Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 29 Septambra
HERINANDRON’NY 29 SEPTAMBRA
Hira 69 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 13 § 19-23, efajoro p. 137 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Nomery 33-36 (10 min.)
No. 1: Nomery 33:24-49 (4 min. na latsaka)
No. 2: Aza Hamaivanina ny Herin’ny Devoly—rs p. 382 § 1-3 (5 min.)
No. 3: Notahin’Andriamanitra ny Zotom-po Tamin’ilay Asa Maika—jv p. 170 § 1–p. 171 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Manomboha Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana. Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana ilay fomba fitory modely ao amin’ny pejy 4 mba hanombohana fampianarana ny asabotsy voalohany amin’ny Oktobra. Ampirisiho ny rehetra hampihatra azy io.
10 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hamaky ny Asan’ny Apostoly 4:13; 2 Korintianina 4:1, 7. Diniho avy eo ny fomba azo ampiharana an’ireo andinin-teny ireo eo amin’ny fanompoana.
10 min: Fanadinadinana ny Anti-panahy Mpandrindra. Inona avy no tafiditra amin’ny andraikitrao? Inona avy no dinihinao rehefa hanome anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ianao? Nahoana ny mpandrindra no tsy tokony hoheverina hoe mifehy ny anti-panahy rehetra na ny fiangonana?
Hira 4 sy Vavaka