Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika nanomboka ny herinandron’ny 3 May ka hatramin’ny herinandron’ny 23 Aogositra 1999. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ny fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Tsy tokony hampandefitra ireo foto-pitsipika ara-baiboly ny ray aman-dreny mba hifampiraharahana araka ny antonony amin’ireo zanany. [fy p. 108 feh. 14]
2. Ny loha hevitry ny Baiboly manontolo dia ny fanamarinana an’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana hotapahin’ilay “taranaka” nampanantenaina. (Gen. 3:15). [si p. 17 feh. 30]
3. Vitsy dia vitsy ireo porofo arkeôlôjika sy porofo ivelany hafa manamarina ny maha araka ny marina tsara ireo fisehoan-javatra voatantara ao amin’ny Eksodosy. [si p. 20 feh. 4]
4. Ireo miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny dia tsy afaka mandray anjara ara-bola amin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. [wMG 15/9/97 p. 5 feh. 8]
5. Ny famaliana babena an’ireo ray aman-dreny sy raibe aman-drenibe dia anisan’ny fanompoam-pivavahantsika amin’i Jehovah. (1 Tim. 5:4). [wMG 1/9/97 p. 4 feh. 1-2]
6. Ny fitandremana ny Sabata dia famantarana teo amin’i Jehovah sy ny firenena rehetra, tany am-boalohany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo rs p. 362 feh. 3.]
7. Rehefa mihalehibe ny zaza iray ka manomboka mandray fanapahan-kevitra manokana, dia mihamizaka andraikitra amin’ny zavatra ataony, indrindra raha ny amin’ny lalàn’Andriamanitra. (Rom. 14:12). [fy p. 134 feh. 17]
8. Ny taona 1513 al.f.i. no nanoratan’i Mosesy ny bokin’ny Levitikosy. [si p. 25 feh. 3-4]
9. Ny tenin’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Lioka 21:20, 21, dia tanteraka tamin’ny 66 am.f.i. rehefa nihataka avy tao Jerosalema ny tafika romanina teo ambany fitarihan’ny Jeneraly Titus. [wMG 1/4/97 p. 5 feh. 3-4]
10. Nampidi-doza ho an’ny Kristianina ny fampianaran’i Épicure satria niorina tamin’ny fomba fijeriny tsy nisy finoana voalazalaza ao amin’ny 1 Korintiana 15:32. [wMG 1/11/97 p. 24 feh. 4]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Inona no lesona ianarantsika avy amin’ilay fandrarana tsy hihinan-jabora voalaza ao amin’ny Levitikosy 3:17? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/84 p. 28 feh. 4.]
12. Nahoana no navelan’i Jehovah hisy i Satana Devoly? (Eks. 9:15, 16). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/92 p. 17 feh. 14.]
13. Rehefa miatrika aretina lehibe ny mpianakavy iray, inona avy ireo dingana voalohany tokony hataon’ny fianakaviana mba hamerana ireo zavatra homena ny laharam-pahamehana? (Ohab. 15:22). [fy p. 122 feh. 14]
14. Tamin’ny heviny ahoana ny firenen’ny Isiraely no “fanjakà-mpisorona”? (Eks. 19:6). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/95 p. 16 feh. 8.]
15. Inona no fahasamihafana eo amin’ny maso “tsara”, na “tsotra” (NW) sy ny maso “ratsy”? (Matio 6:22, 23). [wMG 1/10/97 p. 26 feh. 5]
16. Nahoana i Davida no azo lazaina fa nandeha ‘tamin’ny [tsy fivadihan’ny fo, NW] sy ny fahamarinana’ nefa izy nanao fahadisoana maro? (1 Mpanj. 9:4). [wMG 1/5/97 p. 5 feh. 2]
17. Tandindon’ireo tombontsoa inona amin’izao andro maoderina izao, ny nanaovan’ny Isiraelita zavatra ‘araka izay nandidian’i Jehovah’, nifandray tamin’ny tabernakely? (Eks. 39:32). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/95 p. 12 feh. 9.]
18. Inona no asehon’ny nampihariharian’i Jehovah ny tenany ho “Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay”? (Eks. 3:14). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/3/95 p. 10 feh. 6.].
19. Inona no lesona tsoahina avy amin’izay niseho tamin’i Nadaba sy i Abiho, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Levitikosy 10:1, 2? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/84 p. 28 feh. 5.]
20. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, nahoana ny fiterahana no nahatonga ny vehivavy “haloto”? (Lev. 12:2, 5). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/84 p. 28 feh. 7.]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Na dia tsy misy fanafody mahagaga ho an’ny fahatsiarovana ho manirery aza, ny ray na ny reny mitaiza irery ny zanany dia afaka miaritra izany noho ny hery avy amin’i _________________________ , azo amin’ny alalan’ny _________________________ tsy an-kijanona. (1 Tim. 5:5, NW). [fy p. 113 feh. 21]
22. Ny loza mitranga eo amin’ny fiainana dia mety ho vokatry ny _________________________ na noho ny _________________________ tenantsika. [wMG 15/5/97 p. 22 feh. 7]
23. Ny bokin’ny Eksodosy dia mampiharihary an’i Jehovah ho ilay _________________________ sy _________________________ lehibe ary _________________________ ireo fikasany misandratra. [si p. 24 feh. 26]
24. Ny maha isika antsika ao amin’ny _________________________ , fa tsy eny _________________________ , no mampiharihary marina ny tena ao anatintsika. [wMG 15/10/97 p. 29 feh. 3]
25. Raha misy ifandraisana amin’ny _________________________ na ny _________________________ ireo fetin’ny santa-bary, dia mety hanalavitra ny tsy hampifaly an’i Jehovah ny Kristianina marina amin’ny fandavana izay mety ho _________________________ amin’ny fanompoam-pivavahana voaloto toy izany. [wMG 15/9/97 p. 9 feh. 6]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Ireo “efa-jato taona” nampahoriana ny taranak’i Abrahama, dia nanomboka rehefa nihomehy an’i Isaka tamin’ny (1943; 1919; 1913) al.f.i. i Isimaela, ary nifarana tamin’ny fanafahana avy tao Ejipta tamin’ny (1543; 1519; 1513) al.f.i. (Gen. 15:13). [si p. 17 feh. 31]
27. Ny hoe hiatrika amim-pahombiazana ny aretina lehibe iray ny fianakaviana iray na tsia, dia miankina be dia be amin’ny (fananam-bola; fihetsika; fananana fiantohana) eo amin’ireo mpianakavy ao aminy. (Ohab. 17:22). [fy p. 120 feh. 10]
28. Izay manao anakampo hoe “tsy misy Andriamanitra” dia antsoina hoe “adala” noho izy (misy tsy fahampiana eo amin’ny ara-pitondran-tena; tsy nahita fianarana; tsy manana fahaiza-misaina). (Sal. 14:1). [wMG 1/10/97 p. 6 feh. 8]
29. Rehefa nikomy i Adama sy i Eva, ny zava-dehibe indrindra nafoiny dia ny (fahatanterahany; fifandraisany tamin’Andriamanitra; fonenany zaridaina), izay fanalahidin’ny fahasambarany. [wMG 15/10/97 p. 6 feh. 2]
30. Ny bokin’ny (Genesisy; Eksodosy; Levitikosy) dia manonona ny fepetra takina ho amin’ny fahamasinana, matetika kokoa noho ny boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly. [si p. 26 feh. 9]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Eks. 5:2; 21:29; Ohab. 1:8; Gal. 5:20; Jak. 1:14, 15
31. Izay rehetra mihambo ho Kristianina, nefa manaiky ho resin’ny fipoahan’ny fahatezerana amin-kerisetra miverimberina sy tsy misy fibebahana, izay mahafaoka fitondrana ratsy ara-batana ny mpianakaviny, dia azo roahina. [fy p. 150 feh. 23]
32. Ny fomba anaovantsika zavatra dia manomboka amin’ny fomba isainantsika. [fy p. 148 feh. 18]
33. I Jehovah Andriamanitra dia mampietry izay rehetra sahy tsy manaiky ny maha Andriamanitra azy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/92 p. 13 feh. 18.]
34. Na dia ny ray aza no anankinan’ny Baiboly ny andraikitra voalohany hampianatra ireo ankizy, dia manana anjara asa lehibe koa ny reny. [fy p. 133 feh. 12]
35. Ny Lalàna dia tsy nanaiky ny fanaovana tsirambina ho antony nahazoana famindram-po, rehefa nisy olona maty noho izany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/11/95 p. 11 feh. 5.]