FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/3 p. 30
  • Tadidinao ve izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao ve izany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Ambara fa marina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny haben’ny hatsaram-pon’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny fahalehibeazana mahatalanjon’ny hatsaram-pon’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Manahaka ny fahamoram-panahin’Andriamanitra ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/3 p. 30

Tadidinao ve izany?

Nankamaminao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo raha tsaroanao ny hevitra vitsivitsy ambara eto ambany:

◻ Ahoana amin’izao andro izao no azon’ny ray aman-dreny anampiana ireo zanany hampitombo fitiavam-pivavahana?

Ny ray aman-dreny dia tokony hiahy be dia be ny amin’ny sakafo ara-panahy raisin’ireo zanany. Dieny mbola zaza izy ireny dia ampianariny manokana ny Baiboly (II Timoty 3:15). Ataony koa izay hananan’ny ankizy tsirairay avy boky fianarana Baiboly azy manokana sy ny hanomanany ireo fivorian’ny kongregasiona, ka izany dia hamporisika azy handray anjara amin’izany. Ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka dia tokony hifanaraka amin’izay ilain’ilay ankizy manokana.

◻ Inona no dikan’ny hoe ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’? (Mika 6:8.)

‘Ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra’ dia milaza fanarahana fomba fiaina mifanaraka amin’ny sitrapo sy ny fikasan’Andriamanitra voambara (I Korintiana 10:31).

◻ Nahoana moa ny ankamaroan’ireo mpanjakan’ny Joda no tsy naneho fitokisana tanteraka an’i Jehovah?

Mpanjakan’ny Joda maro no latsaka tao anatin’ny fandriky ny fanompoan-tsampy (II Tantara 25:14); ny sasany nanota tamin’ny fanaovana fifanekena tamin’ny firenen-kafa (II Tantara 16:1-3, 7; 28:16, 20); ary ny hafa dia azon’ny fandriky ny fiavonavonana (II Tantara 32:25, 26; Isaia 39:1-7).

◻ Ahoana no mety hahatonga olombelona tsy tanteraka hanome taratry ny fahamoram-panahin’Andriamanitra?

Afaka maneho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra izy ireny, ny fahamoram-panahy tsara indrindra, amin’ny fanaovana ny tsara, tsy amin’ny fianakaviany ihany, fa amin’ireo izay tsy mahay mankasitraka koa sy izay mankahala azy (Lioka 6:35).

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no anehoan’i Jehovah hatsaram-po?

Ny hatsaram-pon’i Jehovah dia misongadina amin’ny fihetsiny maharitra, mamindra fo sy feno fiheverana ny olona tsy tanteraka (Eksodosy 34:6, 7); miharihary amin’ny zavatra noforoniny ny hatsaram-pony (Matio 5:44, 45; Romana 1:20); ny hatsaram-pony dia nanosika azy koa hanomana avotra ho an’ny olombelona mpanota sy hanorina fanjakana izay hitondra toe-piainana paradisa eto an-tany.

◻ Nahoana moa ny Firenena mikambana no tsy afaka mitondra fiadanana sy filaminana eto an-tany?

Andriamanitra dia tsy nanome ho an’ny olombelona mihitsy fahendrena sy zo hanapaka ny tenany (Jeremia 10:23)? Iharan’ny fitaoman’i Satana Devoly izao tontolo izao (Jaona 12:31; Apokalypsy 12:9-12). Mandova ny fahalemena, ny fahasiahana sy ny faharatsian’izao tontolo izao ny Firenena mikambana. Manandrana mamonjy izao tontolo izao manohitra ny fikasan’Andriamanitra izy (I Jaona 2:17; Apokalypsy 21:1).

◻ Moa ve ianao mahalala antony lehibe iray izay manosika antsika hino ny Baiboly?

Arakaraka ny andinihan’ny olona iray azy sy ampiharany azy, ny Baiboly dia mampihatra eo aminy asa lehibe izay manosika azy hanao ny tsara eo amin’ny fiainany (Hebreo 4:12).

◻ Fahamarinana fototra inona no soritana rehefa tantarain’ny Baiboly ny amin’ny olona sy anjely nanaraka ny lalan’ny tsy fiankinana?

Asehon’ny Baiboly fa mba hahitana fiainana sambatra sy mahafapo, ny olombelona dia tokony hanaiky hotarihin’Andriamanitra (Jeremia 10:23; Ohabolana 14:12).

◻ Inona no mety hanampy antsika hametra hoe eo amin’ny fahafiry taona no mety ny hikasana hanambady?

Ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, voalazalaza ao amin’ny Galatiana 5:22, 23 dia tokony hiharihary eo amin’ny fiainan’ny olona iray, ela be alohan’ny hieritreretany fanambadiana. Amin’izany, dia zava-dehibe ny hahafantarana hoe hatraiza ireo toetra ireo no efa miharihary eo amin’ny fiainan’ilay zazalahy na ilay zazavavy.

◻ Amin’ny ahoana ny fahalemem-panahy no mety ho fitafiana miaro antsika amin’ny loza maro?

Rehefa mitombo ny tarehin-javatra iray mety hipoaka, dia angamba isika ho afaka hampitony ny fahatezeran’ilay tafintohina amin’ny fampiharana ireto teny ao amin’ny bokin’ny Ohabolana ireto: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” (Ohabolana 15:1).

◻ Azo ambara fa marina dieny izao ve ireo izay manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany?

Ireo izay fidin’Andriamanitra ho amin’ny fiainana any an-danitra dia tokony hambara fa marina dieny izao; atolotra azy ny fiainan’olombelona tanteraka (Romana 8:1). Tsy ilaina avy hatrany izany ho an’ny olombelona izay ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany. Dieny izao anefa izy ireny dia ambara fa marina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra, sahala amin’i Abrahama nahatoky (Jakoba 2:21-23; Romana 4:1-4). Ho azo ambara fa marina ho amin’ny fiainan’olombelona mandrakizay izy ireny aorian’ny hahatratrarana ny fahatanterahana ihany, amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona sy rehefa avy namakivaky tamim-pandresena ny fitsapana farany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara