FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/10 p. 15-20
  • Aoka isika hitandrina mandrakariva ny fampianarantsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hitandrina mandrakariva ny fampianarantsika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba ‘hanavaozana’ ny faritany
  • Aoka isika hanao fanambarana feno
  • Ireo izay mimenomenona
  • Aoka horesentsika ny zava-tsarotra entin’ny tsy firaikana
  • Aoka hotontosaintsika ny asa
  • Aoka isika tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Aoka Ianao Hahita Vokatra eo Amin’ny Fanompoanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Eny amin’ny faritany voasa matetika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Voasa Tsara ve ny Faritaninao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/10 p. 15-20

Aoka isika hitandrina mandrakariva ny fampianarantsika

“Tandremo [mandrakariva, MN ] ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” — 1 TIMOTY 4:16.

1. Nahoana moa no tsy fotoana tokony hitsaharantsika tsy hanao ny asa fitoriana ilay Fanjakana izao?

KOA satria Jehovah eo am-panafainganana ny fanangonana ny “ondry”, dia azo antoka fa tsy izao no fotoana tokony hampiatoan’ny mpanampony ny famindrany eo amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra (Isaia 60:8, 22; Matio 24:14; 28:19, 20). Tokony hanao zavatra mifanaraka amin’izay tian’Andriamanitra hotontosaina amin’izao androntsika izao kosa isika. Raha mbola mihantomotra ny farany, dia mihamatetika kokoa ny fitsidihantsika ny mpiara-belona amintsika. Na dia efa resahina be aza ny asa fanambarana vitan’ny mpitory tsotra sy mpitory maharitra mihamaro hatrany maneran-tany, dia mbola hohafainganina ihany io fijinjana mahafaly io. — Isaia 60:11; jereo Salamo 126:5, 6.

2. a) Araka ny Isaia 40:28-31, loharanon-kery inona moa no azontsika anovozana mba hananana tanjaka hamitana ny asa fitoriana ilay Fanjakana? b) Amin’izao androntsika izao, inona moa no antony tsara tokony hitandremantsika indrindra ny toetry ny fanompoantsika?

2 Tsy tokony hanaiky ho “ketraka” isika satria mitory matetika any amin’ny faritany sasany, fa tokony hiaiky isika ny amin’ny tokony hivavahana amin’i Jehovah izao mba hanomezany antsika ny ‘hery lehibe’ ilaina mba hamitana ny asa (Isaia 40:28-31; 1 Jaona 5:14). Marina fa olona an-tapitrisany maro anisan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” no efa tafangona hatramin’izao. Kanefa ireo fomba niharihary fa nandaitra mba hanampiana ireny olona ireny hanaiky ny fahamarinana dia tsy hoe tsy maintsy ho toy izany ho an’ny hafa amin’izao andro izao (Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16). Tokony hotandremantsika indrindra àry ny toetry ny fanompoantsika.

3. Inona no mety hahatonga antsika ho afaka hitory amin-kafanam-po velombelona indray?

3 Amim-pahavononana nohavaozina, dia aoka isika hiezaka mba ho tonga minisitra mahita vokatra kokoa. Amin’izany no handraisantsika anjara amin’ny fitoriana amin-kafanam-po novelombelomina. Fa ahoana no mety hahavitantsika izany? Tokony ‘hitandrina mandrakariva ny tenantsika sy ny fampianarantsika isika’, fa tsy hianina amin’ny fanompoana atao amim-pahazarana fotsiny (1 Timoty 4:16). Tokony hihoatra noho ny “fanati-piderana” anarany fotsiny no hatolotry ny molotsika (Hebreo 13:15). Tokony ho kinga isika amin’ny asantsika (Ohabolana 22:29). Koa satria zava-dehibe tokoa ny hampisehoantsika ny hafatra amim-pahakingana, dia aoka hodinihintsika ny lafiny vitsivitsy amin’ny fanompoantsika tokony ‘hotandremantsika mandrakariva’.

