Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Septambra
Tena niavaka ny volana Septambra satria nahatratra 25 046 ny mpitory! Tena tsara ny ezaka nataonareo. Hita fa be fitiavana sy nazoto tokoa ianareo rehetra. Misaotra an’i Jehovah koa isika noho izy nitahy ny asantsika. Matoky isika fa mbola hahazo fitahiana maro, satria hanompo bebe kokoa ireo fiangonana 577 sy antoko-mpitory eto amintsika, amin’ireo volana ho avy.