Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
1-7 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 KORINTIANINA 7-9
“Fanomezana ny hoe Mijanona ho Mpitovo”
Mahaiza Manararaotra Raha Tsy Manambady Ianao!
3 Matetika no manam-potoana kokoa sy malalaka kokoa hanao izay tiany ny olona tsy manambady, raha oharina amin’ireo manambady. (1 Kor. 7:32-35) Afaka manompo bebe kokoa àry izy ireo, maneho fitiavana amin’ny olona maro kokoa, ary mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah. Maro no mahatsapa fa andraisan-tsoa ny hoe tsy manambady, ka nanapa-kevitra ‘hitoetra ho tsy manambady’ mandritra ny fotoana kelikely izy, na tsy hanambady mihitsy. Ny sasany kosa tsy nikasa ny hijanona ho mpitovo na ho tokan-tena, nefa lasa toy izany. Nivavaka sy nandinika ny toe-javatra misy azy anefa izy ireo, ka nanjary natoky fa ho vitany ny tsy hanambady noho ny fanampian’i Jehovah. Nanjary neken’ny sainy izany, ka mitoetra ho tsy manambady izy ireo.—1 Kor. 7:37, 38.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Korintianina
7:33, 34—Inona ireo zavatra “an’izao tontolo izao” mampanahy ny lehilahy sy vehivavy manambady? Ireo zavatra ilaina andavanandro, toy ny sakafo, fitafiana, trano, no tian’i Paoly horesahina. Tsy anisan’izany kosa ny zava-dratsy eto amin’ity tontolo ity, izay tsy maintsy halavirin’ny Kristianina.—1 Jaona 2:15-17.
Ny Fitoerana ho Mpitovo—Varavarana ho Amin’ny Asa Tsy Voahelingelina
14 Ny Kristiana mpitovo iray izay mampiasa ny toerany amin’ny maha-tsy manambady azy mba hikatsahana zava-kendrena feno fitiavan-tena dia tsy manao “tsara kokoa” noho ireo Kristiana manambady. Mitoetra ho mpitovo izy, tsy ‘noho ilay fanjakana’, fa noho ny antony an’ny tenany manokana. (Matio 19:12). Ilay lehilahy na vehivavy tsy manambady dia tokony ‘hanahy ny amin’ny zavatry ny Tompo’, hanahy “ny amin’ny fomba mety hahazoany ny fankasitrahan’ny Tompo”, sy hanao “fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana.” Izany dia midika ho fanokanana fiheverana tsy mizarazara ho an’ny fanompoana an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy. Amin’ny fanaovana toy izany ihany ireo lehilahy sy vehivavy kristiana tsy manambady no manao “tsara kokoa” noho ireo Kristiana manambady.
Andao Hikaroka Harena Miafina
lv 220-221
Azo Atao ve ny Misaraka na Misintaka?
Mety hisy toe-javatra tsy azo anoarana hahatonga ny Kristianina hanapa-kevitra ny hisintaka na hisara-panambadiana, na dia tsy nijangajanga aza ilay vadiny. Hoy anefa ny Baiboly: “Aoka [izy] hitoetra ho tsy manambady na aoka hody amin’ny vadiny.” (1 Korintianina 7:11) Tsy afaka miaraka amin’olon-kafa sy manambady indray àry izy. (Matio 5:32) Mety hisintaka anefa ny olona iray noho ireto antony maningana ireto:
Minia tsy mamelona ny ankohonany. Mety ho lasa mahantra be ny fianakaviana iray, ary tsy hanana izay tena ilaina. Tsy mety mamelona azy ireo mantsy ilay lehilahy, nefa afaka manao izany. Hoy anefa ny Baiboly: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny ... ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” (1 Timoty 5:8) Mety hanapa-kevitra ny hisintaka àry ilay vehivavy raha tsy mety miova ilay lehilahy, satria te hiaro ny tenany sy ny zanany izy. Tokony handinika tsara ny anti-panahy, rehefa misy Kristianina ampangaina ho tsy mety mamelona ny ankohonany. Mety hahavoaroaka mantsy izany.
Tena mahery setra. Mety hahery setra be amin’ny vadiny ny olona iray, ka atahorana hampidi-doza ny fahasalamany na ny ainy mihitsy. Tokony hanadihady momba izany ny anti-panahy, raha misy Kristianina ampangaina ho manao izany. Mahavoaroaka ny fahazarana mampiasa herisetra sy ny fipoahan’ny fahatezerana matetitetika.—Galatianina 5:19-21.
Misakana tanteraka ny vadiny tsy hifandray amin’Andriamanitra. Mety hisy olona hiezaka foana hisakana ny vadiny tsy hanaraka ny fivavahana marina, na hanery azy handika ny didin’Andriamanitra mihitsy. Mety hisintaka ilay vadiny, raha izay ihany no ahafahany ‘mankatò an’Andriamanitra, fa tsy olona.’—Asan’ny Apostoly 5:29.
Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tena
Tsy tokony ho maika ny hanambady, noho izany, ny tanora, raha mbola ny fahamaimaizana eo amin’ny lahy sy vavy fotsiny no mifoha eo aminy. Mitaky fifanajana ny fanambadiana, ary ilaina ny fahamatorana mba hiainana mifanaraka amin’ny andraikitra toy izany. (Genesisy 2:24). Tsara kokoa ny miandry ho dila “ny fahatanorana vao mivelatra”—fotoana izay mampirongatra mafy ny fahamaimaizana eo amin’ny lahy sy vavy, ka mety hanolana ny fomba fitsaran-javatra. (1 Korintiana 7:36, NW). Ary ho hadalana sy ho fahotana tokoa, ho an’ny olon-dehibe iray maniry hanambady, ny hanjary ho voarohirohy amin’ny fahalotoam-pitondran-tena, satria fotsiny hoe mbola tsy misy ny olona halaina ho vady!
Famakiana Baiboly
8-14 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 KORINTIANINA 10-13
“Tsy Mivadika Amin’ny Teniny i Jehovah”
Fanontanian’ny Mpamaky
Nilaza ny apostoly Paoly hoe: ‘Andriamanitra tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo.’ (1 Kor. 10:13) Midika ve izany fa fantarin’i Jehovah mialoha izay mety ho zakantsika, dia avy eo izy mifidy an’izay fitsapana hatrehintsika?
▪ Eritrereto hoe hanao ahoana ny fiainantsika, raha marina izany. Nisy rahalahy iray nanan-janakalahy. Namono tena ilay zanany, ka nieritreritra izy hoe: ‘Efa nofantarin’i Jehovah mialoha ve hoe ho zakanay mivady izany? Nanapa-kevitra ve izy hoe tsy maninona raha mitranga ilay izy, satria hahavita hiaritra izahay?’ Mety hiatrika zava-tsarotra daholo isika. I Jehovah ve anefa no mandahatra ny zavatra hitranga eo amin’ny fiainantsika?
Raha mandinika tsara ny tenin’i Paoly ao amin’ilay 1 Korintianina 10:13 isika, dia ho hitantsika fa tsy marina izany. Tsy fantarin’i Jehovah mialoha izay mety ho zakantsika, dia hoe fidiny mifanaraka amin’izay ny fitsapana hatrehintsika. Handinika porofo efatra manamarina an’izany isika.
Voalohany, avelan’i Jehovah hisafidy ny olombelona. Tiany hifidy izay tiantsika hatao isika. (Deot. 30:19, 20; Jos. 24:15) Raha mifidy ny hanao ny tsara isika, dia afaka matoky hoe hitari-dalana antsika i Jehovah. (Ohab. 16:9) Raha mifidy ny hanao ratsy kosa isika, dia tsy maintsy hijinja ny vokatr’izany. (Gal. 6:7) Mbola ho afaka hisafidy anefa ve isika, raha efa fidin’i Jehovah mialoha izay hitranga amintsika?
Faharoa, tsy miaro antsika tsy ho ‘azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ i Jehovah. (Mpito. 9:11) Mety hiharan-doza isika raha sendra eo amin’ilay toerana itrangan’ilay izy. Mety ho ratsy be mihitsy aza ny vokatr’ilay izy. Niresaka olona 18 maty nianjeran’ny tilikambo, ohatra, i Jesosy. Tsy nilaza izy hoe Andriamanitra no nahatonga azy ireo ho faty. (Lioka 13:1-5) Tsy mitombina àry ny hoe Andriamanitra no mandahatra mialoha izay ho faty na ho velona, rehefa sendra misy loza.
