Ampiasao Tsara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Nahazo fanomezana faran’izay tsara avy amin’i Jehovah isika tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra! Efa ela no niandrasantsika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny malagasy. Mampiasa tsara azy io ve isika rehefa manompo? Mampirisika ny hafa hampiasa azy io ve isika, ary manampy azy handray soa avy amin’ireo lafiny maro samy hafa amin’izy io? Hanampy antsika hankasitraka kokoa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ity lahatsoratra ity, ary hampirisika antsika hampiasa tsara kokoa azy io rehefa manompo sy mianatra samirery. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hampiasa ny lafiny rehetra amin’izy io.
LOHATENY AMBONY PEJY: Eny ambony indrindra amin’ny pejy tsirairay no misy azy, ary manampy mba hahitana haingana ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Ohatra: pejy 1367—“Halako ny fisaraham-panambadiana.” Misy lohateny maromaro eo ambony pejy iray indraindray, ary faingo na teboka na teboka amam-paingo no manasaraka azy. Mamintina ny hevitra ao amin’io pejy io ilay lohateny. Ohatra: pejy 16—Noa. Nefilima. Be ny faharatsiana.
FIZAHAN-TENY: Misy fizarana atao hoe “Fanondroana Teny ato Amin’ny Baiboly” any amin’ny farany. Manampy antsika izy io mba hahita andinin-teny mifandray amin’ny fampianarana fototra, toy ny hoe “Fasana”, “Vavaka”, “Fanjakana”, “Ra”, ary “Vidim-panavotana.” Afaka manampy antsika handalina foto-kevitra iray ao amin’ny Baiboly ny andinin-teny rehetra mifandray amin’izy io. Misy andinin-teny mifandray amin’ny anarana koa ao amin’io fizahan-teny io, anisan’izany ny anaran-toerana sy anaran’olona miavaka ao amin’ny Baiboly.
Misoratra eo ilay teny na fitambaran-teny sy ny andinin-teny misy azy. Matetika no misoratra eo akaiky eo koa ny ampahany amin’ilay andinin-teny. Ny litera voalohany amin’ilay teny tadiavina no misoratra eo, ary amin’ny sora-matevina. Ohatra: Raha mitady andinin-teny misy ny hoe “andro farany”isika, dia ilay litera a ihany no misoratra eo miaraka amin’ny ampahan’ilay andinin-teny. Natambatra ho lisitra iray ny matoantenin’ny atao sy iharana. Ohatra: ATAO: Oh 3:6: h.ny mandeha ... (hoavy); 2Ko 5:10: valin’izay n. ... (lasa); Ro 12:11: Aza malaina amin’izay a. (ankehitriny). Natambatra ho lisitra iray koa ny teny sasany, izay miova ny litera manomboka azy rehefa mikambana amin’ny teny hafa izy. Ohatra: VAVA: Js 1:8: tsy ho afaka am-b.nao. Mora hita ny hevitra amin’izay, na tsy mitovy aza ny endriky ny matoanteny, na mikambana amin’ny teny hafa ny teny iray. Tonga dia azon’ny mpitory ampiasaina ilay ampahan’ny andinin-teny voalaza eo, rehefa miresaka momba ny foto-kevitra iray izy.
FANAZAVANA FANAMPINY: Nalahatra araka ny sokajiny avy ny lahatsoratra ao. Natao hanampiana antsika hanazava fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly sy hevitra mifandray amin’izany izy ireo. Misy fanazavana momba ny vola, lanja, refy, volana ao amin’ny Baiboly ary toerana sy sarintany, any amin’ny farany. Nasiana fanondroam-pejy koa eo am-piandohana (pejy 1850), mba hahitana an’ireo foto-kevitra resahina, sy ny pejy misy azy. Hanampy olona maro handalina ny Soratra Masina ireo fanazavana ireo, ary hahatonga azy ho vonona kokoa hiaro ny fahamarinana.—1 Pet. 3:15.
Hojerentsika izao hoe ahoana no azontsika ampiasana tsara ny Fanazavana Fanampiny, eny amin’ny fanompoana. Fantatsika tsara izay voalazan’ny Fandikan-teny Protestanta ao amin’ny Ezekiela 18:4, manao hoe: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” Milaza anefa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hoe: “Izay manota no ho faty.” Iza amin’ireo no marina? Misy fanamarihana ambany pejy eo, izay milaza amintsika ny teny hebreo nampiasaina tany am-boalohany (nefesh), ary manondro ny Fanazavana Fanampiny 3A. Mahaliana ny fanazavana omena ao momba ny teny hebreo nefesh sy ny teny grika psykè, ary ny fomba nampiasana azy. Asongadin’io fanazavana fanampiny io fa ny fampiasan’ireo mpanoratra Baiboly an’io teny hebreo io ao anatin’ny toe-javatra samy hafa no mahatonga antsika hahazo tsara ny tena hevitra tsy misaraka amin’ny nefesh sy psykè, dia ireto avy: Olona, zavaboary ambany kokoa; ny ain’ny olona na ny ain’ny biby. Ny Fanazavana Fanampiny 3B kosa no tena miresaka momba ny hoe fanahy, izay avy amin’ny teny hebreo sy grika hafa tanteraka mihitsy.
FANONDROANA ANDININY HAFA: Maherin’ny 125 000 izy ireny. Asehon’izy ireny fa saika ny hevitra rehetra voalazan’ny Baiboly, no misy andininy iray, fara fahakeliny, manamarina azy. Rehefa dinihina tsara àry ireo andininy voatondro sy ny fanamarihana ambany pejy, dia miharihary fa mifanaraka tsara ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, ary iray ihany izy ireo sady avy amin’Andriamanitra.
Eo amin’ny tsanganana afovoany no misy ny fanondroana andininy hafa, ary nohafohezina ny anaran’ireo boky ao amin’ny Baiboly. Litera manaraka ny abidy no marika ampiasaina. Raha tsy antonona ilay tsanganana, dia eo ambany ankavanana ny tohiny. Voalaza koa rehefa miova ny toko.
Hita ao ny hevitra sy zava-nitranga ary fitantarana mifanitsy amin’ireo andininy. Ao koa ny mombamomba ny olona sy ny toerana, faminaniana tanteraka, teny na andininy manontolo avy amin’ny andininy hafa, ary ny fifandraisan’izay natao teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna sy ny fahatanterahany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mampitombo ny fahalalana ny Baiboly izany rehetra izany.
Ohatra: Misy litera “g” eo amin’ilay teny hoe “fanomezana” ao amin’ny Salamo 68:18. Manondro ny Efesianina 4:11 izy io. Ampiharin’ny apostoly Paoly amin’ny fiangonana kristianina ilay salamo ao amin’io andinin-teny io. Misy litera “m” eo amin’ilay teny hoe “sitrako” ao amin’ny Matio 17:5. Manondro andinin-teny iantsoan’Andriamanitra an’i Jesosy hoe Zanany izy io. (Sl 2:7; Is 42:1; Mt 3:17; Lk 9:35) Marina fa tsy misy teny hoe “zanaka” ao amin’ny Isaia 42:1, nefa manondro andinin-teny hafa milaza izany izy io.
FANDIKANA LITERA: Teny vahiny soratana amin’ny teny malagasy no tiana holazaina amin’izany. Natao hanampiana ny mpamaky hahay hanonona an’ilay teny izany. Ao amin’ny Fanazavana Fanampiny 2A sy 2B ny lisitr’ireo litera rehetra.
FANAFOHEZANA: Misy lisitry ny fanafohezana ny anaran’ny boky ao amin’ny Baiboly eo amin’ny pejy 8. Mbola misy fanafohezana hafa koa eo amin’ny pejy 7: Ny “t.m.”, ohatra, dia midika hoe “teny mampiditra” [misy azy io eo alohan’ny salamo sasany. Jereo ny teny mampiditra ny Salamo 51. Misy litera “i” eo amin’ilay teny hoe “izy” ao amin’ny 2 Samoela 12:1. Manondro ny Sl 51:t.m. izy io]; ny “A.b.t.” kosa midika hoe “Ara-bakiteny”, ary ny “F.F.” midika hoe “Fanazavana Fanampiny.” Jereo koa ny tabilao ao amin’ny pejy 1770 sy 1771, izay ahitana ny fanafohezana hoe “t.”, midika hoe “tany ho any.”
FANAMARIHANA AMBANY PEJY: Maro amin’izy ireny no miresaka fampianarana fototra toy ny “fanahy”, “sheôl”, ary “haides”, ka manampy ny mpamaky hahazo ny fomba ampiasan’ny Baiboly an’ireny teny ireny. Misy koa ahitana ny hevitra ara-bakiteny na hevitra ankapoben’ny teny tany am-boalohany. Ny sasany indray manazava ny teny manodidina, tsilaolaon-teny, na fomba filazan-javatra. Misy koa fanazavana momba ny vola, lanja, ary refy. Matetika ny fanamarihana ambany pejy no misarika ny saina ho amin’ny fanazavana fanampiny izay manome tsipiriany bebe kokoa.
Misy marika eo amin’ny teny nasiana fanamarihana. Hita erỳ ambany ny fanazavana azy io, aorian’ny tarehimarika amin’ny sora-matevina manondro ny andininy misy azy, sy aorian’ilay marika. Raha maromaro ny fanamarihana momba ny andininy iray, dia ireto marika ireto no anavahana azy: *, #, *.
Misy fanazavana mahasoa ao amin’ireny fanamarihana ireny. Jereo, ohatra, ny fanazavana ny hoe “voatavomonta” eo amin’ny fanamarihana ambany pejy amin’ny Jona 4:6. Manome ny dikan-teny ara-bakiteny koa ireny fanamarihana ireny matetika, mba hahafantarantsika ny hevitry ny teny tany am-boalohany, toy ny ao amin’ny Daniela 8:9 sy ny Nahoma 2:1. Manome fanazavana momba ny teny tsy dia fampiasa firy koa izy ireny. Manazava ny hoe “tohotra”, ohatra, ny fanamarihana ao amin’ny Salamo 19:10.
