Valian’i Jehovah soa ny finoana sy ny herim-po
“Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô.” — DANIELA 3:17.
1. Fianarana inona avy moa no nahariharin’ny lahatsoratra teo aloha, ary nahoana no hahasoa antsika ny handinika izany indray?
JEHOVAH ANDRIAMANITRA, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia nanome ho ana mpitondra, fianarana tsy hay hadinoina momba ny fahamboniany. Izany no hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, tamin’ny fijerena ireo fisehoan-javatra voatantara ao amin’ny toko enina voalohany amin’ny bokin’i Daniela. Aoka hodinihintsika indray anefa ireo fitantarana ireo mba hahitana izay azony ampianarina antsika koa, amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ireto tenin’ny apostoly Paoly ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireto: “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” — Romana 15:4.
2, 3. Iza avy moa ireo tanora anisan’ny babo nentin’i Nebokadnezara, ary inona no azontsika tsoahina avy amin’ny hevitry ny anarany?
2 Tamin’ny 617 alohan’ny fanisan-taona iraisana, nandritra ny fotoana fohy nanjakan’i Joiakina, zanak’i Joiakima, dia nandidian’i Nebokadnezara mpanjaka ny hitondrana tao Babylona ny sasany tamin’ireo tanora Jiosy tsara taiza sy hendry indrindra. Anisan’izy ireny Daniela, Hanania sy Misaela ary Azaria. — Daniela 1:3, 4, 6.
3 Rehefa heverina amin’ny hevitry ny anaran’ny tsirairay avy amin’ireo tanora hebreo efatra ireo, ny ray aman-dreniny dia natahotra an’Andriamanitra na dia tao aza ny faharatsiana nanjaka tamin’izany fotoana izany teo amin’ny Joda. Ny dikan’ny hoe “Daniela” tokoa dia hoe “Andriamanitra no Mpitsara ahy”. Ny dikan’ny hoe Hanania dia “Naneho fankasitrahana Jehovah; namindra fo Jehovah”. Ny mety ho hevitry ny hoe Misaela dia “Iza no tahaka an’Andriamanitra?” na “Iza no an’Andriamanitra?”. Farany, ny dikan’ny hoe Azaria dia “Manampy Jehovah”. Ny anaran’ireo tanora ireo fotsiny dia tsy isalasalana mihitsy fa nanosika azy ireny tsy hivadika hatrany amin’ilay hany Andriamanitra marina. Tsy nantsoin’ny Kaldeana tamin’ny anarany anefa ireo Hebreo tanora efatra ireo fa nantsoiny hoe Beltesazara, Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Noho izy ireo andevon’ny fanjakana hafa firenena iray, dia miharihary fa tsy afaka nilaza na inona na inona ny amin’ny anarana nofidin’ireo namabo azy izy. — Daniela 1:7.
Nosedraina ny finoany sy ny herim-pony
4. Inona moa no mampiseho fa tian’i Jehovah ny hanajan’ny vahoakany ireo lalàny momba ny biby madio sy tsy madio?
4 Natahotra an’Andriamanitra ny ray aman-drenin’ireo Hebreo efatra ireo. Nomeny fiaingana tsara teo amin’ny fiainana izy ireo, tsy tamin’ny fifidianana ireo anarana ireo ho azy fotsiny, fa azo antoka koa fa tamin’ny fanabeazana azy nifanaraka tanteraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy, indrindra fa tamin’ny fanajana ireo fitsipika momba ny sakafo nifamatotra tamin’izany. Nihevitra ho zava-dehibe tokoa ny fanajana ireny lalàna ireny ny tenan’i Jehovah, hany ka rehefa nitanisa maro tamin’izany izy dia nanambara hoe: “Ho masina hianareo, satria masina Aho.” — Levitikosy 11:44, 45.
