Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 8 Desambra
10 min: Fampandrenesana.
15 min: Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2009. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Resaho ny hevitra sasany mila hasongadina amin’ny fiangonana, ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2008. Resaho ny andraikitry ny mpanome torohevitra mpanampy. Ampirisiho ny rehetra hazoto hanao ny anjarany, handray anjara mavitrika amin’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, ary hampihatra ny fanoloran-kevitra omena isan-kerinandro avy ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.
20 min: “Mampiasa ny Boky Fanjohian-kevitra ve Ianao?”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia asaivo manao fampisehoana ny mpisava lalana iray na mpitory za-draharaha iray. Mitory isan-trano izy, ary manontany azy ilay olona hoe: ‘Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy mankalaza Krismasy?’ Mampiasa ny boky Fanjohian-kevitra izy mba hamaliana izany.
Herinandron’ny 15 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Resaho vetivety ny fomba fanolorana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra sy Mifohaza! Desambra, eo amin’ny pejy 8. Asaivo tantarain’ny mpanatrika hoe ahoana no efa nataony mba hametrahana an’ireo gazety ireo. Inona no lahatsoratra sy fanontaniana ary andinin-teny nampiasainy?
15 min: Ilaina ny Famerimberenana eny Amin’ny Fanompoana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 207. Ataovy fampisehoana ny soso-kevitra iray na roa ao amin’ilay boky.
20 min: “Ampiasao Tsara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.” Ataon’ny anti-panahy mahay. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny pejy 3 sy 4. Atoroy ny fomba ampiasana an’ireo lafiny samy hafa amin’ilay Baiboly. Ampirisiho ny rehetra hanaraka ao amin’ny Baiboliny, mba hanazarana azy hampiasa an’io fitaovana tena tsara io. Asao hilaza izay tena nankasitrahany tamin’io Baiboly io ny mpanatrika, mandritra ny efatra minitra farany.
Herinandron’ny 22 Desambra
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana ireo fanomezana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Janoary, ary ataovy fampisehoana ny fomba fanolorana azy, ka anti-panahy no hanao izany.
15 min: “Ilana Fiaretana ny Asa Fitoriana.”b Asaivo manazava ireo andinin-teny ny mpanatrika, raha ampy ny fotoana.
20 min: “Andro Manokana Hanasana ny Olona Hianatra Baiboly.”c Lazao hoe asabotsy na alahady fahafiry amin’ny volana Janoary, no hanaovan’ny fiangonana an’izany. Ivereno jerena ireo fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra 3, ary ataovy fampisehoana ny iray na roa aminy.
Herinandron’ny 29 Desambra
Fianarana Baiboly:
my tantara 85-88 (Fomba itarihana ilay fianarana: Vakio ny tantara tsirairay. Ireo fanontaniana fanampiny ihany apetraka, ary vakio ireo andinin-teny raha ampy ny fotoana. Enina minitra eo ho eo no andinihana ny tantara tsirairay.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Apokalypsy 15-22
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Miomàna hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary sy ny Mifohaza! Janoary. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho vetivety ny lahatsoratra ao amin’ireo gazety ireo. Anontanio ny mpanatrika hoe: Inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany ary nahoana? Anontanio koa hoe inona no fanontaniana kasain’izy ireo hanombohan-dresaka, sy ny andinin-teny ao amin’ilay lahatsoratra tian’izy ireo hovakina alohan’ny hanolorana ireo gazety. Eo am-pamaranana, dia manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, na fomba fanolorana hafa mandaitra.
Herinandron’ny 5 Janoary
Fianarana Baiboly:
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 1-5
No. 1: Genesisy 3:1-15
No. 2: Nahoana no Mpampianatra Lehibe i Jesosy? (lr toko 1)
No. 3: Inona no Tsy Very Maina? (1 Kor. 15:58)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Tahafo ny Fiheveran’i Jesosy ny Fanompoana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny boky “Andao Hanara-dia Ahy”, pejy 84-86, fehintsoratra 16-21.
20 min: “Ampiasao Tsara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.” Ataon’ny anti-panahy mahay. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny pejy 5 sy 6. Atoroy ny fomba ampiasana an’ireo lafiny samy hafa amin’ilay Baiboly. Ampirisiho ny rehetra hanaraka ao amin’ny Baiboliny, mba hanazarana azy hampiasa an’io fitaovana tena tsara io. Asao hilaza izay tena nankasitrahany tamin’io Baiboly io ny mpanatrika, mandritra ny efatra minitra farany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.