Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1993
TOROMARIKA
Mandritra ny taona 1993, dia izao manaraka izao no ho fandaharana harahina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.
BOKY HIANARANA: Ny Baiboly, ny boky “Toute Ecriture Est Inspirée de Dieu et Utile” [si], ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika [sg], ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany [gt], ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina [rs], ary ny bokikely Foto-dresaka Araka ny Baiboly [td ], no hiorenan’ireo anjara.
Hanomboka amin’ny hira, vavaka ary teny fiarahabana tonga soa ny sekoly ary avy eo dia ho toy izao ny fizotrany:
ANJARA VOAL.: 15 minitra. Ity dia tokony hataon’ny loholona iray na ny mpikarakara momba ny asa mahay iray. Hiorina amin’ny boky “Toute Ecriture Est Inspirée de Dieu et Utile” na ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ity anjara ity. Tokony haseho ho toy ny lahateny fampianarana 10 ka hatramin’ny 12 minitra ity anjara ity, harahina famerenana am-bava 3 ka hatramin’ny 5 minitra izay hampiasa ireo fanontaniana ao amin’ilay boky. Ny zava-kendren’ity anjara ity dia, tsy ny hamerenana izay voalaza ao amin’ilay boky fotsiny, fa ny hampifantohana ny saina amin’ny antony maha-azo ampiharana ilay fanazavana resahina, ny fanasongadinana izay hahasoa indrindra ny kongregasiona. Rehefa ilaina izany, dia tokony hisy loha hevitra iray hofidina. Ampirisihina ny rehetra mba hanao fanomanana mialoha amim-pitandremana mba handraisana soa feno avy amin’io fianarana io.
Ireo rahalahy notendrena hanao ity anjara ity dia tokony hitandrina mba tsy hihoatra ny fotoana. Azo atao ny manome torohevitra manokana raha ilaina izany.
HEVI-DEHIBE AVY AMIN’NY FAMAKIANA NY BAIBOLY: 6 minitra. Ity dia tokony hataon’ny mpiandraikitra ny sekoly na ny loholona hafa mahay iray na ny mpikarakara momba ny asa notendren’ny mpiandraikitra ny sekoly. Tsy tokony ho famintinana ilay natao hovakina fotsiny ity. Rehefa avy nanome ny hevitra ambangovangony ao amin’ireo toko natao hovakina ianao, dia ampio ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana sy hoe amin’ny fomba ahoana ilay fanazavana no mahasoa antsika. Jereo ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana mba hahazoana fanazavana hevi-dehibe fanampiny. Avy eo dia hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ireo kilasy samihafa ireo mpianatra.
ANJARA FAHA-2: 5 minitra. Ity dia famakiana ilay fizarana nasaina novakina, hataon’ny rahalahy iray. Izany dia hampiharina ao amin’ny kilasy lehibe ary koa ao amin’ireo kilasy hafa. Ireo fizarana nasaina novakina mazàna dia fohy mba hahafahan’ilay mpianatra hanolotra fanazavana fohy ao amin’ny teny fampidirana sy teny famaranana hataony. Azo atao ny mampiditra ao amin’izany, fanazavana ara-tantara, hevitra ara-paminaniana na ara-pampianarana ary fampiharana fotopoto-pitsipika. Tokony hovakina tsy misy fanapahana azy, ireo andinin-teny rehetra.
ANJARA FAHA-3: 5 minitra. Ity anjara ity dia homena ireo anabavy. Hiorina amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ny foto-kevitra ho an’ity anjara ity. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra notendrena hanao azy. Rehefa manao ilay anjara ilay mpianatra dia mahazo mipetraka na mitsangana. Hanendry mpanampy azy iray ny mpiandraikitra ny sekoly, nefa azo atao ny mampiasa mpanampy azy fanampiny. Tsara kokoa raha asa fanompoana na fanaovana fanambarana tsy ara-potoana ny faritra fidina. Ilay manana ilay anjara dia mahazo, na manomboka ilay resaka mba hamaritana ilay faritra, na hangataka ny (ireo) mpanampy azy hanao izany. Tsy ny faritra akory no tokony homena fiheverana lehibe indrindra fa ilay fanazavana. Tokony hampiasa ilay loha hevitra voatondro ilay mpianatra.