5. Ahoana no nisedrana ny fahatokian’ireo tanora Hebreo efatra tsara taiza?
5 Tsy ela dia nosedraina ny fahatokian’ireo Hebreo tanora efatra tsara taiza ireo. Tamin’ny fomba ahoana? “Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ireo isan-andro avy tamin’ny haniny sy avy tamin’ny divay izay fisotrony”. (Daniela 1:5.) Fantany fa ny kisoa sy ny bitro ary ny sifodranomasina sy ny amalona dia anisan’ny sakafo nandraran’ny Lalàn’i Mosesy. Na dia ny fihinanana hena nanomezan’ny Lalàna lalana aza dia niteraka zava-nanahirana tao an-dapan’ny mpanjakan’i Babylona, satria tsy nisy na inona na inona namela azy ireo hahafantatra raha nalatsa-dra tsara izany. Afa-tsy izany koa, dia tena nety ho voaloto tamin’ny fombafomban’ny mpanompo sampy ireny hena ireny. — Levitikosy 3:16, 17.
6. Inona no nataon’ireo Hebreo efatra tao anatin’ny fitsapana?
6 Inona àry no hataon’ireo Hebreo efatra? Mampahafantatra antsika ny fitantarana fa Daniela, ary azo inoana fa ireo namany telo koa, dia nanapa-kevitra tao am-pony ny tsy handoto tena tamin’ireny sakafo ireny. “Nangataka” hatrany izy mba tsy homena afa-tsy legiomy fa tsy ny sakafo fy fihinan’ny mpanjaka, ary rano fa tsy ny divainy. Ho azy ireo, ny zava-dehibe dia tsy ny hahafantarana hoe sakafo inona avy no matsiro indrindra. Azo antoka fa tsy maintsy ho naneho finoana sy herim-po izy ireo mba hanaovana izany fangatahana tamim-pikirizana izany. Jehovah, izay niahy an’ireo tanora efatra ireo, dia nanao izay hahitan’i Daniela sitraka tamin’ny mpanao raharaha lehibe indrindra tao an-dapa. Nisalasala ny hanaiky izany fangatahana izany anefa io lehilahy io satria natahotra izy sao manimba ny fahasalaman’i Daniela ny sakafo toy izany. Nangataka àry i Daniela mba hamelana azy ireo hanandrana izany karazan-tsakafo izany mandritra ny hafoloana. Niaiky tanteraka izy fa ny fanarahana ny Lalàn’Andriamanitra dia tsy vitan’ny hoe hahatonga azy ho afaka ny hitana fieritreretana madio, fa hahatonga azy ho salama tsara hatrany koa. Azo antoka fa nahatonga azy ireo hiharam-panesoana maro ny fihetsik’ireo Hebreo efatra ireo. — Daniela 1:8-14; Isaia 48:17, 18.
7. Ahoana no namalian-tsoa ny fihetsika nampiseho herim-po nasehon’ireo Hebreo tanora ireo?
7 Marina fa tsy maintsy naneho finoana sy herim-po ireo Hebreo efatra mba hitanana hatrany ny fomba fisakafoany, kanefa novalian-tsoa izy ireo, satria rehefa tapitra ny folo andro dia tsara kokoa sy toa salama kokoa noho ny hafa rehetra izy ireo. Ambonin’izany, dia nomen’i Jehovah azy ireo ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina ary ny fahendrena, hany ka rehefa nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo tamin’ny faran’ny telo taona fiofanany, dia hitany ho “nanan-tombo impolo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ny fanjakany rehetra aza izy”. — Daniela 1:20.
8. Fianarana inona moa no tsoahin’ireo mpanompon’i Jehovah avy amin’io fitantarana io amin’izao androntsika izao?
8 Amin’izao androntsika izao, ny mpanompon’i Jehovah rehetra dia afaka maka fianarana avy amin’io fitantarana io. Nety ho afaka nilaza ireo Hebreo tanora ireo fa rehefa dinihina, ny fameperana ara-tsakafo tamin’ny Lalàn’i Mosesy dia tsy zava-dehibe loatra, indrindra fa rehefa noharina tamin’ny Didy Folo na ireo lalàna momba ny sorona sy ny andro firavoravoana fanao isan-taona. Tian’ireo Hebreo nahatoky ireo anefa ny hanaja ny fitsipika rehetra tamin’ny Lalàn’Andriamanitra. Izany dia mampahatsiahy antsika ny fotopoto-pitsipika nambaran’i Jesosy ao amin’ny Lioka 16:10, manao hoe: “Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.” — Jereo Matio 23:23.
