Ny Vidin’ny Avonavona — Tonga Hatraiza?
EFA mba nifampiraharaha tamin’ny olona iray izay ninia nanandrana ny hanao izay hahatsapanao tena ho tsy misy vidiny ve ianao? Angamba izany mpiftantan-draharaha, sefo, mpiandraikitra, na havana iray izay nanambany sy nitondra anao tamim-panamavoana mihitsy aza? Ahoana no fiheveranao izany olona izany? Voasariky ny toetrany ve ianao? Tsy izany velively! Nahoana? Satria sady mahatonga fefy mampisaraka no misakana ny fifampiresahana, ny avonavona.
Mahatonga ny olona iray hanambany ny hafa rehetra ny avonavona, ka amin’izay dia ho hita ho ambony foana izy. Mahalana no milaza teny mahafinaritra momba ny olon-kafa, ilay olona manana fihetsika toy izany. Misy mpamari-toetra ratsy foana ny teniny, toy ny hoe “eny e! mety ho marina izany, nefa manana an’io zava-manahirana io na izany kilema izany izy”.
Ao amin’ilay boky hoe Thoughts of Gold in Words of Silver, ny avonavona dia lazalazaina ho “kileman-toetra tsy resy mihitsy. Manimba ny olona iray izy io, hany ka tsy misy zavatra firy mahate hidera ny aminy”. Mahagaga ve raha tsy misy olona mahazo aina rehefa sendra olona iray miavonavona? Raha ny marina, dia ny tsy fisian’ny tena namana no vidin’ny avonavona matetika. “Mifanohitra amin’izany”, hoy ihany io boky io, “fa ny manetry tena no tian’ny olona — tsy ny manetry tena izay mieboebo ny amin’izany, fa izay tena manetry tena.” Mety tokoa àry raha milaza toy izao ny Baiboly: “Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy; fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.” — Ohabolana 29:23.
Inona no fiantraikan’ny avonavona eo amin’ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra, ankoatra ny vokatr’izy io eo amin’ny fisakaizany amin’ny hafa na ny voninahitra omen’ny olona azy? Ahoana ny fijerin’Andriamanitra ny mpiavonavona sy ny mpirehareha ary ny mpiana-kendry? Zava-dehibe aminy ve ny avonavona na koa ny fanetren-tena?
Fianarana ny amin’ny fanetren-tena
Milaza toy izao ilay mpanoratra ara-tsindrimandry ny bokin’ny Ohabolana: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana. Tsara ny malemy fanahy ao amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona.” (Ohabolana 16:18, 19). Ny maha feno fahendrena ireo teny ireo dia voamarin’izay nitranga tamin’i Namàna, jeneraly syrianina, izay niaina tamin’ny andron’i Elisa, mpaminany isiraelita.
Boka i Namàna. Nandeha nankany Samaria izy, noho ny fitadiavany fanasitranana, ary nihevitra izy fa hahazo fihaonana manokana tamin’i Elisa. Naniraka ny mpanompony kosa anefa ilay mpaminany mba hilaza tamin’i Namàna fa tokony handro impito ao amin’ny Onin’i Jordana izy. Sosotra tamin’ny fomba nitondrana azy sy ny torohevitra nomena azy i Namàna. Nahoana no tsy nivoaka niresaka taminy manokana ilay mpaminany fa naniraka mpanompo fotsiny? Ary azo antoka fa nifanahantsahana ihany tamin’ny renirano rehetra tany Syria i Jordana! Ny avonavona no zava-nanahirana azy. Inona no vokany? Soa ihany, fa nandaitra taminy ny torohevitra nampiseho fahendrena. “Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin’ny lehilahin’Andriamanitra; ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.” — 2 Mpanjaka 5:14.
Soa lehibe indraindray no azo avy amin’ny fanetren-tena kely fotsiny.
Ny vidin’ny fizahozahoana
Mety ho ambony lavitra noho ny famoizantsika fotsiny soa iray na tombony iray anefa ny vidiny takin’ny avonavona amintsika. Misy ambaratongan’avonavona hafa iray izay voalaza tsy mivantana amin’ilay teny grika hoe hybris. Araka ny voalazan’i William Barclay, manam-pahaizana momba ny teny grika, ny “hubris dia avonavona miharo halozana (...) fanamavoana amim-pizahozahoana izay mahatonga ny olona iray hampietry ny namany”.
Hita ao amin’ny Baiboly ny ohatra iray mazava ny amin’io karazana avonavona tafahoatra io. Izany dia ny amin’i Hanona, mpanjakan’i Amona. Manazava toy izao ny Étude perspicace des Écritures: “Noho ny hatsaram-panahy miharo fitiavana nasehon’i Nahasy tamin’i Davida, dia naniraka mpitondra hafatra i Davida mba hampionona an’i Hanona noho ny nahafatesan-drainy. Nandresy lahatra an’i Hanona anefa ireo mpanapaka tao aminy tamin’ny filazana hoe tetika nataon’i Davida mba hisafoana ny tany fotsiny izany. Nalan’i Hanona baraka àry ireo mpanompon’i Davida tamin’ny nanaratany ny ila-somony sy tamin’ny nanapahany ny akanjon’izy ireo hatreo amin’ny foto-peny, ary ny nandefasany azy ireo avy eo.”a Nanao izao fanamarihana izao momba io fitrangan-javatra io i Barclay: “Hubris izany fomba fitondrana izany. Sady fanevatevana izany no famingavingana sy fanalam-baraka an-karihary.” — 2 Samoela 10:1-5.
Eny, ny olona iray miavonavona dia mety hampiseho izany tafahoatra, hanabanty olona, hanala baraka olona. Tia mandratra fon’olona amin’ny fomba tsy misy fiantrana sy fiheverana izy, ary avy eo dia faly amin’ny fahasorenan’ny hafa sy ny fahafaham-barakany. Sabatra roa lela anefa ny fanimbana ny hajan’ny tenan’ny olona iray. Miteraka famoizana namana izany, ary azo inoana kokoa fa manangana fahavalo.
Ahoana no ahafahan’ny Kristianina marina iray maneho avonavona mandratra fo toy izany, nefa ny Tompony mandidy fa ‘tokony ho tia ny namany tahaka ny tenany izy’? (Matio 7:12; 22:39). Mifanohitra tsotra izao amin’ny zavatra rehetra napetrak’Andriamanitra sy i Kristy izany. Noho izany dia nanao izao fanamarihana lehibe izao i Barclay: “Ny hubris dia ilay avonavona izay mahatonga ny olona iray hihantsy an’Andriamanitra.” Tsy inona akory izy io fa ilay avonavona mahatonga ny olona hilaza hoe: ‘Tsy misy i Jehovah.’ (Salamo 14:1). Na araka ny voalaza ao amin’ny Salamo 10:4, manao hoe: “Ny ratsy fanahy mirehareha hoe tsy hanadina Izy; eny, ‘tsy misy Andriamanitra’ no tontalin-keviny.” Ny avonavona na ny fieboeboana toy izany dia tsy vitan’ny hoe mampisaraka ny olona iray amin’ny namana sy ny havana, fa mampisaraka azy amin’Andriamanitra koa. Vidin-dafo tokoa ilay izy!
Aza avela hanimba tsikelikely anao ny avonavona
Mety hisy lafiny maro ny avonavona — avonavona noho ny fanindrahindram-pirenena, noho ny fanavakavaham-bolon-koditra, noho ny fanavakavahana ara-tsosialy sy ara-tsaranga, noho ny fanabeazana, ny harena, ny voninahitra, ary ny fahefana. Mety hisy avonavona hisoko mangina ao aminao ka hanimba tsikelikely ny toetranao.
Olona maro no toa manetry tena rehefa mifampiraharaha amin’ny lehibeny na amin’ny mitovy aminy mihitsy aza. Inona anefa no mitranga rehefa mahazo toeram-pahefana ilay olona toa manetry tena? Tampoka eo dia manjary olona tsy refesi-mandidy izay mampitondra faisana an’ireo heveriny ho ambany noho ny tenany izy! Mety hitranga amin’ny sasany izany rehefa manao fanamiana na insigne izay midika ho fahefana, izy ireo. Na dia ny mpiasam-panjakana aza dia mety hanjary hiavonavona rehefa mifampiraharaha amin’ny vahoaka, satria mieritreritra izy ireo fa eo ny vahoaka mba hanompo azy, fa tsy ny mifamadika amin’izany. Mahatonga anao ho masiaka, tsy hiantra, ny avonavona; afaka mahatonga anao ho tsara fanahy ny fanetren-tena.
Azon’i Jesosy natao ny niavonavona na nasiaka tamin’ny mpianany. Lehilahy lavorary izy, Zanak’Andriamanitra, nifampiraharaha tamin’ny mpianany izay nanao zavatra tampotampoka, taitaitra, ary tsy lavorary. Kanefa, fanasana inona no nomeny an’ireo izay nihaino azy? “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa [hamelombelona anareo aho, NW ]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita [famelombelomana, NW ] ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — Matio 11:28-30.
Miezaka mandrakariva mba hanaraka ny ohatr’i Jesosy ve isika? Sa mahita ny tenantsika ho masiaka, tsy milefitra, tsy refesi-mandidy, tsy mamindra fo, miavonavona isika? Tahaka an’i Jesosy, dia miezaha mba hamelombelona, fa tsy hampahory. Tohero ny vokatra manimban’ny avonavona.
Fahatsapana hajan’ny tena mifanohitra amin’ny fiheveran-tena ho zavatra
Ny toetra iray mifandray amin’ny avonavona nefa toetra tsara, dia ny fahatsapana ny hajan’ny tena, izay fahatsapana araka ny antonony sy azo hamarinina. Midika ho fanomezana haja ny tenanao ny hoe hajan’ny tena. Midika izany fa tena miahy ny amin’izay eritreretin’ny olon-kafa ny aminao ianao. Miahy ny amin’ny fisehoanao ivelany sy ny lazanao ianao. Marina ilay ohabolana espaniola manao hoe: “Lazao amiko izay miaraka aminao dia holazaiko hoe iza ianao.” Raha tia miaraka amin’ny olona misavoritaka, kamo, tsy mahalala fomba, ary miteny ratsy ianao, dia ho tonga sahala amin’izy ireny. Hifindra aminao ny toetrany, ka tsy hanana ny hajan’ny tena tahaka azy ireny ianao.
Mazava ho azy fa mety ho lasa diso tafahoatra ny fahatsapana ny hajan’ny tena, ka hanjary avonavona izay mitarika ho amin’ny fiheveran-tena ho zavatra sy ny fieboeboana. Nirehareha tamin’ny lovantsofiny sy ny fisehoany ho mpivavaka be, ireo mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy. Nampitandrina toy izao momba azy ireo i Jesosy: “Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny [mba hisehoana ho mpivavaka be]. Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga sy ny hoharabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe: Raby ô!” — Matio 23:5-7.
Ny ilaina àry dia ny fihetsika voalanjalanja. Tadidio koa fa mijery ny fo, fa tsy ny fisehoana ivelany fotsiny, i Jehovah. (1 Samoela 16:7; Jeremia 17:10). Tsy hoe fahamarinana avy amin’Andriamanitra akory ny fiheveran-tena ho marina. Ny fanontaniana anefa izao dia ny hoe: Ahoana no ahafahantsika mamboly ny tena fanetren-tena mba tsy hahatonga ny avonavona hovidintsika lafo?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 4]
Nitondra soa lehibe ho an’i Namàna ny fanetren-tena kely fotsiny