Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
6-12 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 KORINTIANINA 4-6
“‘Tsy Kivy’ Isika”
Reraka Ara-batana fa Tsy Ara-panahy
16 Tena ilaina ny manolokolo ny fihavanantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa mifandray tsara aminy mantsy isika, dia tsy ho sasatry ny manompo azy mihitsy, na dia mety ho reraka ihany aza ny vatantsika. ‘Mampahatanjaka ny reraka i Jehovah, ary izay kely hery dia omeny hery be.’ (Isaia 40:28, 29) Nahatsapa izany tsara ny apostoly Paoly, ka nilaza hoe: “Tsy kivy izahay, fa na mihaosa aza ny tenanay ivelany, dia azo antoka fa havaozina isan’andro kosa ny tenanay anaty.”—2 Korintianina 4:16.
17 Mariho ilay teny hoe “isan’andro.” Midika izany fa mila mandray fanampiana avy amin’i Jehovah isika isan’andro. Reraka sy kivy indraindray ny anabavy iray, misionera nandritra ny 43 taona. Tsy sasatry ny nanompo an’i Jehovah anefa izy. Hoy izy: “Nataoko fahazarana ny mifoha aloha isan’andro, mba hivavaka amin’i Jehovah sy hamaky ny Teniny, alohan’ny hanombohana ny asa aman-draharahako. Izany no nanampy ahy hiaritra hatramin’izao.” Afaka matoky tokoa isika fa hahazo hery avy amin’i Jehovah, raha mivavaka aminy tsy tapaka, ary “isan’andro” mihitsy aza, sady misaintsaina ny toetrany sy ny fampanantenany faran’izay tsara.
it “Fiaretana”: “Inona no manampy antsika hiaritra?” § 2
Fiaretana
Mila atao ao an-tsaina foana koa ilay fanantenantsika, dia ny ho lavorary sy hiaina mandrakizay. Tsy foana io fanantenana io, na dia mamono antsika ho faty aza ny mpanenjika. (Ro 5:4, 5; 1Te 1:3; Ap 2:10) Ho tsinontsinona ny fijaliana iaretana ankehitriny, rehefa tanteraka io fanantenana kanto io. (Ro 8:18-25) “Mihelina sy maivana” koa na dia ny fijaliana mafy indrindra ankehitriny aza, raha oharina amin’ny fiainana mandrakizay. (2Ko 4:16-18) Tsy hamoy fo na hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra ny olona iray, raha mitadidy fa mihelina ihany ny fitsapana ary eo foana ilay fanantenana.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Ampifalio i Jehovah
Namelabelatra an’ireo teny ao amin’ny 2 Korintianina 4:7 ireo ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Inona ilay harena resahina ao? Nilaza izy fa tsy fahalalana na fahaizana izy io, fa “ny fanompoana” ataontsika mba ‘hampiharihariana ny fahamarinana.’ (2 Korintianina 4:1, 2, 5) Nilaza ny Rahalahy Splane fa hotendrena hanao asa fanompoana manokana ireo mpianatra. Natao mba hanampiana azy ireo amin’izany ilay fiofanana nataony nandritra ny dimy volana. Tokony ho tena zava-dehibe amin’izy ireo izany fanendrena izany.
Nohazavain’ilay mpandahateny fa ny tenantsika no tiana holazaina amin’ilay hoe “vilany tany.” Nilaza izy fa tsy mitovy ny vilany tany sy ny vilany volamena. Tsy dia ampiasaina mantsy ny vilany volamena, fa tsy toy izany kosa ny vilany tany. Raha asiana zava-tsarobidy koa ao anaty vilany volamena, dia mety tsy ho amin’ilay harena ihany ny olona no hifantoka fa amin’ilay vilany koa. Hoy ny Rahalahy Splane: “Azo antoka fa tianareo hifantoka amin’i Jehovah ny olona fa tsy aminareo. Tokony hanetry tena àry ianareo ka ho toa an’ilay vilany tany.”
Tiavo Bebe Kokoa Ireo Rahalahy sy Anabavy
7 Afaka ‘manalalaka ny fontsika’ koa ve isika, rehefa mifandray amin’ireo rahalahy? Ny olona mitovitovy taona amintsika, na iray foko amintsika, matetika no tena mahasarika antsika. Ny olona tia fialam-boly mitovy koa mazàna no tena miaraka. Mila ‘manalalaka ny fontsika’ anefa isika, raha hitantsika hoe ireo olona mitovitovy amintsika ihany no iarahantsika, fa tsy miaraka amin’ny olon-kafa isika. Mila mieritreritra isika hoe: ‘Izay efa namako foana ve no iarahako, ka tsy dia miara-manompo na miara-miala voly amin’ny Kristianina hafa aho? Tsy dia mifandray amin’ny olona vaovao ve aho any am-pivoriana, satria mihevitra fa mbola tsy mendrika ny ho namako izy, raha tsy rehefa elaela? Arahabaiko daholo ve na ny ankizy na ny tanora na ny olon-dehibe?’
