Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 29 Desambra
HERINANDRON’NY 29 DESAMBRA
Hira 37 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 18 § 1-8 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Josoa 12-15 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: Zarao ny “zavatra tsara” avy amin’ny tahiry tsara nomena antsika.—Mat. 12:35a.
20 min: Ampianaro “Zavatra Tsara” Tsikelikely ny Mpianatrao sy ny Zanakao. (Mat. 12:35a) Lahateny misy fiaraha-midinika. Ampiasao ny 1 Korintianina 13:11 sy ny 1 Petera 2:2, 3 mba hampisehoana hoe inona no tiantsika hataon’ny olona ampianarintsika Baiboly sy ny zanatsika. Hazavao ny dikan’ilay hoe ‘manandrana ny ronono ao amin’ny tenin’Andriamanitra.’ Ahoana no hanampiana ny mpianatra Baiboly sy ny zanatsika hanao izany? Hazavao ilay toro lalana ao amin’ny Marka 4:28. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2014, pejy 12-13, fehintsoratra 6-8.) Manadinadìna mpitory mahay iray na ray na reny: Inona no nataony mba hanampiana ny mpianany na ny zanany handroso?—Efes. 4:13-15, jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Mey 2014, Valin’ny Fanontanianareo.
10 min: “Mizara ‘Zavatra Tsara’ Izay Tia Mandray Vahiny (Mat. 12:35a).” Lahateny misy fiaraha-midinika. Inona ny traikefa na soa azon’ireo tia mandray vahiny? Anontanio ny mpanatrika hoe ahoana no ampisehoantsika fa tiantsika ny mandray vahiny, indrindra fa mpanompo manontolo andro. Resaho hoe ahoana no hataon’ny fiangonanareo mba hiantohana ny sakafon’ny mpandahateny mpitsidika.
Hira 124 sy Vavaka