dia nanohina azy ireo ny fahatsapana fa efa nikarakara ny raharaha lehibe indrindra tao an-tokantrano ny manodidina.
Ny Baiboly dia mirakitra ohatra miavaka ny amin’ny olona izay naneho fiheverana ny hafa avy hatrany. Tamin’ny fandehanana ho any Roma, Jolio, manamboninahitra voatendry hanara-maso ny apostoly Paoly, dia namela ny mpigadrany hankany amin’ireo sakaizany tany Sidona ka hokarakarain’ireo. ‘Tsara tokoa ny nitondran’i Jolio an’i Paoly’. (Asan’ny apostoly 27:3.) Fotoana fohy taty aoriana, dia vaky sambo tany amin’ny nosy Melita i Paoly. Tany, ny tompon-tany dia ‘nampiseho soa tsy kely’ tamin’ireo mpandeha sy ny tantsambo, niisa ho 276 tamin’ny fitambarany. Ny tenan’i Poplio, “mpanapaka ny nosy” koa, dia niseho ho tia nampiantrano vahiny indrindra. — Asan’ny apostoly 18:1-10.
Noho izy noforonina araka ny endrik’Andriamanitra, ny olona rehetra dia afaka manome taratry ny toetran’Andriamanitra sasany. Nanipika tsara izany i Paoly raha nanoratra hoe: “Fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony.” (Romana 2:14, 15; Genesisy 1:26). Araka izany àry, ny olombelona dia manana fahamoram-panahy sasany raikitra ao aminy. Rariny anefa ny hanampoizana avy amin’ny kristiana marina, fahamoram-panahy ambony, fahamoram-panahy manome taratry ny an’Andriamanitra amin’ny fomba miharihary. Manao ahoana moa io toetra tsara io? Ahoana no ampisehoan’ny Mpamorona azy? Ahoana no azontsika koa ambolena an’io vokatry ny fanahiny io? — Galatiana 5:22.
Ny hatsaram-pon’i Jehovah
Manandratra imbetsaka ny hatsaram-pon’i Jehovah ny Baiboly. “Haleloia [Midera an’i Jah!, MN ] hoy ny mpanao salamo, miderà [misaora, MN ] an’i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony.” (Salamo 106:1; 107:1). Ao amin’ny Soratra hebreo, ny teny nadika hoe “famindrampony [hatsaram-pony, MN ]” dia manondro ny karazam-pahamoram-panahy mifikitra amim-pitiavana amin-javatra na amin’olona mandra-pahatratra ny zava-kendrena tadiavina. Tamin’izany, noho ny fitiavana, Andriamanitra dia naneho hatsaram-po tamin’ny olombelona ho amin’ny famonjena azy ireo. Raha tsy nanao toy izany izy, dia ho efa ringana hatramin’ny ela be ny mponina rehetra amin’ny planeta. Marina fa tsy azon’Andriamanitra noleferina ny faharatsiana; noho izany antony izany no nandroahany tsy ho ao amin’ny saha Edena ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia Adama sy Eva. Kanefa, noho ny hatsaram-pony tamin’izy ireo, dia nomeny fitafiana izy ireo, navelany hiteraka sy mbola ho velona nandritra ny fotoana naharitra, izany rehetra izany dia na dia tao aza ny fikomian’izy ireo. — Genesisy 3:21 ka hatramin’ny 4:2; 5:4, 5.
Tamin’ny fomba maro, dia nasehon’i Jehovah tamin’ny taranak’i Adama izay mpanota daholo, ny hatsaram-pony. Ohatra, tany Lysitra, ny apostoly Paoly dia afaka nilaza tamin’ireo mpanaraka fivavahan-diso iray fa ‘tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Andriamanitra; fa nanao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho azy ireo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fon’izy ireo amin’ny hanina sy ny fifaliana’. (Asan’ny apostoly 14:16, 17.) Na dia nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny andriamanitra sandoka iray aza izy ireo, noho ny fahamoram-panahiny, dia manohy manome izay ilainy ara-nofo Jehovah.
Kanefa, talohan’ny nahitan’ny taranak’i Adama sy Eva masoandro aza, dia nanaporofo tamin’izy ireo ny hatsaram-pony tamin’ny fomba mbola mahery kokoa ihany Andriamanitra. Nomeny azy ireo tokoa ny fanantenana ny hafahana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny “taranaka” nampanantenaina (Genesisy 3:15; Romana 5:12). Tao anatin’ny taonjato maro, na dia nanala baraka an’Andriamanitra aza ny olona, dia tsy nahafoy azy Andriamanitra. Ho azy ireo, dia tonga hatramin’ny fanolorana ny Zanany lahitokana, ny malalany, ho sorom-panavotana, izy (Jaona 3:16). Afa-tsy izany koa, dia nasehony ny “fahasoavany”, endriny hafa iray koa amin’ny fahamoram-panahiny, tamin’ny fanaovana fandaharana mba hahatongavan’ny lehilahy sy vehivavy tsy mivadika ho mpiray lova amin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, dia fanjakana hitondra soa ho an’ny olona mankatò rehetra. — Romana 5:8, 15-17; 8:16, 17; Apokalypsy 14:1-4.
Aoka isika hanahaka ny fahamoram-panahin’Andriamanitra
Raha ny amin’izay mahakasika antsika, ahoana no hahafahantsika manome taratry ny fahamoram-panahin’Andriamanitra na dia ao aza ny tsy fahatanterahantsika? Azontsika atao sahady ny maka ny ohatra sy ny torohevitra nomen’i Jesosy, ka izany dia hanampy antsika haneho fahamoram-panahy toy izany (I Petera 2:21; Matio 11:28-30). Araka izany, dia nasehon’i Jesosy tamintsika fa tokony haneho hatsaram-po isika na dia amin’ireo fahavalontsika aza. Hoy izy: “Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin’inona na amin’inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra Hianareo; fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.” (Lioka 6:35). Noho izany, raha tiantsika ny haneho fahamoram-panahy tahaka ny an’Andriamanitra, ny fahamoram-panahy tsara indrindra, dia ho tiantsika ny hanao soa, tsy amin’ny fianakaviantsika, ny sakaizantsika sy ireo rahalahintsika kristiana ihany, fa amin’ireo izay tsy mankasitraka sy mankahala antsika koa. Ny fihetsitsika dia tsy hokendrena mba hahasosotra azy, fa hanampy azy ireny sy hanome azy fahafahana hampiseho ny lafiny tsara amin’ny maha-izy azy. — Galatiana 6:10; Romana 12:20, 21.
Noho ny fahafantarana fa mirona hitondra ny olona araka ny itondrany antsika isika, dia ho tsara ny hitadidiantsika izao fampitandreman’i Jehovah izao: “Fa famindrampo [hatsaram-po, MN ] no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra.” (Hosea 6:6). Noho izany, raha maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, dia tokony hanao foana izay hanahafana ny hatsaram-pon’i Jehovah eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa (jereo Mika 6:8). Kanefa, mba hiasan’io toetran’Andriamanitra io amin’ny fomba feno eo amintsika, dia tokony hanaraka ny ohatra nomen’i Jehovah koa isika eo amin’ny lafiny manokana iray. Toy ny nanaovan’i Jehovah ny dingana voalohany, netsehin’ny fahamoram-panahiny, mba hamelana antsika hanana fifandraisana tsara aminy, dia toy izany koa fa tokony hitarika ny fampitana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny namantsika isika. Na dia valiana an’avona aza isika amin’ny voalohany, dia haharitra amin’ny fahamoram-panahy isika amin’ny mbola fiezahana ihany sy amin’ny fanohinana ihany ny fon’ny olona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Faly aoka izany isika rehefa manampy olona hiditra eo amin’ny lalan’ny fiainana, amin’ny fanahafana ny fahamoram-panahin’Andriamanitra! — Matio 7:13, 14.
Ny fomba hambolena an’io toetra io
Tsy ho afaka hanahaka ny fahamoram-panahin’Andriamanitra isika raha tsy feno ny heviny voasoratra ao amin’ny Baiboly ka manao zavatra mifanaraka amin’izany. Marina tokoa fa zava-dehibe ny hahazoana fahalalana marina ny fahamarinana. Nidera ny kristiana tany Kolosia i Paoly ka niaiky fa nitondra vokatra teo amin’izy ireo ny fahamarinana ‘hatramin’ny andro nandraisany sy nahalalany tsara ny fahasoavan’Andriamanitra araka ny marina’. (Kolosiana 1:5, 6.) Kanefa, tsy misy mihitsy kristiana afaka mahatratra fari-pahalalana iray ka tsy tokony handroso intsony. Noho izany antony izany, ny tsirairay avy amintsika dia tokony ‘hanohy hitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy’. — II Petera 3:18.
Koa satria ny fahamoram-panahy vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra, ny kristiana izay manaiky ny asan’io fanahy io dia hampiseho hatsaram-po. Raha ny marina, Paoly dia mampifamatotra indrindra ny fahamasinana araka an’Andriamanitra amin’ny hatsaram-po, eto dia mitovy hevitra amin’ny fahamoram-panahy, rehefa nilaza hoe: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy (...) araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala.” (Kolosiana 3:12). Raha fintinina, dia mila ny fanahy masin’Andriamanitra isika mba hanahafana ny fahamoram-panahiny.
Fa amin’ny fomba ahoana no mety hahazoana ny fanahin’Andriamanitra? Ilaina voalohany indrindra ny hangatahana mafy izany. Nasehon’i Jesosy fa raha mitalaho amim-pahatsorana sy amim-panetren-tena amin’i Jehovah isika mba hanomezany antsika an’io fanomezana sarobidy io, dia hohenoina ny hataka ataontsika. Rehefa avy nanonona ny ilàna ‘hangataka hatrany’ sy ‘hitady hatrany’ i Jesosy, dia izao no teny nanampiny: “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy? (Lioka 11:9-13). Raha fintinina, raha mitalaho amin’i Jehovah isika mba hanomezany antsika ny fanahiny ary raha mivavaka aminy indrindra isika mba hanampy antsika hitombo amin’ny fahamoram-panahy, dia tsy isalasalana mihitsy fa hahazo valiny tsara isika (I Jaona 5:14, 15). Miharihary fa ny ataontsika dia tokony hifanaraka amin’ny vavaka ataontsika rehefa mangataka ny fanahin’Andriamanitra.
Etsy andaniny koa, dia hahita fanampiana isika mba hambolena an’io toetra io amin’ny fisaintsainana ireo porofon’ny fahamoram-panahin’Andriamanitra izay misy be dia be manodidina antsika. Raha niteny tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo dia nanoratra toy izao: “Eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Salamo 77:12). Amin’ny fiainantsika andavanandro, dia aoka isika hihevitra tsara ireo toetr’Andriamanitra. Aoka hoeritreretintsika izay rehetra mitondra mariky ny fahamoram-panahiny, izay rehetra mitondra fiadanana sy fahafinaretana ho antsika: ny hakanton’ny zavatra noforonina, ny sakafo sy fisotro fy, ny fifaliana mahamiramirana ny ankizy, ary na dia ny fisavoamboanan’ny biby aza. Ny masoandro mody mahafinaritra, ny avana mamelatra ireo lokony, ny sakafo tsara, na ny hamamin’ny fisakaizana koa, izany rehetra izany dia mampahatsiahy antsika fa noho ny hatsaram-pony, dia manao zavatra be dia be mba hahasambatra antsika Andriamanitra. Tsy azo lavina fa “ny fombany tsy hita [indrindra fa ny fahamoram-panahiny] (...) dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. (Romana 1:20.) Tena ilaina ny hisaintsainana hevitra toy izany raha tiantsika tokoa ny hanome taratry ny fahamoram-panahin’ilay Andriamanitsika lehibe.
Ny fahamoram-panahy: zava-kendrena tokony hoferana
Azo antoka fa handray soa isika raha mandray ho zava-kendrena ny fanahafana ny fahamoram-panahin’Andriamanitra. Noho io toetra io, ny fifandraisantsika amin’ny namantsika amin’ny ankapobeny ary indrindra amin’ny fianakaviantsika dia tsy maintsy hihatsara. Ny fahamoram-panahy dia mahatonga ny hafatra momba ilay Fanjakana hanintona. Mihoatra ny iray ny be fisalasalana nahatsiaro ho voatosika hankafy ny fahamarinana rehefa nahita ny fahatsaram-panahy nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fanompoany. Io toetra io tokoa dia nahatonga olona feno fankahalana amin’ny andavanandro hiseho amin’ny endriny tsara kokoa.
Araka izany, ny vehivavy iray dia nanda tamin’ny fomba nitratrevatreva ny zazavavy kristiana iray izay nanao ny fanompoany isan-trano. Rehefa voamariny fa narary io vehivavy io dia nanontany azy ilay anabavintsika tanora raha afaka manao zavatra ho azy izy, nefa fandavana tamin’ny fomba nangatsiaka no azony. Rehefa afaka tapa-bolana anefa, dia nijanona io zazavavy kristiana io rehefa nandalo tao amin’io vehivavy io ka niahy ny amin’ny hahafantarana raha afaka niantsena izy teo anelanelan’izany. Rehefa nanda ilay vehivavy, dia nirin’ilay zazavavy ny hividy izay nilainy. Taty aoriana io vehivavy io dia niseho ho nahay nampiseho fitiavana lavitra rehefa nisy Vavolombelona nandondòna tao am-baravarany. Izany rehetra izany, dia satria nanahaka ny fahamoram-panahin’Andriamanitra ny vehivavy kristiana iray.
Misy hery manintona amin’io toetra faniry indrindra io. Ho ohatra, ny vehivavy tanora iray izay nanaraka fianarana ambony dia nampahafantatra anay izay tsapany rehefa tonga voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Tao, ny Vavolombelona tso-piaina dia nanahy ny amin’ny ho fihetsiny rehefa ho hitany ny fomba fiainan’izy ireo sy ny fomba firesany. Tsy tsaroan’io vehivavy nahita fianarana io anefa ny diso nety ho nataon’izy ireo tamin’ny fomba fiteniny. Ny tsy nohadinoiny, dia ny fisehoan’ny rehetra ho tsara fanahy taminy. Nanohina ny fony tokoa ny tena fiheverana nasehon’izy ireo taminy. Voatariky ny ohatra nomeny izy ka nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra. Tsy ela izy dia nampiseho ny fiheverany tamim-pahatsorana ny hafa tamin’ny fahatongavana ho mpitory maharitra mandavantaona, ary taty aoriana dia mpianakavin’ny Betela.
Tsy isalasalana na dia kely akory aza fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia toetra miavaka izay tokony ho hita taratra eo amin’ny ataontsika rehetra. Miharihary ve izany ao aminao?