Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 27 Febroary 2012. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay fanontaniana, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.
1. Mety ve ny milaza hoe manalefaka ny fanaovan’i Jehovah ny rariny ny famindram-pony? (Isaia 30:18) [9 Jan., w02 1/3 p. 30]
2. Naongana tsy ho lehiben’ny tao an-dapan’i Hezekia i Sebna. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Isaia 36:2, 3, 22) [16 Jan., w07 15/1 p. 8, feh. 6]
3. Inona no ianarantsika avy amin’ny Isaia 37:1, 14-20, rehefa ao anatin’ny fahoriana isika? [16 Jan., w07 15/1 p. 9, feh. 1-2]
4. Nahoana no mampahery ny mpanompon’i Jehovah ny fanoharana ao amin’ny Isaia 40:31? [23 Jan., w04 1/5 p. 22, feh. 19-20; w96 15/6 p. 10-11]
5. Nahoana no tena mampahery antsika ankehitriny ilay tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 41:14? [23 Jan., ip-2 p. 24, feh. 16]
6. Ahoana no ampisehoantsika amin’i Jehovah fa tena “mikatsaka ny fahamarinana” isika? (Isaia 51:1) [6 Feb., ip-2 p. 165, feh. 2]
7. Iza ireo “maro” resahin’ny Isaia 53:12, ary inona no lesona mampahery ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jehovah tamin’izy ireo? [13 Feb., ip-2 p. 213, feh. 34]
8. Inona no zava-mitranga eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah mandritra ny andro farany, izay resahina an’ohatra ao amin’ny Isaia 60:17? [20 Feb., ip-2 p. 316, feh. 22]
9. Inona ilay “taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana” izay nasaina notorin’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy? (Isaia 61:2) [20 Feb., ip-2 p. 324-325, feh. 7-8]
10. Inona no toetra mahatalanjon’i Jehovah hita ao amin’ny Isaia 63:9? [27 Feb., w03 1/7 p. 19, feh. 22-23]