Fanenjehana any Burundi — Fivadihana amin’ny fampanantenana fahafahana ara-pivavahana!
Heverina ho tsotra ny fahafahana eo amin’ny fanompoam-pivavahana any amin’ny tany maro any andrefana. Ny fanenjehana ara-pivavahana mamely atsy Burundi, Afrika, anefa dia manazava fa marefo aoka izany io fahafahana io. Raha mbola hamavoina koa anefa ny zo lehibe indrindra ananan’ny antokon’olona na iza na iza, dia tsy misy mahazo antoka fa hohajaina ny an’ny tenany. Izany no antony anasanay ny mpamaky hihevitra izay mitranga any Burundi.
NY 16 FEBROARY 1989, dia nanomboka nitsoka tatsy Burundi, Afrika afovoany, ny rivotry ny tsy fileferana mendrika ny taonan’ny fahamaizinana. Tamin’io andro io, ny prezidàn’ny Repoblikan’i Burundi, Pierre Buyoya, dia nanao fivoriana niaraka tamin’ireo governoran’ny provinsa. Taorian’io fivoriana io, dia nisy onjam-panenjehana ara-pivavahana feno fankahalana nitosaka teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Burundi. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nisy lehilahy, vehivavy sy ankizy koa aza, nosamborina tsy ara-dalàna, nokapohina, nampijalina sy tsy nomena hanina.
Mahamenatra ny fanaovana zavatra maharikoriko toy izany amin’izao androntsika izao. Maharikoriko indrindra anefa ny fanenjehana kristiana any Burundi. Nahoana? Satria izany mandika fampanantenana fahafahana ara-pivavahana.
Mivadika amin’ny teny nataony ny fanjakana
Ao afovoan’i Afrika indrindra no misy an’i Burundi, eo ambanin’ny fehibe (équateur) indrindra, nefa antonony sy mahafinaritra ny toetr’andro any amin’io tany be tendrombohitra io (jereo ny sarintany). Vitsy ny olona nandre firesahana ny amin’i Burundi talohan’ny volana aogositra 1988, rehefa natao foto-dresaka tamin’ny vaovao iraisam-pirenena izy. Tamin’izay fotoana izay, dia nisy ady nandatsahan-dra nipoaka teo amin’ireo antokom-pirazanana roa lehibe indrindra: ny Tutsis sy ny Hutus. Namela sary ratsin’i Burundi tao an-tsain’ny maro tokoa io ady io.
Mendri-piderana koa anefa io tany mitodika any amin’ny hoavy io. Marisika sy tia asa ny mponina ao aminy. Nanamarika ny lahatsoratra iray tao amin’ny New York Times Magazine fa “amin’ny fomba maro tsy miafina amin’ny mpitsidika, Burundi, na dia mahantra aza, dia tany miasa. Maurice Gervais, ilay masoivoho maharitry ny Banky iraisam-pirenena, dia nilaza azy ho ‘tany mitana laharana ambony’ ”.
Manimba izany fankasitrahana izany anefa ny tarehin-javatra ara-pivavahana manjaka any Burundi. Tokony ho 80% amin’ny mponina ao aminy no milaza ho manaraka ny fivavahana kristiana, ka katolika ny ankamaroany. Na dia izany aza, ny fitondrana ara-politika tao amin’io tany io dia nanorina rivo-piainana maloton’ny tsy fileferana ara-pivavahana. Tamin’ny 16 oktobra 1985, dia nanao izao fanamarihana izao ny Christian Century: “Tao anatin’ny taona lasa, ny fitondram-panjakan’i Burundi dia nandray fitohitohizam-pandaharana natao hanozongozonana ny Eglizy (...). Voafetra tsy nisy toy izany ny zo hanompo sy hivavaka ampahibemaso. Ny fiangonana rehetra ao amin’ny finoana sasany (...) dia nakatona ary norarana ny fampiasana azy; (...) kristiana am-polony maro no nampidirina am-ponja, ny sasany aza nampijalina (...), satria izy rehetra nampihatra ny zony hanaraka fivavahana iray.”
Niteraka fanantenana lehibe àry ny nandraisan’ny fitondram-panjakana vaovao tarihin’ny prezidà Pierre Buyoya fahefana tamin’ny septambra 1987. Nampanantena fahafahana ara-pivavahana ho an’ny fireneny ilay filoham-panjakana vaovao, ary nanao fandaharana haingana izy mba hitana ny teny nataony. Izao no azo vakina momba izany tao amin’ny tatitra iray nataon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny amerikana: “Nandritra ny taona voalohany naha-prezidà azy dia nanao fanovana lehibe Atoa Buyoya tamin’ny politikan’i Burundi teo anoloan’ny fivavahana voaorina. Notapahiny ny fisakanana ara-pivavahana nisy teo amin’ny fitondram-panjakana [teo aloha]. Nafahan’Atoa Buyoya ny mpigadra ara-pivavahana rehetra, novohany indray ireo fiangonana nikatona ary naveriny tamin’ireo Eglizy ny fananany rehetra nalaina an-keriny taminy.” Izany fandaharana nohazavaina izany dia nahatonga ny prezidà Buyoya hahazo ny fanajan’ny olona tia fahafahana rehetra.
Fa nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no nianjadian’ny fampahoriana ara-pivavahana vao haingana?
Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ny ady nataony mba hanekena azy
Rehefa nandeha ny am-polony taona maro, ny Eglizy katolika dia “tonga hery ara-toe-karena sy ara-politika miavaka”, hoy ny fitantaran’ny New York Times. Tamin’ny fotoana naha-zanatany an’ilay firenena, ny Eglizy dia azo nolazaina hoe navela “hanapaka ilay tany”, noho izy “nandray anjara tena lehibe teo amin’ny lafin’ny fikarakarana ara-pitsaboana sy ny fanabeazana”. Tsy mahagaga àry raha nety ho nahatsiaro ho norahonan’ny fiavahana voaorina ny fitondram-panjakana.
Rehefa nanomboka ny asany ampahibemaso fitoriana ny filazantsara kosa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Burundi tamin’ny 1963, dia tsy nanandrana velively nitsabaka tamin’ny raharaham-panjakana. Nianina tamin’ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” kosa izy ireo. (Matio 24:14, MN.) Koa satria, araka ny Baiboly, ny kristiana marina dia ‘tsy tokony ho naman’izao tontolo izao’, dia mialanalana hatrany eo amin’ny lafiny ara-politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany koa no toerana tanan’ny Vavolombelona maneran-tany. — Jaona 17:16.
Noho ny fieritreretana, ny Vavolombelona dia tsy mety manaraka antoko ara-politika na mandray ny filamatra arahiny. Matetika izany toeram-pialanalanana izany no noheverin’ny fitondram-panjakana tamim-pahadisoana ho tsy fananana fitiavan-tanindrazana na fikomiana mihitsy aza. Tsy izany velively anefa no izy. Maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra ho olom-pirenena faka tahaka mpanara-dalàna. Arahiny ny baikon’ny Baiboly mandidy azy ‘hanaiky” ny fitondram-panjakana (Romana 13:1). Na dia tsy mety mitsaoka ny fanevam-pirenena toy ny saina na mankamasina izany amin’ny fomba hafa aza izy ireo, dia tsy hoe miseho ho tsy manaja ireny faneva ireny akory. — Eksodosy 20:4, 5.
Tamin’ny 1975, dia nangataka ny hanekena ny asany ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 1976 anefa, ny fanonganam-panjakana nataon’ny tafika dia nandrodana ny fitondram-panjakana, ary nandray ny fahefana ny prezidà Jean-Baptiste Bagaza. Nampanantena fahafahana eo amin’ny fanompoam-pivavahana izy. Tamin’ny martsa 1977 dia norarana tamin’ny fomba ofisialy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanandrana nanazava ny raharaha tamin’ireo anisan’ny fitondram-panjakan’Atoa Bagaza ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany. Nandefa taratasy izy ireo, nankany amin’ny ambasadin’i Burundi any Frantsa sy Belgique, ary nihaona tamin’ireo manam-pahefana ao amin’ilay tany, nefa tsy nisy vokany. Tamin’ny 1987, dia Vavolombelona eo amin’ny 80 — lehilahy sy vehivavy — no nampidirina an-tranomaizina nandritra ny volana maro. Maty tany am-pitanana azy aza ny anankiray tamin’izy ireo.
Avy eo, tamin’ny 1987, dia nandray ny fahefana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana ny manamboninahitra Pierre Buyoya. Vetivety dia nandray soa tamin’ny fileferany ara-pivavahana ny katolika sy ny protestanta, fa tsy mba toy izany kosa ny Vavolombelona.
Mipoaka ny fanenjehana ara-pivavahana
Taorian’ny nivorian’ny prezidà Buyoya niaraka tamin’ireo governoran’ny provansa tamin’ny 16 febroary 1989, dia nambara tao amin’ny radiao fa ny anankiray amin’ireo fahasahiranana lehibe tsy maintsy atrehin’i Burundi dia ny fitomboan’ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy ny hoe nifanome teny ireo governoran’ny provansa tao afovoan-tany ka nanapoaka onjam-panenjehana. Na dia mbola tsy fantatsika aza ny andinindininy rehetra, izao tatitra manaraka izao dia mahatonga antsika hahazo an-tsaina ny amin’izay mitranga:
Provans’i Gitega: Nandidy ny hampiasana ny pôlisy sy ny mponina ny governora Yves Minani mba hisamborana ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Tatỳ aoriana, dia nisy iraky ny polisim-panjakana nitsofoka tao an-tranon’i Edmond Ntibatamabi, mpitory ny filazantsara maharitra manokana, ka nisambotra azy. Nandritra ny fotoana nitananana azy, dia tsy nomena hanina izy. Imbetsaka izy no safotra noho ny hanoanana. Nampijalina koa izy mba hanamarinany ny tsaho hoe misotro ran’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah — lainga mahatsiravina.
Taorian’i Edmond, Aaron Ntikarahera sy Prime Ntimpirangeza, Vavolombelon’i Jehovah koa, dia nosamborina koa sy nampidirina an-tranomaizina tany Gitega. Niharan’ny fahasiahana toy izany koa izy ireo.
Charlotte Nijimbere, vadina mpiandraikitra ny fizaran-tany (minisitra mpitety faritany mitsidika kongregasiona maromaro), dia nandre ny nanjo ireo rahalahiny kristiana. Nanandrana nitondra sakafo ho azy ireo tany an-tranomaizina izy, kanjo nosamborina tamin’ny 16 martsa 1989 izy ary nitana azy ho babo ny manam-pahefana izay nitady hisambotra ny vadiny tamin’izany.
Provans’i Muramvya: Niantso ny Vavolombelona fantatra rehetra ny governora Antoine Baza mba hanontaniana azy ireo. Ny 4 martsa, dia nisy antokona Vavolombelon’i Jehovah tonga ka namaly tamim-panajana ny fanontaniany, nefa tsy nety namerimberina filamatra ara-politika.
Tamin’izay no namporisihan’ny governora ny vahoaka hamely ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny 16 martsa, dia niditra tao amin’ireo tokantranon’ny Vavolombelona fantatra ny pôlisy, avy eo dia nikapoka ireo lehilahy sy vehivavy satria hoe tsy nety namerimberina ireo filamatra ara-politikan’ny antoko izy ireo. Nalainy sy nakatony ny magazain’ny Vavolombelona iray ka nesoriny tamin’ny ankohonany tamin’izany ny antom-pivelomany.
Ny 17 martsa, dia nokapohina ny vehivavy efatra satria tsy nety nanda ny finoany. Nahiboka tao amin’ny fonjan-tranomaizina tsy misy rivotra iray izy ireo, na dia vao niteraka zaza 20 andro aza ny anankiray taminy.
Ny 20 martsa, dia nisy antokon’olona nirongo hazo sy fanilo niditra an-keriny tao an-tranom-behivavy Vavolombelon’i Jehovah. Nokapohiny sy noroahiny tsy ho ao an-tranony izy ireo. Anisan’ireo olona nasiana tsy amin’ny antony ny vehivavy iray 75 taona niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy tanora vitsivitsy latsaka ny 14 taona.
Pierre Kibina-Kanwa, talen’ny sekoly ambaratonga voalohany tao Nyabihanga, dia nanandrana nanery ireo mpianany Vavolombelon’i Jehovah hitsaoka ny sainam-pirenena. Rehefa tsy nahavita izany izy, dia nandroaka azy ireo tsy ho ao an-tsekoly. Voatery nandositra tamin’ny fandaozana ny fananany rehetra ny Vavolombelona roa amby roapolo tao amin’io tanàna io. Anisan’ny olona voasambotra, dia aoka hotononintsika Leonidas Ndayisenga, Leanard Kanyambo, Abednego Ntahorwamamiye, P. Bankangumurindi, Grégoire Kashi sy Thadée Mbonihankuye.
Provans’i Bujumbura: Nampiantsoin’i Macaire Nahimana, mpitantan-draharaha ao amin’ny faribohitra, ry Vincent Kavunzo sy Sylvestre Ndabazaniye ary Ndizwe-Nzaniye — samy Vavolombelona — ho ao amin’ny fivoriana iray. Nandritra io fivoriana io, dia niampanga azy ireo ho tafiditra tamin’ny fifandonana ara-pirazanana tamin’ny aogositra 1988 izy. Na dia tsy nandray anjara tamin’izany mihitsy aza ny Vavolombelon’i Jehovah dia nokapohina sy nosamborina rehefa avy eo.
Provans’i Bubanza: Nosamborina ny Vavolombelona roa noho izy ireo nanana boky momba ny Baiboly fotsiny. Rehefa tsy nety nanao ny fiarahabana fanaon’ny antoko izy ireo, dia nalefan’ny governora Balthazar Kimbusa ho any amin’ny toby fitanana iray. Nampijalina izy ireo tany, tamin’ny fanorotoroana ny rantsantanany.
Izay azonao atao
Ny ankamaroan’ireo fitondrana ratsy ireo dia natao tao anatin’ilay tany, tsy fantatry ny mpandinika hafa firenena. 13 tapitrisa mahery amin’ity lahatsoratra ity anefa no hozaraina maneran-tany, amin’ny fiteny 105. Tsy hiafina hatrany akory ireo zavatra mahatsiravina atao any Burundi. Tsy maintsy ho tezitra ny olona tia fahafahana noho ny fandikana maharikoriko ny zon’olombelona toy izany — dia zo nahatonga Afrikana an’arivony maro hanao tolona.
Misetra loza lehibe àry i Burundi amin’ny tsy fanajana ny teny fampanantenany fahafahana ara-pivavahana, amin’ny fanaovana izay hahamatroka ny lazany ho firenena tia asa sy mitodika any amin’ny hoavy izay sarotra aoka izany ny nahazoany azy. Irin’i Burundi ve ny hoheverina ho firenena mpanenjika ara-pivavahana mirehitra? Heverinay fa tsy izany. Aleonay manombana fa diso ny filazana azon’ny prezidà Buyoya, fa namitaka azy ireo mpanolo-tsainy.
Ireo fiampangana natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia lainga mampiseho hadalana natao hanapoahana fankahalana amim-pahaverezan-tsaina. Tsy fandrahonana ny Vavolombelon’i Jehovah na ho an’ny fitondram-panjakan’i Burundi, na ho an’izay rehetra mety ho fitondram-panjakana. Tia filaminana sy manaja lalàna mbamin’ny fanevam-pirenena izy ireo. Mifanohitra amin’ireo tsaho miely any Burundi, dia laviny tanteraka ny fandraisan-dra amin’ny endriny rehetra — na dia rehefa tandindomin-doza aza ny ainy. — Asa. 15:28, 29,
Hivavaka amim-piraisan-tsaina ho an’ireo rahalahiny any Burundi àry ny kristiana marina maneran-tany (1 Timoty 2:1, 2). Mpamaky maro an’ity gazety ity koa no hahatsiaro ho voatosika hanoratra any amin’ny prezidà Pierre Buyoya mihitsy mba hangataka azy amim-panajana hamarana ny fanenjehana ara-pivavahana sy hanaiky ny maha-ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Tokony hihaino ny feon’ny fahendrena i Burundi raha tiany ny hanavo-tena eo imason’izao tontolo izao.
Son Excellence le major Pierre Buyoya
Président de la République du Burundi
Bujumbura
RÉPUBLIQUE DU BURUNDI
[Sarintany, pejy 22]
(Jereo ny gazety)
RWANDA
ZAÏRE
BURUNDI
TANZANIE
FARIHY TANGANYIKA