Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
3-9 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GALATIANINA 4-6
“‘Sary An’ohatra’ Misy Dikany ho Antsika”
it “Hagara” § 6
Hagara
Anisan’ny noresahin’ny apostoly Paoly tao amin’ny sary an’ohatra iray i Hagara. Noharin’i Paoly tamin’ny firenen’Israely ara-nofo izy. Io ilay firenena nanao fifanekena tamin’i Jehovah. Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay no nanomboka nanan-kery io fifaneken’ny Lalàna io, izay ‘nitera-jaza ho amin’ny fanandevozana.’ Mpanota ny olona ka tsy vitan’ny firenen’Israely ny nankatò tanteraka an’ilay fifanekena. Tsy nahatonga ny Israelita ho vahoaka afaka ilay fifanekena, fa vao mainka kosa nanameloka azy ireo ho mpanota mendrika ny ho faty. Andevo àry izy ireo. (Jn 8:34; Ro 8:1-3) Nifanitsy tamin’i Jerosalema i Hagara, tamin’ny andron’i Paoly. Nandevozina niaraka tamin’ny zanany mantsy i Jerosalema renivohitra, izay mifanitsy amin’ny firenen’Israely ara-nofo. Ny Kristianina nateraky ny fanahy kosa no zanak’ilay “Jerosalema any ambony”, izay oharina amin’ny vadin’Andriamanitra. Tsy andevo na oviana na oviana io “Jerosalema any ambony” io, fa olona afaka toa an’i Saraha. Nenjehin’i Ismaela i Isaka taloha. Nenjehin’ny zanak’ilay Jerosalema nandevozina koa ny zanak’ilay “Jerosalema any ambony”, izay nafahan’ilay Zanak’Andriamanitra. Noroahina anefa i Hagara sy ny zanany, ka midika izany fa nolavin’i Jehovah koa ny firenen’Israely ara-nofo.—Ga 4:21-31; jereo koa Jn 8:31-40.
Ataovy Mafy Orina ny Finoanao An’ilay Fanjakana
11 Tanteraka ilay fifanekena tamin’i Abrahama, rehefa nandova ny Tany Nampanantenaina ny taranany. Asehon’ny Soratra Masina anefa fa mbola ho tanteraka koa izy io amin’ny hoavy. (Gal. 4:22-25) Nohazavain’ny apostoly Paoly fa i Kristy no voalohany amin’ilay taranak’i Abrahama, rehefa ho tanteraka fanindroany ilay fifanekena, ary anisan’io taranaka io koa ny Kristianina voahosotra 144 000. (Gal. 3:16, 29; Apok. 5:9, 10; 14:1, 4) Antsoina hoe “Jerosalema any ambony” ilay vehivavy iavian’ilay taranaka. Io vehivavy io dia ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’Andriamanitra, izany hoe ny fitambaran’ireo zavaboary ara-panahy tsy mivadika. (Gal. 4:26, 31) Hitondra fitahiana ho an’ny olombelona ny taranak’ilay vehivavy, araka ny voalazan’ilay fifanekena tamin’i Abrahama.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Fantatrao Ve?
Nahoana i Jesosy no niantso an’i Jehovah hoe “Aba, Ray” rehefa nivavaka?
Mety hidika hoe “ny ray” na “Ray ô” ilay teny aramianina hoe aba. Miverina intelo izy io ao amin’ny Baiboly, ary samy ao anatina vavaka. Manondro an’i Jehovah, ilay Ray any an-danitra foana izy io. Inona no dikan’ilay teny hoe aba?
Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy): “Fomban’ny ankizy tamin’ny andron’i Jesosy ny niantso ny rainy hoe ‘Aba.’ Mampiseho izany fa nanaja ny rainy ilay zanaka, ary nifandray tsara taminy.” Io no anisan’ny teny voalohany hain’ny zaza vao miana-miteny. Hita amin’izany fa mifankatia ilay zaza sy ny rainy. Io teny io indrindra no nampiasain’i Jesosy tamin’izy nitalaho mafy tamin’i Jehovah. Tao Getsemane izy tamin’izay, ora vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, ary nivavaka toy izao: “Aba, Ray ô.”—Marka 14:36.
