FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/11 p. 24-27
  • “Jehovah no Manome Fahendrena”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Jehovah no Manome Fahendrena”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Atongilano amin’ny fahendrena ny sofinao’
  • Hanao ilay fiezahana ve ianao?
  • Hahita fahombiazana ianao
  • Rehefa ‘manjary mahafinaritra ny fahalalana’
  • “Hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy”
  • ‘Ny mahitsy no honina amin’ny tany’
  • Ampitandremo Fahaiza-manavaka ny Fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Afaka Mamboly Fahaiza-manavaka Bebe Kokoa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • “Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Torohevitra tsara dia tsara ho an’ny tanora
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/11 p. 24-27

“Jehovah no Manome Fahendrena”

FIKATSAHAN-JAVATRA inona avy no mandany ny fotoananao sy ny herinao? Zavatra iray ahinao ve ny fahazoana laza tsara ho an’ny tenanao? Milofo amin’ny fanangonana harena ve ianao? Ahoana ny amin’ny fikatsahana fisondrotana eo amin’ny fanaovan-javatra iray, na ny fampitomboana fahaizana eo amin’ny sampam-pianarana iray na maro? Zava-dehibe aminao ve ny fambolena fifandraisana tsara amin’ny hafa? Zavatra ahinao voalohany indrindra ve ny ho salama tsara hatrany?

Mety ho toa misy vidiny avokoa ireo rehetra voatonona teo aloha ireo. Inona kosa anefa no zava-dehibe voalohany indrindra? Mamaly toy izao ny Baiboly: “[Ny fahendrena no zavatra voalohany indrindra, NW ]. Mahazoa fahendrena”. (Ohabolana 4:7). Koa ahoana no mety hahazoantsika fahendrena, ary inona avy no soa azo avy aminy? Ny toko faharoa ao amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly dia manome ireo valiny.

‘Atongilano amin’ny fahendrena ny sofinao’

Tamin’ny tenin’ny ray iray feno fitiavana, dia nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka hendry teo amin’ny Isiraely fahiny: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao [fahaiza-manavaka, “NW”] ny fonao; eny, raha miantso ny [fahaiza-mahazo hevi-javatra, “NW”] hianao ary manandratra ny feonao hahazo [fahaiza-manavaka, “NW”], raha [tsy mitsahatra, “NW”] mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary [tsy mitsahatra, “NW”] mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” — Ohabolana 2:1-5.

Hitanao ve hoe miankina amin’iza ny andraikitra hahazo fahendrena? Ao amin’ireo andininy ireo, ilay teny hoe “raha”, dia miseho intelo. Mazava fa anjaran’ny tsirairay amintsika ny mitady ny fahendrena sy ny mpanampy azy, dia ny fahaiza-manavaka sy ny fahazoana hevi-javatra. Voalohany anefa, dia mila ‘mandray’ sy ‘mandrakitra’ ao an-tsaina ireo tenim-pahendrena voarakitra ao amin’ny Soratra Masina isika. Mba hahazoana izany, dia ilaintsika ny mianatra ny Baiboly.

Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa araka ny tokony ho izy ny fahalalana nomen’Andriamanitra. Ary mahatalanjona erỳ ny fomba anomezan’ny Baiboly ny fahendrena! Eny, mirakitra tenim-pahendrena, toy ireo ao amin’ny bokin’ny Ohabolana sy ny Mpitoriteny, izy io, ary ilaintsika ny manongilan-tsofina amin’ireny teny ireny. Mahita ohatra maro, izay mampiseho ny soa azo avy amin’ny fampiharana ireo foto-pitsipika araka an’Andriamanitra, sy ny fandriky ny tsy firaharahana azy ireny, koa isika ao amin’ireo pejin’ny Baiboly. (Romana 15:4; 1 Korintiana 10:11). Diniho, ohatra, ilay fitantarana ny amin’i Gehazy mpierina, ilay mpanampy an’i Elisa mpaminany. (2 Mpanjaka 5:20-27). Tsy mampianatra antsika ve izy io fa fahendrena ny manalavitra ny fitsiriritana tafahoatra? Ary ahoana ny amin’ilay vokatra nampalahelo naterak’ireo fitsidihana toa tsy nampaninona nataon’i Dina, zanakavavin’i Jakoba, tany amin’ireo “zazavavy tompon-tany” tao Kanana? (Genesisy 34:1-31). Tsy hitantsika mora foana ve ny maha hadalana ny fifaneraserana ratsy? — Ohabolana 13:20; 1 Korintiana 15:33.

