Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 22 Febroary 2010. Hanao famerenana maharitra 20 minitra ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 4 Janoary ka hatramin’ny 22 Febroary 2010 izy io.
1. Inona no ianarantsika avy amin’ny Josoa 22:9-12, 21-33? [w04 1/12 p. 12]
2. Inona no nahatonga an’i Josoa hilaza an’ilay teny ao amin’ny Josoa 24:14, 15, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika? [w08 15/5 p. 17-18, feh. 4-6]
3. Nahoana no nanjary fandrika sy fakam-panahy ho an’ny Israelita ireo mpivavaka tamin’i Bala sy ny fombafomba fivavahany? (Mpits. 2:3) [w08 15/2 p. 27, feh. 2-3]
4. Nahay nampiasa sabatra i Ehoda sady be herim-po, ka inona no ianarantsika avy amin’izany? (Mpits. 3:16, 21) [w97 15/3 p. 31, feh. 4]
5. Nahoana no mampahery antsika ny mandinika ny fomba nanafahan’i Jehovah an’i Gideona sy ireo 300 lahy niaraka taminy? (Mpits. 7:19-22) [w05 15/7 p. 16, feh. 8]
6. Nahoana no nolazaina fa “tsy zakan’Andriamanitra intsony ny nijery ny fahorian’ny Israely”? (Mpits. 10:16) [cl p. 254-255 feh. 10-11]
7. Olona ve no noeritreretin’i Jefta hatao sorona tamin’izy nivoady? (Mpits. 11:30, 31) [w05 15/1 p. 26, feh. 1]
8. Tao amin’ny volon’i Samsona tokoa ve ny heriny? (Mpits. 16:18-20) [w05 15/3 p. 28, feh. 5-6]
9. Inona no soa raisintsika rehefa azontsika tsara ny amin’ilay zava-niavaka vitan’i Samsona, voatantara ao amin’ny Mpitsara 16:3? [w04 15/10 p. 15-16, feh. 7-8]
10. Tsy nahatonga ny fiainana ho baranahiny ve raha “samy zatra nanao izay noheveriny fa nety ny olona”? (Mpits. 17:6; 21:25) [w05 15/1 p. 27]