Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
1-7 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | KOLOSIANINA 1-4
“Esory ny Toetra Taloha ary Tafio ny Toetra Vaovao”
Raiso ny Fanahin’Andriamanitra fa Aza Mandray ny Fanahin’izao Tontolo Izao
12 Manao ahoana ny fifandraisako amin’ny hafa? (Vakio ny Kolosianina 3:8-10, 13.) Mampirisika ny olona hanao ny asan’ny nofo ny fanahin’izao tontolo izao. (Gal. 5:19-21) Rehefa misy olana no tena ahitana hoe ny fanahin’Andriamanitra sa ny fanahin’izao tontolo izao no mitarika antsika. Hita izany, ohatra, rehefa misy rahalahy na anabavy tsy miraharaha antsika, na manafintohina antsika, na manota amintsika mihitsy aza. Hita koa izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny mpianakavintsika. Ilaina àry ny mandini-tena. Saintsaino hoe: ‘Tao anatin’ny enim-bolana lasa, nanjary nitovy kokoa amin’ny toetran’i Kristy ve ny toetrako, sa aho lasa niverina amin’ny fomba fiteniko sy ny fanaoko taloha rehefa mifandray amin’ny hafa?’
13 Afaka manampy antsika ny fanahin’Andriamanitra mba ‘hanaisotra ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy’, ary hitafy “ny toetra vaovao.” Hanampy antsika ho be fitiavana sy ho tsara fanahy kokoa izany. Ho vonona hamela heloka tanteraka isika, na dia toa manana antony ara-drariny hitarainana aza. Tsy hitana “lolompo” koa isika, na hitroatra noho ny “fahatezerana” na ny “fahavinirana”, rehefa misy zavatra heverintsika ho tsy rariny. Tsy ‘hilelalela’ na ‘hanevateva’ isika, fa hiezaka “hangoraka” kosa.—Efes. 4:31, 32.
Efa Niova ve Ianao?
18 Tsy ampy anefa ny mamaky sy mianatra Baiboly tsy tapaka, raha tiantsika hanova antsika izy io. Maro ny olona mamaky Baiboly, ka mahafantatra tsara izay voalaza ao. Mety ho nahita olona hoatr’izany ianao teny amin’ny fanompoana. Misy aza mahay tsianjery andinin-teny. Tsy dia misy vokany eo amin’ny fomba fisainany sy ny fomba fiainany anefa izany matetika. Tokony havela ho latsa-paka ao am-po mantsy ny Tenin’Andriamanitra, raha tiantsika hisy heriny eo amintsika sy hanova antsika. Mila maka fotoana àry isika hisaintsainana an’izay ianarantsika. Mila mieritreritra, ohatra, isika hoe: ‘Resy lahatra ve aho fa tsy fampianarana fotsiny ilay izy fa tokony hampihariko eo amin’ny fiainana koa? Tsapako ve hoe tena marina ilay izy? Ampihariko ve ilay zavatra nianarako, sa ampianariko ny hafa fotsiny? Mino ve aho hoe avy amin’i Jehovah io zavatra ianarako io, ka toy ny hoe miresaka amiko izy?’ Ho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika raha misaintsaina toy izany. Hitombo koa ny fitiavantsika azy. Rehefa manohina ny fontsika ny zavatra ianarantsika, dia lasa miova isika.—Ohab. 4:23; Lioka 6:45.
19 Hoy ny Kolosianina 3:9, 10: “Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara.” Hahavita hanaraka an’io torohevitra io foana isika, raha mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy misaintsaina izany. Lasa mitafy ny toetra vaovao isika, rehefa azontsika tsara sy ampiharintsika izay voalaza ao amin’ny Baiboly. Hiaro antsika amin’ny fandrik’i Satana izany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Fanjakan’Andriamanitra”: “Ny fanjakan’ilay Zanany tiany”
Fanjakan’Andriamanitra
“Ny fanjakan’ilay Zanany tiany.” Nahita porofo ny mpianatr’i Jesosy, folo andro taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, fa efa “nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra izy”, satria nandatsaka ny fanahy masina tamin’izy ireo tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 1:8, 9; 2:1-4, 29-33) Nanomboka nampiharina tamin’izy ireo ilay “fifanekena vaovao” tamin’izay, ary izy ireo no voalohany anisan’ilay “firenena masina” vaovao, na Israely ara-panahy.—He 12:22-24; 1Pe 2:9, 10; Ga 6:16.