Famakiana Baiboly
13-19 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 KORINTIANINA 7-10
“Anisan’ny Fanompoana ny Fanampiana Tra-boina”
“Ny Mpanome Amin’ny Fifaliana no Tian’Andriamanitra”
Noresahin’i Paoly tamin’ireo Korintianina aloha ny amin’ireo Makedonianina izay fakan-tahaka teo amin’ny fanoinana ilay antso hanao ezaka vonjy rano vaky. “Tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy”, hoy i Paoly, “no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny [fahalalahan-tanany, NW].” Tsy nila nampirisihina hanome ireo Makedonianina. Mifanohitra amin’izany, fa nilaza i Paoly hoe “araka ny sitrapony ihany”, dia “nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay [hahazo tombontsoa hanome amin-katsaram-panahy, NW].” Vao mainka miavaka kokoa ilay fahalalahan-tanana tamim-pifaliana nasehon’ireo Makedonianina, rehefa heverintsika ny ‘hamafin’ny fahantrana’ nahazo ny tenan’izy ireo.—2 Korintianina 8:2-4.
Mifanampy ny Vahoakan’ilay Fanjakana
TAONA 46 tany ho any tamin’izay. Nisy mosary tany Jerosalema sy Jodia. Lafo be mihitsy izay mba sakafo kely hita teny an-tsena, ka tsy takatry ny volan’ny Kristianina. Matin’ny hanoanana àry ry zareo. Soa ihany anefa fa nanampy azy ireo i Jehovah. Hafakely ny zavatra nataony, ary mbola tsy nisy Kristianina nahazo fitahiana hoatr’izany mihitsy taloha. Inona izany fitahiana izany?
Mifanampy ny Vahoakan’ilay Fanjakana
4 Nilaza i Paoly ao amin’ny Korintianina Faharoa fa misy karazany roa ny fanompoana tokony hataon’ny Kristianina. Marina fa ny voahosotra no nanoratany an’io taratasy io, nefa natao ho an’ny “ondry hafa” koa izay voalaza ao. (Jaona 10:16) Inona ireo karazana fanompoana noresahiny? Voalohany, ny “fanompoana fampihavanana”, izany hoe ny fitoriana sy ny fampianarana. (2 Kor. 5:18-20; 1 Tim. 2:3-6) Faharoa, ny “fanompoana an’ireo olona masina”, izany hoe ny fanampiana ny mpiray finoana tra-boina. (2 Kor. 8:4) Tsara homarihina fa teny grika hoe diakônia no nampiasain’i Paoly tamin’ilay hoe “fanompoana”, na ilay “fanompoana fampihavanana” izany na ilay “fanompoana an’ireo olona masina.” Nahoana izany no tsara ho fantatsika?
5 Matoa i Paoly nampiasa teny grika iray ihany mba hilazana an’ireo karazana fanompoana roa ireo, dia midika izany fa azo sokajina ho iray ihany ireo, izany hoe mitovy lenta. Hoy mantsy izy talohan’izay: ‘Misy fanompoana maro samihafa, nefa iray ihany ny Tompo. Misy asa maro samihafa, nefa tontosain’ny fanahy iray ihany.’ (1 Kor. 12:4-6, 11) Nilaza mihitsy aza i Paoly fa “fanompoana masina” daholo izay zavatra atao eo anivon’ny fiangonana. (Rom. 12:1, 6-8) Tsy mahagaga raha nanokana fotoana ‘hanompoana ny olona masina’ izy.—Rom. 15:25, 26.
6 Nohazavain’i Paoly koa hoe nahoana no fanompoana masina tokony hataon’ny Kristianina ny manampy ny mpiray finoana tra-boina. Nilaza izy fa “manaiky ny vaovao tsara momba an’i Kristy” isika, rehefa manao izany. (2 Kor. 9:13) I Kristy mantsy no nampianatra antsika hoe mila mifankatia, ka manaiky na mankatò azy isika raha manampy ny mpiara-mivavaka amintsika. Nanazava koa i Paoly fa ampiasain’i Jehovah isika amin’izany, mba hampiseho ny ‘halehiben’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.’ (2 Kor. 9:14; 1 Pet. 4:10) Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1975: ‘Tena tian’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany hanampy ny mpiray finoana amintsika isika.’ Manao fanompoana masina àry isika rehefa manampy ny tra-boina.—Rom. 12:1, 7; 2 Kor. 8:7; Heb. 13:16.
