Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 22 Febroary
HERINANDRON’NY 22 FEBROARY
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Mpitsara 19-21
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Zavatra Atolotra Amin’ny Martsa. Manadinadìna mpitory roa. Asaivo hazavainy ireo lafiny mampiavaka an’ilay boky hatolotra, ary inona no fomba hitany hoe mandaitra rehefa manolotra azy io. Asaivo manao fampisehoana iray avy izy ireo, na asaivo averiny ny fomba iray nampiasany an’ilay boky mba hanombohana fampianarana Baiboly.
10 min: Mandrisika ny Olona Hihaino ny Fahaizana Manjohy Hevitra. Lahateny miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 251 ka hatramin’ny pejy 253, fehintsoratra faha-2.
10 min: Tariho ho ao Amin’ny Fandaminan’i Jehovah ny Olona Liana. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Voalamina. Iaraho midinika ireo fehintsoratra telo eo ambanin’ilay lohatenikely eo amin’ny pejy 99. Anontanio ny mpanatrika hoe tamin’ny fomba ahoana avy no nitarihany an’ireo liana ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Manadinadìna mpitory iray nandray soa rehefa nanao toy izany ilay olona nampianatra azy.