Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 1 JANOARY
Hira 40.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana. Aza hadinoana ny mampahatsiahy ny fiaraha-mitory amin’ny alahady voalohany amin’ny volana.
25 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara: Amin’ny fampiasana amim-pahombiazana ireo taratasy mivalona.”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-5 sy faha-6 dia manomàna fampisehoana roa momba ny fomba fampiasana ireto taratasy mivalona manaraka ireto ao amin’ny fampidiran-dresaka: 1) Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao sy 2) Nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly? Tsy ilaina ny hanomezana fampisehoana feno. Izany dia fampisehoana fotsiny ny fomba fampitohizana azy amin’ny foto-dresaka. Antitrantero ny ilàna hahaiza-mitari-dresaka amin’ny fampiasana taratasy mivalona amin’ny toe-javatra rehetra. Resaho ny amin’ireo fandaharana noraisin’ny kongregasiona ho amin’ny fitoriana ary asao ny mpitory rehetra handray anjara amin’io asa io.
10 min: Diniho ny foto-dresaka vaovao ary manaova fampisehoana amin’ny fampiasana azy miaraka amin’ny zavatra atolotra amin’ny volana.
Hira 42 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 8 JANOARY
Hira 3.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Rapaoron’ny Toe-bola. Resaho ny amin’ny fandaharana nataon’ny kongregasiona ho amin’ny asa fitoriana.
20 min: “Aoka isika ho mailaka hanolotra zavatra vita an-tsoratra”—Fiaraha-midinika ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-5, dia manomàna fampisehoana iray izay hanoloran’ny mpitory iray fampianarana Baiboly amin’ny olona iray izay efa manana ireo zavatra vita an-tsoratra atolotsika. Aorian’izay dia manaova fanadinadinana mpitory iray izay nahita fahombiazana tamin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra sy tamin’ny fanombohana fampianarana.
15 min: “Ny fiheveranao ve no zava-dehibe kokoa?”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/05/89 pp. 18-20)
Hira 15 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 15 JANOARY
Hira 13 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny volana desambra?
20 min: “Aoka isika hampitombo ny fahombiazan’ny fanompoantsika”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-4, dia manomàna fampisehoana fohy roa izay hamerina ireo fampidiran-dresaka atolotra ao amin’ny fehintsoratra faha-5 sy faha-6, pejy faha-16 ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 oktobra 1988. Aseho amim-pahatsorana sy amin-kafanam-po izany.
15 min: “Afaka manampy anao hitory izy ireo”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/05/89 pp. 22-24)
Hira 46 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 22 JANOARY
Hira 44 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary “Vaovao teokratika”.
20 min: “Fampidiran-dresaka mandaitra”—Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana iray ny amin’ny fomba hampiasana ny fampidiran-dresaka voalaza eo amin’ny fehintsoratra faha-5. Manomàna koa fampisehoana iray manazava ny fampiasana ny iray amin’ireo fampidiran-dresaka ao amin’ny boky Comment raisonner (pp. 9-15) izay mifanentana amin’ny faritanin’ny kongregasionanareo. Ampirisiho ireo mpitory mba hanana ny boky Comment raisonner miaraka aminy rehefa mandeha mitory izy ireo ary hampiasa azy mba hamaliana sy handresena lahatra ny fanoherana. Ampirisiho ny tsirairay mba handray anjara amin’ny fitoriana amin’ny faran’ny herinandro.
15 min: “Manohiza mikatsaka harena nafenina”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/06/89 pp. 4-6)
Hira 43 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 29 JANOARY
Hira 51.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary fandinihana ny asa natao eran’ny Nosy. Mariho ny tampon’isa izay azontsika. Ampirisiho ireo mpitory mba tsy ho mpitory tapatapaka ary hanohana ny fiaraha-mitory amin’ny alahady voalohany amin’ny volana.
20 min: Azon’ny mpitarika ny boky atao ny mifantina fampidiran-dresaka izay hitany fa mifanentana amin’ny faritanin’ny kongregasiona. Azony atao ny mijery mialoha ireo fanoloran-kevitra hita ao amin’ny boky Comment raisonner pejy 9-15. Azony atao koa ny manontany ireo mpitory raha toa ka nisy nampiasa sy nahita fahombiazana tamin’ny fampiasana ireo fanoloran-kevitra nomen’ny Fandaminana. Farano ny dinidinika amin’ny fanaovana fampisehoana iray na roa mifanentana amin’ny faritanin’ny kongregasionanareo.
15 min: Azon’ny kongregasiona tsirairay atao ny mifidy lahateny izay ilain’ny kongregasionany na koa hanao lahateny iray mifototra amin’ny wMG 1/07/89 pp. 7-9.
Hira 107 (vaovao) sy vavaka famaranana.