Ireo vavaka teo an-tendrombohitra Hiei: dingana lehibe ho amin’ny fiadanana maneran-tany ve?
HITONDRA ny fiadanana maneran-tany ve ny vavaka? “Raha ny vavaka irery fotsiny akory tsy hitondra ny fiadanana. Tsy tsotra toy izany no izy”, hoy Gijun Sugitani, mpandamina an’ilay fifanatonam-bavaka natao tany Japon tamin’ny aogositra 1987. “Nefa tsy ataoko koa fa mety hisy fiadanana azo antenaina raha tsy misy ny vavaka.” Izany koa no noheverin’ireo Japoney 500 eo ho eo sy iraka vahiny 24 tonga nanatrika ny zaikabe ara-pivavahana natao tany Kyoto, Japon, tamin’ny 1987.
Nirin’ny tarika bodista Tendai ny hitadidiana an’io fifanatonam-bavaka io hifanitsy amin’ilay natao atany Assise any Italia sady mba hifanandrify amin’ny fankalazana ny taonjato faharoa ambin’ny folo hatramin’ny niorenan’ny tempoly Enryakuji eo amin’ny tendrombohitra Hiei. Nisy solontenan’ny bodisma sy ny jodaisma sy ny hindoisma sy ny konfisianisma ary ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny sikisma sy ny silamo mbamin’ny sintoisma nifandimby nivavaka teo amin’io tendrombohitra io. Tena dingana lehibe nitondra ho amin’ny fiadanana maneran-tany tokoa ve io fifanatonana io?
“Toa lantom-boninkazo”
“Toa lantom-boninkazo io zaikabe io”, hoy ny fanomban’i Etai Yamada, mpisoronaben’ny tarika Tendai sady prezidà am-boninahitr’io fifanatonana io. “Tsy misy amin’ireo voninkazo mahafoy na ny bikany manokana na ny hanitra aminy.” Tiany hambara amin’izany fa, toy ny voninkazo samy hafa miray fehezana, dia samy mbola mahazo mitana ny finoany mifanipaka hatrany ihany ny fivavahana rehetra raha misy koa firaisany maniry hahatratra ny fiadanana maneran-tany.
Anisan’ireo “voninkazo” voamarika indrindra ny Eglizy katolika tamin’ny endriky ny kardinaly Francis Arinze izay mitarika ny fitan-tsoratry ny Vatikana ho an’ireo tsy kristiana. Novakin’i Francis Arinze ny hafatry ny papa nilaza fa “tsy ho azo tsy amim-bavaka ny fiadanana ary tsy toy ny ady izay vitan’olom-bitsy monja ny manapoaka azy, ny fiadanana dia mila ny fifarimbonana sy ny firaisan-kinan’ny rehetra”, araka ny Mainichi Daily News tamin’ny 5 aogositra 1987, pejy faha-12.
Raha “mila ny fifarimbonana sy ny firaisankinan’ny rehetra” ny fiadanana maneran-tany, dia aiza àry izany ny herin’ilay Andriamanitra nantsoin’ireo mpamonjy zaikabe? Nivavaka izy mba hahazo fiadanana izay tsy ninoany ho azo raha tsy amin’ny fiezahan’olombelona. Toy ny lantom-boninkazo mandravaka, io fifanatonam-bavaka io dia hiendrika fampiderana marevaka ny ezaky ny tsirairay avy.
Ny lantom-boninkazo iray dia ifalian’ny maso mijery, fa rehefa vita ny lanonana dia malazo ireo fanja tinapaka sady miofo. Dia manjavona faingana ny hakanton’ny fanja tsirairay avy sy ny hakanton’ilay filantoana. Ary fanampin’izany, tsy andrasan-kitondra voa ireo fanja ireo. Sao àry io zaikabe io niafara toraka izany koa toy ny “lantom-boninkazo”?
Ny tenan’ireo mpitondra fivavahana sahady dia efa tsy afa-po amin’ny zava-bita. Araka ny Asahi Evening News, dia “ho satrin’izy ireo ny nanazavana hentitra kokoa ny fitao tokony ho narahin’ireo fivavahana amin’ny ho avy, kanjo nambarany fa tsy ampy ny fotoana nananany hivalamparana amin’izany dinika izany”. Tsy nahataitra anefa izany famaranan-kevitra izany. “Ny tanjonay”, hoy Takaaki Kobayashi, iray amin’ireo nandamina an’io fifanatonam-bavaka io, “dia ny hihaino ny fivavahana tsirairay avy hilaza ny heviny ny amin’ny fomba tsara indrindra hanatrarana ny fiadanana. Ny aingan-kevitra dia ny hihainoan’ireo mpiombona ny hevitry ny tsirairay avy tsy an-kamaly teny na an-kanohitra na am-pitarihana ady hevitra.” Koa samy nianianan’ireo mpiombona tamin’io fifanatonam-bavaka io àry ny nihaino ny sasany tsy amim-balin-teny. Noho izany àry, io fifanatonana io dia “tsy nahomby raha ny amin’ny famerana fanisanandro hentitra ny amin’ny fampiharana an’ireo tanjon’ilay zaikabe”.
Afaka mandray anjara amin’io ve ireo kristiana marina?
Ireo izay miezaka manara-dia an’i Jesosy Kristy angamba manontany tena raha misy kristiana mahazo manatrika fifanatonam-bavaka toy izany? Na dia ny nankalazana fotsiny an’io fifanatonana io teo amin’ny tendrombohitra Hiei, izay tendrombohitra masina amin’ny tarika bodika aza dia efa manome antony hisaintsainana. Azonao heverina ve Jesosy mandeha mianika tendrombohitra masina bodika hivavahana ao mba hisian’ny fiadanana?
Nampitandreman’ny apostoly Paoly toy izao manaraka izao ireo mpianatr’i Jesosy Kristy: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no imbonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? (...) ‘Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.’ ” — 2 Korintiana 6:14-17.
Moa ve ny mivavaka ambony antendrombohitra masina bodika ao anaty fifanatonana iraisam-pinoana ho an’ny kristiana iray tsy mitovy amin’ny hoe ‘asiana zioga tsy antonona’? Koa milaza àry ve izany fa tsy tokony hahoan’ny kristiana marina velively ny hivavaka mba hisian’ny fiadanana? Sanatria izany!
Vavaka mba hisian’ny fiadanana
Nambaran’ny mpaminany Isaia ao amin’ny faminaniany momba ny “am-parany” fa hisy maro hanao hoe: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah”, fa tsy ny tendrombohitra Hiei izay toeram-panompoana bodika. Ny “tendrombohitr’i Jehovah” dia enti-maneho ny fanompoam-pivavahana marina amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly. Inona no ho azon’izay miakatra hankany? Dia Jehovah ‘hampianatra azy ny amin’ny lalany, ka handeha amin’ny atorony ireo’. “Hitsara ny adin’ny jentilisa” Jehovah. Fiadanana maneran-tany no ho vokatr’izany satria ambaran’Isaia fa ireo mpanompo marina ireo dia “hanefy ny sabany ho fangady (...) ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony”. — Isaia 2:2-4.
Izany toe-javatra izany, izay efa manjaka rahateo eo amin’ny samy vavolombelon’i Jehovah, no hanenika tsy ho ela ny tany manontolo. Jehovah tokoa mantsy fa tsy ny olona no hanorina ny fiadanana maharitra amin’ny alalan’ny Fanjakany. Hongotany avy amin’ny tany izay rehetra manembatsembana ny fiadanana ka dia haoriny ny Paradisa eto an-tany. (Apokalypsy 11:15, 18). Mifanohitra amin’ireo fanambarana fanao rehefa misy zaikabe ara-pivavahana manahaka “lantom-boninkazo” marevaka nefa tsy misy vokany, ireo tenin’i Jehovah dia tsy miverina aminy na oviana na oviana raha tsy nisy vokany. — Isaia 55:11.
Raha izany àry no izy, inona indray no ivavahana mba hisian’ny fiadanana raha tsy maintsy haorin’Andriamanitra ihany izy na inona na inona ataon’ny olombelona? Ny vavaka angatahana ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra no amborahantsika faniriana midedadeda ny hanjakan’ny fiadanana, entanin’ny finoana ny fomba hanorenan’Andriamanitra ny fiadanana eto an-tany (Matio 6:9, 10). Mba hahafahantsika mahita ny fiadanana hoentin’Andriamanitra, isika dia tsy maintsy ‘manantena an’i Jehovah’. Tongava koa ày ianao ao “an-tendrombohitr’i Jehovah” hivavaka mba hiavian’ny tena fiadanana ampanantenainy! — Salamo 37:9, 11, MN.
[Sary, pejy 8]
Mahafinaritra ny maso ny lantom-boninkazo, nefa tsy antenaina hanome voa.
[Sary, pejy 9]
Ny tendrombohitra Hiei, tendrombohitra masin’ny antoko bodika Tendai, nanaovana ny fifanatonam-bavaka.