Famerenana an-tsoratra ny fianarana ny fanompoana teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanelanelana ny 2 Septambra sy ny 23 Desambra 1991. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana izay valinteny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe “marina” na “diso” ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao no fandikan-teny voalohany namerina ny anaran’Andriamanitra teo amin’ny toerany ao amin’ny Soratra grika kristiana. [3, siF p. 319 §2]
2. Mampahafantatra ny fomba fanao narahin’i Kyrosy mpanjaka mba hamerenana ireo vahoaka babo ho any amin’ny toerany teo aloha ny Varingarin’i Kyrosy (Cylindre de Cyrus). [9, siF p. 329 §20.]
3. Tsy ireo Jiosy ihany fa ireo mpanoratra tranainy koa, izay ny sasany aminy aza dia fahavalon’ny Jiosy, no nanaiky an’i Mosesy ho ny mpanoratra ny “Pentateuque” (ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Soratra hebreo). [11, siF p. 332 §5]
4. Tena nisavika an’i Dina tokoa i Sekema. (Gen. 34:1-3) [2, Fam. Bai.; zahao wMG 15/9/85 p. 31.]
5. Ny fitantarana ao amin’ny Genesisy 38:8-10 ny amin’ny nanarian’i Onana ny tsirilahiny dia manameloka ny fampiasana fomba tsy mampiteraka. [3, Fam. Bai.; zahao wE73 p. 255.]
6. Na dia tsy nanao zavatra tamim-pahamarinana aza i Joda tamin’ny nananany firaisana tamin’ny vehivavy iray noheveriny fa vehivavy janga, dia tsy nandika didy iray voafaritra tsara tamin’ny lalàn’Andriamanitra izy tamin’izany. (Gen. 38:11-18) [3, Fam. Bai.; zahao wMG 15/1/74 p. 59.]
7. Mety ny hitsanganan’ny Vavolombelon’i Jehovah, hiondrehany na hiankohofany mihitsy aza eo anoloan’ny mpitondra iray ho fanomezam-boninahitra sy fanajana noho ny toerana misy azy, raha izany no fomba fanao eo an-toerana. (Gen. 44:14) [5, Fam. Bai.; zahao w74 p. 62.]
8. Taorian’ny nanovan’i Mosesy ny rano rehetra tao Egypta ho ra, ireo mpisorona egyptiana dia naka tahaka ilay asa nahatalanjona ary angamba nampiasa rano avy amin’ny fantsakana nolavahana mba hanaovana ny majikany. (Eks. 7:19-24). [9, Fam. Bai.; zahao wMG 15/4/84 p. 30]
9. Niharihary tao amin’ny Masina indrindra tao amin’ny tabernakely ary koa tao amin’ny tempolin’i Solomona ny fahazavana Shekinah. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 25:21, 22) [14, Fam. Bai.; zahao wE 1/9/66 p. 543.]
10. Ny “voina mahafaty” dia mihatra amin’ilay reny ihany. (Eks. 21:23, MN). [13, Fam. Bai.; zahao wMG 1/3/78 p. 31-32]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Inona avy no tsinin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro? [1, siF p. 316 §16]
12. Inona no vokany rehefa mamela ny fandikana ara-bakiteny ireo mpandika tenin’ny Baiboly mba hampiasana izay heveriny fa fitenenana sy endri-pitenenana kanto? [2, siF p. 318 §31]
13. Amin’ny ahoana ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao no tsy miovaova raha ny amin’ny fandikany ireo teny? [4, siF p. 320 §7]
14. Inona no manaporofo amin’ny fomba miavaka ny fahamarinan’ny Baiboly? [15, siF p. 337 §25]
15. Nahoana moa i Rahely no naniry hanome an’i Lea fahafahana hiteraka ho takalon’ny dodaima vitsivitsy, araka ny voatantara ao amin’ny Genesisy 30:14, 15? [1, Fam. Bai.; zahao wE 15/5/67 p. 320]
16. Ahoana no ampisehoan’ny Genesisy 39:9 fa ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra ny ankizy dia hitondra soa ho azy eo amin’ny fiainany any aoriana? [4, Fam. Bai.; zahao wMG 15/04/74 p. 236 §17-18]
17. Nahoana i Mosesy no nasain’Andriamanitra hangata-dalana tamin’i Farao mba handeha lalan-kateloana any an’efitra nefa ny handaozan’ny Isiraelita tanteraka an’i Egypta no fikasany? (Eks. 3:18) [8, Fam. Bai.; zahao wMG 15/7/82 p. 31.]
18. Moa ve ny fananana ny anaran’ny tena ao amin’ny “bokin’ny fiainana” an’Andriamanitra miantoka ny fahazoana ny fiainana mandrakizay? (Eks. 32:32, 33) [15, Fam. Bai.; zahao wMG 1/12/87 p. 29]
19. Ahoana no azontsika anazavana ny hoe “Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin’i Mosesy”? (Eks. 33:11) [16, Fam. Bai.; zahao wE 15/5/70 p. 320]
Fenoy amin’izay teny na fitambaran-teny mifanitsy aminy ny banga amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
20. Ny iray amin’ireo antony nahatonga ireo endriky ny matoanteny hebreo ho tsy voadika araka ny marina dia ny tsangan-kevitra ara-pitsipi-pitenenana antsoina ankehitriny hoe [5, siF p. 322 §14]
21. Tamin’ny 1963 ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao (anglisy) dia niseho tamin’ny fiteny ary maherin’ny no natonta. [6, siF p. 323 §21, 22]
22. Araka ny fandinihan’ny arkeôlôgy iray, ny foibe nielezan’ireo fiteny dia [12, siF p. 333 §13]
23. Ny hany antony azo isaraham-panambadiana ka ananana zo hanambady indray dia ny . [10, peMG toko faha-29 §28]
24. Ny dikan’ny anarana hoe Silo dia hoe ary ara-paminaniana izy io dia manondro an’i (Gen. 49:10). [7, Fam. Bai.; zahao reF p. 83-84]
25. Manampy amin’ny fanorenana “fanjakà-mpisorona sy firenena masina” ny fanekena (Eks. 19:6). [12, Fam. Bai.; zahao wMG 1/5/89 p. 18-19]
Fanteno izay valiny marina amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Mety hanamafy ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’(ny Tilikambon’i Babela; ny tionelin-drano tao amin’ny tananàn’i Davida; ny fanafihan’i Sisaka ny Joda) ny zavatra hita tamin’ny fikarohana arkeôlôjika tany Gihona. [7, siF p. 326 §9]
27. Mbola hita ao Atena ny (andohalambon’i Titosy; soratra hoe Pontio Pilato; Areopago) ary manamarina ny faritra isehoan’ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:16-34. [10, siF p. 330 §24]
28. Ny fikarohana ara-pitsaboana maoderina izay mampiseho fa ny fahavinirana dia mety hisy vokany eo amin’ny tosi-dra sy hiteraka fahatsapana tsy metimety amin’ny fo, aretina an-doha, fandehanan’ny ra an’orona, fanina ary tsy fahafahana mamoaka feo, dia mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny (Ohabolana 14:30; Joba 19:20; Salamo 12:3). [13, siF p. 334 §15]
29. Ny fitenenana hoe “anelanelan’ny hariva roa” (Eks. 12:6, MN) dia manondro ny fotoana manomboka amin’ (ny mitataovovonana ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro; ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny fahamaizinana; ny hariva amin’ny andro iray araka ny fitadidianandro ka hatramin’ny iray manaraka). [10, Fam. Bai.; zahao wE 15/3/73 p. 175.]
30. Izay voalazalaza ao amin’ny Eksodosy 40:34 dia (porofo fa nankasitraka ny tabernakely i Jehovah; fampahatsiahivana fa tsy hita maso i Jehovah; famantarana ny fotoana manjombona ho avy). [17, Fam. Bai.; zahao hsF p. 67 §30]
Ampifanandrifio amin’ny fanambarana eto ambany ireto toko sy andininy manaraka ireto:
Eks. 14:21; Deot. 23:9-14; 2 Mpanj. 3:4, 5; Sal. 19:7-10; Sal. 77:11, 12.
31. Manamarina io fitantaran’ny Baiboly io ilay Vato moabita. [...] [8, siF p. 327 §11]
32. Marina ara-pitsaboana ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitandremam-pahasalamana. [...] [14, siF p. 334 §17]
33. Naneho ny fankasitrahany feno fahatsoram-po noho ny fahendren’Andriamanitra i Davida. [...] [16, siF p. 347 §7]
34. Mba handraisan-tsoa amin’ny Soratra masina dia tsy maintsy misaintsaina hatrany ny Tenin’Andriamanitra isika. [...] [17, siF p. 348 §12]
35. Na dia misy fanazavana azo ekena natolotra aza, dia tsy isalasalana fa fisehoan’ny fisalovanan’Andriamanitra io fa tsy karazana fisehoan-javatra araka ny natiora fotsiny. [...] [11, Fam. Bai.; zahao wMG 15/02/82 p. 31]