Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 10 Janoary
HERINANDRON’NY 10 JANOARY
Hira 50 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
cf toko 16 § 1-6 (25 min)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Tantara 33-36 (10 min)
No. 1: 2 Tantara 34:12-21 (4 min na latsaka)
No. 2: Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’i Maria Renin’i Jesosy? (5 min)
No. 3: Mpitondra Fivavahana Fotsiny ve i Jesosy?—rs p. 291 § 1 (5 min)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Aoka Ianao ho Tsara Fanahy Rehefa Mitory. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 118, feh. 1–p. 119, feh. 5).
10 min: Afaka Miampita Mankany Makedonia ve Ianao? (Asa. 16:9, 10) Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny Diary 2010 (p. 163-164, 238-239). Asao ny mpanatrika hilaza ny lesona noraisiny, aorian’ny fandinihana ny fitantarana tsirairay.
10 min: “Ilay Asa Mahafinaritra Indrindra.” Fanontaniana sy valiny. Adinadino vetivety ny mpitory iray manana mpianatra mandroso mba hilaza ny zavatra nahafaly sy nahafa-po azy.
Hira 75 sy Vavaka