Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 27 Febroary
HERINANDRON’NY 27 FEBROARY
Hira 135 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 17 § 8-14, efajoro p. 137 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Isaia 63-66 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fampandrenesana. Ataovy fampisehoana ilay fomba fitory modely eo amin’ny pejy 4, mba hanombohana fampianarana Baiboly ny asabotsy voalohany amin’ny Martsa.
20 min: Ampio Ireo Mila Fampaherezana. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Fandresen-dahatra, pejy 155-158. Asio fampisehoana iray na roa.
5 min: Mbola Afaka Mameno Fangatahana Ianao. Lahateny. Mankasitraka ny vidim-panavotana isika, ka mitory momba an’i Jehovah, sady milaza fa tena tia antsika izy matoa naniraka ny Zanany. (Sal. 145:2-7) Azo atao tsara izany amin’ny Martsa sy Aprily ary Mey. Maninona àry raha manao mpisava lalana mpanampy, na ‘manararaotra tsara ny fotoana’ ka mampitombo ny fanompoana? (Efes. 5:16) Nahita fifaliana ireo nanao izany, ka maro no nieritreritra ny hanao mpisava lalana maharitra. Afaka mameno fangatahana ianao, fa mbola tsy tara.
Hira 100 sy Vavaka