Ilay Asa Mahafinaritra Indrindra
1. Inona ilay asa fanasitranana atao ankehitriny?
1 Tena faly ny olona tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nahita marary nositranina. (Asa. 8:7, 8) Mahafinaritra koa ilay asa fanasitranana ara-panahy, ankehitriny. (Apok. 22:1, 2, 17) Tsara erỳ ny mamaky tantaran’olona, izay niova noho ny Tenin’i Jehovah sy ny herin’ny fanahy masina! Mahafa-po kokoa anefa raha isika mihitsy no mandray anjara amin’ilay asa, ka manampy olona handroso.
2. Inona avy no mahafaly antsika rehefa mampianatra?
2 Mahafaly antsika ny mamaly fanontaniana toy ny hoe: Iza no anaran’Andriamanitra? Nahoana izy no mamela ny olona hijaly? Inona no fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Mahafinaritra koa ny mahita hoe faly ny mpianatra mahalala ny fahamarinana. (Ohab. 15:23; Lioka 24:32) Rehefa mandroso izy, dia manomboka mampiasa ny anaran’i Jehovah, ary lasa mendrika ny fitafiany sy ny taovolony. Miala amin’ny fahazaran-dratsy koa izy, ary mitory amin’ny hafa. Lasa namantsika izy rehefa manokan-tena sy atao batisa. Faly erỳ isika isaky manao dingana izy.—1 Tes. 2:19, 20.
3. Inona avy no azo atao, raha te hahazo fampianarana Baiboly?
3 Mandraisa anjara: Te hanao an’io asa mahafinaritra io ve ianao? Mangataha àry amin’i Jehovah mba hahazo fampianarana Baiboly, sady manaova ezaka. (1 Jaona 5:14) Mitoria foana rehefa mahita olona, ary asao hianatra Baiboly izy raha mety. (Mpito. 11:6) Tsidiho izay olona liana, ka tondrahy ilay voan’ny fahamarinana nafafinao.—1 Kor. 3:6-9.
4. Nahoana isika no mila vonona foana hanasa olona hianatra Baiboly?
4 Olona be dia be no mbola noana sy mangetaheta ny fahamarinana, ka mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Iza no hanampy azy ireny ka hampianatra Baiboly azy? (Mat. 5:3, 6) Aoka isika ho vonona hanolo-tena hamita an’ilay asa fitoriana sy fampianarana, dieny mbola tsy mifarana ny asa fijinjana.—Isa. 6:8.