Ny fomba ‘hanavaozana’ ny faritany

4. Amin’ny fomba ahoana no azontsika ‘anavaozana’ ny faritany nomena ny kongregasionantsika?

4 Aoka isika handinika ny tarehin-javatra eo amin’ny lafin’ny fampiharana. Any amin’ny faritra maro, dia vitsy ny faritany, na tsy misy mihitsy aza, tsy mbola niasana na mahalana vao notetezina. Nahoana àry no tsy “manavao” ny faritany omena ny kongregasionantsika? Amin’ny fomba ahoana? Rehefa mitsidika matetika ny olona isika, dia tsy afaka mitonona aminy toy ny hoe mbola tsy nahita azy ireny mihitsy ka mamerimberina izay mahazatra antsika ny milaza azy. Na ahoana na ahoana, dia azo inoana fa hahafantatra antsika izy ireny raha efa nitory imbetsaka tao amin’ny faritànanany isika. Manolotra fampidiran-dresaka maherin’ny efapolo azontsika ampiasaina amin’ny fanompoantsika ilay boky hoe Comment raisonner à partir des Ecritures. Aoka isika hiomana amim-pitandremana mba hampifandray ireny fampisehoana vaovao sy mahaliana ireny amin’ny foto-dresaka araka ny toetr’andro ankehitriny sy ireo fisehoan-javatra eo an-toerana mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritanintsika. Tsy tokony hanana endrika miala tsiny isika satria mitory matetika ao amin’ny faritany iray ihany, fa aoka isika hijery ny lafitsaran-javatra ka ‘hanavao’ ny faritanintsika amin’ny fampiasana fampisehoana manintona. Kanefa hisy vokany ve izany raha tsy mora hatonina ny mponina ao amin’ilay faritany?

5. a) Rehefa fantatsika fa ratsy fanahy antsika ny olona iray fony nandalo farany isika, ahoana no azontsika andraisan-taona avy amin’izany? b) Fampidiran-dresaka inona avy no miharihary fa mandaitra ao amin’ny faritaninao? d) Nahoana no mahasoa ny hihainoana sy hiderana ilay olona iresahanao rehefa azo atao izany?

5 Raha tsaroanao fa tsy nandray tsara anao ny olona iray fony ianao nitsidika azy farany, dia angamba tsy ho mora hirona hiverina any aminy ianao. Fa nahoana no tsy raisina ho tombontsoa izany fahatsiarovana izany? Amin’ny fomba ahoana? Azonao atao ny manomboka manisy fitenenana ny amin’io fihaonana teo aloha io, avy eo dia miainga avy amin’ny resaka nifanaovanao tamin’io olona io. Azonao atao ny milaza hoe: “Manao ahoana, Andriamatoa Ranona!” Rehefa avy eo, dia hanohy toy izao angamba ianao: “Fony aho nandalo tamin’ny herinandro lasa, dia nilaza tamiko ianao fa manome izay ilainao rehetra amin’ny ara-panahy ny Fiangonanao ary tena mpivavaka ianao. Koa satria aho anankiray amin’ireo mpiara-monina aminao izay mihevitra ny fivavahana ho zava-dehibe koa, azoko atao ve ny manontany anao raha toa, araka ny fiheveran’ny Fiangonanao, azo atao ny manantena ny ho tafita velona amin’ny andro noklehera?” Avelao hamaly ilay olona iresahano, avy eo dia derao izy raha afaka manao izany amim-pahatsorana ianao. Raha mihaino azy sy midera azy ianao, dia hiova hevitra angamba izy. Mazava ho azy fa ilaina ny hampifanarahana ny hafatra entintsika amin’izay lazainy amintsika.

6. a) Ahoana moa no azontsika anaovana izay hahatonga ny olona hanampo ny hitsidihantsika azy tsy tapaka? b) Fampidiran-dresaka inona avy no mety hanampy antsika amin’izany? d) Inona avy no hita fa mandaitra ao amin’ny faritaninao?

