FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/11 p. 25-28
  • Manaiky ny vaovao tsara ny mponina any Goatemalà

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaiky ny vaovao tsara ny mponina any Goatemalà
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Fiandohan’ny fanambarana ilay Fanjakana
  • Ny fitoriana eny amin’ny toerana avo
  • Eny amin’ny toerana ivan’ny morontsiraka
  • Mifanohitra amin’ny filaminana ny herisetra sy ny fanenjehana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/11 p. 25-28

Manaiky ny vaovao tsara ny mponina any Goatemalà

TENDROMBOHITRA manga tanora sy volkano goavana no mipoitra tampoka avy any lavitra raha mbola manatona ny renivohitra ny fiaramanidina. Avy amin’ireo varavarankely amin’ny ilan’ilay fiaramanidina dia tazan’ny mpandeha ny tendrombohitra Pacaya izay mipololotra setroka miakatra toy ny andry eny amin’ny lanitra ary avy eo dia misava. Mahatazana ny farihin’i Amatitlán izay ifamoivozan’ny sambo lay sy ny lakana moramora ny mpandeha, eo amin’ny ilany hafa. Tonga eto Goatemalà, tany misy fifanoheran-javatra lehibe, isika.

Manana velarana eo amin’ny 109 000 kilaometatra tora-droa io tany ao Amerika afovoany io. Ahitana tendrombohitra avo ao — anisan’izany ny volkano 33 izay mbola miasa ny 4 aminy —, kirihitr’ala sy ala mikitroka any amin’ireo toerana iva, ary rano mandeha mangarangarana toy ny kristaly. Ny haavon’ny tany ambonin’ny ranomasina dia mahatratra 4 211 metatra. Mandray soa lalandava amin’ny toetr’andron-dohataona ny renivohitra ka 24°C ny antsalan’ny maripana mandritra ny taona. Raha mbola mety hamanala ny any an-tendrombohitra, eny ambony kokoa, dia sempotry ny hafanana mahatratra 38°C indraindray ireo faritra amorontsiraka. Afaka mahita izay mahafinaritra azy ny tsirairay ao amin’io tany io: moron-dranomasina, kirihitr’ala, tendrombohitra, toerana ngazana ary lohasaha lonaka. Ary torina any amin’ireo faritra rehetra ireo ny vaovao tsaran’ny Fanjakana.

Fiandohan’ny fanambarana ilay Fanjakana

Nanomboka tany amin’ny 1920 ny fitoriana ny Fanjakana tao Goatemalà. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka niforona tany amin’ny faritra samihafa amin’ilay tany ny antokon’olom-bitsy tsara fikasa sady mpitory ilay Fanjakana. Rehefa tonga ireo misionera roa voalohany tamin’ny 21 may 1945, dia nahita fahalianana betsaka izy ireo. Mitantara toy izao ny iray aminy: “Ny asabotsy faharoa taorian’ny nahatongavanay dia nanapa-kevitra ny hitory eny amin’ny arabe miaraka amin’ireo gazety aho. Tamin’io takariva io, dia nandeha nitondra ny kitapoko feno zavatra vita an-tsoratra aho ary tao anatin’ny adiny iray sy sasany dia foana ny tao anatiny. Nizara gazety 32 aho, bokikely 34, boky 4 ary Baiboly iray.” Nanomboka fampianarana Baiboly 17 tany an-tokantrano ireo mpitory roa ireo ny volana voalohany! Ny anabavy voalohany izay tonga tao amin’io tany io tamin’ny naha-misionera dia mbola mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin-kafanam-po ihany 43 taona atỳ aoriana.

Ahitana karazan-javatra maro ao amin’ilay faritany. Ao Goatemalà renivohitra dia misy trano avo araka ny toetr’andro maro be, mbamin’ny faritanàna natokana ho an’ny olona ambony izay ahitana fonenana tsara tarehy ary koa mpiasa an-trano mamaly ireo mpitsidika amin’ny alalan’ny “interphone”. Indray mandingana avy eo fotsiny anefa dia ahitana trano izay tany ny gorodona, biriky tany ny rindrina, bozaka ny tafo, ary ny herin’aratra sy ny rano dia mbola nofinofy fotsiny. Noho io fahasamihafana mibaribary io dia tsy mety ho latsaka ao anatin’ny fahazarana ny tena amin’ny fitoriana.

Tao anatin’ireo taona faramparany dia nanjary nihasarotra ny fahitana ny olona any an-tranony satria miasa ny lehilahy sy ny vadiny ao amin’ny tokantrano maro. Mba hanaovana fanambarana amin’ireny olona ireny dia matetika no mitory eny amin’ny arabe ny Vavolombelona. Manao izany ny sasany manomboka amin’ny 5 ora sy sasany amin’ny fanolorana zavatra vita an-tsoratra eny amin’ny fijanonan’ny fiarambahoaka izay tena be olona. Tsy maintsy matanjaka tsara izy ireo mba hahafahana manara-dia ireo olona maika handray ny fiarambahoaka. Indray maraina, dia nisy antokona Vavolombelona tapa-kevitra hanatona mpamily fiara karetsaka vitsivitsy satria nihena ny asan’ireo zotra fitateram-bahoaka. Akory ny hagagany rehefa nasehon’ny mpamily maromaro azy ireo ny gazetiny Ny Tilikambo Fiambenana efa voatsipika. Nanontany ny iray na ny roa taminy ary namaly azy tamim-pifaliana ireo mpitory tamin’ny alalan’ny Baiboly izay nananan’ireo mpamily tao anatin’ny fiarany.

Ny fitoriana eny amin’ny toerana avo

Panajachel dia iray amin’ireo vohitra manamorona ny farihy Atitlán, faritra kanto misy rano maitso antitra voahodidina tendrombohitra mijoalajoala sy volkano telo. Ny vohitra sasany dia mitondra anarana apostoly. Eo amin’ny 95% amin’ny mponina no avy amin’ny fiaviana maya, ary fiteny roa lehibe no ampiasaina ao: ny cackchiquel sy ny tzutuhil. Miteny espaniola koa ny lehilahy fa tsy ny ankamaroan’ny vehivavy satria mahalana izy ireny no mivoaka ny tranony. Samy manana ny fitafiany nentim-paharazana manokana izay mareva-doko ary mazàna nozairim-behivavy ny vohitra tsirairay.

Rehefa tonga ao Panajachel ny tena dia manamarika avy hatrany fa vohitra miavaka amin’ny hafa rehetra ao amin’ilay tany izy io. Ahitana trano kotona kanto mifanila amina trano tsotra vita amin’ny biriky tany na vita amin’ny vato ao. Vao mainka maneho izany fifanoherana izany ireo hôtely araka ny toetr’andro. Tonga ao Panajachel ny mpizaha tany manerana izao tontolo izao mba hijery amim-pahafinaretana ny farihy Atitlán.

Manazava ny fomba fanaovana ny asa fitoriana eto ny Vavolombelona iray: “Manofa mialoha sambo ho an’ny andro iray izahay, ary manasa ireo rahalahinay any Sololá, tanàna akaiky, sy ny hafa any Goatemalà renivohitra mba hanampy anay hitsidika io faritany midadasika io. Tena manampy anay ireo rahalahy avy any Sololá satria ny ankamaroany dia mipetraka any amin’ny faritra be tendrombohitra mitovy amin’ilay tsy maintsy tsidihinay. Mahay ny fiteny eo an-toerana koa izy ireo. Miainga vao maraina be izahay. Mandritra ny fitana ny farihy dia mandinika amim-pahafinaretana ny rano madio mangarangarana toy ny kristaly ny ankizy raha mbola mamerina teny vitsivitsy amin’ny fiteny ampiasaina ao Panajachel ny ray aman-dreny.