9. Tamin’ny toe-javatra nanao ahoana moa no nisy Vavolombelona naneho herim-po sahala amin’izany tamin’izao androntsika izao?
9 Tokony haneho finoana sy herim-po sahala amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra rehefa mangataka amin’ny mpampiasa azy mba tsy hiasa satria hanatrika fivoriamben’ny distrika. Amin’ny toe-javatra maro, dia omena fahafahampo manokana izy ireny. Ireo Vavolombelona izay maniry hanatevin-daharana ny mpitory maharitra na hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy dia milaza amim-paharetana ny faniriany hahazo asa tapa-potoana, ary maro be amin’izy ireny no nahazo an’io tombontsoam-panompoana io.
10. Fianarana inona moa no azon’ny Vavolombelona manana zanaka tsoahina avy amin’io fitantarana io?
10 Ny ray aman-dreny izay matahotra an’Andriamanitra dia afaka mandray fianarana sarobidy avy amin’ny fanabeazana hita fa azon’ireo Hebreo tanora efatra. Rehefa mandray am-po tokoa ny tombontsoa ara-panahin’ireo zanany ny kristiana, dia mametraka ny raharaha ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany izy, araka ny Matio 6:33. Amin’izay, dia azony atao ny manantena ny hahafahan’ireo zanany mahatohitra ireo fakam-panahy ka tsy ho resin’ny faneren’ny sasany amin’ireo namany na mpampianatra azy mba hitaomana azy hankalaza fitsingerenan’ny nahaterahana na fety, na handika ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly amin’ny fomba hafa koa. Ireny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra ireny dia mahatsapa amin’izany ny fahamarinan’ny Ohabolana 22:6.
Nilaza tamin-kerim-po ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara i Daniela
11. Amin’izao androntsika izao, ahoana no azontsika anarahana ny ohatra nomen’i Daniela sy ireo namany telo?
11 Ny toko faharoa amin’ny bokin’i Daniela dia mitantara oha-pinoana sy herim-po hafa iray koa. Rehefa ren’i Daniela fa nandidy ny hamonoana ny olon-kendrin’i Babylona rehetra izay tsy nahay nampahatsiahy azy ny nofy sy nilaza ny heviny ny mpanjaka, moa ve resin’ny tahotra izy sy ireo namany telo? Tsy izany velively! Mifanohitra amin’izany, noho ny fahazoany antoka tanteraka fa hahariharin’i Jehovah aminy ny fanazavana nirin’ny mpanjaka ho fantatra, dia niseho teo anatrehan’io mpanjaka io i Daniela ka nangataka andro taminy mba hanomezana ny valiny. Nanaiky ny fangatahany ny mpanjaka. Rehefa avy eo i Daniela sy ireo namany telo dia nanao an’io raharaha io ho antom-bavaka mafana, ka namaly soa ny finoany Jehovah tamin’ny fanambarana ny fanazavana nilaina. Tamin’izay Daniela dia nanao vavaka tamim-pahatsorana ho fisaorana an’i Jehovah (Daniela 2:23). Afa-tsy izany koa, rehefa nampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka ny hevitry ny nofiny i Daniela, araka ny voasoratra ao amin’ny toko faha-4 amin’ny bokiny, dia tsy maintsy nanambara tamin’io mpanjaka io izy fa mandritra ny fito taona izy dia hiaina toy ny biby any an-tsaha. Nilainy tamin’izany ny finoana sy ny herim-po sahala amin’ny tokony hasehon’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao mba hanambarana ny hafatra mahery hoe hampihatra famaliana an’izao tontolo izaon’i Satana Jehovah.
‘Namono ny fidedadedan’afo izy ireo’
12, 13. Araka ny toko faha-3 amin’ny bokin’i Daniela, tsy maintsy niatrika fitsapana inona moa ireo naman’i Daniela telo?
12 Ny toko faha-3 amin’ny bokin’i Daniela dia mitantara ny anankiray amin’ireo toe-javatra niseho miavaka indrindra amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly ary mampiseho ny fomba namalian’i Jehovah soa ny finoana sy ny herim-po miavaka nananan’ireo mpanompo hebreo telo. Alao sary an-tsaina ny fisehoan-javatra: Tafavory tao amin’ny tany lemaka Dora ny manamboninahitr’i Babylona rehetra, teo anoloan’ny sary volamena iray tokony ho 27 metatra ny haavony ary 2,70 metatra ny sakany. Mba hanohinana ny fihetseham-pon’izy ireo, dia nomanin’ny mpanjaka ny hisian’ny rodoben-javamaneno teo amin’ny toerana. Rehefa manakoako ny feon-javamaneno, ireo tafavory dia tokony ‘hiankohoka sy hivavaka amin’ilay sariolona volamena izay efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka; ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra’. — Daniela 3:5, 6.
13 Tsy isalasalana mihitsy fa nila finoana sy herim-po be dia be ireo Hebreo telo lahy mba tsy hanarahana an’io baiko io. Kanefa ny ‘fahatokiany hatrany tamin’ny kely indrindra’ dia nahatonga azy ireo ho voaomana ‘hahatoky amin’ny be’. Tsy tafiditra tamin’izany ny nety ho fahasahiranana vokatry ny toerana notanany teo amin’ny Jiosy hafa. Tsy hiankohoka mihitsy eo anatrehan’ilay sary mba hivavaka aminy izy ireo. Ny fandavany tamin’ny fomba hentitra dia tsy niafina tamin’ny mpanao raharaham-panjakana hafa be fialonana izay niampanga azy ireo avy hatrany tany amin’ny mpanjaka.
14. Inona moa no nataon’i Nebokadnezara rehefa reny fa tsy nety niankohoka ireo Hebreo telo, ary ahoana no navalin’izy ireo izany farateny izany?
14 “Tamin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana” no nandidian’i Nebokadnezara ny hitondrana teo aminy ireo Hebreo telo lahy. Ny fanontaniany hoe: “Moa fanahy ninianareo va [moa marina va?, MN ]” dia mampiseho fa hitan’io mpanjaka io ho hadalana ny fandavan’izy ireo tsy hiankohoka teo anoloan’ilay sariolona volamena mba hivavaka aminy. Tiany ny hanome azy ireo fahafahana hafa, kanefa raha mikiry amin’ny fandavany izy ireo, dia hatsipy ao amin’ny lafaoro mirehitra afo. “Ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tànako izany?”, hoy ny teny nanampin’ilay mpanjakan’i Babylona nieboebo. Taman-kerim-po niavaka sy finoana marina an’i Jehovah no namalian’ireo Hebreo telo lahy tamim-panajana ny mpanjaka hoe: “Tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’izany zavatra izany. Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra (...), ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” — Daniela 3:13-18.
15. Inona moa no baiko nomen’i Nebokadnezara?
15 Raha tezitra i Nebokadnezara teo aloha, dia nisafoaka izy izao. Vakintsika tokoa fa “niova ny tarehiny” tamin’ireo Hebreo telo lahy (Daniela 3:19). Ny nandidiany hanafana ny lafaoro impito mihoatra noho ny famana azy dia nanaporofo ny haromotany. Tamin’izay dia nisy lehilahy nahery tao amin’ny tafiny nisambotra ireo Hebreo telo lahy ka nanipy azy ireo tao anaty lafaoro mirehitra afo, kanefa nahery aoka izany ny lelafo ka niteraka fahafatesan’ireo miaramila ireo.
16. Ahoana no namalian-tsoa ny finoan’ireo Hebreo telo lahy?
16 Toy inona moa ny fahatairan’ny mpanjaka nahita, tsy lehilahy telo fa efatra nandehandeha teo afovoan’ny afo nefa tsy naninon-tsy naninona! Rehefa nivoaka avy tao amin’ny lafaoro noho ny baikony ireo Hebreo telo, dia tsapany fa tsy nisy singam-bolo nikainkona tamin’ny lohany ary tsy nisy fofon’afo akory aza tamin’ny fitafiany. Toy inona moa ny fahagagana namalian’i Jehovah soa ny finoana sy ny herim-pon’izy ireo! Tsy isalasalana fa ireo lehilahy ireo no noeritreretin’ny apostoly Paoly rehefa niresaka ny amin’ireo anisan’ny vavolombelona maro be “namono ny fidedadedan’afo” izy. (Hebreo 11:34.) Ohatra tsara tokoa izany ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra izay velona taty aorian’izy ireo!
17. Inona avy moa no ohatra miavaka toy izany ananantsika amin’izao andro izao?
17 Amin’izao androntsika izao, dia tsy rahonana hatsipy ao amin’ny lafaoro misy afo mirehitra akory ireo mpanompon’i Jehovah. Nosedraina mafy anefa ny tsy fivadihan’ny maro tamin’izy ireny tamin’ny fotoana nanantenana ny hampisehoan’ny tsirairay avy fanajana miharo fanompoan-tsampy ho an’ny famantarana mampiseho ny firenena. Nosedraina ny fahatokian’ny mpanompon’i Jehovah hafa rehefa nasaina nividy karatry ny antoko politika izy ireny na niditra tao amin’ny tafika. Nanohana azy rehetra Jehovah, nanome azy ireo hery mba tsy hivadihana hatrany. Rehefa namaly ny fihaikana izy ireny dia nanaporofo fa mpandainga ny Devoly, ary Jehovah no Andriamanitra marina.
Ohatra hafa iray koa mampiseho finoana sy herim-po
18. Araka ny tantarain’i Daniela 5:3, 4, ahoana moa no nampisehoan’i Belsazara fanamavoana an’i Jehovah, Andriamanitry ny Jiosy?
18 Mahita oha-pinoana sy herim-po hafa iray koa isika ao amin’ny toko faha-5 amin’ny bokin’i Daniela. Belsazara mpanjakan’i Babylona dia nanao fanasana lehibe nametavetana ny zava-masina ho an’ny arivo tamin’ny mpanapany sy ireo vaditsindranony ary ireo vadiny tamin’ny laharana faharoa, raha nisy soratra hafahafa niseho tampoka teo amin’ny rindrina. Naharaiki-tahotra azy io fisehoan-javatra io, hany ka nivahavaha ny valahany ary niady ny lohaliny. Nantsoina indray Daniela mpanompon’ilay Andriamanitra marina mba hilaza ny hevitr’io soratra io, satria niharihary ho tsy nahay ny olon-kendrin’i Babylona rehetra.
19. Rehefa nantsoina hilaza ny hevitry ny soratra hita teo amin’ny rindrina Daniela, inona no zavatra niavaka nataony?
19 Tsy naharaiki-tahotra an’i Daniela ny naha-hany mpanompon’Andriamanitra azy tao amin’io faritra sady mahafinaritra no feno fankahalana io, na nanosika azy hanatsatso ny hafatra nentiny na hanadino ilay raharaha tafiditra. Nijoro ho vavolombelona ho an’ny Andriamaniny moramora sy tamim-pahamendrehana ary tamin’ny teny mazava izy. Tsy nianina tamin’ny filazana ny hevitry ny soratra izy, fa nampahatsiahy ny mpanjaka ny nampietren’i Jehovah ny raibeny tamin’ny fanaovana izay hiainany toy ny biby dia, mandra-pahafantany fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no Filoha ao amin’ny fanjakan’olombelona. “Na dia fantatrao aza izany rehetra izany, hoy i Daniela tamin’i Belsazara, dia tsy mba nampietry ny fonao hianao fa nolotoinao ny fanaky ny tempolin’i Jehovah; ary hianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao. Izy àry no nihavian’io soratra io. Efa voalanja tamin’ny mizana hianao ka, indro, latsa-danja, ary zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.” Eny, tamin’io toe-javatra niseho io, dia namela oha-pinoana sy herim-po mahafinaritra ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao indray i Daniela. — Daniela 5:22-28.
20. Nandritra ny andro nanjakan’i Dariosa, oha-pinoana nahafinaritra inona moa no nomen’i Daniela indray?
20 Farany, ny toko faha-6 amin’ny bokin’i Daniela dia mitantara oha-pinoana sy herim-po mahafinaritra hafa iray. Nataon’ilay mpanjaka vaovao, Dariosa, anankiray tamin’ireo filohan’ny fanjakana telo lehibe indrindra izao Daniela. Feno fialonana ny manamboninahitra hafa ka nitaona an’io mpanjaka io mba hamoaka lalàna mandidy fa mandritra ny 30 andro dia tsy hisy ho afaka hanao fangatahana na amin’iza na amin’iza afa-tsy amin’ny mpanjaka ihany. Takatr’izy ireo fa izany no hany fomba hahitana antony hiampangana an’i Daniela. Tena nandika an’io lalàna io tokoa i Daniela ka nanohy nivavaka tao amin’ny efitranony any an-tafontrano, ny varavarankely nivoha nanandrify an’i Jerosalema. Nekena fa meloka ho nandika ny didin’ny mpanjaka izy ka nomelohina hatsipy ao an-davaky ny liona, araka ny sazy voatondron’ny lalàna. Tamin’io indray mandeha io koa anefa dia novalian’Andriamanitra soa ny finoana sy ny herim-pon’i Daniela. Araka ny vakina ao amin’ny Hebreo 11:33, dia “nanakombona ny vavan’ny liona” Jehovah.
21. Rehefa avy nandinika ireo oha-pinoana sy herim-po niavaka voasoratra ao amin’ireo toko enina voalohany amin’ny bokin’i Daniela isika, tokony ho tapa-kevitra amin’ny fomba hentitra ny hanao inona moa isika?
21 Ireo fisehoan-javatra voatantara ao amin’ny toko 1 ka hatramin’ny faha-6 amin’ny bokin’i Daniela dia manatanjaka aoka izany ny finoantsika. Nomen’i Jehovah valisoa lehibe dia lehibe ireny lehilahy naneho finoana sy herim-po ireny. Tsy vitan’ny hoe nasandrany izy ireny, fa nafahany tamin’ny fomba mahagaga koa. Eny, afaka manovo fampaherezana sy fanantenana avy amin’ny fitantarana ny fisedrana ireny vavolombelona mahatoky ireny isika. Noho izany antony izany rahateo no nanoratana ireny fitantarana ireny. Enga anie àry isika ho vonona ny hanahaka amim-pahatokiana ny finoana sy ny herim-pon’ireny lehilahy ireny! — Romana 15:4; Hebreo 6:12.
Famerenana
◻ Inona moa no azontsika tsoahina avy amin’ny anaran’ny tsirairay avy amin’ireo tanora Hebreo efatra raha ny amin’ny fanabeazana azy?
◻ Inona moa no fianarana tsoahintsika avy amin’ny fihetsik’ireo Hebreo rehefa nosedraina ny tsy fivadihany raha ny amin’ireo lalàna momba ny sakafo?
◻ Amin’izao androntsika izao, ahoana moa no nisedrana ny tsy fivadihan’ireo mpanompon’i Jehovah toy ny natao tamin’ny an’ireo Hebreo telo?
◻ Tamin’ny ahoana moa i Daniela no naneho finoana sy herim-po teo anatrehan’i Belsazara?
[Sary, pejy 17]
Nianatra nilaza hoe tsia ry Daniela sy ireo namany.