FARANGO: Misy fomba mora anavahana ny tenin’olona ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, toy ny ao amin’ny bokintsika rehetra ihany. Misokatra ny farango sosona rehefa manomboka ilay tenin’olona, ary mikatona izy io rehefa tapitra ny teniny. Raha mbola misy tenin’olon-kafa atsofoka ao anatin’izay, dia misy farango tokana eo alohan’ny tenin’io olona faharoa io, ary mikatona izy io rehefa tapitra ny teniny.
Jereo, ohatra, ny Marka 14:13-15. Natao sora-matevina eto ny farango, ary voalaza ao anaty fononteny mahitsy hoe iza no miteny, ary aiza no mifarana ny teniny.
13 Koa naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy ka nilaza taminy hoe: “[manomboka miteny i Jesosy] Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy iray mitondra siny tany feno rano hifanena aminareo. Araho izy, 14 ka ao amin’izay idirany dia ilazao ny tompon-trano hoe: ‘[manomboka miteny ireo mpianatra roa] Hoy ny Mpampianatra: “[manomboka milaza ny tenin’i Jesosy ireo mpianatra] Aiza ny efitra fandraisam-bahiny azoko ihinanana ny Paska miaraka amin’ny mpianatro?” [mifarana ilay tenin’i Jesosy lazain’ireo mpianatra] ‘[mifarana eo koa ny tenin’ireo mpianatra] 15 Ary izy hampiseho aminareo efitra malalaka any ambony rihana, izay efa misy fanaka sady efa vonona. Ao no ikarakarao ny Paska ho antsika.” [mifarana ilay tenin’i Jesosy erỳ am-piandohana]
Izao foana àry no filaharan’ireo farango: Rehefa misy olona manomboka miteny, dia misokatra ny farango sosona. Misokatra indray ny farango tokana, raha mbola misy tenin’olon-kafa ao anatin’izay. Raha misy tenin’olona indray ao anatin’izay tenin’olona faharoa izay, dia misokatra indray ny farango sosona. Mifanaraka amin’izay koa ny fikaton’ny farango tsirairay.
Raha fehintsoratra maromaro ilay tenin’olona, dia tsy mikatona isaky ny fehintsoratra ny farango, raha tsy hoe mifarana angaha ny teniny. Misokatra kosa ny farango isaky ny fehintsoratra, raha mbola tsy tapitra ny teniny. Hitantsika amin’izay fa tohin’ilay tenin’olona teo amin’ny fehintsoratra teo aloha ihany ilay izy. Jereo, ohatra, ny Toritenin’i Jesosy teo An-tendrombohitra, izay manomboka eo amin’ny Matio 5:3. Mariho fa misokatra isaky ny fehintsoratra ny farango sosona, fa tsy mikatona isaky ny fehintsoratra, satria mbola mitohy ny tenin’i Jesosy. Ao amin’ny Matio 7:27 izy io vao mikatona, satria mifarana eo ilay toriteny.
FANAZAVANA TENY: Misy teny avy ao amin’ny Baiboly hazavaina any amin’ny farany. Miisa 90 eo ho eo izy ireo. Ahoana no ampiasana ny Fanazavana Teny? Andao hovakintsika, ohatra, ny Matio 24:3. Inona no dikan’ilay hoe “rafitr’ity tontolo ity”? Avadiho ao amin’ny pejy 1904 ny Baibolinao, ary jereo ilay hoe “rafitr’ity tontolo ity”, fa hazavaina tsara eo ny dikany.
Jereo koa ny Galatianina 5:20, izay miresaka momba ny “filalaovana ody.” Inona no dikan’io teny io? Jereo indray ny pejy 1902, eo amin’ilay hoe “filalaovana ody.” Misy fanazavana feno momba an’io eo.
TABILAO SY SARY ARY SARINTANY: Natao hanampiana antsika hahafantatra ireo fombafomba sy toerana resahin’ny Baiboly izy ireny. Aoka hatao hoe mamaky momba ny fitafian’ny mpisoronabe isika. Nahoana raha sady marihina ny pejy 1900 no mamaky? Ho fantatsika mazava tsara amin’izay hoe manao ahoana ilay tsipiriany amin’ilay fitafiana. Azo ampiasaina toy izany koa ny pejy 1898 sy 1899, rehefa mamaky momba ny tranolay na ny tempoly.
Antenaina fa hanatanjaka ny finoantsika sy hanampy antsika hifandray akaiky amin’Andriamanitra foana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Aoka àry isika hampiasa azy io isan’andro. Ho haintsika amin’izay ny hanazava ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba marina tsara, ka hanatona azy akaiky kokoa isika.
[Loharanon-kevitra]
Tsy navoaka tao amin’ny teny anglisy