Hoy ihany ilay rakipahalalana: ‘Tsy fahita firy ao amin’ny asa soratra jiosy tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina, ilay teny hoe aba mba hiantsoana an’Andriamanitra. Azo antoka mantsy fa nieritreritra ny Jiosy hoe tsy manaja izany. Nampiasa ilay teny anefa i Jesosy rehefa nivavaka, mba hanamafisana fa Zanak’Andriamanitra izy.’ Asehon’ireo andinin-teny roa hafa misy an’ilay hoe “Aba” fa nampiasa azy io koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehefa nivavaka. Ao amin’ny boky nosoratan’ny apostoly Paoly no misy azy ireo.—Romanina 8:15; Galatianina 4:6.
Fantatrao Ve?
Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina amin’ilay hoe mitondra ‘marika eo amin’ny vatany manamarina azy ho mpanompon’i Jesosy’ izy?—Galatianina 6:17.
▪ Maro ny hevitra nety ho tonga tao an-tsain’ireo nihaino an’i Paoly tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nandre an’ireo teny ireo. Nampiasaina fahiny, ohatra, ny vy mahamay be mba hanisiana marika ny babo an’ady, mpandroba tempoly, ary andevo nandositra. Noheverina ho manala baraka ilay marika, raha olona toy izany no nasiana azy.
Tsy noheverina ho ratsy foana anefa ny marika eo amin’ny vatana. Maro ny olona fahiny nampiasa azy ireny mba hampahafantarana fa anisan’ny foko na fivavahana iray izy. Hoy, ohatra, ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy): ‘Nanisy marika teo amin’ny hatotanany sy ny hatony ny Syrianina, mba hampisehoana fa nanokan-tena ho an’i Hadada sy Atargatis andriamaniny izy ireo. Sarina ravinkazo no marika natao tamin’ireo mpanara-dia an’i Dionysos.’
Mpivaofy teny maro no mihevitra fa ny holatra teny amin’i Paoly, noho ny fampijaliana azy nandritra ny asa misionera nataony, no tiany holazaina. (2 Korintianina 11:23-27) Nety ho ny fomba fiainany, izay namantarana azy ho Kristianina, anefa no tian’i Paoly holazaina fa tsy marika ara-bakiteny.
Famakiana Baiboly
10-16 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EFESIANINA 1-3
“Nanangana Fitantanan-draharaha i Jehovah”
it “Zava-miafina Masina”: “Ny Fanjakan’ny Mesia”
Zava-miafina Masina
Ny Fanjakan’ny Mesia. Nanazava tsara momba an’ilay zava-miafina masina ny amin’i Kristy i Paoly. Nilaza aloha izy fa nampahafantarin’i Jehovah ilay “zava-miafina masina” ny amin’ny sitrapony. Hoy izy avy eo: “Araka izay mahafinaritra azy izany zava-miafina izany sy mifanaraka amin’ny fikasany hanangana fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany. Eny, ao aminy no anangonana ny zava-drehetra, ary tao aminy no nanaovana antsika koa ho mpandova, ka nanendrena antsika mialoha araka ny fikasan’Andriamanitra. Izy mantsy no mampandeha ny fiasan’ny zava-drehetra araka izay kasain’ny sitrapony.” (Ef 1:9-11) Mahakasika ny Fanjakan’ny Mesia àry io “zava-miafina masina” io. Ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra no “zavatra any an-danitra”, ary ny olom-peheziny eto an-tany no “zavatra eto an-tany.” Nasongadin’i Jesosy koa fa mahakasika an’ilay Fanjakana ilay zava-miafina. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Ianareo no nilazana mazava tsara ny zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra.”—Mr 4:11.
Manangona An’ireo Anisan’ny Fianakaviany i Jehovah
3 Rehefa manao zavatra i Jehovah, dia ataony mba hanatanterahana ny fikasany foana izany. Izany koa no nahatonga azy hanangana “fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro.” Tsy inona io fitantanan-draharaha io, fa ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahatonga ny zavaboariny manan-tsaina rehetra hiray saina. (Vakio ny Efesianina 1:8-10.) Misy dingana roa amin’io fandaharana io. Ny dingana voalohany, dia ny fanomanana an’ireo voahosotra mba ho any an-danitra ka hiasa eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy, Lohan’izy ireo. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 izany, rehefa nanomboka nanangona an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy i Jehovah. (Asa. 2:1-4) Noho ny sorom-panavotan’i Kristy, dia nambara ho marina ireo voahosotra ary mendrika ny hahazo ny fiainana. Noho izany dia mahazo antoka izy ireo fa natsangana ho “zanak’Andriamanitra.”—Rom. 3:23, 24; 5:1; 8:15-17.