Efa nipetraka teo ankavanan’ny Rainy i Kristy tamin’izay, ary izy no Lohan’io fiangonan’ny Israely ara-panahy io. (Ef 5:23; He 1:3; Fi 2:9-11) Hazavain’ny Soratra Masina fa nisy fanjakana ara-panahy nanana fahefana teo amin’ireo mpianatr’i Kristy, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Niresaka an’i Jesosy Kristy ho efa manana fanjakana ny apostoly Paoly, tamin’izy nanoratra ho an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany nonina tany Kolosia. Hoy izy: “Nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny haizina [Andriamanitra], ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ilay Zanany tiany.”—Kl 1:13; ampit. As 17:6, 7.
Tsy inona àry ilay fanjakan’i Kristy nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 fa fanjakana ara-panahy teo amin’ny Israely ara-panahy, na Kristianina nateraky ny fanahin’Andriamanitra mba ho zanany ara-panahy. (Jn 3:3, 5, 6) Tsy anisan’ny vahoaka eto an-tany fehezin’io fanjakana ara-panahy io intsony ireny Kristianina nateraky ny fanahy ireny rehefa mahazo ny valisoany any an-danitra, fa ho lasa mpanjaka miaraka amin’i Kristy any an-danitra kosa.—Ap 5:9, 10.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Galatianina, Efesianina, Filipianina ary Kolosianina
2:8—Inona ireo “zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity” izay nampitandreman’i Paoly? Izany dia ireo toro lalana na hevitra fototra ijoroan’ny tontolon’i Satana, ary mitari-dalana azy na manosika azy hanao zavatra. (1 Jaona 2:16) Anisan’izany ny filozofia, ny fitiavan-karena, ary ny fivavahan-diso.
Famakiana Baiboly
8-14 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TESALONIANINA 1-5
“Mifampionòna sy Mifampahereza Hatrany”
“Asio Fiheverana Ireo Miasa Mafy eo Aminareo”
12 Tsy hoe mampianatra fotsiny no tafiditra amin’ilay hoe “mitarika” eo anivon’ny fiangonana. Mitovy hevitra amin’io ilay teny hoe “mitondra” ao amin’ny 1 Timoty 3:4. Hoy i Paoly ao: ‘Tokony hahay hitondra ny ankohonany ny mpiandraikitra, sady manana zanaka manaiky azy amim-panajana.’ Ilay teny hoe “mitondra” eo, dia tsy midika fotsiny hoe mampianatra, fa midika koa hoe manome modely sy manao izay hahatonga ny zanany hanaiky ny ray aman-dreniny. Toy izany àry no ataon’ny anti-panahy. Manome modely ho an’ny fiangonana izy ireo, ka manampy ny rehetra hanaiky an’i Jehovah.—1 Tim. 3:5.
“Asio Fiheverana Ireo Miasa Mafy eo Aminareo”
19 Inona no hataonao raha misy olona manome fanomezana tena mahasoa anao? Hankasitraka an’ilay fanomezana ve ianao, ka hampiasa an’ilay izy? Ireo “lehilahy ho fanomezana” no nomen’i Jehovah anao, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ahoana no ampisehoanao fa mankasitraka azy ireny ianao? Henoy tsara ny lahateny ataon’izy ireo ary ezaho ampiharina. Manomeza valin-teny voahevitra tsara, rehefa any am-pivoriana. Mandraisa anjara amin’ireo asa tarihin’ny anti-panahy, anisan’izany ny fanompoana eny amin’ny saha. Raha nahasoa anao ny torohevitra nomen’ny anti-panahy iray, nahoana raha resahina aminy izany? Tadidio koa fa matoa ny anti-panahy mahavita miasa mafy ho an’ny fiangonana, dia satria ny fianakaviany nahafoy ny fotoana tokony hiarahana aminy. Nahoana àry raha maneho fankasitrahana an’ireny fianakaviana ireny?
‘Tia Amin’ny Atao sy ny Fahamarinana’ ve Ianao?
13 Ampio ireo malemy. Mampirisika antsika ny Baiboly mba “hanohana ny malemy, ary hahari-po amin’ny olona rehetra.” (1 Tes. 5:14) Tena manam-pitiavana isika raha manao an’izany. Maro amin’ireo malemy no lasa manana finoana matanjaka indray. Ny hafa kosa mila fanampiana maharitra, ka mila manam-paharetana aminy isika. Azontsika atao, ohatra, ny miresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly mba hampaherezana azy, na manasa azy hiara-hanompo amintsika, na maka fotoana hihainoana azy fotsiny. Tsara koa ny mitadidy fa samy manana ny lafiny mampahatanjaka azy sy mampahalemy azy ny tsirairay, ka tsy misy olona tokony hosokajina hoe “malemy” na “matanjaka.” Na ny apostoly Paoly aza niaiky hoe nanana fahalemena. (2 Kor. 12:9, 10) Samy mila fanampiana sy fampaherezana avy amin’ny mpiara-manompo daholo àry isika.
Miezaha Hanetry Tena sy Hangoraka toa An’i Jesosy
16 Ny tenintsika: Mandrisika antsika “hanao teny mampahery ny kivy” ny fangorahana. (1 Tes. 5:14) Inona no azontsika lazaina mba hampaherezana azy ireny? Hampahery azy ireny isika raha tsapa amin’ny tenintsika fa tena tia sy miahy azy. Azo atao ny midera azy amin’ny fo mba ho tsapany fa manana toetra tsara sy fahaizana izy. Azo ampahatsiahivina azy koa fa sarobidy amin’i Jehovah izy matoa notaominy mba hanara-dia ny Zanany. (Jaona 6:44) Afaka manome toky azy koa isika fa tena miahy an’ireo mpanompony “torotoro fo” sy “ketraka” i Jehovah. (Sal. 34:18) Mety hampitraka an’ireo mila fampiononana ny teny feno fangorahana lazaintsika.—Ohab. 16:24.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Fijangajangana”: “Tsy tokony hijangajanga ny Kristianina” § 3
Fijangajangana
Fahotana mety hahavoaroaka Kristianina iray tsy ho anisan’ny fiangonana ny fijangajangana. (1Ko 5:9-13; He 12:15, 16) Nanazava i Paoly fa manota amin’ny vatany ihany ny olona mijangajanga, satria ratsy ny fomba ampiasany ny taovam-pananahany. Tena manimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra ilay olona, ary mandoto ny fiangonan’Andriamanitra, sady mety ho voan’ny aretina mahafaty azo avy amin’ny firaisana. (1Ko 6:18, 19) Manitsakitsaka ny zon’ireo rahalahiny kristianina izy (1Te 4:3-7), satria 1) nandoto ny fiangonana sady nanao hadalana nanala baraka azy io (He 12:15, 16), 2) nataony lasa maloto fitondran-tena ilay olona nijangajangany ka tsy madio intsony rehefa hanambady, raha mpitovo izy io, 3) nataony lasa ratsy laza ny fianakaviany, ary 4) nanao fahadisoana tamin’ny ray aman-dreny sy vady na fofombadin’ilay nijangajangany izy. Tsy olona no tsy raharahainy, fa Andriamanitra izay hitaky ny hanasaziana azy noho ny fahotany. Ny olona mantsy mety hanala tsiny ny fijangajangana.—1Te 4:8.
“Efa Manakaiky ny Fanafahana Anareo”
14 Inona no hitranga rehefa manomboka miady amin’ny vahoakan’i Jehovah i Goga avy any Magoga? Nanoratra i Matio sy Marka hoe: ‘Haniraka ny anjely ny Zanak’olona sady hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, avy any amin’ny faran’ny tany ka hatrany amin’ny faravodilanitra.’ (Mar. 13:27; Mat. 24:31) Tsy ilay fanangonana ny voahosotra nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 no tiana horesahina eo. Tsy ny fanisiana tombo-kase farany an’izay voahosotra mbola eto an-tany koa izy io. (Mat. 13:37, 38) Alohan’ny fahoriana lehibe mantsy no hasiana tombo-kase izy ireo. (Apok. 7:1-4) Inona àry no dikan’ilay hoe ‘hangonina ny olom-boafidy’? Hangonina ho any an-danitra izay voahosotra mbola etỳ an-tany. (1 Tes. 4:15-17; Apok. 14:1) Hitranga izany raha vao manomboka manafika i Goga avy any Magoga. (Ezek. 38:11) Ho tanteraka ilay tenin’i Jesosy hoe: “Amin’izany fotoana izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.”—Mat. 13:43.
15 Maro no mino fa hiakatra velona any an-danitra ny Kristianina, ary tena ho hita maso eny amin’ny rahona i Jesosy. Milaza mazava anefa ny Baiboly fa ny “famantarana ny Zanak’olona” no hiseho eny amin’ny lanitra, ary “ao amin’ny rahon’ny lanitra” izy no ho avy. (Mat. 24:30) Midika izany fa tsy ho hita maso i Jesosy rehefa ho avy. Milaza koa ny Baiboly fa “tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra.” Tsy maintsy “hovana ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, ao anatin’ny indray mipy maso” àry izay voahosotra mbola eto an-tany, “rehefa maneno ny trompetra farany.” (Vakio ny 1 Korintianina 15:50-53.) Fotoana fohy koa no hanangonana azy ireo ho any an-danitra.
Famakiana Baiboly
15-21 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 2 TESALONIANINA 1-3
“Haharihary Ilay Lehilahy Tsy Tan-dalàna”
it “Fahafoizan-tena ho An’Andriamanitra”: ‘Inona “ilay zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna” noresahin’i Paoly?’
Fahafoizan-tena ho An’Andriamanitra
Mifanohitra tanteraka amin’ilay ‘zava-miafina masin’i’ Jehovah io ‘zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna’ io. Zava-miafina ho an’ny tena Kristianina izy io, satria mbola tsy tena nazava tsara tamin’ny andron’i Paoly hoe iza “ilay lehilahy mpandika lalàna.” Na efa nipoitra aza io “lehilahy” io, dia mbola tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona ihany, satria mody nahafoy tena ho an’Andriamanitra mba hanafenana ny asa ratsiny. Antokon’olona mpivadi-pinoana izy io raha ny marina. Nilaza i Paoly fa efa niasa sahady “ilay zava-miafina ny amin’io fandikan-dalàna io” tamin’ny androny, satria efa nisy mpandika lalàna teo anivon’ny fiangonana kristianina ka ireo no lasa mpivadi-pinoana. Haringan’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fanatrehany anefa io “lehilahy” mpivadi-pinoana fehezin’i Satana io. Hanandra-tena “ho ambony noho izay rehetra atao hoe ‘andriamanitra’ na izay zavatra ivavahana” (gr.: sebasma) mantsy izy io. Tena mpamitaka gaigilahy àry io mpanohitra an’Andriamanitra io, satria mody mahafoy tena ho an’Andriamanitra mba hanafenana ny asa ratsiny. Ho ringana izay rehetra manara-dia azy.—2Te 2:3-12; ampit. Mt 7:15, 21-23.
it “Lainga” § 8
Lainga
Navelan’i Jehovah Andriamanitra ho voafitaky ny “fahadisoana” ny olona tia lainga, “mba hinoany lainga” fa tsy inoany ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy. (2Te 2:9-12) Mampiseho tsara izany izay nanjo an’i Ahaba mpanjaka israelita, taonjato maro talohan’izay. Nandainga ny mpaminaniny ka nanome toky azy fa handresy an’i Ramota-gileada izy. Nanambara loza kosa i Mikaia mpaminanin’i Jehovah, ary nasehon’i Jehovah azy tao amin’ny fahitana fa navelany ho tonga “fanahy mamitaka” hampiteny an’ireo mpaminanin’i Ahaba ny anjely iray. Io anjely io no nitarika an’ireo mpaminany hilaza izay tian’izy ireo holazaina sy izay tian’i Ahaba ho re, fa tsy hilaza ny marina. Efa nampitandremana i Ahaba nefa naleony voafitaky ny laingan’ireo mpaminaniny, ary ny ainy no nanefa.—1Mp 22:1-38; 2Ta 18.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Afo”: “Fandringanana” § 2
Afo
Nilaza i Petera fa ‘tehirizina ho amin’ny afo ny lanitra sy ny tany ankehitriny.’ Tsy afo ara-bakiteny izany fa fandringanana mandrakizay, rehefa jerena ny teny manodidina sy ny andinin-teny hafa. Ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra ihany no ringan’ilay Safodrano tamin’ny andron’i Noa, fa tsy potika ny lanitra sy ny tany. Toy izany koa fa ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny tontolo ratsy ankehitriny ihany no horinganina, rehefa haharihary i Jesosy Kristy miaraka amin’ny anjeliny mahery ao amin’ny afo midedadeda.—2Pe 3:5-7, 10-13; 2Te 1:6-10; ampit. Is 66:15, 16, 22, 24.
it “Fanahy, avy Amin’ny”: “Fanambarana avy amin’ny fanahy” § 1
Fanahy, avy Amin’ny
“Fanambarana avy amin’ny fanahy.” Hafa kely ny nampiasana ny teny grika hoe pneoma ao amin’ny boky sasany nosoratan’ny apostoly. Nilazan’i Paoly, ohatra, ireo rahalahiny tany Tesalonika mba tsy halaky hientanentana na hikorontan-tsaina “raha misy fanambarana avy amin’ny fanahy, na tenin’olona, na taratasy toa avy aminay, milaza fa efa tonga ny andron’i Jehovah.” (2Te 2:2) Nadika hoe “fanambarana avy amin’ny fanahy” eo ny hoe pneoma (fanahy), ary nampifandraisin’i Paoly tamin’ny “tenin’olona” na “taratasy.” Hoy àry ny Fanazavana ny Soratra Masina nataon’i Lange (p. 126): “Teny avy amin’ny fanahy, toa filazana mialoha ny hoavy, na tenin’ny mpaminany no tian’ilay Apostoly holazaina eo.” (Nadika sy nataon’i P. Schaff, 1976) Hoy koa ny Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao nataon’i Vincent: “Avy amin’ny fanahy. Faminaniana lazain’olona mandritra ny fivoriana kristianina hoe nahariharin’Andriamanitra taminy.” (1957, Boky Faha-4, p. 63) Misy Baiboly nandika ny pneoma hoe “fanahy” fotsiny eo amin’io andininy io sy ny andininy hafa, fa misy kosa manao hoe “hafatra avy amin’Andriamanitra” (DIEM), na “fanambarana avy amin’ny fanahy” (TV).
Famakiana Baiboly
22-28 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TIMOTY 1-3
“Miezaha Hahazo Andraikitra”
Mila Mandroso Ara-panahy ve Ianao?
3 Vakio ny 1 Timoty 3:1. Avy amin’ny teny grika midika hoe manakatra, ilay hoe “miezaka.” Zavatra lavidavitra fa tsy akaiky no takarina. Nampiasa an’io teny io ny apostoly Paoly, satria te hanasongadina hoe mila miezaka ny olona iray te handroso ara-panahy. Aoka hatao hoe mieritreritra ny andraikitra azony atao eo anivon’ny fiangonana ny rahalahy iray. Mbola tsy mpanampy amin’ny fanompoana angamba izy. Tsapany hoe mila miezaka ho tsara toetra kokoa izy. Miezaka hahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana àry izy aloha. Manantena izy fa mbola hahafeno fepetra ho anti-panahy. Na te ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana izy na te ho lasa anti-panahy, dia miezaka mafy foana mba hahafeno fepetra hikarakara ny fiangonana.
km 9/78 4 § 7
Ireo “Mahazo Laza Tsara”
7 Tsy mahagaga àry raha nilaza i Paoly hoe “mahazo laza tsara” ny mpanampy amin’ny fanompoana. Tsy toerana ambony ao amin’ny fivavahana, araka ny eritreretin’ny olona, anefa izany. Raha “manompo amin’ny fomba tsara” kosa izy, dia hahazo fitahiana avy amin’i Jehovah sy Jesosy. Hanaja sy hanohana azy koa ny fiangonana. Ankoatra izany, dia lasa “afaka miteny amim-pieritreretana madio momba ny finoany an’i Kristy Jesosy” ny mpanampy amin’ny fanompoana. Ankasitrahan’ny fiangonana izy ireo satria manao tsara ny andraikiny. Manana finoana matanjaka izy ireo sady tsy menatra na matahotra miresaka momba an’izany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
it “Tetirazana”: “Torohevitr’i Paoly” § 2
Tetirazana
Tsy nilaina nianarana sy nofakafakaina ireny tetirazana ireny, mainka moa fa tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ho an’i Timoty. Tsy zava-dehibe intsony mantsy ny nanaporofoan’ny olona hoe iza no razambeny, satria tsy navahan’Andriamanitra intsony ny Jiosy sy ny hafa firenena teo anivon’ny fiangonana kristianina. (Ga 3:28) Efa voaporofo koa fa taranak’i Davida i Kristy. Tsy ho ela taorian’ny nanoratan’i Paoly ny taratasiny dia horavana i Jerosalema. Ho potika koa ny tetirazan’ny Jiosy, satria tsy narovan’Andriamanitra. Nanahy àry i Paoly sao ho lany andro hikaroka sy hiady hevitra be momba ny tetirazana i Timoty sy ny fiangonana, nefa tsy hanatanjaka ny finoan’izy ireo akory izany. Efa ampy ny tetirazana ao amin’ny Baiboly mba hanaporofoana fa i Kristy no Mesia, ary io no tetirazana ilain’ny Kristianina indrindra. Porofoin’ny tetirazana hafa ao amin’ny Baiboly koa fa marina ny Soratra Masina, ary azo itokisana ny tantara ao anatiny.
“Indro Andriamanitsika”!
15 Anaram-boninahitra tsy mihatra afa-tsy amin’i Jehovah koa ny hoe “Mpanjaka Mandrakizay.” (1 Timoty 1:17; Apokalypsy 15:3) Inona no dikan’izany? Efa nisy foana i Jehovah, sady mbola hisy foana, na dia sarotra amintsika aza ny mahatakatra izany. Hoy ny Salamo 90:2: “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” Tsy nanam-piandohana àry i Jehovah, fa efa nisy foana. Rariny raha antsoina hoe “Fahagola” izy, satria efa nisy foana talohan’ny zavaboary rehetra! (Daniela 7:9, 13, 22) Iza no ho afaka hilaza ara-drariny fa tsy mendrika ny ho Tompo Fara Tampony izy?
Famakiana Baiboly
29 JOLAY–4 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TIMOTY 4-6
“Fahafoizan-tena ho An’Andriamanitra sa Harena?”
Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao
Anisan’ny nahatonga an’i Paoly ho sambatra sy ho afa-po tamin’ny fiainany ny fahaizany nianina tamin’izay nananany. Inona anefa no dikan’ny hoe mahay mianina? Raha tsorina, dia hoe afa-po amin’izay zavatra tena ilaina. Hoy i Paoly tamin’i Timoty, mpiara-manompo taminy: “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.”—1 Timoty 6:6-8.
Mariho fa nampifandraisin’i Paoly ny fahaiza-mianina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, na fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Fantany fa izay mahafoy tena ho an’Andriamanitra no tena sambatra, satria ny fanompoana an’Andriamanitra no zava-dehibe eo amin’ny fiainany, fa tsy ny fananana na ny harena. Fitaovana fotsiny ny ‘hanina sy ny fitafiana’ mba hahafahana haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra hatrany. Tamin’i Paoly àry, ny hoe mahay mianina dia midika hoe miantehitra amin’i Jehovah, na inona na inona toe-javatra miseho.
Inona no Vokatry ny Faniriana Te Hanan-karena?
Na tsy mamoy ny ainy aza anefa ireo mikatsaka harena, dia tsy ho afa-po amin’ny fiainana. Hanimba tsikelikely ny fiainany mantsy ny olana ara-bola sy ny adin-tsaina vokatry ny asa, satria lasa mitebiteby lava izy, tsy mahita tory, marary andoha lava, na marary vavony. Hanafohy ny androm-piainany izany. Ary na dia tonga saina aza izy ka manova ny zavatra ataony laharam-pahamehana, dia mety ho efa tara loatra. Mety tsy hatoky azy intsony ny vadiny sady tsy hifandray am-po aminy intsony ny zanany. Mety ho efa tsy ara-dalàna intsony koa ny fahasalamany. Azo arenina ihany angamba ny zavatra sasany, kanefa mitaky ezaka be izany. ‘Manindrona ny tenany amin-javatra maro mampanaintaina’ tokoa ny olona toy ireny!—1 Timoty 6:10.
Fomba Enina Hahombiazanao
Hitantsika teo aloha fa manenjika aloka fotsiny ny olona mihevitra fa ny fikatsahana harena no ahitana fahombiazana. Handiso fanantenana azy izany sady hitondra olana maro. Lasa tsy mifandray tsara amin’ny havany sy ny namany, mazàna, ny olona revo mitady vola. Mety tsy hatory koa izy, noho ny asa na noho ny fanahiana. Hoy ny Mpitoriteny 5:12: “Mamy ny torimason’ny mpanompo, na kely na be ny sakafony, fa ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.”
Sady tompo lozabe ny vola no mpamitaka. Niresaka momba “ny famitahan’ny harena” i Jesosy Kristy. (Marka 4:19) Antenaina hahasambatra ny vola, nefa tsy izany akory. Vao mainka aza ianao te hanana bebe kokoa. “Izay tia vola tsy hety ho voky vola”, hoy ny Mpitoriteny 5:9.—Fandikan-teny Protestanta.
Raha tsorina dia izao: Mitady loza ny olona tia vola, ka mety ho diso fanantenana na ho kivy, na hanao asa ratsy mihitsy. (Ohabolana 28:20) Sambatra sy mahomby kosa ny olona malala-tanana, mamela heloka, madio fitondran-tena, be fitiavana, ary mifandray tsara amin’Andriamanitra.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Tsara Ofana ve ny Feon’ny Fieritreretanao?
Inona kosa no hitranga raha minia tsy miraharaha ilay fampitandremana isika? Mety ho donto ny feon’ny fieritreretantsika amin’ny farany. Ny tsy fetezana hiraharaha na ny fampanginana azy io, dia toy ny fandorana nofo amin’ny vy mahamay. Haniry holatra eo amin’ilay nofo, ka tsy hahatsapa na inona na inona, satria tsy misy tendron-kozatra intsony. (1 Timoty 4:2) Izany koa no hanjo ny feon’ny fieritreretana, rehefa tsy henoina foana. Tsy hihontsina intsony izy io rehefa manota isika, ary tsy hampitandrina antsika intsony koa rehefa mamerina ilay fahotana isika. Tsy miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly momba izay tsara sy ratsy ny feon’ny fieritreretana lasa donto, toy ny hoe nanolatra, satria efa simba. Tsy madio koa ilay feon’ny fieritreretana, ka “tsy mahalala menatra intsony” ilay manana azy, sady tafasaraka amin’Andriamanitra. (Efesianina 4:17-19; Titosy 1:15) Loza tokoa ny vokany rehefa tsy miraharaha ny feon’ny fieritreretany ny olona!
it “Vakiteny Ampahibemaso”: “Teo anivon’ny fiangonana kristianina”
Vakiteny Ampahibemaso
Teo anivon’ny fiangonana kristianina. Maro ny horonam-bokin’ny Baiboly tamin’ny taonjato voalohany saingy vitsy mpanana, ka nilaina novakina ampahibemaso. Nasain’ny apostoly Paoly novakina nandritra ny fivorian’ny fiangonana ny taratasiny. Rehefa voavakin’ny fiangonana iray ny taratasy iray, dia nalefa tany amin’ny fiangonana hafa mba hovakina tany koa. (Kl 4:16; 1Te 5:27) Nampirisihin’i Paoly hiezaka mafy amin’ny “vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana” i Timoty tanora, izay mpiandraikitra.—1Ti 4:13.
Tokony hisosa tsara ny vakiteny ampahibemaso. (Ha 2:2) Tsy maintsy mahazo tsara ny hevitr’izay vakiny sy ny tanjon’ny mpanoratra ny mpamaky ka hamaky tsara, mba hiana-javatra ny mpihaino fa tsy ho diso fandray an’ilay hevitra. Ho sambatra koa izay mamaky mafy sy mihaino ary mitandrina ny faminaniana.—Ap 1:3.
Famakiana Baiboly