ANJARA FAHA-4: 5 minitra. Asaina hataon’ny rahalahy iray na ny anabavy iray ity. Rehefa rahalahy no voatendry hanao azy, dia tokony ho lahateny ho an’ny mpanatrika rehetra izany. Ny tsara indrindra mazàna dia ny hanomanan’ilay rahalahy ity anjara ity amin’ny fieritreretana an’ireo mpanatrika ao amin’ny Efitrano Fanjakana mba tena handraisan’ireo mandre azy fampianarana sy soa tokoa. Kanefa, raha mifanentana kokoa sy mifandray tsara kokoa amin’ny faritra misy karazana mpihaino hafa ilay fanazavana, dia mahazo mifidy ny hamelabelatra ny anjarany araka izany ilay rahalahy. Tokony hampiasa ilay loha hevitra voatondro ilay mpianatra.
Rehefa anabavy no voatendry hanao azy, dia tokony hatolony araka ny voasoritra ho an’ny Anjara Faha-3 ilay fanazavana.
TOROHEVITRA SY FANAMARIHANA: Aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay, dia hanome torohevitra voafaritra tsara ny mpiandraikitra ny sekoly, kanefa tsy voatery hanaraka ny filaharan’ireo torohevitra voalaza ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny. Tokony hifantoka amin’ireo lafin-javatra izay ilàn’ilay mpianatra hihatsarana kosa izy. Raha mendrika ny hahazo “T” ilay mpianatra, ka tsy misy toetra takina hafa voamarika hoe “M” na “I”, ilay mpanome torohevitra dia tokony hanisy faribolana eo amin’ilay faritra fametrahana ny hoe “T”, “M” na “I”, mifanandrify amin’ilay toetra takina tokony hotandreman’ilay mpianatra amin’ny manaraka. Hampahafantatra ny amin’izany an’ilay mpianatra izy amin’io hariva io ary hametaka io toetra takina io eo amin’ny taratasy Fanomezana Anjara Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika (S-89). Ireo manana anjara dia tokony hipetraka eny aloha ao amin’ny efitrano. Izany dia hampitsitsy fotoana ary mba hahafahan’ny mpiandraikitra ny sekoly hanome ny toroheviny mivantana amin’ny mpianatra tsirairay avy. Raha mamela hanao izany ny fotoana aorian’ny nanomezana ny torohevitra am-bava ilaina, dia azon’ilay mpanome torohevitra atao ny milaza hevitra ahitana fianarana sy azo ampiharina izay tsy noresahin’ireo mpianatra. Tokony hitandrina ny mpiandraikitra ny sekoly mba tsy handany mihoatra ny roa minitra ho an’ny torohevitra sy izay fanamarihana fohy hafa rehetra ataony aorian’ny anjaran’ny mpianatra tsirairay avy. Raha misy hokianina ny fampisehoana ireo hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly, dia azo atao ny manome torohevitra mitokana.
FANOMANANA IREO ANJARA: Ireo rahalahy manao ny anjara voalohany dia tokony hifidy loha hevitra iray rehefa ilaina izany. Ireo mpianatra tendrena hanao ny anjara faharoa dia tokony hifidy loha hevitra iray izay hahafaoka amin’ny fomba tsara indrindra ilay fanazavana. Ireo mpianatra voatendry hanao ny anjara fahatelo sy fahefatra dia tokony hampiasa ilay loha hevitra voatondro. Alohan’ny hanaovany ny anjarany, ireo mpianatra dia haniry hamaky ilay fanazavana ao amin’ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika miresaka momba ilay toetra takina amin’ny famelaberana tokony hotandremany.
FAHARETANY: Tsy tokony hisy anjara hihoatra ny fotoana. Torak’izany koa ireo torohevitra sy fanamarihana ataon’ny mpanome torohevitra. Ireo anjara faha-2 ka hatramin’ny faha-4 dia tokony hofaranana amim-pahaiza-mandanjalanja rehefa tapitra ny fotoanany. Tokony hanao izany avy hatrany ilay notendrena hanome ny “fampahafantarana ny fahataperan’ny fotoanany”. Rehefa mihoatra ny fotoana ireo rahalahy mamelabelatra ny anjara voalohany sy ireo hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly, dia tokony homena torohevitra mitokana. Tokony hitandrina tsara ny amin’ny faharetan’ny anjarany ny rehetra. Fandaharana manontolo: 45 minitra, tsy tafiditra amin’izany ny hira sy ny vavaka.
FAMERENANA AN-TSORATRA: Hisy famerenana an-tsoratra hatao ara-potoana. Ho fiomanana ho amin’izany, dia jereo indray ireo lesona nianarana ary tapero ny famakiana Baiboly tafiditra tao anatin’ilay fandaharana. Ny Baiboly ihany no boky azo ampiasaina mandritra ny famerenana haharitra 25 minitra. Ny fotoana tavela dia hatokana ho an’ny fandinihana ireo fanontaniana sy valiny. Ny mpianatra tsirairay no hitsara ny taratasiny. Handinika ny valin’ireo fanontaniana tamin’ny famerenana ny mpiandraikitra ny sekoly ka hifantoka amin’ireo sarotra kokoa, ary hanampy ny rehetra hahatakatra mazava tsara ireo valiny. Raha misy antony aneren’ny toe-javatra eo an-toerana ny hanaovana ny famerenana an-tsoratra herinandro aorian’izay voalaza eo amin’ny fandaharana, dia azo atao izany.
KONGREGASIONA LEHIBE SY KELY: Ireo kongregasiona misy mpianatra eo amin’ny 50 na mahery eo ho eo misoratra anarana amin’ny sekoly dia mety haniry ny handamina ny hisian’ny antokona mpianatra hafa hanao ireo anjara voatendry eo anoloan’ny mpanome torohevitra hafa. Mazava ho azy fa ireo olona tsy vita batisa izay manana fiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana dia mahazo misoratra anarana amin’ny sekoly koa ary hahazo anjara.
TSY FAHATONGAVANA: Ny rehetra ao amin’ny kongregasiona dia afaka mampiseho ny fankasitrahany io sekoly io amin’ny fiezahana ny ho tonga amin’ny fianarana rehetra atao isan-kerinandro, amin’ny fanomanana tsara ny anjarany ary amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fotoam-pivoriana misy fanontaniana. Antenaina fa hihevitra ny anjarany amim-pitandremana ny mpianatra rehetra. Raha tsy tonga ny mpianatra iray voatendry amin’ny fandaharana, dia azon’ny olona iray atao ny manolo-tena hanao ny anjarany, ka hanao fampiharana izay heveriny fa ho vitany ao anatin’ny fotoana fohy toy izany izy. Na azon’ny mpiandraikitra ny sekoly atao ny mamelabelatra ilay fanazavana amin’ny fampandraisana anjara ny mpanatrika rehefa mifanentana izany.
FANDAHARANA
4 Jan. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 25-27
Hira 62
No. 1: sg p. 84-88, feh. 1-9
No. 2: 1 Samoela 26:7-25
No. 3: Fianarana Momba ny Famindrampo (gt toko 40)
No. 4: Inona no Atao hoe Fampiakarana ny Fiangonana, ary Inona no Tena Hevitry ny hoe “Hakarina” ho eo Anilan’ny Tompo? (rs p. 139 feh. 1)
11 Jan. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 28-31
Hira 59
No. 1: 1 Samoela — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (si p. 55-56 feh. 27-35)
No. 2: 1 Samoela 30:7-25
No. 3: Fototry ny Fiadian-kevitra i Jesosy (gt toko 41)
No. 4: td 40A Nahoana no Tsy Mivavaka Amin’ny Razan’ny Tena?
18 Jan. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 1-4
Hira 43
No. 1: Teny Fampidirana ny 2 Samoela (si p. 57 feh. 1-5)
No. 2: 2 Samoela 1:1-4, 17-27
No. 3: Niteny Mafy Ireo Fariseo i Jesosy (gt toko 42)
No. 4: Iza moa Ireo ‘Hakarina ho eny Amin’ny Rahona’ mba Hiaraka Amin’ny Tompo? (rs p. 140 feh. 1)
25 Jan. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 5-8
Hira 42
No. 1: sg p. 88-90 feh. 10-15
No. 2: 2 Samoela 6:1-19
No. 3: Fanoharana Dimy teo Ambony Sambo (gt toko 43 feh. 1-8)
No. 4: td 40B Ny Antony Azo Anajana ny Olombelona fa Tsy Anolorana Fanompoam-pivavahana Afa-tsy Amin’Andriamanitra Ihany
1 Feb. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 9-12
Hira 40
No. 1: sg p. 90-92 feh. 1-7
No. 2: 2 Samoela 10:1-14
No. 3: Ny Soa Raisin’ireo Mpianatra avy Amin’ny Fampianaran’i Jesosy (gt toko 43 feh. 9-19)
No. 4: Rehefa ‘Hidina avy any An-danitra ny Tompo’, dia Tsy Hiseho Amin’ny Fomba Hita Maso (rs p. 140 feh. 2, 3)
8 Feb. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 13-15
Hira 91
No. 1: sg p. 92-95 feh. 8-18
No. 2: 2 Samoela 15:1-17
No. 3: Mitahy Ireo Mpianany Amin’ny Alalan’ny Fampianarana Fanampiny i Jesosy (gt toko 43 feh. 20-31)
No. 4: td 42A Ahoana no Hifaranan’ny Faharatsiana?
15 Feb. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 16–18
Hira 38
No. 1: sg p. 96-99 feh. 1-10
No. 2: 2 Samoela 18:1-17
No. 3: Mampitsahatra Tafiodrivotra Mahatahotra Iray i Jesosy (gt toko 44)
No. 4: Amin’ny Heviny Ahoana no ‘Hahitan’ny’ Olombelona ny Tompo ‘ho Avy eo Amin’ny rahona’? (rs p. 141 feh. 1)
22 Feb. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 19-21
Hira 29
No. 1: sg p. 100-103 feh. 1-12
No. 2: 2 Samoela 19:1-15
No. 3: Tonga Mpianatra ny Lehilahy Iray Azon’ny Demonia (gt toko 45)
No. 4: td 42D Nahoana ny Haramagedona no ho Fanehoana Fitiavana avy Amin’Andriamanitra?
1 Mar. Famakiana Baiboly: 2 Samoela 22-24
Hira 82
No. 1: 2 Samoela — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (si p. 61 feh. 28-31)
No. 2: 2 Samoela 22:1-4, 24-36
No. 3: Nikasika ny Akanjony Izy (gt toko 46)
No. 4: Ny Antony Tsy Ahafahan’ny Kristiana Miakatra any An-danitra Miaraka Amin’ny Vatany Ara-nofo (rs p. 141 feh. 2, 3)
8 Mar. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 1, 2
Hira 85
No. 1: Teny Fampidirana ny 1 Mpanjaka (si p. 61-62 feh. 1-5)
No. 2: 1 Mpanjaka 1:32-48
No. 3: Ranomaso Nivadika ho Faharavoana Be (gt toko 47)
No. 4: td 6A Fepetra Takina Amin’ny Kristiana ny Batisa
15 Mar. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 3-6
Hira 25
No. 1: sg p. 103-108 feh. 13-21
No. 2: 1 Mpanjaka 3:10-28
No. 3: Na dia Nanao Fahagagana aza i Jesosy dia Nolavina (gt toko 48)
No. 4: Moa ve Hiakatra any An-danitra Mangingina Ireo Kristiana Mahatoky, ka Hanjavona Amin’ny Tany Tsy ho Faty? (rs p. 142 feh. 1, 2)
22 Mar. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 7, 8
Hira 107
No. 1: sg p. 109-112 feh. 1-20
No. 2: 1 Mpanjaka 8:54-66
No. 3: Dia Fitoriana Fahatelo Nanerana an’i Galilia (gt toko 49)
No. 4: td 6B Tsy Manadio Amin’ny Fahotana ny Batisa
29 Mar. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 9-11
Hira 174
No. 1: sg p. 113-116 feh. 1-16
No. 2: 1 Mpanjaka 10:1-13
No. 3: Fampiomanana ny Mpianany mba Hiatrika Fanoherana (gt toko 50)
No. 4: Moa ve ny Kristiana Mahatoky Rehetra Horaisina avy eto An-tany Amin’ny Fomba Mahagaga Alohan’ny Fahoriana Lehibe? (rs p. 142 feh. 3, 4)
5 Apr. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 12-14
Hira 170
No. 1: sg p. 116-118 feh. 1-12
No. 2: 1 Mpanjaka 12:1-15
No. 3: Vonoana Olona Nandritra ny Fankalazana ny Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana (gt toko 51)
No. 4: td 5A Tena Ara-tsindrimandry Tokoa ve ny Baiboly?
12 Apr. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 15-17
Hira 6
No. 1: sg p. 119-121 feh. 13-28
No. 2: 1 Mpanjaka 17:1-16
No. 3: Namahana Olona An’arivony Maro Tamin’ny Fomba Mahagaga i Jesosy (gt toko 52)
No. 4: Amin’ny Fomba Ahoana no Hiarovana Ireo Kristiana Mandritra ny Fahoriana Lehibe? (rs p. 143 feh. 1, 2)
19 Apr. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 18-20
Hira 175
No. 1: sg p. 122-125 feh. 1-21
No. 2: 1 Mpanjaka 18:25-40
No. 3: Fony Nandeha teo Ambony Rano i Jesosy (gt toko 53)
No. 4: td 5D Ny Antony Maha-mpitari-dalana Azo Ampiharina Amin’Izao Andro Izao ny Baiboly
26 Apr. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny 1 Samoela 25 — 1 Mpanjaka 20
Hira 8
3 May Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 21, 22
Hira 150
No. 1: 1 Mpanjaka — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (si p. 65-66 feh. 23-26)
No. 2: 1 Mpanjaka 21:15-29
No. 3: Mofo avy any An-danitra — Fanomezana avy Amin’Iza? (gt toko 54)
No. 4: Nahoana moa ny Kristiana Sasany no Akarina ho any An-danitra, ary moa ve Izy Ireny Hiverina Indray mba Hiaina Mandrakizay eto An-tany? (rs p. 143 feh. 7-10)
10 May Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 1-3
Hira 50
No. 1: Teny Fampidirana ny 2 Mpanjaka (si p. 66-67 feh. 1-4)
No. 2: 2 Mpanjaka 2:1-14
No. 3: Ny Antony Nitsaharan’ny Maro Tsy Nanaraka an’i Jesosy (gt toko 55)
No. 4: td 5G Ho An’iza moa no Nanoratana ny Baiboly?
17 May Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 4-6
Hira 132
No. 1: sg p. 126-129 feh. 1-22
No. 2: 2 Mpanjaka 5:1-14
No. 3: Inona no Mandoto ny Olona Iray? (gt toko 56)
No. 4: Tsy Tohanan’ny Baiboly ny Fampianarana ny Amin’ny Fidirana Indray ao Amin’ny Nofo Hafa (rs p. 220 feh. 1 — p. 222 feh. 2)
24 May Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 7-9
Hira 18
No. 1: sg p. 130-133 feh. 1-20
No. 2: 2 Mpanjaka 9:1-14
No. 3: Ny Fampisehoan’i Jesosy Fangoraham-po Tamin’ireo Ory (gt toko 57)
No. 4: td 50A Mandika ny Fahamasinan’ny Ra ny Fampidiran-dra
31 May Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 10-12
Hira 119
No. 1: sg p. 133-135 feh. 1-8
No. 2: 2 Mpanjaka 10:15-30
No. 3: Manitsy Tsy Fifankahazoan-kevitra Iray i Jesosy (gt toko 58)
No. 4: Tsy Mamela ny Hisian’ny Fidirana Indray ao Amin’ny Nofo Hafa ny Fampianaran’ny Baiboly Momba ny Fanahy (Âme) sy ny Fahafatesana (rs p. 222 feh. 3 — p. 223 feh. 2)
7 Jona Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 13-15
Hira 168
No. 1: sg p. 135-138 feh. 9-21
No. 2: 2 Mpanjaka 13:14-25
No. 3: Iza Marina Tokoa moa i Jesosy? (gt toko 59)
No. 4: td 50B Tokony Hovonjen’ny Tena na Amin’ny Fomba Ahoana na Amin’ny Fomba Ahoana ve ny Ain’ny Tena?
14 Jona Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 16-18
Hira 181
No. 1: sg p. 139-142 feh. 1-19
No. 2: 2 Mpanjaka 17:1-15
No. 3: Fahitana Mialoha ny Voninahitry ny Fanjakan’i Kristy (gt toko 60)
No. 4: Fahasamihafana Inona avy no Misy eo Amin’ny Fidirana Indray ao Amin’ny Nofo Hafa sy ny Fanantenana Voarakitra ao Amin’ny Baiboly? (rs p. 223 feh. 3, 4)
21 Jona Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 19-22
Hira 144
No. 1: sg p. 143-145 feh. 1-15
No. 2: 2 Mpanjaka 19:14-28, 35
No. 3: Ny Herin’ny Finoana (gt toko 61)
No. 4: td 24A Ahoana no Ahafantarantsika fa Nifarana Tamin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa?
28 Jona Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 23-25
Hira 213
No. 1: 2 Mpanjaka — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (si p. 70-71 feh. 33-36)
No. 2: 2 Mpanjaka 23:1-15
No. 3: Fianarana Momba ny Fanetren-tena (gt toko 62)
No. 4: Nahoana no Misy Fivavahana Be dia Be toy Izao, ary Iza no ao Ambadik’izany? (rs p. 262 feh. 3-5)
5 Jol. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 1-3
Hira 105
No. 1: Teny Fampidirana ny 1 Tantara (si p. 71-72 feh. 1-7)
No. 2: 1 Tantara 3:1-16
No. 3: Mitandrema mba Tsy Hanafintohina ny Hafa (gt toko 63)
No. 4: td 9A Iza Ilay Tena Eglizy sy ny Fanorenany?
12 Jol. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 4-6
Hira 110
No. 1: sg p. 145-148 feh. 16-34
No. 2: 1 Tantara 5:1-17
No. 3: Fianarana Momba ny Famelan-keloka (gt toko 64)
No. 4: Ny Antony Tsy Aneken’Andriamanitra ny Fivavahana Rehetra (rs p. 263 feh. 1 — p. 264 feh. 2)
19 Jol. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 7-10
Hira 151
No. 1: sg p. 149-150 feh. 1-8
No. 2: 1 Tantara 7:1-12
No. 3: Dia Nangingina Nankany Jerosalema (gt toko 65)
No. 4: td 9E I Petera ve Ilay “Vatolampy”?
26 Jol. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 11-14
Hira 155
No. 1: sg p. 150-153 feh. 9-21
No. 2: 1 Tantara 13:1-14
No. 3: Loza Tamin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely (gt toko 66)
No. 4: Rehefa Mety ny Handaozana ny Fivavahan’ny Ray Aman-drenin’ny Tena (rs p. 264 feh. 3 — p. 265 feh. 1)
2 Aog. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 15-18
Hira 156
No. 1: sg p. 153-156 feh. 1-14
No. 2: 1 Tantara 17:1-15
No. 3: Ny Anton’ny Tsy Nahasamboran’ireo Mpitandro ny Filaminana an’i Jesosy (gt toko 67)
No. 4: td 16A Moa Ve ny Tena Siansa Mifanaraka Amin’ny Baiboly?
9 Aog. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 19-22
Hira 2
No. 1: sg p. 156-158 feh. 15-24
No. 2: 1 Tantara 22:6-19
No. 3: Ny Fiavian’i Jesosy avy any An-danitra ary ny Hoaviny any An-danitra (gt toko 68 feh. 1-11)
No. 4: Ny Fomba Fihevitry ny Baiboly Momba ny Fanakambanam-pinoana (rs p. 265 feh. 2 — p. 266 feh. 2)
16 Aog. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 23-26
Hira 121
No. 1: sg p. 158-160 feh. 1-9
No. 2: 1 Tantara 23:1-5, 24-32
No. 3: Ny Fahamarinana Izay Manafaka ny Olona (gt toko 68 feh. 12-16)
No. 4: td 16B Andro 24 Ora ve ny Andro Famoronana Iray?
23 Aog. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 27-29
Hira 88
No. 1: 1 Tantara — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (si p. 75 feh. 22-25)
No. 2: 1 Tantara 27:23-33
No. 3: Ny Raharaha ny Amin’izay Rain’Izy Ireo (gt toko 69)
No. 4: Ny Antony Tsy Maintsy Maha-voalamina ny Fivavahana Marina (rs p. 266 feh. 3 — p. 267 feh. 2)
30 Aog. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny 1 Mpanjaka 21 — 1 Tantara 29
Hira 217
6 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 1-5
Hira 191
No. 1: Teny Fampidirana ny 2 Tantara (si p. 75-76 feh. 1-6)
No. 2: 2 Tantara 5:1-14
No. 3: Fanasitranana Lehilahy Iray Teraka Jamba (gt toko 70)
No. 4: td 46A Nahoana i Jesosy no Nahantona teo Amin’ny Hazo?
13 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 6-8
Hira 47
No. 1: sg p. 160-163 feh. 10-24
No. 2: 2 Tantara 7:1-16
No. 3: Nahasadaikatra Ireo Fariseo ny Mpangataka Iray (gt toko 71)
No. 4: Ny Antony Ilana Zavatra Mihoatra Noho ny Fitiavana ny Namana (rs p. 267 feh. 4)
20 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 9-12
Hira 201
No. 1: sg p. 163-165 feh. 1-9
No. 2: 2 Tantara 9:1-14
No. 3: Naniraka Ireo 70 i Jesosy (gt toko 72)
No. 4: td 46B Tokony Hivavaka Amin’ny Lakroa ve ny Kristiana?
27 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 13-17
Hira 202
No. 1: sg p. 165-167 feh. 10-21
No. 2: 2 Tantara 13:8-22
No. 3: Iza moa no Tena Namantsika? (gt toko 73)
No. 4: Ny Antony Ilana Zavatra Mihoatra Noho ny Fifandraisana Manokana Amin’Andriamanitra (rs p. 267 feh. 5 — p. 268 feh. 1)
4 Okt. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 18-21
Hira 172
No. 1: sg p. 168-170 feh. 1-14
No. 2: 2 Tantara 19:1-11
No. 3: Ny Fananarana Nomen’i Jesosy an’i Marta (gt toko 74 feh. 1-5)
No. 4: td 11A Nahoana ny Olona no Maty?
11 Okt. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 22-25
Hira 161
No. 1: sg p. 170-171 feh. 15-22
No. 2: 2 Tantara 23:1-15
No. 3: Ny Ilana Hiaretana Amin’ny Vavaka (gt toko 74 feh. 6-9)
No. 4: Ny Antony Tsy Maha-ampy ny Famakiana ny Baiboly Fotsiny (rs p. 268 feh. 2, 3)
18 Okt. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 26-28
Hira 222
No. 1: sg p. 172-175 feh. 1-13
No. 2: 2 Tantara 26:11-23
No. 3: Ny Fihetsika Araka ny Tokony ho Izy eo Anoloan’ireo Fahagagan’i Jesosy (gt toko 75)
No. 4: td 11B Manao Ahoana ny Toetran’ny Maty?
25 Okt. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 29, 30
Hira 34
No. 1: sg p. 175-177 feh. 1-14
No. 2: 2 Tantara 30:1-12
No. 3: Manala Sarona Ireo Fariseo sy Mpahay Lalàna i Jesosy (gt toko 76)
No. 4: Miorina Amin’ny Baiboly ny Fivavahana Marina ary Mampahafantatra ny Anaran’Andriamanitra (rs p. 268 feh. 4, 5)
1 Nov. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 31-33
Hira 215
No. 1: sg p. 177-181 feh. 15-29
No. 2: 2 Tantara 32:10-22
No. 3: Mandamina Ilay Raharaha Momba ny Lova i Jesosy (gt toko 77)
No. 4: td 11D Afaka Miresaka Amin’ny Maty ve ny Velona?
8 Nov. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 34-36
Hira 211
No. 1: 2 Tantara — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (si p. 80 feh. 34-36)
No. 2: 2 Tantara 34:22-33
No. 3: Mampirisika ny Mpianany mba Ho Vonona Hatrany ho Amin’ny Fiverenany i Jesosy (gt toko 78)
No. 4: Maneho Finoana Marina an’i Jesosy Kristy ny Fivavahana Marina (rs p. 269 feh. 1)
15 Nov. Famakiana Baiboly: Ezra 1-3
Hira 195
No. 1: Teny Fampidirana ny Ezra (si p. 81-82 feh. 1-7)
No. 2: Ezra 3:1-13
No. 3: Firenena Nafoy Iray, Nefa Tsy Izy Manontolo (gt toko 79 feh. 1-5)
No. 4: td 7A Iza moa ny Devoly?
22 Nov. Famakiana Baiboly: Ezra 4-7
Hira 177
No. 1: sg p. 181-184 feh. 1-14
No. 2: Ezra 6:1-13
No. 3: Famaliana Ireo Izay Manohitra ny Fanasitranana Amin’ny Sabata (gt toko 79 feh. 6-9)
No. 4: Tsy Fanarahana Fombafomba ny Fivavahana Marina fa Fomba Fiaina (rs p. 269 feh. 2)
29 Nov. Famakiana Baiboly: Ezra 8-10
Hira 148
No. 1: Ezra — Ny Antony Ahitana Soa avy Aminy (si p. 83 feh. 14-18)
No. 2: Ezra 9:1-9, 15
No. 3: Ireo Valan’ondry sy ny Mpiandry Ondry (gt toko 80)
No. 4: td 7B Iza moa no Filoha Tsy Hita Mason’Izao Tontolo Izao?
6 Des. Famakiana Baiboly: Nehemia 1-3
Hira 53
No. 1: Teny Fampidirana ny Nehemia (si p. 84 feh. 1-5)
No. 2: Nehemia 3:1-14
No. 3: Ny Antony Nanandraman’izy Ireo Hamono an’i Jesosy (gt toko 81)
No. 4: Mifankatia Ireo Mpikambana ao Amin’ny Fivavahana Marina Sady Mihataka Amin’Izao Tontolo Izao (rs p. 269 feh. 3, 4)
13 Des. Famakiana Baiboly: Nehemia 4-6
Hira 143
No. 1: sg p. 184-187 feh. 15-34
No. 2: Nehemia 6:1-13
No. 3: Iza no ho Voavonjy? (gt toko 82 feh. 1-6)
No. 4: td 7E Avy Aiza moa Ireo Demonia?
20 Des. Famakiana Baiboly: Nehemia 7, 8
Hira 123
No. 1: sg p. 187-191 feh. 1-13
No. 2: Nehemia 8:1-12
No. 3: Ireo Zavatra Nataony Teny An-dalana ho any Jerosalema (gt toko 82 feh. 7-11)
No. 4: Vavolombelona Marisika Avokoa ny Mpikambana Rehetra ao Amin’ny Fivavahana Marina (rs p. 270 feh. 1)
27 Des. Famerenana An-tsoratra. Tapero ny 2 Tantara — Nehemia 8
Hira 111