4 Ny dingana faharoa, dia ny fanomanana an’ireo olo-marina mba hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany, eo ambany fitondran’ny Fanjakan’ny Mesia. Ny “vahoaka be” no voalohany hiaina ao amin’ny Paradisa. (Apok. 7:9, 13-17; 21:1-5) Hanampy isa azy ireo ny olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. (Apok. 20:12, 13) Ho feno karazan’olona eto an-tany amin’izay fotoana izay, ary hiray saina daholo isika rehetra. Hiatrika fitsapana farany ny “zavatra etỳ an-tany” amin’ny faran’ny arivo taona, ary hatsangana ho “zanak’Andriamanitra” etỳ an-tany izay tsy mivadika.—Rom. 8:21; Apok. 20:7, 8.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Aza Avela Hisy Hisakana Anao Tsy Hahazo Voninahitra Amin’i Jehovah
15 Afaka manampy ny hafa mba hahazo voninahitra koa isika, raha miaritra ka manao ny sitrapon’i Jehovah foana. Nanoratra toy izao ho an’ny fiangonan’i Efesosy i Paoly: “Mangataka anareo aho mba tsy ho kivy amin’ireny fahoriana nanjo ahy noho ny aminareo ireny. Voninahitra ho anareo mantsy izy ireny.” (Efes. 3:13) Nahoana i Paoly no nilaza hoe “voninahitra” ho an’ireo Efesianina ny fahoriana nanjo azy? Satria rehefa hitan’izy ireo hoe nanao fanompoana ho azy ireo foana i Paoly, na dia niharam-pitsapana aza, dia takatr’izy ireo tsara fa sarobidy tsy misy toy izany ny tombontsoa ananan’izy ireo noho izy ireo Kristianina. Ahoana anefa raha toa i Paoly ka tsy niaritra rehefa niharam-pitsapana? Tsy ho nieritreritra ve ireo Efesianina hoe tsy misy dikany ny fifandraisana amin’i Jehovah sy ny fanompoana ary ny fanantenan’izy ireo? Niaritra foana anefa i Paoly, ka nasehony tamin’izany hoe tombontsoa be ny manara-dia an’i Kristy, ary mendrika hanaovana ny sorona rehetra.
“Hahalala ny Fitiavan’i Kristy”
21 Ilay teny grika nadika hoe ‘mahalala’ dia midika hoe mahafantatra “amin’ny alalan’ny zava-mitranga sy iainana.” Takatsika tsara ny fihetseham-pon’i Jesosy raha maneho fitiavana toy ny nataony isika, izany hoe tsy tia tena fa manome mba hahasoa ny olon-kafa, mangoraka sy manao zavatra ho azy ireny, ary mamela heloka amin’ny fontsika. Ny zavatra iainantsika amin’izay no ‘hahalalantsika ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana.’ Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa arakaraka ny anahafantsika an’i Kristy, no hanatonantsika kokoa an’ilay notahafiny, dia i Jehovah Andriamanitsika be fitiavana.
Famakiana Baiboly
17-23 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EFESIANINA 4-6
“Tafio Daholo ny Fiadiana Fiarovana Rehetra avy Amin’Andriamanitra”
Ry Tanora, Miezaha ho Mafy Orina mba Hahatohitra ny Devoly
NAMPITAHAIN’NY apostoly Paoly tamin’ny miaramila isika Kristianina, satria manana fahavalo ary tsy maintsy miady amin’izy ireo. Tsy olombelona anefa ireo fahavalontsika ireo fa anjely. Tsy iza izany fa i Satana sy ny demonia. Tena misy izy ireo, ary mahay miady be sady efa niady nandritra ny taona maro. Raha jerena maimaika, dia hoatran’ny hoe atody miady amam-bato isika, indrindra fa ny tanora. Hahavita handresy an’ireo fahavalo tena mahery ireo ve ny tanora? Eny! Efa mandresy mihitsy aza izy ireo. ‘Mahazo hery mandrakariva amin’ny alalan’ny Tompo’ mantsy izy ireo, izany hoe omen’i Jehovah hery. Toy ny miaramila efa nampiofanina tsara koa izy ireo, satria ananany daholo “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra.”—Vakio ny Efesianina 6:10-12.
Ry Tanora, Miezaha ho Mafy Orina mba Hahatohitra ny Devoly
4 Toa an’ilay fehikibo ny fahamarinana ianarantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria miaro antsika amin’ny vokatry ny fampianaran-diso. (Jaona 8:31, 32; 1 Jaona 4:1) Raha miezaka isika mba ho tia bebe kokoa ny zavatra ianarantsika, dia ho mora kokoa amintsika ny hankatò ny fitsipik’Andriamanitra, izany hoe ho maivana kokoa ilay “fiarovan-tratra.” (Sal. 111:7, 8; 1 Jaona 5:3) Rehefa azontsika tsara koa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia lasa matoky tena isika ka mahavita miaro azy io eo anatrehan’ny mpanohitra.—1 Pet. 3:15.
7 Mety tsara raha ampitovina amin’ny fiarovan-tratra ny fahitsiana, na ny fitsipik’i Jehovah momba izay atao hoe mahitsy. Miaro ny fontsika an’ohatra mantsy izy io. (Ohab. 4:23) Tsy hatakalon’ny miaramila fiarovan-tratra vita amin’ny metaly malemy kokoa ilay fiarovan-tratra vita amin’ny vy. Hoatr’izany koa isika. Tsy hatakalontsika an’izay heverintsika fa mety ny fitsipik’i Jehovah. Tsy tena manam-pahendrena mantsy isika, ka tsy afaka ny hiaro ny fontsika. (Ohab. 3:5, 6) Tokony hojerentsika matetika àry raha mifatotra tsara ny ‘fiarovan-tratrantsika’, ka voaro ny fontsika.
10 Toy ny hoe manao kiraro koa isika rehefa vonona hitory ny vaovao tsara. Tsy mitovy amin’ny an’ny miaramila romanina anefa ny kirarontsika. Ny kiraron’izy ireo mantsy nanampy azy handresy tamin’ny ady, fa ny antsika kosa mahatonga antsika hanampy ny olona ho tia fihavanana. (Isaia 52:7; Rom. 10:15) Ilana herim-po anefa indraindray ny mitory. Hoy i Bo, 20 taona: “Tsy sahy nitory tamin’ny mpiara-mianatra tamiko aho taloha fa menatra. Rehefa mieritreritra an’izany anefa aho izao, dia tsy azoko hoe naninona aho no menatra. Faly aho izao mitory amin’ny tanora hoatr’ahy.”
Ry Tanora, Miezaha ho Mafy Orina mba Hahatohitra ny Devoly
13 Inona no “zana-tsipìka mirehitra” mety hamelezan’i Satana anao? Mety hataony, ohatra, izay hahatonga anao hino hoe tsy miraharaha anao i Jehovah sady tsy tia anao. Lainga anefa izany. Hoy i Ida, 19 taona: “Mieritreritra aho matetika hoe lavitra ahy i Jehovah sady tsy te hinamana amiko.” Inona no manampy azy? Hoy izy: “Tena manatanjaka ny finoako ny fivoriana. Taloha aho nipetraka fotsiny dia tsy nanome valin-teny mihitsy. Nieritreritra aho mantsy hoe tsisy ho liana amin’izay hoteneniko. Omaniko tsara anefa izao ny fivoriana, dia miezaka aho mamaly indroa na intelo. Sarotra ilay izy, saingy faly kokoa aho rehefa miezaka hoatr’izany. Mampahery be koa ny mpiara-manompo. Isaky ny avy mivory aho, dia mahazo toky hoe tian’i Jehovah.”
16 Miaro ny fahaizantsika misaina ny “fanantenana famonjena”, hoatran’ilay fiarovan-doha niaro ny atidohan’ny miaramila romanina. (1 Tes. 5:8; Ohab. 3:21) Manampy antsika hifantoka amin’ny zavatra nampanantenain’i Jehovah ny fanantenantsika, sady manampy antsika tsy ho kivy rehefa miatrika olana. (Sal. 27:1, 14; Asa. 24:15) Raha tiantsika hiaro antsika anefa ilay “fiarovan-doha”, dia tokony ho eny amin’ny lohantsika fa tsy eny an-tanantsika. Midika izany fa tokony hino isika hoe azo antoka ny fanantenantsika.
20 Nampitahain’i Paoly tamin’ny sabatra ny Tenin’Andriamanitra. Mila haintsika tsara ny mampiasa azy io, amin’izay isika afaka miaro ny finoantsika na manitsy ny fomba fisainantsika. (2 Kor. 10:4, 5; 2 Tim. 2:15) Ahoana no hahatonga antsika ho kinga kokoa rehefa mampiasa ny Tenin’Andriamanitra? Hoy i Sebastian, 21 taona: “Isaky ny mamaky toko iray ao amin’ny Baiboly aho, dia mifidy andininy iray tena tiako. Soratako ilay izy avy eo, dia lasa manana andininy be dia be aho. Lasa mitovy kokoa amin’ny an’i Jehovah amin’izay ny fomba fisainako.” Hoy i Daniel, ilay voaresaka tetsy aloha: “Rehefa mamaky Baiboly aho, dia jereko izay andininy eritreretiko hoe mety hanampy ny olona hitoriako. Mandray tsara ny olona rehefa hitany hoe tena tia Baiboly ianao sady miezaka mafy hanampy azy.”
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Fahamasinana”: “Fanahy masina”
Fahamasinana
Fanahy masina. Hery ampiasain’i Jehovah ny fanahiny masina. Voafehiny tsara izy io ary manatanteraka ny fikasany foana. Madio sy masina izy io, ary natokana mba hampiasain’Andriamanitra. Izany no iantsoana azy io hoe “fanahy masina.” (Sl 51:11; Lk 11:13; Ro 1:4; Ef 1:13) Mahatonga ny olona hanana fitondran-tena madio sy masina izy io. Manohitra na ‘mampalahelo’ azy io ny olona zatra manao fahalotoana na manao ratsy. (Ef 4:30) Marina fa tsy hoe olona ny fanahy masina. Azo lazaina hoe ‘malahelo’ anefa izy io, satria izy io no ampiasain’Andriamanitra anehoana ny fihetseham-pony sy ny toetrany masina. Mety ‘hamono ny afon’ny fanahy’ ny fanaovan-dratsy, na inona izany na inona. (1Te 5:19) ‘Halahelo’ ny fanahy masina raha tohizina ilay fanao ratsy. Mety ho lasa fahavalon’Andriamanitra ilay manao izany satria mikomy. (Is 63:10) Mety ho tonga hatramin’ny fanevatevana ny fanahy masina ny olona mampalahelo azy io. Nilaza i Jesosy Kristy fa tsy ho voavela heloka ny olona toy izany, na amin’izao fiainana izao na amin’ilay ho avy.—Mt 12:31, 32; Mr 3:28-30; jereo FANAHY.
it “Faniriana Tsy Mety Afa-po”: “Hita amin’izay atao”
Faniriana Tsy Mety Afa-po
Hita amin’izay atao. Hibaribary amin’izay ataon’ny olona iray raha manana faniriana ratsy sy tafahoatra izy. Milaza i Jakoba fa miteraka fahotana ny fanirian-dratsy rehefa kolokoloina. (Jk 1:14, 15) Hita amin’izay ataon’ilay olona àry raha manana faniriana tsy mety afa-po izy. Milaza i Paoly fa manompo sampy ny olona manana faniriana tsy mety afa-po (Ef 5:5), satria ataony andriamanitra kely ilay zavatra iriny mafy, ka lasa zava-dehibe aminy kokoa noho ny fanompoana ny Mpamorona.—Ro 1:24, 25.
Famakiana Baiboly
24-30 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | FILIPIANINA 1-4
“Aza Manahy na Amin’inona na Amin’inona”
‘Lehibe Lavitra Noho ny Eritreritra Rehetra ny Fiadanan’Andriamanitra’
10 Inona no hanampy antsika tsy hanahy na amin’inona na amin’inona, fa hanana “ny fiadanan’Andriamanitra”? Nilaza i Paoly ao amin’ilay taratasiny ho an’ny Filipianina hoe ny vavaka no fanafodin’ny fanahiana. Isaky ny mitebiteby àry isika dia mila mivavaka. (Vakio ny 1 Petera 5:6, 7.) Rehefa mivavaka amin’i Jehovah ianao, dia aza misalasala mihitsy hoe hikarakara anao izy. Aza hadinoina koa ny “fisaorana.” Tadidio ny fitahiana efa azonao, ka misaora an’i Jehovah. Vao mainka ianao hatoky azy raha mitadidy foana hoe afaka ‘manao mihoatra noho izay rehetra angatahinao na eritreretinao’ izy. “Mihoatra lavitra noho izany mihitsy aza” no vitany.—Efes. 3:20.
‘Lehibe Lavitra Noho ny Eritreritra Rehetra ny Fiadanan’Andriamanitra’
7 Azo inoana fa nahatsiaro an’izay nanjo an’i Paoly ny Kristianina tany Filipy rehefa namaky ny taratasiny. Tadidin’izy ireo koa hoe tena tsy nampoizin-dry zareo ny zavatra nataon’i Jehovah. Inona no lesona tian’i Paoly hianaran’izy ireo avy tamin’izany? Tsy tokony hanahy izy ireo, fa tokony hivavaka mba hahazo ny fiadanan’Andriamanitra. Nilaza i Paoly hoe ‘lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra ny fiadanan’Andriamanitra.’ Misy mpandika teny mandika an’izany hoe “mihoatra lavitra noho izay nofinofisintsika”, na hoe “tsara lavitra noho izay kasain’ny olombelona hatao.” Te hilaza àry i Paoly hoe tsara lavitra noho izay mety hoeritreretintsika io fiadanana io. Na hoatran’ny hoe tsy misy vahaolana aza ny olana mahazo antsika, dia i Jehovah mahita vahaolana sady mahavita zavatra tsy ampoizina.—Vakio ny 2 Petera 2:9.
‘Lehibe Lavitra Noho ny Eritreritra Rehetra ny Fiadanan’Andriamanitra’
16 Inona no ho vokany rehefa manana “ny fiadanan’Andriamanitra” isika? Milaza ny Baiboly fa ‘hiambina ny fontsika sy ny saintsika’ izy io. (Fil. 4:7) Teny nilazana andiana miaramila nasaina niambina tanàna no nakana an’ilay teny nadika hoe “hiambina.” Nisy mpiambina hoatr’izany teo am-bavahadin’ny tanànan’i Filipy. Natory tsara ny mponina tao rehefa alina, satria natoky hoe voaro tsara ny tanàna. Ho tony tsara hoatr’izany koa ny fo sy ny saintsika, rehefa manana “ny fiadanan’Andriamanitra” isika. Fantatsika mantsy fa mitady izay hahasoa antsika i Jehovah, ary tiany ho sambatra isika. (1 Pet. 5:10) Hiaro antsika mba tsy hitebiteby be na ho kivy be loatra izany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Fanatitra”: “Fanatitra zava-pisotro”
Fanatitra
Fanatitra zava-pisotro. Nampiarahina tamin’ny ankamaroan’ny fanatitra hafa rehetra izy io, indrindra rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. (No 15:2, 5, 8-10) Divay (“zava-pisotro mahamamo”) ilay izy, ary nararaka teo ambony alitara. (No 28:7, 14; ampit. Ek 30:9; No 15:10.) Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Filipy: ‘Faly aho, na dia atao toy ny fanatitra zava-pisotro aza, ka araraka eo amin’ny sorona mifandray amin’ny fanompoana ho an’ny besinimaro.’ Nilaza izy fa toy ny fanatitra zava-pisotro ny tenany, noho izy vonona hahafoy tena ho an’ny rahalahiny kristianina. (Fi 2:17) Hoy koa izy tamin’i Timoty, taloha kelin’ny nahafatesany: “Efa araraka sahady toy ny fanatitra zava-pisotro aho, ary efa antomotra ny fotoana voatondro hanafahana ahy.”—2Ti 4:6.
Efa Nanomboka “ny Fitsanganana Voalohany”!
5 Manaraka izany, dia tsy maintsy hatsangana ho any an-danitra mba hiaraka amin’i Jesosy Kristy Tompo ao amin’ny voninahiny, ireo voahosotra anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.” “Hiaraka amin’ny Tompo foana” izy ireo amin’izay. (Galatianina 6:16; 1 Tesalonianina 4:17) Antsoina hoe “fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa” na “fitsanganana voalohany” io fitsanganana io. (Filipianina 3:10, 11; Apokalypsy 20:6) Rehefa vita izy io vao hatsangana eto an-tany ny olona an-tapitrisany manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Tena irintsika ho fantatra àry ny momba “ny fitsanganana voalohany”, na manantena ny ho any an-danitra isika na ny ho eto an-tany. Ahoana ny momba an’io fitsanganana io? Rahoviana izy io no manomboka?
Famakiana Baiboly