“Andao Hanara-dia Ahy”
1. Hanampy antsika hanao inona ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, mandritra ireo volana ho avy?
1 Mitantara ny fiainan’i Jesosy teto an-tany ireo Filazantsara efatra, ary manome tsipiriany betsaka momba an’ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy ‘manaraka akaiky ny diany’ ny Kristianina. Tokony hanomana tsara sy hanongilan-tsofina àry isika, rehefa mianatra an’ilay boky “Andao Hanara-dia Ahy”, amin’ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, manomboka ny herinandron’ny 1 Martsa. (1 Pet. 2:21; Mar. 10:21) Tokony hosaintsainintsika manokana ireo lafiny amin’ny fanompoan’i Jesosy, izay mampahery antsika eo amin’ny fanompoana.
2. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fiaretan’i Jesosy?
2 Ny modely nomen’i Jesosy: Efa nisy nanohitra ve ianao rehefa nitory isan-trano? Rehefa mitranga izany, dia tsapanao fa marina ity tenin’i Jesosy ity: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Marina fa tsy voatery ho fanenjehana daholo ny fanoherana rehetra. Ilay fifaliana natao teo anoloany anefa no nanampy an’i Jesosy hiaritra ny karazana fitsapana rehetra. Azontsika atao koa ny mifantoka amin’ny fomba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny valisoa ho azontsika noho ny tsy fivadihantsika. Izany no hanampy antsika ‘tsy ho kivy na ho reraka.’ (Heb. 12:2, 3; Ohab. 27:11) Afaka matoky isika fa hanampy antsika i Kristy Jesosy, rehefa maharitra amin’ny fanompoana isika.—Mat. 28:20.
3. Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy eo amin’ny fanompoana?
3 “Izany no nanirahana ahy”: Ny asa fitoriana no loha laharana teo amin’ny fiainan’i Jesosy. (Lioka 4:43) Nahafoy tena tamin’ny fanompoana izy. Fantany fa maika ilay asa, ka nitady hirika hiresahana momba ilay Fanjakana izy. Mandrisika antsika hanao inona ny fanarahana ny dian’i Jesosy? Misy olona azontsika itoriana ny vaovao tsara ve any amin’ny toerana alehantsika isan’andro any? Enga anie ny fitiavan’i Kristy ka hanery antsika hizara ny vaovao tsara amin’ny olona betsaka araka izay azo atao!—2 Kor. 5:14.
4. Ahoana avy no ahafahantsika manatsara ny fomba fampianarantsika?
4 “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy”: Nahavariana an’ireo nihaino azy ny fomba fampianatr’i Jesosy. (Jaona 7:46; Mat. 7:28, 29) Inona no nampiavaka azy tamin’ny mpampianatra hafa? Tiany ny fahamarinana noresahiny sy ny olona nampianariny, ary nampiasa fomba fampianatra maro izy. Afaka manatsara ny fomba fampianarantsika isika rehefa manahaka an’ilay Mpampianatra Lehibe.—Lioka 6:40.
5. Inona no tokony ho tanjontsika mandritra ny fianarana ny boky “Andao Hanara-dia Ahy”?
5 Sasantsasany amin’ireo zavatra azontsika ianarana momba an’i Jesosy ireo. Inona koa no azonao ianarana? Handinika ny fiainan’i Jesosy ianao mandritra ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana. Ataovy tanjona ny “hahalala ny fitiavan’i Kristy”, ka araho ny teniny sy ny nataony.—Efes. 3:19.