“Tamin’ity indray mitoraka ity dia niomana ho any amin’ny vohitra dimy izahay. Nizara ho antoko telo aloha izahay. Avy eo dia nampiarahinay ireo mpitory: ireo mahay ny fiteny eo an-toerana miaraka amin’ireo tsy mahay. Koa satria tsy misy afa-tsy fitodian-tsambo telo madinika no manakaiky ireo vohitra ireo, dia misy antoko miala eo amin’ny tsirairay aminy. Manohina ny fo ny mahita ireo rahalahintsika manao fitafiana marevaka avy eo an-toerana miara-dia amin’ny mpitory hafa mitafy araka ny fomba tandrefana. Izany dia efa fanambarana tsara dia tsara ho an’ireo tantsaha. Mazàna dia tsenain’ireo ankizy ta-hahafanta-javatra izahay. Rehefa fantany ny anton’ny fitsidihanay dia miolomay milaza izany amin’ireo tantsaha rehetra izy ireo.

“Rehefa tonga eo amin’ireo trano tsotra izahay, dia miandry anay amim-pahadodonana ny ankamaroan’ny olona ao mba hahita ny bokikely miloko entinay na Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly izay efa noresahin’ireo ankizy taminy. Na inona na inona zavatra vita an-tsoratra apetrakay ao amin’ny trano voalohany, dia izany ihany no hangatahina ao amin’ireo trano manaraka satria maniry hanana boky manintona toy ny an’ny mpifanolobodirindrina aminy ny tsirairay. Tantsaha maro no tsy mahay mamaky teny. Izany no ankamamin’izy ireo manokana ireo sary mampiseho ny Paradisa ho avy. Miramirana ny tavany rehefa mandre firesahana ny amin’ny hoavy ampanantenain’ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4 izy ireo. Miato kely izahay mba hisakafo ary avy eo dia manohy mitory hatramin’ny 3 ora. Rehefa izany dia miverina eny amin’ny fitodian-tsambo izahay hiandry ilay sambo izay tokony ho tonga haka anay. Rehefa teny an-tsambo avokoa ireo mpitory, dia mifampitantara amim-pifaliana zavatra hita teny am-pitoriana nandritra ny andro.

“Nahatsiaro ny fifaliana tsapany ny anabavy iray rehefa nandre vehivavy niantso azy avy ery ambony ery nanao hoe: ‘Rahavavy a, rahavavy, atỳ aho. Hay ve niverina hitsidika ahy indray ianao! Misaotra e, misaotra!’ Rehefa nitraka izy dia nahatazana, terỳ ambony kokoa amin’ny tendrombohitra, ilay vehivavy nanao fihetsehana be taminy. Tamin’ny fandalovan’io kristiana io farany tao amin’io vohitra io, dia naneho fahalianana lehibe io vehivavy io nandritra ny fianarana Baiboly niarahany nanao. Izao dia niandry ny fiverenana mitsidika nampanantenaina izy. Niara-nipetraka indray mba hanao fianarana Baiboly mahafinaritra hafa ireo vehivavy roa ireo.

“Na dia trotraky ny dia an-tongotra lavitra tamin’ny lalana mikitoantoana aza ny rehetra dia dodona ny hahafantatra hoe rahoviana no hatao ny dia manaraka. Rehefa miantsona ilay sambo, dia mifanao veloma izahay amin’ny firesahana sahady ny amin’ny andro mahafaly toy izany hanaraka.”

Eny amin’ny toerana ivan’ny morontsiraka

Manana morontsiraka roa samy hafa tanteraka koa i Goatemalà: ny morontsiraka misy an’i Pasifika amin’ireo tora-pasika mainty maha-te-hijery, ary ny morontsiraka misy ny ranomasin’i Antilles amin’ny fasika fotsy ananany.

Eo amin’ny lalana adiny iray latsaka fahefany amin’ny fiarakodia miala ny renivohitra, manandrify an’i Pasifika, dia ahitana fiovana lehibe eo amin’ny endriky ny faritra sy ny toetany. Tena mafana sady mando ny morontsiraka ary mihahohaho ny bibikely. Asehon’ny hazon-drofia sy ny voaniho ary ny “ceibas” mirobona fa ambanin’ny fehitany (tropiques) no misy ny tena. Misy kongregasiona lehibe an’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tanàna maro amin’ilay faritra.

Atỳ, dia ny bisikilety no solon’ny soavaly nahazatra, hany ka tsy mahalana no ahitana ireo rahalahintsika manavatsava amim-pahakingana ireo saha voavoly fary mba hanao fanambarana isaky ny trano bongo. Nisy rahalahy nampianatra Baiboly lehilahy nipetraka tany amin’ny 35 kilaometatra miala avy eo aminy. Isan-kerinandro izy dia nanao io dia io tamin’ny bisikilety mba hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly an’io olona io.

Toy ny any an-tany hafa ny tena rehefa mitsidika an’i Santo Tomas de Castilla sy Puerto Barrios, seranan-tsambo roa nakambana eo amin’ny morontsiraky ny ranomasin’i Antilles. Fomba fiaina hafa tanteraka noho ny ao amin’ny tapany sisa amin’i Goatemalà no hita ao. Voahodidin’ny ahi-maitso sy hazo madinika ny trano. Tazan’ny rehetra izany satria mahalana ny tanàna no voafefy amin’ny ampiantany mampiavaka ireo fonenana any Meksika sy Amerika afovoany. Ankoatra izany dia tsy misy manao fitafiana mampiavaka ny foko ao toy ny fahita any amin’ny tapany sisa amin’i Goatemalà.

“Koa satria izy io tanàna seranana dia afaka mampiseho ny hafatra amin’ny karazan’olona rehetra izahay, hoy ny fanazavan’ny minisitra manontolo andro iray. Indray andro dia nanosika ny varavarana mikopa-droa an’ny trano fisotroan-toaka aho. Nandray ny fanolorana, boky iray miaraka amin’ny Baiboly, ilay ‘vehivavy tompony’ ary nangataka ahy hiverina hampiseho aminy ny fomba fianarana izany. Rehefa niverina aho ny herinandro nanaraka, dia niandry ahy izy, nipetraka teo anoloan’ny latabatra lehibe nisy ny Baiboly sy ilay boky. Tamin’ny fihetsika feno fisakaizana dia nanasa ahy hipetraka izy ary nilaza tamiko mba hiandry iray minitra mandra-piantsony ny ‘zanany vavy’ rehetra. Tiany handray soa avy amin’ny fanazavana nentiko koa izy ireo. Raha mbola tsy nahateny na inona na inona aho dia voahodidin’ireo ‘zanany vavy’ ny latabatra. Nitodika tany amiko àry izy nanao hoe: ‘Asehoy anay amin’izay ny fomba fianatra Baiboly.’ Niteny anakampo aho hoe: ‘Tafiditra aiza re izaho ity e!’ Nefa dia nanazava ny zavatra tamim-pahatoniana aho toy ny hoe efa nampianatra Baiboly tao amina trano fisotroan-toaka hatramin’izay.” Nandroso haingana io vehivavy io, nandao ny asany ary natao batisa. Ankehitriny izy dia manompo an’i Jehovah amim-pahazotoana ao amina kongregasiona hafa ary manampy olon-kafa tsara fikasa hianatra ny Baiboly.

Lalana adiny iray amin’ny lakana, eny amin’ny andaniny iray amin’ny helo-dranomasina no misy an’i Livingston, tanàna mahafinaritra, fikambanan’olona milamina sy feno fisakaizana izay tena vonton’ny finoanoam-poana afrikana sy ny fivavahana “vaudou” (karazana majika miharo fombafombam-pivavahana). Tsy mahalana no andrenesana dobok’amponga amin’ny alina, ary ahitana olona manao dihy angaly (style) afrikana eny amin’ny arabe mandritra ireo fety. Re koa izy ireny manao fitenim-paritra hafahafa: ny “caribe” na “kariphuna”. Misy antokona mpitory, vitsy an’isa nefa mitombo haingana, mikarakara ny tombontsoa ara-panahin’ny mponina ao amin’io tanàna io.

Mifanohitra amin’ny filaminana ny herisetra sy ny fanenjehana

Nisy fahasahiranana nitranga tamin’ny 1982, rehefa nanandrana namarana ny ady anaty akata izay nitombo nandritra ny fitondran’ilay teo alohany ny filoham-pirenena vaovaon’i Goatemalà. Ny tetik’adiny dia ny famoronana mpisafo sivily mitam-piadiana izay nandehandeha teny amin’ny arabe tamin’ny alina mba hiaro ny tanàna sy hanaitra ny miaramila raha misy mampiahiahy. Tao amin’ny faritra maro, ny fiforonan’ireny mpisafo sivily ireny dia nisedra ny fialanalanan’ireo rahalahintsika.

Tao amin’ny tanàna iray, dia noterena ny mpikambana rehetra tao amin’ny kongregasiona hiala amin’ny fialanalanany kristiana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fisafoana. Norahonana ho faty izy ireo ka voatery nandositra tany an-drenivohitra. Tany dia nialokaloka tao amina Efitrano Fanjakana izy ireo teo am-piandrasana Vavolombelona hafa afaka hampiantrano azy. Eny Vavolombelona maro no voasedra sy voaenjika mafy rehefa nanandrana nanery azy hisafo ny miaramila.

Mitantara ny rahalahy iray hoe: “20 taona aho ary mipetraka miaraka amin’ny rahalahiko sy ny vadiny. Nanomboka ny zava-nanahirana ahy rehefa nitarika azy hatreo amin’ny toeram-piompiana niasako ny asan’ireo mpiady anaty akata sy ny miaramila. Indray andro dia nahita azy ireo nitondra olona valo nambanany fiadiana izahay. Roa monja no tafaverina; tsy nahita intsony ireo enina hafa izahay.

“Tamin’ny aprily 1984, dia tonga tao amin’ny toeram-piompiana ny miaramila haka olona vaovao indray. Nangataka ahy sy ireo mpiara-miasa tamiko mba hiaraka aminy izy ireo. Rehefa nanda aho dia nanomboka nikapoka ahy tsy an-kijanona izy ireo. Teo anatrehan’izany fisehoan-javatra izany dia nitomany toy ny zazakely ireo mpiara-miasa tamiko ary niangavy ahy handray ny fiadiana sy hanaraka azy. Nalentiky ny miaramila iray teo amin’ny tendako ny ratsantanany sady naolany ny sofiko raha mbola nihazona ahy teo amin’ny tany ny iray hafa mba hahafahan’ny fahatelo hamelaka tahamaina sy handaka ahy. Nikiakiaka ny manamboninahitra iray nanao hoe: ‘Inona izao e? Adala ve ialahy sa mihevi-tena ho Andriamanitra?’ Farany dia tonga ny manam-boninahitra hafa iray ary nilaza hoe: ‘Avelao izy. Toy izao ny Vavolombelona. Tsy maintsy vonoina ho faty izy mba hanekeny.’ Niantsoantso ilay manamboninahitra voalohany nanao hoe: ‘Vonoy ho faty izy!’ Nefa tsy nitifitra ahy izy fa nikapoka ny kiboko tamin’ny basy. Rehefa niaiky izy ireo fa tsy hanaraka azy aho dia tsy nikapoka ahy intsony izy ireo. Nalefany aho rehefa afaka hateloana. Tsy nivadika aho noho ny fanampian’i Jehovah. Izany no ilazako amin’ny tanora hafa mba hitoky tanteraka amin’i Jehovah satria vonona ny hanampy antsika hiaritra izy rehefa ilaintsika izany.” Soa ihany fa tena niova ny toe-javatra hatramin’ny nandraisan’ny filoham-pirenena vaovao ny asany tamin’ny janoary 1986.

Tsy ho ela dia hanjavona mandrakizay ny fifanoherana eo amin’ny ady sy ny filaminana, ny harena sy ny fahantrana ary ny fiainana sy ny fahafatesana. Ao amin’ny Paradisa hanerana izao rehetra izao ho avy, dia handramantsika amim-pahafinaretana ny fifanoherana mahafinaritra eo amin’ny alina sy ny andro, ny tendrombohitra sy ny lohasaha, ny ranomasina misamboaravoara sy ny farihy tony araka izay nandaharan’i Jehovah azy. Ho afaka hahita izany fotoana izany ianao raha manaiky ny vaovao tsara amin’ny fo rehetra toy ireo mpitory maherin’ny iray alina ao Goatemalà.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara