FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/92 p. 9-10
  • Famerenana An-tsoratra ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana An-tsoratra ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 12/92 p. 9-10

Famerenana An-tsoratra ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika

Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanelanelana ny 7 Septambra sy ny 21 Desambra 1992. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana ny valin-teny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.

[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]

Valio hoe “marina” na “diso” ireto fanambarana manaraka ireto:

1. Tsara indrindra ny mianatra tsianjery ny lahateny iray mba tsy hampiasana fanamarihana an-tsoratra mihitsy. [sgMG p. 63 fehin. 17]

2. Mba hanatsarana ny toetran’ny feonao, dia mahasoa ny hihainoana amin’ny fandraisam-peo ny feonao manokana. [sgMG p. 64 fehin. 3]

3. Tsy mila fahaiza-mandanjalanja isika rehefa miresaka amin’ny mpianakavintsika izay tsy mpino. [sgMG p. 72 fehin. 12]

4. Ny fampiasana fanontaniana hahalalana ny hevitr’ilay olona dia tena mahasoa amin’ny fanohinana ny fony. [sgMG p. 76, fehin. 10]

5. Ny fijanonan’ilay namono olona tsy nahy tao amin’ny tanàna fandosirana, dia hanamafy aminy ny maha-ratsy izay nataony sy ny maha-lehibe ny famindram-pon’i Jehovah koa, amin’ny famelana azy hahita fialofana. (Josoa 20:6). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wF 15/8/73 p. 496.]

6. Araka ny voalazalazan’ny fitantarana ao amin’ny Mpitsara 6:37-39, dia malina loatra i Gideona. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 1/7/88 p. 30.]

7. Na dia tsy tena nahita an’Andriamanitra aza i Manoa, dia toy izany no tsapany, satria nahita ilay anjely mpitondra tenin’Andriamanitra izy. (Mpits. 13:22). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 15/8/88 p. 23.]

8. Mandrakariva dia tsy ampidirina ho anisan’ireo mpitsara izay nanompo taorian’i Josoa i Samoela sy ny zanany lahy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 1/6/86 p. 31.]

9. Na dia tsy mpisorona aza i Samoela, dia nety ny nataony tamin’ny fanolorana fanatitra, araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Samoela 10:8. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wF 1/4/72 p. 224.]

10. Tamin’ny nanomezany ny akanjony, ny sabany, ny tsipìkany, ary ny fehikibony an’i Davida, dia nampiseho i Jonatana fa nanaiky sady nanoa an’i Davida ho toy ilay voahosotra ho mpanjaka izy. (1 Samoela 18:3, 4). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/4/89 p. 24, fehin. 4.]

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

11. Nahoana no rariny ny nandidian’i Jehovah ny hamongorana ireo mpanompo an’i Bala? [siF p. 47 fehin. 8.]

12. Inona avy ireo tombontsoa roa azo amin’ny fanaovana lahateny an-tehaka? [sgMG p. 59-60, fehin. 5-7]

13. Ahoana no azo amaritana ny fahaiza-mandanjalanja? [sgMG p. 69, fehin. 2]

14. Rehefa mampianatra olon-kafa isika, nahoana no tsy maintsy miezaka ny hanao mihoatra noho ny fampitana fahalalana fotsiny? [sgMG p. 75, fehin. 7, 8]

15. Ankoatra ny resaka, inona no tafiditra amin’ny firesahana? [sgMG p. 79, fehin. 3]

16. Raha manjary tsy mampandroso ny resaka ataon’ny antokon’olona iray, inona no azontsika atao manokana momba izany? [sgMG p. 83, fehin. 22]

17. Noho izay voalaza ao amin’ny Mpitsara 4:4, moa ve azo heverina ho iray tamin’ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely fahiny i Debora? Hazavao. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/86 p. 31.]

18. Nahoana i Samsona no nankao an-tranon’ny vehivavy janga iray tao amin’ny tanàna filistin’i Gaza? (Mpits. 16:1). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 1/9/79 p. 32.]

19. Nahoana i Jehovah no ‘nanenina noho ny nanaovany an’i Saoly ho mpanjaka’? (1 Sam. 15:10, 11). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa gF 22/3/77 p. 28.]

Omeo ny teny na fehezanteny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:

20. Ny fisehoan-javatra tsy fahita firy avy amin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Josoa 10:10-14 dia fampahatsiahivana mahery ny ․․․․․․․․. [siF p. 44, fehin. 23]

21. Mandrakariva dia tokony ho eo amin’ny ․․․․․․․․ santimetatra eo ho eo avy eo amin’ny fanamafisam-peo ny vavanao. [sgMG p. 68, fehin. 19]

22. Noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, dia afaka ny ho matanjaka ara-panahy toy ny naha-natanjaka ara-batana an’i ․․․․․․․․ isika, nefa, tsy maintsy mivavaka amin’i Jehovah isika ary miantehitra aminy. [siF p. 49, fehin 28]

23. Ny bokin’ny Rota dia manamafy ny fikasan’i Jehovah hanome ․․․․․․․․. [siF p. 49, fehin. 1]

24. Ny fitantarana ao amin’ny Mpitsara 19:15 dia milaza toe-javatra tsy nahazatra, tsy nanehoan’ny Isiraelita ․․․․․․․․. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wF 15/9/75 p. 551.]

25. Ny lalàn’Andriamanitra momba ny ․․․․․․․․ dia tsy azo ailika rehefa misy toe-javatra mahamaika. (1 Sam. 14:31-34). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 1/12/86 p. 25.]

Fidio ny valin-teny marina ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana ireto:

26. Ny fanoratana ny bokin’ny Mpitsara dia vita (tany amin’ny 1090 tany ho any; tany amin’ny 1100 tany ho any; 1078) al.f.i. [siF p. 45, fehin. 3, sy faritra voafefy]

27. I (Rota; Rahaba; Debora) dia nandao ny taniny mba hanarahana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ary nanaporofo tamin’izany fa tsy nivadika sy nankato, ary olona vonon-kiasa izy. [siF p. 51, fehin. 9]

28. Tamin’ny taona (917; 1017; 1117) al.f.i., dia nitranga ny fiovana nanan-tantara teo amin’ny fandaminam-pirenen’ny Isiraely. [siF p. 51, fehin. 1]

29. Ireo mpanoratra ny bokin’ny 1 Samoela dia ry (Samoela; Gada; Natana; Davida; Saoly). [siF p. 51-52, fehin. 2]

30. Ilay nanome voninahitra ny mpianakaviny mihoatra noho Andriamanitra dia i (Manoa; Ely; Saoly). (1 Sam. 2:29, 30). [10, Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 15/3/88 p. 16, fehin. 8.]

Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana milahatra eto ambany ireto andinin-teny manaraka ao amin’ny Soratra Masina ireto:

Josoa 22:9-31; Mpits. 8:23; Rota 2:9; 1 Sam. 21:13-15; Efes. 5:3, 4

31. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho amintsika hoe karazan-teny inona no tokony hohalavirina amin’ny resaka ataontsika andavanandro. [sgMG p. 56, fehin. 9]

32. Tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fikasikasiham-behivavy tsy misy farany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 15/6/87 p. 5.]

33. Rehefa mahita zava-manahirana isika, dia antenain’i Jehovah ny hampiasantsika ny saintsika fa tsy hiandry azy fotsiny mba handamina ny raharaha ho antsika. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa 15/7/87 p. 19, fehin. 14.]

34. Tokony hanohitra ny fakam-panahy hampiasa ny fahefany amin’ny fomba ratsy ny olombelona tsy tanteraka. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 15/11/86 p. 11, fehin. 13.]

35. Ny fahaiza-manavaka dia hanampy antsika tsy hihevitra ny hafa ho manana antony manosika ratsy rehefa misy zavatra ataony. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo koa wMG 1/2/87 p. 23, fehin. 10.]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara