Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Janoary
Herinandron’ny 5 Janoary
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
17 min: “Mifalia Amin’ny Fanaovana Fanambarana Feno”. Fiaraha-midinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Asongadino ireo zava-dehibe amin’ny fomba fampiseho mandaitra: 1) Manao fiarahabana amim-pisakaizana, 2) manao fanazavana na mametraka fanontaniana momba ny foto-kevitra mahaliana amin’io fotoana io, sy 3) miresaka andinin-teny iray ao amin’ny Soratra Masina mifanentana amin’izany, ary 4) misarika ny fahalianana ho amin’ny zavatra vita an-tsoratra atolotra. Asio mpitory mahay iray manao fampisehoana ny fomba fampiseho nanoroana hevitra sy ny fiverenana mitsidika mifanentana amin’izany.
20 min: Miomàna Dieny Izao mba Hanohana ny Lalàn’Andriamanitra Momba ny Ra. Loholona mahay iray miresaka ny maha-zava-dehibe ny famenoana ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra. Asehon’ny fitarihan-dalana ara-tsindrimandry ao amin’ny Salamo 19:7 fa mariky ny lalàn’Andriamanitra tanteraka momba ny ra ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29. Miezaka mafy mba hanohana io lalàna io ireo mpivavaka tsy mivadika. Ireny karatra ireny dia mampahafantatra ny fahatapahan-kevitrao hanao izany, ka hisolo tena anao rehefa tsy afaka miteny ho an’ny tenanao ianao. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 22:3.) Manao fanambarana araka ny toetr’andro ny fandavanao tsy handray ra, ny karatra vaovao iray. Aorian’itỳ fivoriana itỳ, ireo Vavolombelona vita batisa maniry ny hahazo karatra vaovao dia homena iray, ary ireo izay manan-janaka tsy ampy taona mbola tsy vita batisa dia hahazo Karatra Famantarana ho an’ny ankizy tsirairay. Tsy hofenoina anio ireny karatra ireny. Tokony hofenoina amim-pitandremana any an-trano izy ireny, nefa TSY hosoniavina. Ny fanaovana sonia sy ny fitsanganana ho vavolombelona ary ny fametrahana ny daty amin’ireo karatra rehetra, dia hatao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona manaraka, eo ambany fanaraha-mason’ny mpitarika ny fianarana ny boky. Izany dia hahatonga antsika hahazo antoka fa mahazo ny fanampiana ilainy ireo rehetra notendrena amin’izany fianarana ny boky izany, ka maniry ny hanao io fitakiana mialoha ara-pitsaboana io. Ireo manao sonia amin’ny maha-vavolombelona dia tokony hahita maso tokoa an’ilay tompon-karatra manao sonia ilay karatra. Izay rehetra tsy tonga amin’io fotoana io ka maniry ny hameno sy hanao sonia an’ilay karatra dia hampian’ireo mpitarika fianarana ny boky/loholona, amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana manaraka. Hitohy izany mandra-pahafeno araka ny tokony ho izy ny karatr’ireo mpitory vita batisa rehetra. (Jereo ny taratasy tamin’ny 15 Oktobra 1991.) Amin’ny fanamboarana ny fehezanteny avy ao amin’io karatra io mba hifanaraka amin’ny tarehin-javatra misy azy sy ny fahatapahan-keviny, ireo mpitory tsy vita batisa dia afaka manoratra ny firaketan’izy ireo mba hampiasain’ny tenany sy ireo zanany.
Herinandron’ny 12 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: “Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Ireo Taratasy Fanasana”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ampidiro ny fitantarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1996, pejy faha-13, fehintsoratra faha-15.
20 min: “Manome Hery Mihoatra Noho ny Mahazatra i Jehovah”. Fanontaniana sy valiny. (Jereo wMG 15/10/90 p. 19, fehintsoratra faha-15-16.) Asio mpitory sasany mitantara fanandraman-javatra mampahery, mampiseho ny fomba nanatanjahan’i Jehovah azy ireny.
Herinandron’ny 19 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: Fianaram-pianakaviana Mitondra Fifaliana. Mpivady miresaka ny zavatra ilain’ny fianakaviany eo amin’ny ara-panahy. Noho ny fanahian’izy ireo ny voka-dratsin’ny hery mitaonan’izao tontolo izao eo amin’ireo zanany, dia tsapan’izy ireo ny ilana hanatanjahana ny fahasalamana ara-panahin’ireo zanany, nefa manaiky izy ireo fa tapatapaka ny fianaram-pianakaviany ary matetika tsy mahomby. Miara-mijery ny fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hitarihana fianaram-pianakaviana misy heviny, izay nomena ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1997, pejy faha-26-29, izy ireo. Samy tapa-kevitra izy ireo ny hanaraka izany, amin’ny fiarovana ny fahasalamana ara-panahin’ireo zanany.
Herinandron’ny 26 Janoary
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ny zavatra atolotra amin’ny Febroary. Manonòna hevitra iray na roa avy amin’ny boky Fanambarana, izay mety hanampy amin’ny fametrahana azy io.
15 min: “Manehoa Fanajana ny Toerana Fanaovana Fanompoam-pivavahana Amin’i Jehovah”. Fanontaniana sy valiny. Hataon’ny loholona iray, izay tokony hanao fampiharana eo an-toerana, amin’ny fomba feno hatsaram-panahy.
18 min: Fanaovana Tatitra ny Anjarantsika Tamin’ny Asa Fanambarana Maneran-tany. (Miorina amin’ny boky Ny Fanompoantsika pejy faha-100-102, 106-110.) Lahateny sy fiaraha-midinika hataon’ny mpitan-tsoratra. Rehefa avy nampiseho ny zava-nitranga taloha araka ny Soratra Masina, mahakasika ny fanaovana tatitra tsy tapaka ny asantsika izy, dia manasa mpanampy amin’ny fanompoana roa hiara-midinika ilay lohatenikely hoe “Ny antony anaovantsika filazana asa”. Avy eo, ilay mpitan-tsoratra dia maneho ny maha-zava-dehibe ny famerenana avy hatrany tatitra marina. Hamafisiny ny hoe nahoana no mahasoa ny famerana zava-kendrena manokana, ary faranany amin’ny fanazavana mampahery momba ny fitahiana azon’ireo mandray anjara feno amin’ny asa fanambarana.