Avy Aiza ny Vola Ampiasaintsika?
10 Voalohany, tia an’i Jehovah isika, ka te ‘hanao izay ankasitrahana eo imasony.’ (1 Jaona 3:22) Faly i Jehovah rehefa manome amin’ny fony manontolo ny mpanompony. Izany no resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 9:7. (Vakio.) Tsy kahihitra ny tena Kristianina na hoe terena vao manome. Manome kosa izy satria izay no “fanapahan-keviny tao am-pony.” Inona no dikan’izany? Manome izy rehefa avy nahita hoe inona no ilana vola ary inona no azony atao. Tian’i Jehovah ny olona toy izany, satria tia manome sady ‘manome amim-pifaliana.’
Andao Hikaroka Harena Miafina
Ankasitraho Ilay ‘Fanomezana Maimaim-poana Tsy Hay Lazaina’
2 Nilaza i Paoly fa ho tanteraka daholo ny zavatra tsara nampanantenain’Andriamanitra, noho ny sorona lavorary nataon’i Kristy. (Vakio ny 2 Korintianina 1:20.) Tsy ny soron’i Jesosy ihany àry ilay ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina.’ Anisan’izy io koa ny zava-tsoa rehetra omen’i Jehovah antsika, noho izy tia antsika sy tsy mivadika amintsika. Tena miavaka io fanomezana io ka tsy misy teny mahalaza azy. Inona no tokony ho vokatr’ilay fanomezana eo amintsika? Inona no tokony hataontsika mba hiomanana ho amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, izay hatao amin’ny alarobia 23 Martsa 2016?
Ratsy ve ny Mirehareha?
Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ilay matoanteny hoe kau·khaʹo·mai, adika hoe “mirehareha, mifaly, mieboebo” dia ampiasaina amin’ny heviny ratsy sy tsara. Milaza, ohatra, i Paoly fa mety ‘hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra’ isika. Nampirisika toy izao koa izy: ‘Fa izay mirehareha dia aoka Jehovah no ho reharehany.’ (Romanina 5:2; 2 Korintianina 10:17). Izany hoe mirehareha ho manana an’i Jehovah ho Andriamanitsika izany dia fihetseham-po mety hitarika antsika hifaly noho ny anarany tsara sy ny laza tsarany.
Famakiana Baiboly
20-26 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 KORINTIANINA 11-13
“Nanana ‘Tsilo tao Amin’ny Nofo’ i Paoly”
Malemy Nefa Mahery
Nanana ‘tsilo tao amin’ny nofo’, na olana tsy nety voavaha ny apostoly Paoly. Niangavy an’Andriamanitra intelo io mpanompony mahatoky io mba hanala izany taminy. Na inona na inona ilay olana, dia azo antoka fa nanorisory azy ilay izy, ary nety ho nahatonga azy tsy hahita fifaliana teo amin’ny fanompoana. Toy ny hoe namely azy tsy an-kijanona ilay tsilo. Izao anefa no navalin’i Jehovah azy: “Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.” Tsy nanala an’ilay tsilo i Jehovah. Tsy maintsy niady tamin’izy io foana àry i Paoly, kanefa izao no nolazainy: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.” (2 Kor. 12:7-10) Inona no tiany holazaina amin’izany?
Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah
17 Namaly ny vavak’i Paoly Andriamanitra ka nilaza hoe: “Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.” Hoy i Paoly: “Koa aleoko àry mirehareha ny amin’ny fahalemeko, mba hitoetra eo amiko toy ny tranolay ny herin’i Kristy.” (2 Korintianina 12:9; Salamo 147:5) Araka izany, dia nahatsapa i Paoly fa nanarona azy toy ny tranolay ny fiarovan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Kristy. Mitovy amin’izany koa no hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika ankehitriny. Miaro ny mpanompony izy, toy ny hoe mamelatra tranolay eo ambonin’izy ireo.
18 Mazava ho azy fa tsy mampitsahatra ny orana sy ny fifofofofon’ny rivotra ny tranolay. Miaro amin’ireo zavatra ireo kosa ilay izy. Mitovy amin’izany koa ny fiarovana avy amin’ny “ny herin’i Kristy.” Tsy hoe mampitsahatra ny fitsapana sy ny fahasahiranana izy io. Miaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah anefa izy io, satria mety hanimba izany ireo zava-dratsy eto amin’ity tontolo ity sy ny fanafihan’ilay filohany, dia i Satana. (Apokalypsy 7:9, 15, 16) Koa na dia tsy ‘miala aminao’ aza ny fitsapana mahazo anao, dia mahazo matoky ianao fa hitan’i Jehovah ny ady mafy ataonao, ary mamaly “ny fitarainanao” izy. (Isaia 30:19; 2 Korintianina 1:3, 4) Hoy i Paoly: “Mahatoky ... Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.”—1 Korintianina 10:13; Filipianina 4:6, 7.
“Omeny Hery ny Reraka”
8 Vakio ny Isaia 40:30. Na mahay tahaka ny inona aza isika, dia voafetra ihany ny zavatra vitantsika amin’ny herintsika samirery. Mila mitadidy an’izany isika rehetra. Tena nahay ny apostoly Paoly, nefa nisy zavatra tsy vitany koa. Tsy afaka nanao an’izay rehetra tiany hatao izy. Rehefa nitaraina momba an’izany tamin’i Jehovah izy, dia hoy i Jehovah taminy: “Lavorary ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.” Azon’i Paoly ny tiany holazaina, ka hoy izy: “Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.” (2 Kor. 12:7-10) Inona no dikan’izany?
9 Fantatr’i Paoly fa be dia be ny zavatra tsy ho vitany, raha tsy ampian’Andriamanitra izy. Afaka nanome azy hery fanampiny ny fanahy masin’Andriamanitra rehefa nahatsiaro ho malemy izy. Afaka nanampy azy hahavita zavatra tsy ho vitany samirery koa izy io. Hoatr’izany koa isika. Tena hatanjaka isika raha mahazo hery avy amin’i Jehovah.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fanontanian’ny Mpamaky
Mety ho ny Fanjakan’ny Mesia no tiana horesahina amin’ilay hoe “lanitra fahatelo”, ao amin’ny 2 Korintianina 12:2. I Jesosy Kristy sy ireo 144 000 no ho mpitondra ao amin’izy io. Izy io no “lanitra vaovao.”—2 Pet. 3:13.
“Lanitra fahatelo” izy io satria fitondrana faran’izay tsara sy ambony.
Ny “paradisa” nitondrana an’i Paoly kosa dia mety ho 1) ilay Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy, 2) ilay paradisa ara-panahy hisy antsika any amin’ny tontolo vaovao, izay ho lehibe kokoa noho ny paradisa ara-panahy misy antsika amin’izao, ary 3) ilay “paradisan’Andriamanitra” any an-danitra. Hisy daholo ireo telo ireo any amin’ny tontolo vaovao.
it “Oroka, Manoroka”: “Oroka masina”
Oroka, Manoroka
“Oroka masina.” Nifampiarahaba tamin’ny “oroka masina” (Ro 16:16; 1Ko 16:20; 2Ko 13:12; 1Te 5:26) na “oroka fanehoam-pitiavana” (1Pe 5:14) ny Kristianina voalohany, angamba ny samy lehilahy na samy vehivavy, hoatran’ny nataon’ny Hebreo fahiny rehefa nifampiarahaba. Na dia tsy resahin’ny Baiboly aza ny mombamomba ireny oroka ireny, dia hita fa nifankatia sy niray saina ireo anisan’ny fiangonana kristianina.—Jn 13:34, 35.
Famakiana Baiboly
27 MEY–2 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GALATIANINA 1-3
“Nanohitra Azy Imasoimaso Aho”
Manahaka ny Fiheveran’i Jehovah ny Rariny ve Ianao?
16 Vakio ny Galatianina 2:11-14. Lasa natahotra olona i Petera. (Ohab. 29:25) Efa fantany tsara ny fiheveran’i Jehovah ny tsy Jiosy. Matin-kenamaso an’ireo Jiosy voafora, avy any amin’ny fiangonan’i Jerosalema, anefa izy. Natahotra izy hoe inona no hoeritreretin’izy ireo rehefa mahita azy miaraka amin’ny Kristianina tsy jiosy. Nanarin’ny apostoly Paoly àry i Petera satria nihatsaravelatsihy. Teo koa mantsy i Paoly tamin’ilay fivoriana tany Jerosalema, ary naheno an’i Petera niaro an’ireo Kristianina tsy jiosy. (Asa. 15:12; Gal. 2:13) Inona àry izao no hataon’ireo Kristianina tsy jiosy, amin’izany tsy rariny nataon’i Petera izany? Ho tafintohina ve ry zareo? Hesorina amin’i Petera ve ny andraikiny satria nanao fahadisoana izy?
Tsy Misy na Inona na Inona Mahatafintohina An’ireo Tia An’i Jehovah
12 I Petera indray natahotra olona ka nanao fahadisoana, na dia hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah sy Jesosy aza. Nanda ny Tompony teo anatrehan’ny olona maromaro, ohatra, izy. Tsy indray mandeha fa intelo mihitsy! (Lioka 22:54-62) Nihatakataka tamin’ireo Kristianina hafa firenena koa i Petera, indray mandeha, ka toy ny hoe ambany noho ny Kristianina jiosy izy ireny. Fantatry ny apostoly Paoly fa tsy tokony hanavakavaka ny Kristianina. Nanome torohevitra hentitra an’i Petera àry izy, dieny mbola tsy nisy vokany ratsy tamin’ny fiangonana izany. (Gal. 2:11-14) Tezitra tamin’izany ve i Petera, ka tsy nanohy an’ilay hazakazaka kristianina intsony? Tsia. Nisaintsaina tsara ny torohevitr’i Paoly izy, nampihatra an’ilay izy, ary nanohy foana an’ilay hazakazaka.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Aza Mivadika na Misy “Fahoriana Maro” Aza
20 Ary ahoana raha sendra fanafihana an-kolaka toy ny fahakiviana isika? Saintsaino ny vidim-panavotana, fa izay no fomba tsara indrindra handresena an’izany. Nisaintsaina ny vidim-panavotana ny apostoly Paoly. Kivy izy indraindray ka nilaza fa “olo-mahantra” izy. Fantany koa anefa fa maty ho an’ny mpanota i Kristy fa tsy ho an’ny olona lavorary. Anisan’ireny mpanota ireny i Paoly. Hoy izy: ‘Miaina mifanaraka amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra aho. Tia ahy izy ka nanolotra ny tenany ho ahy.’ (Gal. 2:20) Nanaiky ny vidim-panavotana àry i Paoly, ary nino hoe natao ho azy izy io.
21 Tena hanampy anao koa ny mieritreritra hoe fanomezana nataon’i Jehovah ho anao ny vidim-panavotana. Tsy midika anefa izany hoe hisinda tampoka eo ny fahakivianao. Mety hisy amintsika hiaritra an’io fanafihana an-kolaka io hatrany amin’ny tontolo vaovao. Tadidio anefa fa izay miaritra hatramin’ny farany ihany no hahazo ny loka. Efa tena kely sisa dia hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hanjaka ny fiadanana ary ho lasa lavorary ny olona rehetra tsy mivadika. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hiditra ao amin’io Fanjakana io, na dia tsy maintsy handia fahoriana maro aza vao ho tonga any.
it “Galatianina, Taratasy ho An’ny”: “Ireo olona nanoratana azy” § 2
Galatianina, Taratasy ho An’ny
Tsy voatery ho nieritreritra olona (taranaka Gôloa) tany avaratr’i Galatia i Paoly rehefa niteny hoe: “Ry Galatianina tsy misaina.” (Ga 3:1) Ny Kristianina sasany teo anivon’ireo fiangonana kosa no nanariny. Narahin’izy ireo mantsy ny hevitr’ireo nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy izay nanizingizina hoe ny fanarahana ny Lalàna fa tsy ny finoana (takina amin’ireo ao anatin’ny fifanekena vaovao) no hanambarana ny olona iray “ho marina.” (2:15–3:14; 4:9, 10) Jiosy sy tsy Jiosy no anisan’ireo ‘fiangonana tany Galatia.’ (1:2) Nisy tamin’ireo tsy Jiosy ireo efa nanaraka ny Fivavahana Jiosy sy noforana taloha, nisy kosa tsy noforana, ary nisy koa taranaka Selta. (As 13:14, 43; 16:1; Ga 5:2) Nantsoin’i Paoly hoe Galatianina daholo ireo Kristianina ireo, satria Galatia no anaran’ny faritra nisy azy ireo. Olona tany atsimon’i Galatia ary fantatr’i Paoly tsara àry no nanoratany, fa tsy olona tany avaratra izay sady tsy fantany no toa mbola tsy notsidihiny mihitsy.
Famakiana Baiboly