Fahatelo, mila manaporofo isika tsirairay hoe tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy. Tadidio fa nilaza i Satana hoe fitadiavana tombony no anompoantsika an’i Jehovah, ary hivadika isika raha vao miatrika zava-tsarotra. (Joba 1:9-11; 2:4; Apok. 12:10) Ahoana àry raha sakanan’i Jehovah tsy hitranga amintsika ny olana sasany satria hitany hoe tsy ho zakantsika ilay izy? Tsy vao mainka ve izany manamarina ny tenin’i Satana?
Fahefatra, tsy voatery fantarin’i Jehovah mialoha izay rehetra hitranga amintsika. Ahoana anefa raha fidiny mialoha izay fitsapana hatrehintsika? Tsy midika ve izany hoe fantany daholo ny hoavintsika? Marina fa hain’i Jehovah ny mamantatra ny hoavy. (Isaia 46:10) Hita ao amin’ny Baiboly anefa fa fidifidin’i Jehovah izay hofantariny mialoha. (Gen. 18:20, 21; 22:12) Mahay mandanjalanja àry izy na dia afaka mamantatra an’izay hitranga aza, ka mamela antsika hanana safidy. Be fitiavana sy manao ny rariny mantsy izy, ary tiany hankafy ny fahafahana nomeny isika.—Deot. 32:4; 2 Kor. 3:17.
Inona àry no dikan’ilay tenin’i Paoly hoe: ‘Andriamanitra tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo’? Izay ataon’i Jehovah mandritra an’ilay zava-tsarotra no tian’i Paoly horesahina, fa tsy izay ataony alohan’izay. Azo antoka àry fa raha matoky an’i Jehovah isika, dia hanohana antsika foana izy na inona na inona manjo antsika. (Sal. 55:22) Misy antony roa nahatonga an’i Paoly hatoky an’izany.
Voalohany, “mpahazo ny olona” ny zava-tsarotra mihatra amintsika. Ho vitantsika ny hiatrika azy ireny raha miantehitra amin’i Jehovah isika. (1 Pet. 5:8, 9) Niresaka momba ny fitsapana nanjo ny Israelita tany an-tany efitra i Paoly, talohan’ny niresahany an’ilay 1 Korintianina 10:13. (1 Kor. 10:6-11) Mpahazo ny olona ny zavatra natrehin’izy ireo, ary tokony ho vitany tsara ny niatrika azy. Tsy nankatò anefa ny “sasany” tamin’izy ireo. Inefatra i Paoly no nilaza an’izany. Tsy niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo ka resin’ny fanirian-dratsy.
Faharoa, ‘tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra.’ Hita amin’ny zavatra nataony tamin’ny vahoakany fahiny fa tsy mivadika izy ary tiany foana izay “tia azy sy mitandrina ny didiny.” (Deot. 7:9) Mitana ny teniny foana koa izy. (Jos. 23:14) Afaka matoky an’izao àry ny olona tia azy sy mankatò azy: 1) Na inona na inona zava-tsarotra mahazo azy ireo, dia tsy havelan’i Jehovah ho lasa mafy loatra ilay izy ka tsy ho zakany. 2) Tsy maintsy ‘hanisy lalan-kivoahana’ izy.
Ahoana no ataon’i Jehovah mba hisian’ny lalan-kivoahana ho an’izay matoky azy? Mazava ho azy fa afaka manafoana an’ilay zava-tsarotra izy. Tadidio anefa ilay tenin’i Paoly hoe: “Hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.” Inona àry matetika no ataon’i Jehovah rehefa manana olana isika? Manome izay ilaintsika izy mba hahavitantsika hiaritra. Ireto misy fomba vitsivitsy anaovany an’izany:
▪ “Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra” i Jehovah. (2 Kor. 1:3, 4) Mampiasa ny Teniny sy ny fanahy masina izy, mba hampitony ny fontsika sy hampilamina ny saintsika. Manome sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny mpanompo mendri-pitokisana koa izy.—Mat. 24:45; Jaona 14:16; Rom. 15:4.
▪ Manome ny fanahy masina izy mba hitari-dalana antsika. (Jaona 14:26) Rehefa tojo zava-tsarotra isika, dia hanampy antsika ny fanahy masina mba hahatadidy tantara sy toro lalana ao amin’ny Baiboly. Ho fantatsika avy eo izay tokony hatao.
▪ Afaka maniraka anjely hanampy antsika izy.—Heb. 1:14.
▪ Afaka mampiasa ny mpiara-manompo izy. Mety ‘hanampy sy hankahery’ antsika ny zavatra lazain’izy ireo sy ataony.—Kol. 4:11.
Inona àry no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 10:13? Tsy mifidy ny zava-tsarotra hatrehintsika i Jehovah. Izao anefa no azo antoka: Raha matoky tanteraka an’i Jehovah isika, dia tsy havelany hiaritra zava-tsarotra tsy ho zakantsika. Hanisy lalan-kivoahana foana izy mba hahafahantsika hiaritra. Tena mampahery izany!
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fanontanian’ny Mpamaky
Nahoana ny 1 Korintianina 10:8 no milaza fa 23 000 ny Israelita lavo tao anatin’ny iray andro satria nijangajanga, kanefa 24 000 izy ireo araka ny Nomery 25:9?
Misy antony maromaro mety hanazava ny elanelan’isa omen’ireo andininy roa ireo. Izao ny antony tsotra indrindra: Angamba teo anelanelan’ireo isa roa ireo no tena marina, ka azo noboriborina ho 23 000 na 24 000.
Handinika ny mety ho antony hafa isika. Niresaka momba ny Israelita tany Sitima ny apostoly Paoly, ho ohatra fampitandremana ho an’ireo Kristianina tany Korinto fahiny, izay tanàna nalaza ho naloto fitondran-tena. Nanoratra toy izao izy: “Ary aoka tsy hataontsika fanao ny mijangajanga, toy ny nijangajangan’ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo sy roa alina taminy no lavo tao anatin’ny iray andro.” Ireo maty novonoin’i Jehovah noho ny fijangajangana no noresahin’i Paoly, ka izany no nilazany fa 23 000 no maty.—1 Korintianina 10:8.
Ny Nomery toko faha-25 kosa dia milaza amintsika fa “niray tamin’i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’i Jehovah.” Noho izany, dia nasain’i Jehovah novonoin’i Mosesy ny “loholona rehetra.” I Mosesy kosa nandidy ny mpitsara mba hanatanteraka io baikon’i Jehovah io. ‘Nitsahatra ny areti-mandringana’ tamin’ny farany, rehefa nanao zavatra haingana i Finehasa, ka namono ilay Israelita nitondra vehivavy midianita tao amin’ny toby. Mifarana toy izao ilay fitantarana: “Izay maty tamin’ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.”—Nomery 25:1-9.
Mazava fa tafiditra ao amin’ilay isa resahina ao amin’ny Nomery ireo “loholona rehetra” novonoin’ny mpitsara sy novonoin’i Jehovah mivantana. Angamba arivo tamin’ny loholona no novonoin’ny mpitsara, ka izany no naha 24 000 an’ireo maty. Meloka ho “niray tamin’i Bala-peora” ireo loholona sy mpitarika noho izy ireo nijangajanga, na nandray anjara tamin’ireo lanonana, na koa nankasitraka an’izay nanao izany.
Milaza ny boky iray fa mety hidika hoe “manao fifanekena amin’olon-kafa” ilay teny hoe “miray.” Vahoaka vita fanoloran-tena tamin’i Jehovah ny Israelita. Tapaka anefa io fifandraisana io rehefa “niray tamin’i Bala-peora” izy ireo. Niresaka momba ny Israelita, tamin’ny alalan’ny mpaminany Hosea i Jehovah, 700 taona tatỳ aoriana hoe: “Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.” (Hosea 9:10) Mendrika ny hohelohina izay rehetra nanao izany. Koa nampahatsiahy ny zanak’Israely toy izao i Mosesy: “Ny masonareo efa nahita izay nataon’i Jehovah noho ny tamin’i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’i Bala-peora dia naringan’i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.”—Deoteronomia 4:3.
Fanontanian’ny Mpamaky
Mila misaron-doha ve ny anabavy raha mampianatra Baiboly ary misy lehilahy efa mpitory eo akaikikaiky eo?
▪ Milaza ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2002 fa tokony hisaron-doha ny anabavy raha mampianatra Baiboly ary misy lehilahy efa mpitory eo akaikikaiky eo, na vita batisa ilay lehilahy na tsia. Nodinihina indray ny momba an’io ka misy fanitsiana ilaina hatao.
Tokony hisaron-doha ny anabavy mampianatra Baiboly raha vita batisa ny lehilahy miara-mampianatra aminy. Asehony amin’izany fa manaja ny fahefana napetrak’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana izy. Manao ny andraikitry ny rahalahy mantsy izy rehefa mampianatra. (1 Kor. 11:5, 6, 10) Azony angatahina hitarika an’ilay fampianarana koa ilay rahalahy raha afaka sady mahavita tsara an’izany.
Raha ny Baiboly no jerena, dia tsy voatery hisaron-doha ny anabavy rehefa mampianatra miaraka amin’ny lehilahy mpitory tsy vita batisa, raha tsy vadiny izy io. Misaron-doha anefa ny anabavy sasany amin’ny toe-javatra toy izany, noho ny feon’ny fieritreretany.
Famakiana Baiboly
22-28 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 KORINTIANINA 14-16
“Ho Lasa ‘Zava-drehetra ho An’ny Rehetra’ Andriamanitra”
‘Horesena ny Fahafatesana’
10 “Ny farany” dia ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, rehefa hanolotra ilay Fanjakana ho an’ilay Andriamaniny sady Rainy i Jesosy, ka hanao izany amim-panetren-tena sy ho fanehoana tsy fivadihana. (Apokalypsy 20:4). Ho efa tanteraka amin’izay ilay fikasan’Andriamanitra ‘hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.’ (Efesiana 1:9, 10). Alohan’izany anefa, dia ho efa naringan’i Kristy “ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra” izay nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra fara tampony. Izany dia mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ilay fandringanana hatao ao Haramagedona. (Apokalypsy 16:16; 19:11-21). Hoy i Paoly: “Tsy maintsy manjaka [Kristy], mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.” (1 Korintiana 15:25, 26). Eny, ho efa afaka avokoa izay rehetra soritry ny ota sy ny fahafatesana avy tamin’i Adama. Mazava ho azy fa amin’izay, dia tsy maintsy ho efa navoakan’Andriamanitra avokoa izay tao amin’ny “fasam-pahatsiarovana”, tamin’ny famelomana indray ny maty.—Jaona 5:28, NW.
Inona no Efa Ataon’ilay Fanjakana sy Mbola Hataony?
21 Ary hatao ahoana ny fahafatesana? Mbola tsy nisy olona tsy lavorary naharesy azy io mihitsy. Izy io no fahavalontsika farany. Mety ho faty daholo isika, na ho ela na ho haingana. (1 Kor. 15:26) I Jehovah kosa anefa maharesy azy io. Hoy ny Isaia 25:8: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.” Tsy hisy intsony àry ny fasana, tsy hisy handevina intsony, ary tsy hisy hitomany intsony satria hoe mana-manjo. Zavatra hafa mihitsy no hampitomany antsika amin’izay. Ho faly be mantsy isika, satria hatsangan’i Jehovah ny maty, araka ny nampanantenainy. (Vakio ny Isaia 26:19.) Ho hadinontsika hatreo ny fahoriantsika.
Hanjaka ny Fiadanana Mandritra ny Arivo Taona sy Aorian’izay!
17 Tena ho tsara ny fiainana amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, satria ‘Andriamanitra no ho zava-drehetra ho an’ny rehetra.’ Inona no dikan’izany? Tadidio ny fiainana tamin’i Adama sy Eva mbola lavorary, ka anisan’ny fianakaviamben’i Jehovah izy ireo. Nihavana sy niray saina ny zavaboary rehetra. I Jehovah no “zava-drehetra ho an’ny rehetra”, izany hoe izy no Mpanjakan’izao rehetra izao tamin’izay, ka nitondra mivantana ny zavaboary rehetra, dia ny anjely sy ny olombelona. Afaka nifampiresaka mivantana tamin’Andriamanitra ny olombelona tamin’izany, nanompo azy, ary nahazo ny fitahiany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
w12 1/9 9, efajoro
Tsy Navelan’ny Apostoly Paoly Hilaza ny Heviny ve ny Vehivavy?
Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny vehivavy hangina rehefa eo anivon’ny fiangonana.” (1 Korintianina 14:34) Tsy te hilaza akory izy hoe tsy mahay na inona na inona ny vehivavy. Imbetsaka aza izy no niresaka fa nisy vehivavy nampianatra zavatra tsara. (2 Timoty 1:5; Titosy 2:3-5) Tsy ny vehivavy ihany anefa no tsy navelany hiteny. Nasainy ‘nangina’ koa izay nahay naminany sy niteny tamin’ny fiteny samihafa, rehefa nisy mpiray finoana hafa niteny. (1 Korintianina 14:26-30, 33) Inona àry no tian’i Paoly holazaina tamin’izany? Nafana fo loatra ny vehivavy kristianina sasany rehefa nahita ny fahamarinana. Fanaon’izy ireo tamin’izany ny nametraka fanontaniana na dia mbola niteny aza ny mpandahateny. Mba tsy hitrangan’izany àry, dia nampirisika ny vehivavy i Paoly mba “hanontany ny vadiny any an-trano.”—1 Korintianina 14:35.
it “Tsy Mety Lo”: “Lasa tsy mety maty sy tsy mety lo rehefa atsangana” § 2
Tsy Mety Lo
Ho tafaray amin’i Jesosy ao amin’ny fitsanganana toy ny azy ny mpiara-mandova aminy an’ilay Fanjakana. Tsy ho lasa zavaboary ara-panahy velona mandrakizay fotsiny àry izy ireo, fa ho lasa tsy mety maty sy tsy mety lo koa. Vatana mety lo ny vatany rehefa maty izy ireo, fa hahazo vatana ara-panahy tsy mety lo kosa izy ireo rehefa atsangana, satria tsy nivadika mandra-pahafatiny. (1Ko 15:42-54) Lazaina hoe tsy mety maty àry izy ireo satria tsy hanam-petra ny fiainany sady tsy ho azo foanana. Lazaina hoe tsy mety lo kosa izy ireo, satria vatana tsy mety simba na levona ary tsy azo ringanina no homen’Andriamanitra azy. Tsy mila hery na zavatra hafa àry izy ireo mba hahavelona azy, tsy hoatran’ny zavaboary hafa eto an-tany sy any an-danitra. Porofo izany fa tena atokisan’Andriamanitra izy ireo. Mbola hofehezin’Andriamanitra ihany anefa izy ireo, na dia mahaleo tena sy tsy azo ringanina aza. Hanaiky hanao ny sitrapon’ny Rainy sy hanaraka ny tari-dalany foana koa izy ireo, toy ny ataon’i Kristy Jesosy Lohan’izy ireo ihany.—1Ko 15:23-28; jereo TSY METY MATY; ZAVAMANANAINA.
Famakiana Baiboly
29 APRILY–5 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 KORINTIANINA 1-3
“‘Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra’ i Jehovah”
“Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”
4 Efa nidonam-pahoriana i Jehovah. Maty ny olona sasany tena tiany, anisan’izany i Abrahama, Isaka, Jakoba, Mosesy, ary Davida Mpanjaka. (Nom. 12:6-8; Mat. 22:31, 32; Asa. 13:22) Manome toky antsika ny Teniny fa tena tsy andriny izay hananganana azy ireny amin’ny maty. (Joba 14:14, 15) Ho sambatra izy ireny sady ho salama tsara. Tadidio koa fa nahita ny Zanany ‘tena tiany’ novonoina ho faty i Jehovah. (Ohab. 8:22, 30) Azo antoka hoe faran’izay nalahelo izy, ary tsy misy teny mahalaza ny alahelony.—Jaona 5:20; 10:17.
“Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”
14 Tsy mahagaga àry raha tsy hitantsika izay holazaina amin’ny olona nidonam-pahoriana. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘manasitrana ny tenin’ny hendry.’ (Ohab. 12:18) Maro no nahita hevitra mampahery azo resahina, tao amin’ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Ny mety indrindra anefa matetika, dia ny ‘miara-mitomany amin’izay mitomany.’ (Rom. 12:15) Maty ny vadin’ny anabavy atao hoe Gaby. Hoy izy: “Mitomany aho rehefa malahelo. Lasa izay no fomba ilazako izay ato am-poko. Izany no mahatonga ahy hahatsiaro ho maivamaivana rehefa misy namako miara-mitomany amiko. Mba tsy izaho irery amin’izay no mizaka ny alaheloko.”
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fanontanian’ny Mpamaky
Inona ilay “antoka” sy “tombo-kase” omen’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra tsirairay?—2 Kor. 1:21, 22.
▪ Antoka: Milaza ny boky iray fa “teny nampiasaina tamin’ny fifanarahana natao na tamin’ny resaka varotra” ilay teny grika nadika hoe “antoka” ao amin’ny 2 Korintianina 1:22. Hoy ilay boky: ‘Ny “antoka”, dia ampahana vola omenao mialoha mba hataonao porofo ara-dalàna hoe efa anao ny zavatra iray tianao hovidina. Manome antoka koa ny olona indraindray mba hampanan-kery ny fifanarahana ataony.’ Nampanantena an’ireo voahosotra i Jehovah fa ho any an-danitra izy ireo, izany hoe hahazo valisoa. Ny fanahy masina no antoka nomeny azy ireo. Rehefa lasa fanahy tsy mety maty any an-danitra anefa izy ireo vao azo lazaina hoe tena nahazo an’ilay valisoa.—2 Kor. 5:1-5; 1 Kor. 15:48-54.
Misy koa teny grika maoderina mitovitovy amin’ny hoe “antoka.” Midika hoe peratra fifamofoana izy io. Mety tsara àry raha milaza ny Baiboly hoe nomena “antoka” ny voahosotra, satria antsoina hoe fofombadin’i Kristy izy ireo, ary ho lasa vadiny.—2 Kor. 11:2; Apok. 21:2, 9.
▪ Tombo-kase: Nampiasaina tamin’ny taratasy fifanekena ny tombo-kase fahiny. Natao hanaporofoana koa izy io hoe an’iza ny zavatra iray, na hoe tsy sandoka ilay izy. Toy ny hoe nasiana “tombo-kase” ny voahosotra rehefa nohosoran’i Jehovah fanahy masina, mba hanaporofoana fa fananany izy ireo. (Efes. 1:13, 14) Aloha kelin’ny fahoriana lehibe anefa vao tsy hesorina aminy intsony ilay tombo-kase, na aloha kelin’ny hahafatesany raha tsy mivadika mihitsy izy.—Efes. 4:30; Apok. 7:2-4.
Fantatrao Ve?
Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina amin’ny hoe “filaharan’ny mpandresy”?
▪ Hoy i Paoly: ‘Andriamanitra mitarika antsika eo amin’ny filaharan’ny mpandresy, miaraka amin’i Kristy! Ary ataony mamerovero eny rehetra eny amin’ny alalantsika ny hanitry ny fahalalana azy. Fa amin’Andriamanitra, dia hanitr’i Kristy eo amin’ireo hovonjena sy eo amin’ireo ho ringana isika: Amin’ireo ho ringana, dia fofona avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana, ary amin’ireo hovonjena dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana.’—2 Korintianina 2:14-16.
Ny filaharana fanaon’ny Romanina ho fanomezam-boninahitra ny jeneraly naharesy ny fahavalon’ny Fanjakana no tao an-tsain’i Paoly. Aderadera, amin’izay fotoana izay, ireo zavatra sy olona azo babo ary misy omby entina hatao sorona. Ilay jeneraly sy ny tafiny kosa hobin’ny vahoaka. Atao sorona ireo omby ary vonoina ny maro amin’ireo babo, rehefa vita ilay filaharam-be.
Milaza Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) fa “mety ho avy amin’ilay fandoroana emboka manitra fanaon’ny Romanina mandritra ilay filaharana” ilay sarin-teny momba ny “hanitr’i Kristy”, izay midika ho fiainana ho an’ny sasany fa fahafatesana ho an’ny hafa. “Midika ho fandresena ho an’ireo mpandresy ilay hanitra, nefa mampahatsiahy an’ireo babo fa mety hovonoina tsy ho ela izy ireo”, hoy ilay boky.
Famakiana Baiboly