Tadidinao ve?
Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana nivoaka farany? Raha izany no izy, dia jereo raha afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:
◻ Inona no mahatonga ny fanambadiana iray ho sambatra?
Ireo mpivady dia tsy maintsy manolokolo fifandraisana feno fitiavana, sy fifampiheverana ary fahatokiana, ary samy hankasitraka ireo toetra tsara ananan’ilay anankiray sy hianatra ny hifamela ny fahalemeny. — 15/8, pejy faha-15.
◻ Tamin’ny lafiny inona avy ireo lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraelita no nanampy azy ireo hitoetra ho masina?
Ireo lalàn’i Jehovah dia nanampy ny Isiraelita hitoetra ho madio teo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-pitondrantena, ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pombam-pivavahana. Io karazam-pahadiovana farany io dia nifandray tamin’ny fanompoam-pivavahany. — 1/9, pejy faha-11.
◻ Inona moa no atao hoe “fitandremam-pahasalamana ara-tsaina” tsara?
Ny “fitandremam-pahasalamana ara-tsaina tsara” dia mitaky ny hanaovantsika fiezahana mafy mba hifantohan’ny saintsika amin’izay ‘marina, mahitsy, sy madio’, ary mba ‘hiheverantsika izany’ hatrany. (Filipiana 4:8.) — 1/9, pejy faha-16.
◻ Nahoana no nolazain’i Jesosy fa ho toy ny “helatra manelatra” ny fanatrehany? (Lioka 17:24.)
Tamin’ireo teny ireo, dia nasehon’i Jesosy fa ho hita mazava tsara amin’ny faritra midadasika ny famantarana ny fanatrehany amin’ny herin’ny Fanjakana, ary izany dia hamela ireo rehetra maniry ny handinika izany hahatsapa fa efa manatrika tokoa izy. — 15/9, pejy faha-8.
◻ Nahoana ny fomba tsara kristiana no avy amin’ny fitiavana kristiana?
Ny fomba tsara kristiana ananantsika, izany hoe ny toetrantsika eo anatrehan’ny hafa, ny fomba fihetsitsika ary ny fitondrantenantsika isan’andro, dia manambara ny halehiben’ny fiahiantsika ny mpiara-belona amintsika. Ny fomba tsarantsika dia mampiseho ny halalin’ny fitiavantsika azy ireny (Jaona 13:35; 1 Korintiana 10:24; 13:4-7). — 15/9, pejy faha-14.
◻ Rahoviana no hitranga ny fampakaram-badin’i Jesosy sy ny “vadiny” (ireo mpianany 144 000 voahosotra sy mahatoky) (Fanambarana 19:7, 8)?
Io fanambadiana io dia hitranga aorian’ny adin’i Haramagedona sy ny fandatsahana an’i Satana ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Amin’izay i Jehovah dia ho efa nanamarina ny fiandrianany tamin’ny fanalana tsy ho eo amin’ny tany ireo izay manohitra ny fahefany sy tamin’ny fanesorana ny fitaomana ratsin’i Satana sy ny demoniany. — 1/10, pejy faha-24.
◻ Araka ny ambaran’ireo tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 11:29, 30, amin’ny ahoana moa ny zioga, izany hoe ny maha-mpianatr’i Jesosy antsika, no mitondra fampiononana ho antsika?
Koa satria i Jesosy tsy olona tsy mahalala ny antonony, dia ahitana fampiononana ny miara-miasa aminy, eo ambany ziogany. Mihevitra ny fetran’ny mety ho vitantsika sy ny fahalementsika izy. Ary fampiononana toy inona moa ny fampahafantarana ny mpiara-belona amintsika fa afaka miaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa izy ireny! — 15/10, pejy faha-20.
◻ Inona moa ny “fanavaozana” [“famoronana indray”, MN ] resahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 19:28?
Ao amin’io andininy io, dia asehon’i Jesosy fa hisy “fanavaozana” ireo toe-javatra eto an-tany, hany ka ho tonga sahala amin’ny tamin’ny zaridainan’i Edena indray izy io. — 1/11, pejy faha-9.