Mitaky fahazoana fahaiza-manavaka sy fahaiza-mahazo hevi-javatra ny hoe manongilan-tsofina amin’ny fahendrena. Araka ny Webster’s Revised Unabridged Dictionary, ny hoe fahaiza-manavaka dia “ny fahafahana na ny fahaizan’ny saina manavaka zavatra iray amin’ny iray hafa”. Ny fahaiza-manavaka araka an’Andriamanitra dia ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy, ary avy eo dia mifidy ny lalana mety. Ahoana no ahafahantsika mijanona eo amin’ny “làlana izay mankany amin’ny fiainana”, raha tsy ‘mampitandrina ny fontsika’ amin’ny fahaiza-manavaka, na hoe dodona ny handray azy io, isika? (Matio 7:14; ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:19, 20.) Ahazoana fahaiza-manavaka ny fianarana sy fampiharana ny Tenin’Andriamanitra.

Ahoana no ahazoantsika “miantso ny fahaiza-mahazo hevi-javatra” — ny fahaiza-mahita ny fomba ifandraisan’ireo lafiny samihafan’ny foto-kevitra iray amin’izy samy izy sy amin’izy manontolo? Ny taona sy ny fahazaran-draharaha, mazava loatra, dia afaka manampy antsika hamboly fahaiza-mahazo hevi-javatra bebe kokoa — nefa tsy voatery ho marina izany. (Joba 12:12; 32:6-12). “[Mitondra tena amim-pahaiza-mahazo hevi-javatra kokoa, NW ] noho ny anti-panahy aho”, hoy ny mpanao salamo, “satria ny didinao no notandremako.” Nihira toy izao koa izy: “Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny [tsy ampy fanandraman-javatra, NW ].” (Salamo 119:100, 130). I Jehovah no ilay “Fahagola”, ary manana fahaiza-mahazo hevi-javatra ambony lavitra noho ny an’ny olombelona rehetra izy. (Daniela 7:13). Afaka manampy ny tsy ampy fanandraman-javatra hahay hahazo hevi-javatra Andriamanitra, ka mahatonga azy hihoatra ireo be taona kokoa aza, raha ny amin’io toetra io. Noho izany, dia tokony hazoto hianatra sy hampihatra ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, isika.

Ilay teny miverimberina hoe “raha”, ao amin’ny andalan-teny fanokafana ny toko faharoa amin’ny Ohabolana, dia arahin’ny teny toy ny hoe ‘mandray’, ‘mandrakitra’, “miantso”, “tsy mitsahatra mitady”, “tsy mitsahatra mikatsaka”. Nahoana ilay mpanoratra no mampiasa ireo teny mihamahery hatrany ireo? Hoy ny boky iray: “Ilay olon-kendry [eto] dia manantitrantitra ny ilana fahazotoana eo amin’ny fikatsahana fahendrena.” Eny, tsy maintsy mikatsaka amim-pahazotoana ny fahendrena sy ireo toetra mifandray aminy — ny fahaiza-manavaka sy ny fahaiza-mahazo hevi-javatra — isika.

Hanao ilay fiezahana ve ianao?

Ny lafiny lehibe iray eo amin’ny fikatsahana fahendrena dia ny fianarana amim-pahazotoana ny Baiboly. Io fianarana io anefa dia tokony hihoatra noho ny famakian-teny mba hahazoana fahalalana fotsiny. Ny fisaintsainana misy zava-kendrena ny amin’izay vakintsika, dia tapany tena ilaina amin’ny fianarana ny Soratra Masina. Ny fahazoana fahendrena sy fahaiza-manavaka dia mahafaoka fisaintsainana ny amin’ny fomba ahafahantsika mampiasa izay ianarantsika, mba handaminana zava-manahirana sy handraisana fanapahan-kevitra. Ny fahaiza-mahazo hevi-javatra dia mitaky ny andinihana ny fomba ifanarahan’ilay fanazavana vaovao amin’izay efa fantatsika. Iza no tsy hanaiky fa mitaky fotoana sy ezaka mafy ny fianarana ny Baiboly amim-pisaintsainana toy izany? Ny fampiasam-potoana sy hery amin’izany dia mitovy amin’izay nolanina amin’ny ‘fitadiavana volafotsy sy fikatsahana harena afenina’. Hanao ny fiezahana ilaina ve ianao? ‘Haka ny fotoana azo hararaotina’ ve ianao, mba hanaovana izany? — Efesiana 5:15, 16, NW.

Eritrereto ilay harena be miandry antsika, raha manao fikarohana sy fandalinana ao amin’ny Baiboly amim-pahatsoram-po isika. Ho hitantsika “ny fahalalana an’Andriamanitra” — dia ilay fahalalana ny Mpamorona antsika — mafy orina, tsy mihozongozona, manome fiainana! (Jaona 17:3). “Ny fahatahorana an’i Jehovah” koa dia harena tokony ho azo. Sarobidy mihitsy io fahatahorana miharo fanajana fatratra azy io! Ny tahotra mahasoa sao tsy mampifaly azy dia tsy maintsy manapaka ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, ka mampisy heviny ara-panahy izay rehetra ataontsika. — Mpitoriteny 12:13.

Ny faniriana fatratra hikaroka sy handalina harena ara-panahy, dia tokony hiredareda ao anatintsika. Mba hanamorana ny fikarohana ataontsika, dia nanome fitaovana fikarohana tsara dia tsara i Jehovah — ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tonga amin’ny fotoana ilana azy, ary koa ireo zavatra vita an-tsoratra hafa miorina amin’ny Baiboly. (Matio 24:45-47). Mba hampianarana antsika ny Teniny sy ny lalany, dia nanome ny fivoriana kristianina koa i Jehovah. Mila manatrika azy ireny tsy tapaka isika, ka hanongilan-tsofina amin’izay lazaina ary hanao ezaka amim-pahatsorana, mba hifantoka sy hitadidy ireo hevitra fototra, sy hieritreritra lalina ny amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. — Hebreo 10:24, 25.

Hahita fahombiazana ianao

Matetika no tsy misy vokany ny fitadiavana vatosoa, volamena, na volafotsy milevina. Tsy voatery ho izany no izy eo amin’ny fitadiavana harena ara-panahy. Fa nahoana? “Jehovah no manome fahendrena”, hoy ny toky omen’i Solomona antsika, “avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny [fahaiza-manavaka, “NW”].” — Ohabolana 2:6.

Nalaza noho ny fahendreny i Solomona Mpanjaka. (1 Mpanjaka 5:10-12). Ahariharin’ny Soratra Masina fa nanam-pahalalana momba ny lafin-javatra isan-karazany izy, voafaoka tamin’izany ny zavamaniry, ny biby, ny toetran’olombelona, ary ny Tenin’Andriamanitra. Ny fahaiza-nanavaka nasehony fony izy mpanjaka tanora, ho fandaminana ilay fifandirana teo amin’ny vehivavy roa, izay samy nilaza ho renin’ny zaza iray, dia nahatonga azy ho fanta-daza naneran-tany. (1 Mpanjaka 3:16-28). Inona no loharanon’ny fahaizana be nananany? Nivavaka tamin’i Jehovah i Solomona mba hahazo “fahendrena sy fahalalana” ary ny fahaizana “manavaka ny soa sy ny ratsy”. Nomen’i Jehovah azy ireo zavatra ireo. — 2 Tantara 1:10-12; 1 Mpanjaka 3:9.

Isika koa dia tokony hivavaka mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah, eo am-pianarana amim-pahazotoana ny Teniny. Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” (Salamo 86:11). Nankasitrahan’i Jehovah io vavaka io, satria nasainy noraketina tao amin’ny Baiboly izy io. Afaka matoky isika fa tsy ho very maina ny vavaka amim-pahatsorana sy matetika ataontsika, mba hahazoana ny fanampiany mba hahitana ireo harena ara-panahy ao amin’ny Baiboly. — Lioka 18:1-8.

Nanazava toy izao i Solomona: “Izy mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy sady ampingan’izay mandeha tsy misy tsiny; ka dia mitandrina ny làlan’ny fahamarinana Izy ary miambina ny làlan’ny olony masina. Ary amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, dia ny làlana tsara rehetra.” (Ohabolana 2:7-9). Fanomezan-toky re izany! Tsy vitan’ny hoe manome tena fahendrena ho an’ireo izay mitady azy io amim-pahatsorana fotsiny i Jehovah, fa ampinga fiarovana ho an’ny olona mahitsy koa, satria izy ireo mampiseho tena fahendrena sy tsy mivadika amin’ireo fari-pitsipiny marina. Enga anie isika ho anisan’ireo izay ampian’i Jehovah hahatakatra “ny làlana tsara rehetra”.

Rehefa ‘manjary mahafinaritra ny fahalalana’

Ny fianarana manokana ny Baiboly — fepetra tena ilaina mba hitadiavana fahendrena — dia tsy voatery ho zavatra mahafinaritra ho an’ny olona maro. Nilaza toy izao, ohatra, i Lawrence, 58 taona: “Mpiasa tanana foana aho. Sarotra ho ahy ny mianatra.” Nilaza toy izao i Michael, 24 taona, izay tsy tia nianatra tany an-tsekoly: “Tsy maintsy nanery ny tenako hipetraka ka hianatra aho.” Kanefa, azo ambolena ny faniriana hianatra.

Diniho izay nataon’i Michael. Hoy izy: “Nifehy ny tenako mba hianatra nandritra ny antsasak’adiny isan’andro aho. Tsy ela dia nahita ny vokany aho, teo amin’ny fihetsiko sy teo amin’ny valin-teniko tany amin’ny fivoriana kristianina ary teo amin’ny resaka nifanaovako tamin’ny hafa. Izao dia tsy andriko ny hahatongavan’ny fotoam-pianarako, ary halako rehefa misy zavatra hanakantsakana azy ireo.” Eny, manjary zavatra iray ankafizintsika ny fianarana manokana, rehefa hitantsika ny fandrosoana vitantsika. Nilofo tamin’ny fianarana Baiboly koa i Lawrence, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga loholona tao amin’ny kôngregasiôna irain’ny Vavolombelon’i Jehovah izy.

Mitaky ezaka mitohy ny fanaovana ny fianarana manokana ho fotoana mahafaly. Lehibe anefa ireo soa azo. “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary [manjary mahafinaritra, “NW”] ny fanahinao ny fahalalana”, hoy i Solomona, “dia hiaro anao ny [fahaiza-misaina, “NW”], ary hiambina anao ny [fahaiza-manavaka, “NW”]”. — Ohabolana 2:10, 11.

“Hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy”

Amin’ny ahoana no hoe fiarovana ny fahendrena, ny fahalalana, ny fahaiza-misaina, ary ny fahaiza-manavaka? “Hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy [izy ireo]”, hoy i Solomona, “sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka, izay mahafoy ny làlan’ny fahamarinana mba hizorany amin’ny làlan’ny fahamaizinana, dia izay faly hanao ratsy sy finaritra amin’ny fitaky ny ratsy, dia izay melo-dàlana sy maniasia amin’ny alehany”. — Ohabolana 2:12-15.

Eny, ireo izay mankamamy ny tena fahendrena dia hanalavitra ny fiarahana amin’olona izay “miteny fitaka”, izany hoe, zavatra mifanohitra amin’izay marina sy mahitsy. Ny fahaiza-misaina sy ny fahaiza-manavaka dia manome fiarovana amin’ireo izay mandà ny fahamarinana, ka mandeha amin’ny lalan’ny fahamaizinana, sy amin’ireo izay maniasia sy mahita fahafinaretana amin’ny zava-dratsy. — Ohabolana 3:32.

Tena afaka ny ho velom-pankasitrahana mihitsy isika fa miaro antsika amin’ny lalan-dratsin’ireo lehilahy sy vehivavy maloto fitondran-tena koa ny tena fahendrena sy ireo toetra mifandray aminy! Nanampy teny i Solomona fa ireo toetra ireo dia ‘hamonjy anao amin’ny vehivavy [vahiny, “NW”], dia amin’ny vahiny janga izay mandrobo amin’ny teniny, izay mahafoy ny vadin’ny fahatanorany sy manadino ny fanekeny teo amin’Andriamaniny. Fa ny tranony milentika ho amin’ny fahafatesana, ary ny alehany mankany amin’ny maty. Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, na mihazo amin’ny làlan’aina’. — Ohabolana 2:16-19.

“Ny vehivavy vahiny”, na ny mpivaro-tena, dia aseho toy ny olona mandao “ny vadin’ny fahatanorany” — azo inoana fa ilay vadiny fony izy tanora.a (Ampitahao amin’ny Malakia 2:14.) Nanadino ilay fandrarana ny amin’ny fanitsakitsaham-bady, izay anisan’ny faneken’ny Lalàna, izy. (Eksodosy 20:14). Mitarika ho amin’ny fahafatesana ny lalany. Ireo izay miaraka aminy dia mety tsy ‘hihazo amin’ny làlan’aina’ intsony, satria na ho ela na ho haingana, dia mety hahatratra fetra tsy hahafahana hiverina ilalana izy ireo, izany hoe ny fahafatesana izay tsy ahafahany miverina intsony. Ny lehilahy iray manana fahaiza-manavaka sy fahaiza-misaina dia mahafantatra ny fanintonan’ny fahalotoam-pitondran-tena, ka manalavitra amim-pahendrena ny tsy ho voasingotr’izany.

‘Ny mahitsy no honina amin’ny tany’

Hoy i Solomona, ho famintinana ny zava-kendren’ny toroheviny momba ny fahendrena: “[Ny zava-kendrena dia ny mba, “NW”] handehananao amin’ny làlan’ny tsara fanahy sy hitandremanao ny alehan’ny marina.” (Ohabolana 2:20). Tena natao ho amin’ny zava-kendrena mahatalanjona ny fahendrena! Manampy antsika hanana fiainana sambatra sy mahafa-po, izay ankasitrahan’Andriamanitra, izy io.

Diniho koa ireo fitahiana lehibe miandry an’ireo izay ‘mandeha amin’ny lalan’ny tsara fanahy’. Nanohy ny teniny toy izao i Solomona: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” (Ohabolana 2:21, 22). Enga anie ianao ho anisan’ireo tsy manan-tsiny, izay hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina. — 2 Petera 3:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ilay teny hoe “vahiny” dia nampiharina tamin’ireo izay niala tamin’izay nifanaraka tamin’ny Lalàna, ka nanjary tafasaraka tamin’i Jehovah. Noho izany, ilay mpivaro-tena — izay tsy voatery ho vahiny — dia lazaina ho “vehivavy vahiny”.

[Sary, pejy 26]

Nivavaka mba hahazo fahendrena i Solomona. Tokony hanao izany koa isika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara