FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/12 p. 3-4
  • Mankany an-danitra daholo ve ny tsara fanahy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mankany an-danitra daholo ve ny tsara fanahy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Toy inona moa ny lanitra?’
  • Toy Inona Marina Izany Lanitra Izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Lanitra
    Mifohaza!—2016
  • Iza no mankany an-danitra, ary nahoana?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Aiza moa ireo olon-tsy fointsika efa maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/12 p. 3-4

Mankany an-danitra daholo ve ny tsara fanahy?

“Vao vita ny fandevenana. Mbola tsy afaka ny vokatry ny loza nidona tamiko. (...) Sarotra inoana ny hoe herinandro vitsivitsy lasa monja izay no indro hitako André keliko, miramirana, kevoka erỳ vao nahay niana-nandeha! Maty izy ankehitriny. (...)

“Nitehina teo amin’ny varavarankely aho, nitady hampisava ny haizin’ny lanitra tamin’ny alina. ‘Aiza izao iny zazakely iny? hoy aho anakampo. Any an-danitra any ho any ve izy, eny afovoan’ny kintana?’ ”

AZO inoana fa ny famoizana zanaka no fisehoan-javatra mangidy indrindra amin’izay rehetra mety hihatra amin’ny ray aman-dreny. ‘Aiza izao ilay zanakay? hoy ny fanontanian’izy ireo. Any an-danitra ve izy sa any an-toeran-kafa?’ Ampianarin’ireo fivavahana amin’ny ankapobeny fa mankany an-danitra ny zazakely maty. Any Johannesburg, atsy Afrika Atsimo, dia izao no soratra eo amin’ny fasana iray: “Naniry hahazo voninkazo vao hivelatra Andriamanitra, nioty anankiray tamin’izany tao an-jaridainanay ny anjeliny.” Hilaza angamba anefa ny sasany hoe nahoana no naniry hahazo “voninkazo vao hivelatra” Andriamanitra, nefa, araka ny inoan’ny maro, dia efa manana be dia be amin’izany izy? Ary maro hafa koa no manontany tena hoe...

‘Toy inona moa ny lanitra?’

Manjavozavo fotsiny ny fahalalan’ny ankamaroan’olona ny atao hoe lanitra. Miresaka amim-pahasahisahiana ny amin’ny “paradisa any an-danitra” ny sasany. Inona marina moa no lazain’ny Baiboly? Izao no vakina ao amin’ny andininy voalohany indrindra ao: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1). Ny lanitra hita maso no resahina eo, ny habakabaka feno kintana sy vahindanitra (Deoteronomia 4:19). Misy lanitra ara-panahy koa anefa. Resahin’ny Baiboly ho ‘fonenan’ny fahamasinana sy ny voninahitr’i Jehovah’ izy io. — Isaia 63:15.

Iza no voalohany niakatra ho any amin’ny ‘fonenan’ny’ Raintsika any an-danitra? Tsy iza fa ny Zanany malala, Jesosy Kristy, izay nanambara hoe: “Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona.” (Jaona 3:13). Mampiseho mazava izany fa tsy mbola nisy olombelona nankany an-danitra mihitsy hatreo. Nampanantena anefa i Jesosy fa ho any ny olona sasany. Talohan’ny hiakarany indrindra, dia hoy izy tamin’ireo mpianany nahatoky: “Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho (...) ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” — Jaona 14:2, 3.

Miharihary amin’izany fa mankany an-danitra ny olona tsara fanahy sasany. Nefa izany ve no izy ny amin’ny tsara fanahy rehetra? Moa ve ny tany, ny fonenan’ny olombelona, natao hofoanana amin’ny alalan’ny ady noklehera ka ho zavatra may mirenireny eny amin’ny habakabaka sisa? Azo antoka fa tsy izany! Manantitrantitra toy izao ny Baiboly: “Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.” (Mpitoriteny 1:4). Na dia misy olona tia tena aza nandoto ny tapany amin’ity planeta kanto ity, inona moa no antony tokony hanafoanan’ny Mpamorona azy? Mirakitra izao fampanantenana izao ny Tenin’Andriamanitra: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.

Misy ho avy mamirapiratra ho an’ny tany àry. Izao no nambaran’i Jesosy tamin’ny Toriteniny nalaza teo an-tendrombohitra: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5). Milaza mazava koa ny Fanambarana na Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly, fa ho tonga paradisa ny tany. Izao no lazainy ny amin’ny olombelona mankatò: “Ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.

Miharihary amin’izany voalaza eo aloha izany fa amin’ireo tsara fanahy, ny sasany mankany an-danitra, fa ny hafa kosa honina eto an-tany. Misy antokon’olona roa miavaka tsara àry. Ahoana no hetezan’izany. Ambonin’izany, maro be no mitovy fihetseham-po amin’ny renin’i André ka manontany tena ny amin’ny fiafaran’ny ankizy maty tsy vita batisa. Ampianarina ny katolika fa mankany amin’ny toerana antsoina hoe limby ireny ankizy ireny. Misy ve io toerana io? Mankany tokoa ve ny zazakely? Mitondra valin’ireo fanontaniana ireo sady mampiaiky no mampahery ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara