Mitarika ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa ny fitokisana amin’i Jehovah
“Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany hianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.” — SALAMO 37:3.
1. Fanambarana inona nataon’olona tsy manana afa-tsy ny fahendren’izao tontolo izao moa no mampiseho fa ho hadalana ny hitoky amina filoha olombelona?
IZA no azontsika itokisana? filoha olombelona tsy lavorary ve? Ny asan’izy ireo dia mampiseho fa ho hadalana izany; na dia ny olona tsy manana afa-tsy ny fahendren’izao tontolo izao aza dia manaiky izany. Araka izany dia azo natao ny namaky tao amin’ireo laharan-tsoratry ny revio ara-toe-karena Vision hoe: “Ny lafiny sarotra indrindra amin’ny toe-javatra ankehitriny dia ny hoe tsy misy olona mahita ny vahaolana.” Robert Heilbroner, mpanao tantara sy mpandinika toe-karena, dia nanoratra hoe: “Misy zavatra hafa mikiky antsika. Izany dia ny toa fahitana fa tsy misy olona tompon’andraikitra, fa tsy misy olona ampy fitaovana mba handamina ireo zava-manahirana manafika antsika.”
2. Soa inona moa no nentin’ny siansa amin’ny andro ankehitriny?
2 Marina fa nanao fandrosoana lehibe ny olombelona tamin’ny fampianarana ara-tsiansa samihafa, nefa inona moa no soa nentin’ireny fandrosoana ireny? Tsy misy. Araka ny fanamarihan’i Lewis Mumford, “ny hevitra ilazana fa ny fandrosoan’ny milina sy ny siansa dia miantoka soa mitovy ho an’ny olombelona (...) dia manjary tsy azo arovana tanteraka”. Ny ranonorana asidra, izay mandoto ny farihy sy renirano, ary mandray anjara amin’ny fahafatesan’ny hazo an-tapitrisany maro, dia mahaforona antony maha-be fanahiana. Ankoatr’izany, ny toe-javatra mampalahelo misy an’izao tontolo izao — ary miavaka amin’ny fitomboan’ny ditra, ny herisetra, ny fampihorohoroana, ny fampiasana zavatra mahadomelina, ny fitiavana zava-mahamamo loatra, ny aretina mifindra avy amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, farany, amin’ny toetra marefon’ny toe-karena — dia manambara fa zava-poana ny mametraka ny fitokisan’ny tena amina filoha olombelona.
3. Torohevitra inona moa no omen’ny Tenin’Andriamanitra antsika raha ny amin’ny hahalalana hoe amin’iza no tokony hametrahantsika ny fitokisantsika?
3 Manome antsika izao torohevitra mety dia mety izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:3, 4). Raha tsy afaka mametraka ny fitokisantsika amin’ny olona isika, iza moa no azontsika itokisana? Ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany, satria voasoratra hoe: “Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny.” — Jeremia 17:7.
Nahoana isika no mitoky amin’i Jehovah?
4. Inona moa ireo toetran’i Jehovah lehibe indrindra, ary amin’ny ahoana izany no manome antony mafy orina antsika mba hitokisana aminy?
4 Manana antony mafy orina hitokisana amin’i Jehovah isika, ny voalohany dia mifandray amin’ireo toetrany fototra: ny fitiavana, ny fahendrena, ny fahamarinana ary ny hery, ary koa amin’ireo toetrany mahatalanjona hafa. Manome toky antsika ny amin’ny heriny tsitoha ny Teniny, satria ny iray amin’ny anaram-boninahitra entiny dia hoe “Andriamanitra Tsitoha”. (Genesisy 28:3.) Izany dia antony tsara tokony hitokisana aminy; tsy misy tokoa olona afaka manohitra azy na misakana ny fikasany. Mahalala ny zava-drehetra koa Jehovah; tsy hoe fantany hatramin’ny voalohany fotsiny ny farany, satria mamaky ny ho avy toy ny amin’ny boky misokatra izy, fa mitoetra ao aminy koa ny fahalalana rehetra sy ny fahendrena rehetra, araka ny anaporofoan’ny famoronany mahatalanjona izany. Tsy mbola diso hevitra na oviana na oviana izy (Isaia 46:10; Romana 11:33-35). Fanampin’izany, Jehovah dia Andriamanitry ny fahamarinana sy ny tsy fivadihana izay azo ananana fitokisana tanteraka. Tsy azony atao ny mandainga (Deoteronomia 32:4; Titosy 1:2; Hebreo 6:18). Ambonin’ny zava-drehetra, satria ny fitiavana tsy mitady tombony no toetrany mahery indrindra, dia ara-dalàna ny ilazan’ny Baiboly hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” — 1 Jaona 4:8, 16.
5. Fitantarana inona avy voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra moa no manamarina fa Jehovah dia mendri-pitokisana?
5 Ireo fomba fanaon’i Jehovah amin’ny olombelona dia fanambarana fanampiny manamarina fa izy dia Andriamanitra tsitoha, hendry, marina ary feno fitiavana, Andriamanitra mendri-pitokisana. Nanome toky ny Isiraelita i Mosesy fa Jehovah dia tsy mivadika amin’ny fanekeny ary maneho ny hatsaram-pony amin’ireo izay tia azy sy mitandrina ny didiny izy (Deoteronomia 7:9). Taonjato maro talohan’izay, Jehovah dia nitsimbina an’i Noa tia fivavahana sy ny fianakaviany nandritra ny safodrano; namonjy koa an’i Lota marina sy ny zanakavaviny roa izy tsy ho azon’ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora tamin’ny afo. Tatỳ aoriana, dia nitarika ny Isiraelita hivoaka an’i Egypta izy ary, mifanaraka amin’ny fampanantenana nomeny an’i Abrahama, dia natolony azy ireo ny tany Kanana (Genesisy 7:23; 17:8; 19:15-26). Ankoatr’izany, moa ve Jehovah tsy nanafaka ny Hebreo telo tamin’ny lafaoro mivaivay, ary Daniela tao an-davaky ny liona? — Daniela 3:27; 6:23.
6. Ahoana no ampisehoan’ny androntsika fa tsy diso toerana ny fitokisantsika amin’i Jehovah?
6 Izay nitranga tamin’ireo Vavolombelona amin’ny androntsika dia manamafy fa Jehovah dia persona izay azo itokisana. Ohatra, Adolf Hitler dia nihambo fa hamongotra ny “taranaky” ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina izy. Mifanohitra amin’izany, dia Hitler sy ny antokony no nofongorana; ary ankehitriny, ny isan’ny Vavolombelona alemà dia tafakatra ho maherin’ny 119 000. Fanampin’izany, dia fitantarana an-jatony maro miresaka ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah no navoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous!, izay manambara amim-pahaiza-miteny izao zava-misy izao: Jehovah dia tena ny Andriamanitra izay azo itokisana.
Nahoana ny sasany no tsy matoky an’i Jehovah
7. Nahoana moa ny olona iray no voatarika hanaiky fa nitondra tena “toy ny mpitazana manoloana ny Vavolombelon’i Jehovah” izy?
7 Kanefa vitsy amin’izao andro izao ny olona mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah. Na dia eo amin’ireo izay nianatra nahafantatra ny toetrany sy ny asany lehibe aza, dia maro no tsy matoky azy mihitsy. Izao no azo novakina ny amin’ny iray amin’izy ireny tao amin’ny revio U.S. Catholic tamin’ny janoary 1979: “Raha nanontaniana ny amin’ny zavatra tiany momba ny fivavahana ny lehilahy iray, dia namaly hoe: ‘Mitondra tena toy ny mpitazana aho manoloana ny Vavolombelon’i Jehovah.’ Raha nasaina hamaritra tsara ny fiheviny izy dia nanambara hoe: ‘Mitovy hevitra aminy aho amin’ny ankabeazan’ny zavatra inoany, nefa tsy te-hirotsaka aho.’ ” Hoy ny nanampin’ilay revio: “Ny Vavolombelon’i Jehovah be fandavan-tena dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mirotsaka amin’ny fomba feno.”
8. Mba hanirian’ny olona iray hirotsaka amin’ny asan’i Jehovah, toetra inona avy moa no tokony hasehony?
8 Nahoana moa ny olona sasany no tsy maniry hirotsaka? Satria tsy manana toe-po mety izy ireny; tsy ‘manana ny toe-tsaina mety mba hahazoana ny fiainana mandrakizay’ izy. (Asan’ny apostoly 13:48, MN.) Araka ny nasain’i Jesosy nomarihina ao amin’ny fanoharany ny amin’ny mpamafy, dia amin’ny “fo sady marina no tsara” no nandraisan’ireo izay mamoa ny teny fahamarinana (Lioka 8:15). Ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra tokoa dia tsy manintona firy ho an’izay tsy tso-po na miavonavona; ilaina àry ny maneho fahatsoram-po sy fanetren-tena mba hahafahana manaiky izany (Jakoba 4:6). Ankoatr’izany, ny fahamarinana dia tsy mahafinaritra an’ireo olona izay marina eo imason’ny tenany, fa an’ireo izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, ary izay misento sy mitaraina noho ny fahitana ny zava-mahatsiravina rehetra atao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. — Matio 5:3, 6; Ezekiela 9:4.
Mitarika ho amin’ny fanoloran-tena ny fitokisana amin’i Jehovah
9, 10. a) Fepetra inona no ilaina mba hahafahan’ny olombelona mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah, ary ahoana no andraisan’ireo olona manana ny toe-po mety ny fitoriana? b) Maneho finoana an’iza moa ireny olona ireny?
9 Mba hahafahan’ny olombelona mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah, dia ilaina ny handrenesan’izy ireny firesahana ny aminy. Kanefa, “hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary ataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?” (Romana 10:14). Sahala amin’ny mponina maro tany Tesalonika fahiny, ireo olona izay manana ny toe-po mety dia mora taitra amin’ny fitoriana ataon’ny mpanompon’i Jehovah. Raha niteny tamin’ireo Tesaloniana i Paoly dia nanoratra hoe: “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.” — 1 Tesaloniana 2:13.
10 Ny fahalalana an’i Jehovah dia manosika ireny olona manana fo tsara fikasa ireny mba haneho finoana an’Andriamanitra, izay tena zava-dehibe. Satria tokoa, “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6.) Tena ilaina koa ny maneho finoana ny Zanak’Andriamanitra. “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena”, tsia tsy misy anarana hafa ankoatra ny an’i Jesosy Kristy. — Asan’ny apostoly 4:12.
11. Ho voatosika hanaraka ny torohevitra nomen’ny apostoly Petera hoe ahoana moa ny olona iray matoky an’i Jehovah?
11 Ny olona iray mitoky amin’i Jehovah, amin’ny Teniny ary amin’ny Zanany, Jesosy Kristy, dia mahatsapa tena ho voatosika hanaraka ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’ireo Jiosy tamin’ny androny: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo [Jehovah, MN ].” (Asan’ny apostoly 3:19). Amin’ny fahazoana fahalalana an’i Jehovah sy ny didiny, io olona io dia mianatra fa ny sitrapon’Andriamanitra ny aminy dia ny hahatongavany ho mpianatr’i Jesosy Kristy. Hoy Petera tamin’ny fitambaran’ny kristiana: “Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.” (1 Petera 2:21). Nasehon’i Jesosy mazava tsara ny dikan’ny hoe tonga mpianany rehefa nilaza izy hoe: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24). Ilaina àry ny manolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra mba hanao ny sitrapony sy hanaraka ny dian’i Jesosy Kristy.
Tsy fanekena fanampiny akory ny fanoloran-tena
12. Ahoana moa matetika ny ampiasana ny teny hoe “fanekena” ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
12 Ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ny teny hoe “fanekena” dia matetika ampiasaina momba ny olona iray tonga kristiana. Araka izany, dia lazaina amintsika fa ireo evanjelika any Etazonia dia “manantitrantitra ny fanekena amin’i Jesosy”. Ny mpitondra fivavahana iray dia niresaka ny amin’ny “fanekena ao amin’ny fivavahana katolika”. Raha niaro ny fanekeny ara-politika ny pretra iray dia niteny hoe: “Ny politika dia tohin’ny fanekeko” amin’ny maha-olon’ny Eglizy. Fa raha ny amin’ny fikambanana ara-barotra sasany, dia mampitodika ny dokam-barony amin’izao foto-kevitra izao izy: “Manao fanekena amin’ny mpividy ato aminay izahay.” Eny, mety hanana fanekena maro hotanterahina indray miaraka ny tena: fanekena eo amin’ny asa, fanekena andidian’ny fiainana miaraka, fanekena ara-politika na ara-pivavahana.
13. Inona mo no hevitry ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah?
13 Kanefa tsy fanekena fanampiny akory ny fanoloran-tena amin’i Jehovah. Ny fanekena iray dia tsy inona fa hoe “mifamatotra amin’ny fampanantenana iray na ny fifanarahana iray”, fa amin’ny fanoloran-tena kosa, dia manolo-tena tsy misy fepetra ho amin’ny asa na ny fanompoam-pivavahana amin’ny fisiana andriamanitra iray ny tena. Tsy manolo-tena manontolo ho an’Andriamanitra, ny ankamaroan’ny olombelona fa mianina amin’ny fanekena tsotra iray; angamba izany no antony mahatonga ny fivavahana ho toy ny mozika malefaka ho azy ireo, mahafinaritra ny mihaino azy, nefa tsy manan-kery mihitsy eo amin’ny asany.
14. Nahoana moa ny fanekena tsotra fotsiny no tsy ekena eo imason’i Jehovah?
14 Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia manjary ny zava-dehibe indrindra ho an’ilay olona izay manolo-tena ho azy. Izy io dia tokony hitandrina ny didy voalohany sy lehibe indrindra, izay notononin’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.” Nampiharihary ny endriny tsy mizarazara amin’ny fanompoana ho an’Andriamanitra tamin’ireto teny ireto i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [ny Harena, MN ] hianareo.” (Marka 12:30; Matio 6:24). Miharihary mazava tsara àry fa tsy ekena eo imason’i Jehovah ny fanekena tsotra fotsiny.
Nahoana no ny fandrobohana
15. Ohatra inona moa no nomen’i Jesosy tamin’ny fampisehoana ampahibemaso ny finoany an’Andriamanitra?
15 Mba hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah sy hoheverina fa kristiana, amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy Kristy, dia ilaina ny mampiseho ny fanoloran-tena amin’ny batisa. Jesosy ‘Vavolombelona nahatokin’i Jehovah mihitsy, no nanome ny ohatra tamin’ny fetezana hatao batisa tao Jordana. Satria Jaona nanao batisa ireo mpanota nibebaka, dia tsy takany ny antony nanirian’i Jesosy hatao batisa, nefa hoy ny Zanak’Andriamanitra taminy: “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” (Matio 3:13-17; Apokalypsy 1:5). Nampiseho ampahibemaso ny finoany Jesosy tamin’ny fisehoana teo anatrehan’i Jehovah, ary nanome tamin’izany ohatra ho an’izay rehetra maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra.
16. Baiko inona moa no nomen’i Jesosy ny mpianany mifandray amin’ny batisa, ary inona no mampiseho fa nankatò an’io baiko io izy ireo?
16 Ankoatr’izany, talohan’ny hiakarany ho any amin’ny Rainy any an-danitra indrindra, Jesosy dia nanome izao baiko izao ho an’ny mpianany: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Manamarina ny bokin’ny Asan’ny apostoly fa nankatò tamin-jotom-po an’io baiko io ny mpianatr’i Jesosy. — Asan’ny apostoly 2:40, 41; 8:12; 9:17, 18; 19:5.
17. Nahoana moa ny batisa natao handraisana rano mitete vitsivitsy eo ambony loha no tsy mety hanan-kery?
17 Ahoana, tamin’izany fotoana izany, no nanaovana batisa? tamin’ny fandraisana rano kely teo amin’ny loha ve, sahala amin’ny anaovana izany ao amin’ny ankamaroan’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Tsy izany velively! Taorian’ny nanaovana batisa azy, Jesosy dia ‘niakatra avy teo amin’ny rano’, ka izany dia mampiseho mazava fa naroboka tao izy (Marka 1:9, 10). Kanefa, ny batisa dia tsy nety ho zavatra hafa noho izany, satria ny teny grika nadika hoe “manao batisa” dia manana heviny hoe “mandentika, mandroboka”. — Asan’ny apostoly 8:36-39.
18. Nahoana moa ny fandrobohana ao anaty rano no marika mety ho an’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra?
18 Amin’io endriny io, ny batisa dia marika tena mety ho an’ny fanoloran-tena. Ny fahatakonan’ilay olona ao ambany rano dia mampiseho tsara fa maty izy raha ny amin’ny fitondrantenany taloha, ary ny fipoirany indray, fa manomboka fiainam-baovao izy. Toy ny fankalazana ny fampakaram-bady manampy ireo mpifamofo hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny firaisan’izy ireo, dia toy izany koa fa ny fandrobohana ao anaty rano eo anatrehana vavolombelona dia azo antenaina tokoa fa hanamarika maharitra ilay mpilatsaka hatao batisa. Tsy isalasalana mihitsy fa ny batisantsika dia manampy antsika hahatakatra sy tsy hanadino na oviana na oviana fa ny fanolorantsika ny tenantsika ho an’i Jehovah no fihetsika lehibe indrindra teo amin’ny fiainantsika, fihetsika izay ampisehoantsika fa mitsahatra tsy mikarakara ny tombontsoantsika manokana isika mba hikarakara ny an’i Jehovah Andriamanitra.
19. Manomeza antony iray fanampiny tokony hanaovana batisa ny tena.
19 Aoka tsy hohadinointsika fa ilaina indrindra ny batisa mba hananana fieritreretana tsara eo anatrehan’i Jehovah. Ny andinin-teny ao amin’ny 1 Petera 3:21 dia mampiseho mazava tsara izany: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, — tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.”
Rehefa firy taona?
20. Nahoana moa ny ankizy kely no tsy tokony hatao batisa?
20 Mampiseho ireo tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 28:19, 20 fa ny mpianatra ihany no tokony hatao batisa. Noho izany, dia tsy misy mihitsy zaza vao teraka na ankizy kely mahafeno ireo fepetra takin’ny Baiboly amin’ny mpilatsaka hatao batisa, satria tsy misy amin’izy ireny afaka maneho finoana an’Andriamanitra, Mpamorona, ny Teniny ary ny Zanany, Jesosy Kristy; tsy misy amin’izy ireny afaka mahatakatra fa ny fanahy masina dia ny hery miasan’Andriamanitra, na mibebaka amin’ny fahotany sy manao ny voady ampahibemaso fa hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
21. Mety ve ny hanaovana batisa zatovo?
21 Toa hita fa ny Vavolombelon’i Jehovah sasany dia mandeha amin’ny ilany tafahoatra ary miandry ny efa hivoahan’ireo zanany amin’ny andro maha-zatovo vao miresaka amin’izy ireo ny raharaha momba ny batisa. Kanefa, mitranga indraindray ny fisian’ny tanora, avy amin’ny nahim-pony manokana, manapa-kevitra ara-drariny hatao batisa. Ohatra, ny zazalahy tanora iray, zanaka loholona, dia naniry tamim-pahatsorana hatao batisa. Nangataka tamin’ny loholona telo hafa àry ny rainy mba handinika miaraka aminy ireo fanontaniana natao ho an’ireo mikasa ny hatao batisaa. Araka ny famaranan-kevitr’izy ireo, io zazalahy io, na dia mbola zatovo aza, dia nahafeno ireo fepetra takina amin’ny mpilatsaka hatao batisa ary azo notendrena ho minisitr’i Jehovah Andriamanitra. Ary koa, teo amin’ireo kristiana nanatrika vao haingana ny sekolin’ny mpitory maharitra tany Bahamas, dia nisy zazavavy kely, folo taona sy vita batisa, izay ny ray aman-dreniny dia samy minisitra manontolo andro avokoa.
22. Rehefa misy ray aman-dreny mampiorina ny toetra kristiana ao amin’ireo zanany, inona moa no azony antenaina avy amin’izy ireo?
22 Toa tsy manatanteraka amin’ny fomba feno ny andraikiny ny ray aman-dreny sasany amin’io lafiny io. Ohatra, ahoana no ampiasany ‘fitaovana tsy mety may’ mba hampiorenana ny toetra kristian’ireo zanany (1 Korintiana 3:10-15, MN )? Mba hahatongavana amin’izany vokatra izany, dia ilaina alohan’ny zavatra rehetra ho ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah no hitana ny toerana lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’izy ireo; ary koa, ilaina ny hanarahany ny torohevitra tsara dia tsara omena ny ray aman-dreny ao amin’ny Deoteronomia 6:6, 7 sy ao amin’ny Efesiana 6:4. Raha mifofotra amin’ireo zavatra ireo izy, dia tsy hila ny hanosika ho amin’ny batisa ireo zanany efa tonga lehibe, fa angamba aza ny hihazona azy ireo tsy hanolo-tena aloha loatra ho an’i Jehovah no hilainy.
23. Rehefa nanolo-tena ho an’Andriamanitra ny olona iray ary natao batisa inona moa no mbola tokony hataony?
23 Rehefa nampiseho ny fitokisany amin’i Jehovah ny olona iray tamin’ny fanoloran-tena ho azy sy tamin’ny fetezana hatao batisa, dia tsy maintsy manohy mandeha amin’ny lalan’ny fitokisana izy. Ny lahatsoratra manaraka, mitondra ny lohateny hoe “Aoka isika ho mpiara-miasa amin’i Jehovah matoky”, dia mampiseho amintsika hoe ahoana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fitohitohizam-panontaniana tsy maintsy valian’izay rehetra maniry hatao batisa sy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah dia hita ao amin’ny boky Voalamina mba hanatanteraka tsara ny fanompoantsika, izay raisin’ireo olona miomana ho amin’ny batisa.
Ahoana no havalinao?
◻ Zava-misy inona no mampiseho fa ho hadalana ny hametrahantsika ny fitokisantsika amin’ny olombelona?
◻ Moa ve ny toetra sy fomba fanaon’i Jehovah manome antsika antony mafy orina hitokisana aminy?
◻ Nahoana moa ny fitokisana amin’i Jehovah no mitaky ny hanoloran-tena aminy, fa tsy hanao fanekena aminy fotsiny?
◻ Ahoana no azon’ny kristiana ampitana mialoha be amin’ireo zanany ny faniriana hanolo-tena ho an’i Jehovah?
[Sary, pejy 10]
Afaka mametraka ny fitokisantsika amin’i Jehovah, ilay Mpanafaka lehibe antsika, isika.