6 Amin’ny teninao, dia azonao atao ny manao izay hahatonga ny olona hanantena ny hitsidihantsika azy tsy tapaka. Nahoana raha milaza aminy hoe: “Manao ahoana, ramatoa Ranona! Manao ahoana ny fahasalamanao? Mitsidika ny mponina eto amin’ny manodidina anao izahay androany mba hiresaka aminy ny amin’ny...” Na azonao atao ny milaza hoe: “Manao ahoana, tompoko ô! Mitsidika anareo araka ny fanaonay isan-kerinandro izahay. Faly izahay mahita anao indray. Nankasitrahan’ny manodidina anareo ny foto-kevitra resahinay androany.” Rehefa avy eo dia tohizo ny fifanakalozan-kevitra. Izany fomba fanao izany dia hahatonga anao hahatsapa koa fa ao amin’ny faritany “vaovao” iray ianao. Somary ho hafa angamba ny teny hampiasaina arakaraka ny tany, kanefa ireo ohatra ireo dia mahatonga hahazo an-tsaina izay azontsika lazaina. Manandrama mandray soa faran’izy betsaka avy amin’izany; ho tombontsoanao izany.

7. a) Rehefa handao ny olona iresahany ny Vavolombelona sasany, ahoana no anomanany azy ho amin’ny fitsidihana any aoriana? b) Ahoana no teny mety hahatonga hahazo izany vokatra izany ao amin’ny faritaninao?

7 Manao izay hanampoizan’ny olona fitsidihana amin’ny manaraka ny Vavolombelona sasany amin’ny fandaozana azy amin’izao teny izao: “Hahafaly anay ny hiverina hitsidika anareo amin’ny manaraka.” Azonao atao ny milaza toy izao amin’izay niseho ho somary tsy nety niresaka tamin’ny voalohany: “Nahafaly ahy ny niresaka taminao. Marina tokoa ny zavatra nolazainao. Nitana antsika minitra vitsivitsy iny fifanakalozan-kevitra iny, kanefa mba tsy niresaka vaovao ratsy ahay isika. Efa ampy ny rentsika toy izany. Tena nahaliana iny resatsika iny.” Tsy isalasalana mihitsy fa ho tianao ny hanomana fampisehoana mifanentana hafa. Na ahoana na ahoana, amin’ny filazana hevitra amin’ny fiheverana ny lafitsaran-javatra, amim-pisakaizana, sy amin’ny fampiasana fampisehoana mandaitra, dia aoka hataontsika izay tsy hahasosotra ny olona noho ny fitsidihantsika matetika.

Aoka isika hanao fanambarana feno

8, 9. Inona moa no azontsika atao mba hitadiavana tsara ireo olona mendrika ny vaovao tsara?

8 Hitana ny hafanam-pontsika isika raha miahy ny amin’ny hitadiavana tsara ireo izay mendrika ny vaovao tsara (Asa. 8:2; 20:24, MN ). Amin’ny faran’ny herinandro na amin’ny takariva, ohatra, dia azon’ny kristiana iray atao ny mangataka hihaona amin’ny lehilahy tompon-trano, raha toa ka vehivavy na ankizy no mamoha varavarana. Tsy isalasalana fa ny vehivavy tompon-trano no hitantsika matetika. Ho tsara àry ny hiresahana amin’ny filoham-pianakaviana. Hataontsika mifanentana aminy ny hafatra entintsika amin’ny filazana aminy toy izao, ohatra: “Araka ny hevitrao, inona no mety hiantoka ho avy sambatra ho an’ny fianakavianao?” na koa: “Jereo ny fomba anohanan’ny Baiboly ny firaisam-pianakaviana.” Aza misalasala midera azy noho ny hevitra mahaliana lazainy.

9 Ny fomba hafa iray koa ‘fanavaozana’ ny faritany dia ny fanandramana manao izay hihaonana amin’ny mpianakavy rehetra iray trano: renibe, zanaky ny iraitampo na zanak’olo-mpiraitampo mbola mianatra, zaobavy miasa amin’ny andavanandro. Mahasoa koa ny hijerena hoe firy ny fanisana herin’aratra na ny vatakely fasiana taratasy eo am-pidirana. Azontsika atao amin’izany ny mamantatra raha misy mipetraka any amin’ny lakaly na any ambany tafon-trano na any amin’ny toeran-kafa. Miezaha mifandray amin’ireo mpanofa trano ao amin’ireny toerana ireny — mpianatra, mpiasa, mpitovo, mpitondrantena, sns. Mety hanampy amin’ny fanitarana ny faritany azo ampiasaina koa izany.

10. Amin’ny fomba hafa inona moa no azontsika anitarana ny faritany itoriantsika isan-trano, ary inona no nataon’ny mpitory sasany mba hifandraisana amin’olona miasa alina?

10 Ny fomba hafa iray koa fanitarana ny faritany itoriantsika isan-trano dia ny fandraisana anjara amin’ny karazana asa hafa ao anatin’ny faritry ny fanompoantsika. Mba hanovaovan-javatra, dia azontsika atao koa ny manolotra mivantana ho an’ny fianakaviana tsirairay avy, fampianarana Baiboly maimaimpoana any an-tokantrano. Koa satria tsy hita ao an-tranony ny olona sasany, dia angamba ho azontsika atao ny hifandray aminy any amin’ny toeram-piasany. Miharihary ho tena mahavokatra koa ny fanaovana fanambarana any amin’ireo faritanàna be mpivarotra. Any amin’ny tany sasany, dia mety ho hita koa ny olona miasa ao amin’ireny faritanàna ireny amin’ny fanaovana fanambarana eny amin’ny arabe amin’ny fotoana mety. Tany Kanada, dia nisy mpitory maharitra nahazo vokatra tsara rehefa nihaona tamin’ny takariva tamin’ny mpiasa ao amin’ny fivarotan-dasantsy, magazay na hotely mivoha amin’ny alina manontolo. Mandrakariva no tsy manan-katao firy ireny olona ireny amin’izany fotoana izany ka ankasitrahany matetika ny fananan-javatra hovakina. Mazava ho azy fa tsy tokony ho any amin’ny toerana sasany ireo anabavy rehefa alina loatra.

11. a) Inona no ataon’ny Vavolombelona sasany ao amin’ny toerana maro olona tsy tratra ao an-tranony rehefa mitety ny faritany manontolo izy? b) Raha miezaka amim-paharisihana isika mba hihaona amin’ny olona tsy tao an-tranony tamin’ny fandalovantsika teo aloha, inona no ho vokatr’izany amin’ilay faritany sy ny fanompoantsika?

11 Inona no holazaina ny amin’ny olona tsy ao an-tranony rehefa mandondòna ao am-baravarany isika? Tokony hampiseho ny fitiavantsika miasa tsara koa isika amin’izany. Raha vantany vao vitany ny asany isam-baravarana, ny Vavolombelona sasany dia mandray indray ny fitadidiana an-tsoratra nofenoiny tamim-pitandremana ary dia miverina any amin’ny olona tsy tao teo aloha, tamin’io andro io ihany izy. Matetika no efa nody izy ireny teo anelanelan’izany, ary efa tafafoha ireo miasa alina. Any amin’ny faritanàna maro, dia ny antsasaky ny mponina fara fahakeliny no tsy ao an-trano mandritra ny andro. Tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miverina ao amin’ilay faritany àry amin’ny fanandramana manao izay hihaonana amin’izy ireny amin’ny ora tsy mitovy, ary izany dia mandra-pahitantsika olona. Ireo mpitory maharitra sy ireo mpitory tsotra za-draharaha dia miray hevitra mba hilaza fa tsara kokoa matetika ny vokatra rehefa mitady amim-paharisihana hihaona amin’olona tsy tao, noho ny rehefa mitety voalohany ny faritany. Raha mitandrina io lafiny kely amin’ny fanompoantsika io isika, dia azo inoana fa handray soa maro avy amin’izany. — Ohabolana 10:22.

Ireo izay mimenomenona

12. Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa mitaraina ny olona fa matetika loatra ny fitsidihantsika azy? Nahoana?

12 Inona no holazaina ny amin’ireo olona mimenomenona satria hoe mitsidika azy matetika loatra isika? Ambonin’ny zavatra rehetra, dia tokony hiseho hahay hipetraka eo amin’ny toerany isika (Matio 7:12). Hitany ho mifanakaiky loatra ny fitsidihantsika. Nefa moa ve tsy marina fa taona maro lasa izay dia efa nilaza tamintsika toy izao ny olona: ‘Efa nandalo teto ianareo tamin’ny herinandro lasa!’, nefa fantatsika tsara fa enim-bolana lasa izay na mihoatra na nandondònantsika tao am-baravarany? Afa-tsy izany koa, dia mety hanaitra ny fahalianana ny fandalovana matetika. Indray andro, tany Guadaloupe, dia nihazakazaka nanatona ny Vavolombelona iray ity lehilahy ka nilaza taminy hoe: “Hatramin’ny herinandro maromaro no nandinihako anao. Tsy mihaino ny Vavolombelona aho mandrakariva, nefa tiako androany ny hahafantatra hoe nahoana no mitsidika matetika ny olona toy izao ianareo!” Nanomboka fampianarana Baiboly niaraka tamin’io lehilahy io ilay Vavolombelona.

13, 14. Inona no ataon’ny sasany amin’ireo namantsika rehefa misy olona mitaraina hoe mitsidika azy matetika loatra isika?

13 Ny mpitory sasany dia milaza amim-pahalemem-panahy amin’ny olona mimenomenona ny daty marina nandalovany farany ka manolotra azy ireny ireo gazety nivoaka vao haingana, amin’ny filazana mazava fa hafa ny lahatsoratra raketin’ireto. Afaka manao izay hieritreretan’ireny olona ireny isika amin’ny filazana aminy fa nahazo gazety sy revio maro angamba izy hatramin’ny fitsidihantsika farany, kanefa tsy manome vaovao tsara foana ireny zavatra vita an-tsoratra ireny. Rehefa avy eo dia hanazava aminy isika fa tonga mba hampita vaovao tsara aminy kosa ary ho fohy ny fitsidihantsika. Rehefa sahirana loatra anefa ilay olona, dia afaka milaza aminy toy izao isika: “Raha tsy manam-potoana hihainoana ahy ianareo androany, dia hihaona indray isika amin’ny fandalovanay manaraka, rehefa afaka herinandro eo ho eo.”

14 Inona koa no mbola ho azontsika lazaina? Ny zavatra rehetra dia miankina amin’ny fihetsik’ilay olona tsidihintsika sy ireo fitsipi-pahalalam-pomba manan-kery ao amin’ny tanintsika. Manazava ny fiverimberenantsika matetika toy izao ny anabavy japoney iray: ‘Rehefa antomotra ny rivo-doza, dia mampandre imbetsaka ny olona ny televiziona momba ny fizotrany, ka izany dia mahasoa an’ireo izay nety ho tsy nandre ny hafatra teo aloha. Misy aina tandindomin-doza tokoa. Atao matetika kokoa ireny fampandrenesana ireny arakaraka ny anatonan’ny tafiodrivotra mafy. Toy izany koa fa tokony hampiomana matetika araka izay azo atao ny mpiara-belona aminay izahay fa akaiky ny ady Haramagedona, mba hamonjena aina.’ Mazava ho azy fa hiahy ny amin’ny hilazana ny hevitra toy izany amim-pahalemem-panahy sy fahatsorana isika, noho ny fanantenana ny hanohina ny fon’ny olona iresahantsika.

Aoka horesentsika ny zava-tsarotra entin’ny tsy firaikana

15. a) Inona no mety hampitombo ny zava-tsarotra tsy maintsy setraina ao amin’ny faritany itoriantsika matetika? b) Nahoana moa no tsy miraika ny sasany?

15 Koa satria mihamatetika ny fitsidihantsika ny olona, dia zava-tsarotra mitombo tsy maintsy setraintsika ny tsy firaikana. Mety hampahery antsika anefa ny fandinihana ny mahatonga izany fihetsika izany. Tsy isalasalana fa ho voamarintsika fa mbola azo atao tokoa ny manohina ny fon’ny sasany. Matetika ny tsy firaikany no taratry ny fahakiviany sy ny famoizam-pony. Hitany ho mampamoifo angamba ny tarehin-javatra eo amin’izao tontolo izao ka ny hany azony atao dia ny manararaotra ny fiainana araka izay farany azo atao fotsiny. Ny hafa tafintohina rehefa mahatsapa fa mitsabaka amin’ny politika ireo filoha ara-pivavahana, manao fitondrantena maloto, na tsy manameloka amin’ny fomba hentitra ny fahalotoam-pitondrantena. Diso fanantenana izy ireny ka mianina amin’ny tsy fiheverana afa-tsy ny anio ihany.

16. Ahoana no azontsika anohinana ny fon’ny olona tsy miraika iray?

16 Fantatsika fa ireo minisitra kristiana voalohany dia tsy nanaiky ho kivy noho ny fihetsika sahala amin’izany nananan’ny sasany tamin’ny mpiara-belona taminy izay nilaza hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintiana 15:32). Entintsika ho an’ny olona hafatra ilainy indrindra. Ahoana anefa no azontsika anohinana ny fony? Ny fomba iray dia ny fandaminana ho mora hita ao anaty kitapontsika ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly ananantsika, avy eo dia mametraka aminy fanontaniana mampiseho fahendrena tahaka ireto: “Araka ny hevitrao, moa ve misy fomba handaminana ireo zava-manahirana ankehitriny? Moa ve satria fotsiny tsy mbola nahita ny vahaolana ny ankamaroan’olona? Heverinao ve fa tokony hihevitra ny hihatsaran’ny zavatra isika ka hanohy hitady fanafodiny?” Afaka milaza toy izao isika amin’ny hafa: “Azo antoka fa mihevitra ianao fa aleo velona amin’ny fanantenana ny hahita andro tsara kokoa toy izay tsy hanana fanantenana mihitsy. Inona no fanantenanao?” Rehefa avy eo dia anontanio izy hoe: “Araka ny hevitrao, inona no misakana indrindra ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina maneran-tany?” Azonao apetraka amin’ny hafa koa izao fanontaniana izao: “Heverinao ve fa mitovy amin’ny filazalazana vao nataonao ny fivavahana rehetra?” Matetika tokoa ireo fanontaniana ireo no hitarika ny olona iresahanao hilaza ny heviny. Ataovy izay hihainoana azy tsara amin’izay. Eny, avelao izay ireo hanokatra ny fony. Maro be no “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao” amin’izao androntsika izao. — Ezekiela 9:4.

17. Ahoana no azontsika ampiasana ireo zavatra vita an-tsoratra ananantsika mba hanairana ny fahalianan’ny olona izay, fony isika nandalo voalohany, dia nilaza fa tsy nahaliana azy ny hafatra nentintsika?

17 Ny fomba hafa iray fandresena ny tsy firaikana dia ny fandraisana an-tsoratra ny hevitra na fanoherana iray nataon’ilay olona sy ny fiverenana any aminy mitondra gazety na zavatra vita an-tsoratra hafa natontan’ny Fikambanana Watch Tower mamelabelatra ilay foto-kevitra. Amin’ny voalohany, dia mety ho foto-dresaka tsy ara-pivavahana izany, mety ho lahatsoratra momba ny fahafatesan’ny zaza vao teraka tampoka na ny fahasimban’ny ala, ohatra. Hazavao amin’ilay olona fa nieritreritra ny raharaha nahaliana azy ianao ka tsaroanao io lahatsoratra io. Avy eo, dia sorito ny hevi-dehibe sasany velabelariny. Araka izany, ny vehivavy iray vao avy nanda ny anankiray amin’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika dia nanaiky handray gazety, rehefa afaka segondra vitsivitsy. Inona no antony? Satria nanontany azy ilay Vavolombelona raha fantany fa 55 tapitrisa ny fanalana zaza atao isan-taona. Gaga noho io tarehi-marika io izy ka nangataka ilay gazety nanome izany filazana izany.

Aoka hotontosaintsika ny asa

18, 19. a) Inona koa moa no tokony ‘hotandremantsika’ eo amin’ny fanompoantsika? b) Inona moa no fitompoan-teny fantatra ananan’ny olona sasany ny amintsika sy ireo zavatra inoantsika, ary inona no azontsika lazaina amin’izy ireny?

18 Ambonin’ny zavatra rehetra, dia ilaina ny hananana faharetana amin’ny olona. Milazà hevitra tsy maimaika, amin-kafanam-po. Manehoa fitiavana sy hatsaram-po (Galatiana 5:22, 23). Alohan’ny hifindrana ho ao amin’ny varavarana manaraka, dia fakafakao izay nitranga teo aloha mba hamerana ny fomba ho azonao anatsarana ny fampisehoanao. Mahaiza mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, satria maro be no diso hevitra ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Angamba hilaza toy izao izy ireny: ‘Tsy mahavita ny adidinareo ara-politika sy amin’ny maha-olom-pirenena ianareo’. ‘Tsy mety manao raharaha miaramila ianareo’, na ‘Mampisaratsaraka ny fianakaviana ianareo’. Nomen-tsiny toy izany koa anefa ireo namantsika kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Ampahafantaro ny olona izany, amin’ny fampisehoana aminy, ohatra, ireo teny nalaina avokoa ao amin’ny boky Comment raisonner, eo ambanin’ny lohateny hoe “Neutralité (Fialanalanana)”.

19 Ny amin’ireo kristiana voalohany, dia izao no nosoratan’ilay mpanoratra tantara atao hoe Will Durant: “Ho an’ny kristiana, ny fivavahana dia nitana toerana niavaka tamin’ny fikambanana ara-politika, ary ambony kokoa; ny fankatoavany ambony indrindra dia nahatonga azy hifikitra, tsy tamin’i Kaisara fa tamin’i Kristy. (...) Ny fisehoan’ny kristiana ho miala amin’ny raharahan’ny tany dia noheverin’ny mpanompo sampy ho fandosirana ny adidy amin’ny maha-olom-pirenena, fihaosan’ny toe-tsaina sy ny finiavana ho tia ny firenena. Nanoro hevitra ny kristiana i Tertullien mba tsy hanao raharaha miaramila (...). Nanarin’ireo filohany ny kristiana mba hanalavitra ny tsy kristiana, hihevitra ny lalaon’izy ireny ho barbariana, ny teatira ataony ho maloto. (...) [Rehefa nisy tamin’ny fianakaviana nanaraka izany,] dia nolazaina fa niteraka faharavan’ny tokantrano ny kristianisma.” — Kaisara sy Kristy, boky III, pejy faha-319 sy 320.

20, 21. a) Inona moa no tiantsika ho azo antoka rehefa misy olona mandà ny hafatra momba ilay Fanjakana? b) Nahoana moa isika no tsy tokony ‘ho ketraka’, fa hanohy kosa ny asa tsara dia tsara nankinina tamintsika, dia: ny fitoriana ilay Fanjakana?

20 Ny sasany tsy maniry hihaino antsika, na inona na inona lazaintsika amin’izy ireny. Nefa raha izany no izy, dia satria laviny ny hafatra momba ilay Fanjakana, fa tsy hoe satria tsy amin’ny fomba manintona no ampisehoantsika izany aminy (Lioka 10:8-11; Asa. 17:32; Ezekiela 3:17-19). Aoka isika hanao izay farany azontsika atao noho ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra, dia hataony izay hahatomombana ny asa. — Jereo Filipiana 1:6.

21 Amin-toky lehibe àry, dia aoka isika ‘hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatsika fa tsy foana tsy akory ny fikelezantsika aina’. (1 Korintiana 15:58.) ‘Tandremo hatrany ny tenantsika sy ny fampianarantsika, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany isika, dia hamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika.’ (1 Timoty 4:16). Ambonin’ny zavatra rehetra dia “aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hojinjantsika, raha tsy reraka isika”. — Galatiana 6:9.

Tadidinao ve?

◻ Inona no mety hanampy antsika hijery ny lafitsaran-javatra hatrany ao amin’ny faritany itoriantsika matetika?

◻ Ahoana no ho azontsika hitadiavana tsara kokoa ihany ny olona mendrika ny vaovao tsara?

◻ Inona no azontsika lazaina amin’ireo izay mitaraina satria mitsidika azy matetika loatra isika?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika andresena ny zava-tsarotra ateraky ny tsy firaikan’ny olona?

◻ Inona no hahatonga antsika ho afaka hanatsara ny toetry ny fanompoantsika?

[Efajoro, pejy 20]

KOA SATRIA MIHAMATETIKA KOKOA NY FITSIDIHANTSIKA NY OLONA,

dia ‘aoka hotandremantsika mandrakariva’ ny fampianarantsika...

◻ amin’ny fampiasana fampidiran-dresaka sy fampisehoana mampiaiky.

◻ amin’ny fitadiavana tsara kokoa ihany ireo izay mendrika ny vaovao tsara.

◻ amin’ny fanehoana faharetana amin’ireo izay mitaraina.

◻ amin’ny fandresena ny zava-tsarotra ateraky ny tsy firaikana sy ny fitompoan-teny fantatry ny olona sasany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara