Omeo ny toerana voalohany Andriamanitra ao amin’ny fiainam-pianakavianao!
I NDREMA SY I SOA, ilay mpivady noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia tsy nisara-panambadiana. Tsy nanao izany izy ireo fa niara-nidinika ny amin’ny zava-nanahirana azy tamin’ny minisitra kristiana iray. Tsy ela io dia nahatakatra fa ny fahasahiranan’izy ireo, amin’ny ankapobeny, dia vokatry ny tsy fitovian’ny ivom-pianakaviana nisy azy avy.
Ohatra, koa satria i Ndrema avy tamina fianakaviana mpanao asa tanana sy mpiasa madinika ary manao asa tanana koa ny tenany, dia nitady sakafo be isa-maraina izy. I Soa kosa, izay avy tamina fianakaviana tsy mandray ravin-dena, dia tsy nandroso ho azy afa-tsy kafe sy mofo dipaina fotsiny. Izany àry no nahatonga ny fifamaliana nandritra ny sakafo maraina hanjary ho tena ady!
Nila ny nanatsara ny fifandraisany i Ndrema sy i Soa. Kanefa, mbola lasa lavidavitra kokoa ny tena fototry ny fahorian’izy ireo. “Moa ve ianareo mifaneho fiheverana araka ny fomba voalazan’ny 1 Korintiana 13:4?”, hoy ny nanontanian’ilay minisitra. Toy izao no vakin’io andinin-tenin’ny Baiboly io: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha [tsy midera tena, MN], tsy mieboebo.” Milaza ny andininy manaraka fa ny fitiavana “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy [izay hahasoa ny tenany ihany, MN], tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.” Samy vonona ny hampihatra ireo teny ireo eo amin’ny fifandraisany i Ndrema sy i Soa.
Ny zava-nanahirana nisy teo amin’io mpivady io dia nitaky vahaolana ara-panahy, voalohany indrindra. Koa satria i Ndrema sy i Soa naniry hitana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, ambonin’ny zavatra rehetra, dia nilain’izy ireo ny nampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sy nahatsapa fa “raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1). Ny andininy faha-3 ka hatramin’ny faha-5, dia miresaka ny amin’ny fanorenana fianakaviana. Ary ny fahombiazana lehibe indrindra eo amin’ny fampitomboana ny fahasambarana ao an-tokantrano dia avy amin’ny fanomezana ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany ao amin’ny fiainam-pianakaviana. — Efesiana 3:14, 15.
Izay tafiditra amin’ny fanomezana ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany
Ny fanomezana toerana voalohany ho an’Andriamanitra ao amin’ny fiainam-pianakavianao dia mihoatra lavitra noho ny fitenenana fotsiny hoe: “Ny fianakaviana miara-mivavaka dia tafakambana.” Araka ny voalazan’ny gazety Family Relations, dia maro be no mino fa “ny fivavahana dia manamora ny fisian’ny fifandraisam-pianakaviana azo antoka sady miroborobo, ary mampitombo ny fahafahampon’ny mpikambana ao aminy eo amin’ny fiainana.” Nefa tsy fanarahana fivavahana iray fotsiny ny hoe manome ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany. Maro be no manaraka ara-pomba fotsiny fivavahana iray noho ny fahazarana, na ny fomban-drazana, na koa noho ny tombontsoa ara-tsôsialy. Tsy nisy heriny firy teo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro Andriamanitra. Mbola zava-dehibe kokoa ihany fa tsy ny fivavahana rehetra akory no “fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray”. — Jakoba 1:27.
Mba hanomezana ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany ao amin’ny fiainam-pianakaviantsika, isika mbamin’ireo olon-tiantsika, dia tsy maintsy manolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”, mifanaraka amin’izay takiny. (Salamo 83:18). Nilaza toy izao ny Zanak’Andriamanitra, i Jesosy Kristy: “Avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24). Mba hivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra “amin’ny fanahy”, dia tsy maintsy atosiky ny fo feno fitiavana sy finoana ny fanompoana masina ataontsika ho azy. (Marka 12:28-31; Galatiana 2:16). Ny fivavahana amin’i Jehovah “amin’ny fahamarinana” dia mitaky ny hanariantsika ireo lainga ara-pivavahana sy hanekentsika amin’ny fomba feno ny sitrapony araka ny ampiharihariana azy ao amin’ny Baiboly. Tsy afaka ny hanome ho an’i Jehovah ny toerana voalohany isika raha tsy mifanaraka amin’ireo fari-pitsipika takiny ny fivavahantsika.a Inona avy ny sasantsasany amin’izany? Ary amin’ny ahoana ny fampiharana azy ireny no afaka mitondra soa ho an’ny fianakavianao?
Ny fanomezana ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany amin’ny maha-lehilahy vady
Ao amin’ny 1 Korintiana 11:3, dia milaza toy izao ny Baiboly: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” Raha lehilahy vady ianao, dia manana ny andraikitra avy amin’Andriamanitra ho mpanao ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny fianakavianao. Nefa izany akory tsy manome ho an’ny lehilahy vady na iza na iza fahazoan-dalana ho mpampijaly na ho mpanao jadona.
Mampirisika ny lehilahy vady ny Baiboly mba hihevitra ny fihetsehampon’ny vadiny rehefa manao fanapahan-kevitra mahakasika azy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 21:9-14.) Eny tokoa, ny Soratra masina dia mampirisika antsika rehetra mba tsy ‘samy hihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.’ (Filipiana 2:2-4). Amin’ny zavatra tsy mahatafiditra fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia matetika no hanaiky izay zavatra tian’ny vadiny ny lehilahy kristiana. Noho izy maneho fiheverana manokana azy, dia hataony koa izay hahazoana antoka fa tsy vesarana andraikitra be ny vadiny. Ohatra, mety hanampy azy amin’ireo raharaha ao an-tokantrano izy, indrindra fa raha miasa any ivelany ilay vadiny.
Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana [kongregasiona, MN].” (Efesiana 5:28, 29). Mifandray amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona amin’ny fomba feno fitiavana i Jesosy Kristy.
Mendrika ny hodinihina koa ity torohevitry ny apostoly Petera ity: “Hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana, — mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” (1 Petera 3:7). Moa ve tsy mety ny hahatsapana fa mety hahavoasakana ny vavaka ataon’ny lehilahy vady iray ny fitondrana ny vadiny amin’ny fomba tsy misy fitiavana? Eny, tsy maintsy mifandray amin’ny vadiny amin’ny fomba feno fitiavana ny lehilahy iray vao mihaino sy mamaly ny vavaka ataony Andriamanitra.
Ny fanomezana ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany dia mahafaoka koa ny fifandraisan’ny ray amin’ny zanany. Tokony hiahy amin’ny fomba lalina ny amin’ny hahasoa azy ireo ara-panahy izy. Kanefa, tao amin’ny fanadihadiana lehibe iray natao tany Etazonia, dia ny antsasak’ireo lehilahy monja no nilaza fa “ny fandraisana anjara amin’ny fianarana ny Soratra masina na fiaraha-midinika mitambatra” no ‘zava-dehibe indrindra eo amin’ny fandrosoana ara-panahin’ny fianakaviany’. Ny sisa dia nanonona zavatra toy ny “fijerena na fihainoana fandaharana momba ny fanompoam-pivavahana” na ‘fisaintsainana ny amin’ny hevitry ny fiainana.’
Izao anefa no lazain’ny Baiboly amin’ny raim-pianakaviana: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN] izy.” (Efesiana 6:4). Eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo raim-pianakaviana dia antenaina handray fitarihana eo amin’ny fanompoam-pivavahana ataon’ny fianakaviana. Amin’ny fitarihana tsy tapaka ireo fianarana Baiboly ataon’ny fianakaviana sy ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana, ary ny fanatanterahana ireo zavatra hafa takin’ny Soratra masina, no anomezan’ny lehilahy toy izany ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany ao amin’ny fiainam-pianakaviany.
Ny fanomezana ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany amin’ny maha-vehivavy vady
Raha vehivavy vady ianao, dia afaka manome ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany amin’ny fanohanana ny vadinao eo amin’ny anjara asany amin’ny maha-loham-pianakaviana. Hoy ny Baiboly: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo.” (Kolosiana 3:18). Mety ho sarotra tokoa izany raha toa ny lehilahy iray ka tsy miresaka na tsy ampy hery handraisana ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana ataon’ny fianakaviana. Na amin’inona na amin’inona, ny fampiharihariana tsy tapaka ny kileman-toetrany na, ny mbola ratsy kokoa, ny fifaninanana aminy, dia tsy manao afa-tsy ny mampitombo ny fihenjanan’ny fianakaviana.
Hoy ny Ohabolana 14:1: “Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tànany.” Anisan’ny fomba iray ahafahan’ny tena vehivavy hendry manome ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany sy “manao ny tranony” ny fanekena ny vadiny. (1 Korintiana 11:3). Raha manana ‘ny lalàn’ny famindrampo eo amin’ny lelany’ izy dia tsy hanjary ho mpanakiana ny vadiny tsy amin’ny antony. (Ohabolana 31:26). Miasa mafy koa izy mba hahombiazan’ireo fanapahan-kevitry ny vadiny.
Ny fomba hafa iray hanomezan’ny vehivavy manambady ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany, dia ny fananana toe-tsaina tia miasa. Mazava ho azy fa raha tsy maintsy manao asa ivelan’ny tokantrano izy, dia mety tsy hanana na ny fotoana na ny hery ilaina mba hanaovana ny tokantranony ho araka izay aniriany azy. Afaka miezaka mafy anefa izy mba ho tahaka ilay “vehivavy mahay” lazain’ny Baiboly hoe: “Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana.” — Ohabolana 31:10, 27, Fanamarihana ambany pejy.
Ambonin’izany rehetra izany, dia ilain’ny vehivavy vady iray ny mametraka eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra. Maro be amin’ireo mitsidika voalohany ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no milaza ny heviny ny amin’ny filaminan’ny fisehoana ivelan’ireo ankizy ao. Tsy hay tombanana ny asan’ny vehivavy vady iray amin’izany lafiny izany. Nefa tsy maintsy miezaka koa izy mba hiarovana ny fiainana ara-panahin’ny tenany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ary ny fanompoana an’Andriamanitra.
Ny fanomezana ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany amin’ny maha-zatovo
Manambara toy izao ny lahatsoratra iray ao amin’ny Adolescent Counselor: “Ireo ankizy dia nanana fironana hampitombo fihetsika sy filôzôfia izay namela azy ireo hamolaka ireo ray aman-dreniny. (...) Noho izy ireo miaina eo anivon’ny fitambaran’olona iray manamafy sy manindrahindra ny fahazoana fahafahampo sy harena ara-nofo eo no ho eo, dia mampitombo toe-tsaina ‘mila voatsiary izao ankehitriny izao’ ireo zatovo. Raha tanora ianao, toy izany ve ny fihetsikao?
Hoy ny Kolosiana 3:20: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” Ny zatovo iray izay mihevitra ny fankatoavana toy izany ho zavatra iray takin’Andriamanitra dia hiara-miasa amin’ireo ray aman-dreniny. Ohatra, tsy hihaika azy ireo any ambadika izy amin’ny fifaneraserana amina mpiara-mianatra tsy ankasitrahan’izy ireo; na koa hanandrana amim-paniasiavana hanao izay hampanaiky ny ray aman-dreniny hanaraka izay tiany hatao manokana. (Ohabolana 3:32). Izay zatovo rehetra manome ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany kosa dia hanaiky ny fitarihana feno fitiavan’ireo ray aman-dreniny.
Ataovy eo amin’ny toerana voalohany hatrany Andriamanitra!
Na inona na inona toerana misy antsika eo anivon’ny fianakaviana, dia ilaintsika ny manome ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika sy mamboly fifandraisana akaiky aminy. Eo am-panaovana izany ve ianao sy ny fianakavianao?
Amin’izao “andro farany” izao, isika rehetra dia miatrika “fotoana fanapahan-javatra”. (2 Timoty 3:1-5, MN). Na izany aza, dia azo atao ny mandroso ara-panahy sy ny ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity. (Matio 24:3-14, MN). Amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fahalalana marina ao amin’ny Baiboly, dia azonao sy ny fianakavianao atao ny manana ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. (Lioka 23:43, MN; Jaona 17:3, Apokalypsy 21:3, 4). Eny, afaka ny hisy izany raha toa ianao ka manome ho an’Andriamanitra ny toerana voalohany eo amin’ny fiainam-pianakavianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko faha-22 amin’ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 5]
Ankasitrahana lalina ny vehivavy vady mahay iray
[Sary, pejy 7]
Ny Baiboly dia mampirisika ny lehilahy vady mba handray ny fitarihana eo amin’ny fanompoam- pivavahana ataon’ny fianakaviana