FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/3 p. 27-29
  • “Fahagagana tao anatin’ny valo volana” tany Pérou

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Fahagagana tao anatin’ny valo volana” tany Pérou
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Ireo fiomanana
  • Fandaminana tsara
  • Fanampiana avy any lavitra
  • Fahalianana be dia be
  • Asa tsara
  • Ilay andro lehibe
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/3 p. 27-29

“Fahagagana tao anatin’ny valo volana” tany Pérou

SAFONONOKY ny hafaliana ireo olona 34 238 tafavory. Tonga avy any amin’ny faritra rehetra amin’i Pérou izy ireo, ary avy any amin’ny vazan-tany efatra aza, mba hanatrika ny fitokanana ilay tranon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower vaovao any Lima. Nipararetran’ny fihetseham-po izy ireo raha mbola nihaino ny fandaharana izay nanipika ireo dingana natao tamin’ny fanorenana. Natsangana tao anatin’ny valo volana feno tsara io trano io, ka izany dia zava-malaza vita tany Pérou rehefa heverina amin’ny maha-volavolan-kevitra lehibe azy.

Ireo fiomanana

Koa satria mitatra haingana ny fanompoam-pivavahana madio any Pérou, dia nilaina ny trano malalaka kokoa mba hatao sampana. Novidina ny tany iray 1,8 hektara tamin’ny 1980. Tamin’ny voalohany ilay tany dia nampiasaina hambolena voankazo sy legioma ilain’ny mpiasan’ny sampana.

Nandritra izany fotoana izany, noho ny fitomboan’ny vidim-piainana haingana, dia nanapa-kevitra ireo Vavolombelona fa hanomboka hividy sy hitahiry fitaovana toy ny biriky, anjam-by, taila sy fitaovana isan-karazany. Tena nilaina koa ny hanasiana rano an’ilay tany. Koa nahoana raha mandavaka fantsakana? Nisy antokona Vavolombelona nanomboka ny asa sy nandavaka hatrany amin’ny 75 metatra. Avy eo dia nampiasaina ny fanampiana avy any ivelany mba hanohizana ny raharaha, ka nahitana rano tany amin’ny 96 metatra ny halaliny.

Avy eo, teo am-piandohan’ny volana febroary 1984, dia nisy Vavolombelona telo tany Etazonia nanolotra planina fanorenana faran’izay haingana. Novolavolainy ny amin’ny trano misy rihana iray, misy birao, efitrano 22, efitrano fandraisam-bahiny, efitrano fisakafoanana, fanasan-damba sy Efitrano Fanjakana iray. Nety ho vita tao anatin’ny valo volana io volavolan-kevitra io, hoy izy ireo. Ho an’i Pérou, dia ho fahagagana amin’ny andro ankehitriny izany!

Fandaminana tsara

Ny 25 martsa, dia nalamina ny fivoriana iray manokana nialoha ny fanokafana ny toeram-panorenana, mba hampahafantarana an’ireo Vavolombelona teo an-toerana ny amin’ny fanorenana hatao. Io fivoriana io dia natao tao amin’ilay Efitrano fanaovana fivoriambe ananan’ny Fikambanana any Campoy. Raha 19 000 monja tamin’izay fotoana izay ny mpitory ilay Fanjakana nanerana ilay tany, dia 26 500 no tonga tao amin’io fivoriana io. Tsy nihena ny hafanam-po nasehon’ny mpanatrika tamin’io andro io nandritra ny fotoana rehetra naharetan’ny asa fanorenana.

Nalamina ireo antokon’asa. Mpiasa maherin’ny 200 no nantsoina tamin’ireo mpitory maharitra mandavantaona sy mpitory maharitra manokana ary rahalahy za-draharaha tamin’ny fandaminana fivoriambe no nomena ny toerana fototra. Ireo kongregasiona dia nifandimby nitondra ny fanampiany tamin’ny faran’ny herinandro, araka ny fandaharana naorina.

Mba hilasian’ireo mpanao fanorenana maharitra, ny fitehirizam-boky dia novana ho efitrano fatoriana lehibe. Nasiana kidoro teo ambonin’ny baoritra misy boky. Nasiana toeram-pidiovana sy fivoahana nanaraka ny rindrina ivelany. Koa satria fiandohan’ny ririnina tany Pérou tamin’izay, dia tsy ilaina ny milaza fa tsy naharitra ela ireo rahalahy rehefa nandro rano mangatsiaka ny maraina! Naorina ny fisakafoana tsara. Naroso tamin’ny 7 ora ny sakafo maraina, talohan’ny fanombohan’ny asa tokony hatomboka amin’ny 7 ora sy sasany. Tokony ho lalana antsasa-kadiny avy eo, tany amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe any Campoy, dia nisy anabavy nikarakara ny lamba. Nisy fanaovan-kiraro novohana mba hahatonga ny kiraro nentina niasa izay mora simba ho azo amboarina.

Fanampiana avy any lavitra

Amin’ny fitambarany, dia rahalahy 145 avy any Amerika Avaratra no nitondra fanampiana tamin’ny ambaratonga isan-karazany tamin’ny fanorenana. Be dia be tamin’izy ireny no nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana tao anatin’ny roa andro. Arakaraka ny fandrosoan’ny asa sy araka ny zavatra nilaina, dia nisy manam-pahaizana manokana momba ny “béton”, mpandatsa-biriky, mpanamboatra ny momba ny metaly amin’ny trano sy ny momba ny herimbaratra, tonga mba handray anjara amin’ny fanorenana. Tao anatin’ny roa na telo herinandro, rehefa vitan’izy ireo ny asany, dia niverina ho any amin’ny kongregasionany izy ireny. Ny sasany taminy anefa dia nijanona teo amin’ny toeram-panorenana nandritra ny valo volana.

Ireny rahalahy ireny dia nitondra ny fitaovany mba hiaraha-miasa amin’ny olon-kafa izay zara raha hainy ny fiteniny. Kanefa tamin’ny alalan’ny fihetsehana, ny filazana hevitra amin’ny endrika, ny teny tsy hay tsara sy ny faniriana hiara-miasa, dia azon’izy ireo natao ny nifankahazo resaka ka nety ho vita tamin’izany ny asa.

Rahalahy perioviana maro be no naneho ny fitiavany tamin’ny fampiantranoana ireo mpiasa an-tsitrapo. Isaky ny andro fiasana, amin’ny 6 ora maraina, ny fiara iray mahalany olona 15, ny “fiara amerikana”, araka ny anaram-bositra nomena azy, dia lasa naka ireo rahalahy nilasy tany amin’ny Vavolombelona teo an-toerana mba hitondra azy ireny ho any amin’ny toeram-panorenana tamin’ny ora fisakafoana maraina. Nisy mpianakavin’ny Betela any Pérou nandray anjara tamin’io asa mahafaly io koa.

Nalamina ny kongregasiona iray miteny anglisy mba hanomezana fahafahampo amin’izay ilain’ireo rahalahy amin’ny ara-panahy. Mpiasa an-tsitrapo maro koa no nanatontosa asa tsara dia tsara tamin’ny fitoriana. Nanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano indrindra izy ireny ka nitohy izany taorian’ny niaingany.

Fahalianana be dia be

Rahalahy sy anabavy an-jatony maro teo an-toerana, tanora sy antitra, no tonga teny an-toerana nanaovana ny fanorenana mba handray anjara tamin’ny asa nandritra ny faran’ny herinandro. Nampahery ny nahita anabavy sy ankizy kely nanatontosa asa nankinina tamin’izy ireo araka izay azony natao. Mazava ho azy fa tsy takona afenina akory izany asa rehetra izany.

Nijanona teo akaikin’ny toeram-panorenana ny injeniera iray amin’ny fiantohan-draharaha lehibe iray. Rehefa nahita ny fomba nanaovana ny asa izy, dia nanontany hoe: “Ohatrinona no tokony haloanareo amin’ny mpiasanareo mba hiasany toy izao?” Ny mpandinika hafa iray dia nametraka izao fanontaniana izao: “Inona no mahatonga ny mpiasanareo ho falifaly toy izao?” Ny antokon’olona avy amin’ny televiziona tao Lima dia nijanona indray tolakandro manontolo mba haka sarimihetsika sy hanadinadina ireo mpiasa.

Asa tsara

Tena vita tao anatin’ny valo volana tokoa ve ilay trano? Izany tokoa. Tsy nahatsiaro ho nododonana mafy mihitsy anefa ireo rahalahy mba hahavitana izany tao anatin’ny fotoana voafetra indrindra. Vao teo am-boalohany ny tsirairay avy dia nahatakatra tsara fa tokony ho mafy sy voaorina tsara io trano io mba hampisehoana amin’ny fomba mendrika ny olon’i Jehovah, na dia nilana sivy na folo volana aza izany.

Noho ny zotom-pon’ireo rahalahy teo an-toerana izay niasa teo amin’ny toeram-panorenana sy noho ny fanampian’ny rahalahy za-draharaha avy any an-tany hafa, dia vita tamin’ny daty voatondro ny fanorenana. Ny 3 desambra 1984, izany hoe valo volana sy herinandro taorian’ny nanombohan’ny asa, dia nanorim-ponenana tao amin’ilay trano ny mpianakavin’ny Betela.

Ilay andro lehibe

Ny fitokanana an’io trano vaovaon’ny sampana io izay nandrasana aoka izany dia nitranga ny 27 janoary 1985. Niainga avy any Brooklyn M. Henschel, anisan’ny kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao ny lahateny lehibe indrindra. Ireo mpiasa vonjimaika avy any an-tany hafa sy ireo rahalahy izay niasa manontolo andro tamin’ny fanorenana, izany hoe olona eo amin’ny 500, dia nivory tao amin’ilay Efitrano Fanjakana vaovao sy tao amin’ny efitrano fisakafoana. Ireo izay nivory tany amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe tany Campoy dia afaka nanaraka ny fandaharana noho ny fifandraisana an-telefaonina.

Tamin’ny maraina ny rahalahy Henschel dia nanao ny lahateny fitokanana tamin’ny teny espaniola. Ny tolakandro dia nanomboka tamin’ny fandaharana manokana natao tao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe any Campoy. Avy eo, ireo mpanatrika 34 238 dia nasaina hitsidika ireo zavatra vao naorina. Faly izy ireo nahita ny “fahagagana tao anatin’ny valo volana”, porofo hita maso ny amin’ny fitahian’i Jehovah.

Nitondra fitahiana maro ny fahatanterahan’io fanorenana io. Etsy andaniny, amin’izao fotoana izao ny sampana dia mandray soa amin’ny zavatra naorina araka ny toetr’andro ankehitriny, nefa etsy ankilany koa, ny niaraha-niasa nandritra ny valo volana dia sarobidy tokoa ho an’ny mpiasa an-tsitrapo rehetra. Nohamafisina ny firaisan-tsaina kristiana. Izany dia nahatonga ho afaka hamboly fahamasahana ara-panahy. Ireo fifampikasohana akaiky nandritra ny fivoriana, tamin’ny fisakafoana, ary indrindra fa tamin’ny fanompoam-pivavahana maraina dia nanamafy ny fatoram-pitiavana mampiray ny kristiana. Ireo rahalahy avy any Amerika Avaratra dia nahita fa izany “fanirahana ho any an-tany hafa” izany dia nitondra soa maro ho azy ireo. Eny, ireo izay nandray anjara tamin’io “fahagagana” io dia hahatsiaro ela an’ireo valo volana niaraha-niasa tamim-pifaliana sy niasana mafy ireo. — Jereo Hagay 1:7, 8.

[Sary, pejy 28]

Samy nandray anjara tamin’ny asa daholo na tanora na antitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara