Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
2-8 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 41-42
“Aza Matahotra”
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho Anao
10 Nandinika ny toe-javatra hitranga haneran-tany rehefa afaka 200 taona i Jehovah. Nandeha haingana ireo tafik’i Kyrosy nahery be, ary nandresy an’izay rehetra nanohitra. Nangovitra noho ny fanatonany ireo firenena, eny, fa na dia ny mponin’ireo nosy sy ireo tany lavitra indrindra aza. Nitambatra àry izy ireo mba hanohitra ilay nantsoin’i Jehovah avy tany atsinanana mba hampihatra ny didim-pitsarany. Niezaka ny hifampahery izy ireo, tamin’ny teny hoe: “Matokia.”
Isaia 41:10: “Aza Matahotra Hianao, fa Momba Anao Aho”
“Momba anao aho.” Resahin’i Jehovah amin’ny mpanompony hoe tsy tokony hatahotra izy ireo satria tsy miady irery. Hitan’i Jehovah mantsy ny zavatra mampijaly ny mpanompony ary henoiny ny vavaka ataony, ka hoatran’ny hoe eo akaikin-dry zareo mihitsy izy.—Salamo 34:15; 1 Petera 3:12.
“Izaho no Andriamanitrao.” Mampitony ny mpanompony i Jehovah ka mampahatsiahy azy ireo hoe mbola Andriamanitr’izy ireo foana izy ary ekeny ho mpanompony izy ireo. Afaka matoky àry ny mpanompony hoe tsy misy na inona na inona mahasakana an’i Jehovah tsy hanampy azy ireo.—Salamo 118:6; Romanina 8:32; Hebreo 13:6.
“Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” Matoanteny telo no nampiasain’i Jehovah mba hilazana hevitra iray. Tiany hohamafisina mantsy hoe tena hanampy ny mpanompony izy. Nampiasa sarin-teny koa izy mba hilazana ny zavatra ataony rehefa mila fanampiana ny mpanompony. Raha lavo, ohatra, ny olona iray, dia manome ny tanany havanana Andriamanitra mba hisintonana azy.—Isaia 41:13.
Ny Teniny, izany hoe ny Baiboly, no tena ampiasain’Andriamanitra mba hampaherezana sy hanampiana ny mpanompony. (Josoa 1:8; Hebreo 4:12) Misy torohevitra afaka manampy antsika, ohatra, ao rehefa misy fitsapana mahazo antsika, ohatra hoe fahantrana, na aretina, na fahafatesan’ny havana na namana. (Ohabolana 2:6, 7) Eo koa ny fanahy masina, na ny hery ampiasain’Andriamanitra. Afaka mampiasa azy io izy mba hanampiana ny mpanompony hieritreritra tsara sy tsy ho kivy loatra rehefa miatrika olana isan-karazany.—Isaia 40:29; Lioka 11:13.
“Aza Matahotra fa Hanampy Anao Aho”
Tsy mampahery anao ve izany? Alao sary an-tsaina izay lazain’ilay andininy. Tsy milaza izy io hoe mandray ny tananao ankavia amin’ny tanany ankavanana i Jehovah. Manolotra ny ‘tanany ankavanana’ kosa izy, ‘dia ny tanany feno fahamarinana’, ary mandray ny “tananao ankavanana.” Toy ny hoe misintona anao izy mba ho afaka amin’izay olana mahazo anao ianao. Sady mihazona ny tananao izy no manome toky hoe: “Aza matahotra fa hanampy anao aho.”
Toy ny Ray sy Namana be fitiavana ve i Jehovah aminao? Mino ve ianao fa hanampy anao izy rehefa manana olana ianao? Mitady izay hahasoa anao izy sady tena te hanampy anao. Tena tia anao izy ka arovany mba tsy hitebiteby ianao rehefa manana olana. “Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana” tokoa i Jehovah.—Sal. 46:1.
Vatosoa Ara-panahy
Inona no Dikan’ny hoe Tsy Mivadika?
Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama sakaizany: “Izaho no ampinganao.” (Genesisy 15:1; Isaia 41:8) Tsy kobaka am-bava fotsiny akory izany. Narovan’i Jehovah sy novonjeny tamin’ny tanan’i Farao sy i Abimeleka, i Abrahama sy ny ankohonany. Nampiany koa i Abrahama fony namonjy an’i Lota tamin’ireo mpanjaka efatra niara-nivondrona. Nomen’i Jehovah fahafahana hiteraka indray i Abrahama sy i Saraha, izay efa 100 taona sy 90 taona, mba ho avy amin’izy ireo no hiavian’ilay Taranaka nampanantenaina. Nifandray tsy tapaka tamin’i Abrahama i Jehovah tamin’ny alalan’ny fahitana sy ny nofy ary ny anjely mpitondra hafatra. Tsy nivadika taminy i Jehovah fony fahavelony, ary koa ela taorian’ny nahafatesany. Tao anatin’ireo taonjato, dia notanan’i Jehovah ny teny nataony tamin’ny taranak’i Abrahama, na ny firenen’ny Israely, na dia nania aza izy ireo. Nasehon’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’i Abrahama ny tena atao hoe tsy fivadihana, izay fitiavana miseho amin’ny atao.—Genesisy toko faha-12 ka hatramin’ny toko faha-25.
9-15 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 43-44
Faminaniana Nosoratana 200 Taona Mialoha
Faminaniana Izay Tanteraka
16 Tamin’ny 539 al.f.i., dia nifarana ny fotoana nanapahan’i Babylona tamin’ny naha-herim-panjakana ambony indrindra azy, fony nandroso mba hamely ilay tanàna i Kyrosy, ilay mpanapaka persiana natanjaka niaraka tamin’ny tafik’i Media. Kanefa, nahatahotra ny zavatra hitan’i Kyrosy. Voahodidin’ny rindrina goavam-be i Babylona ary toa tsy azo nalaina. I Eofrata, ilay ony lehibe, koa dia namakivaky ilay tanàna ka nandray anjara lehibe tamin’ny fiarovana azy io.
17 Ilay mpanoratra tantara grika atao hoe Hérodote dia milazalaza ny fomba nandaminan’i Kyrosy ilay olana: “Nametraka ny tapany tamin’ny tafiny teo amin’ny toerana nidiran’ilay ony tao an-tanàna izy, ary antoko miaramila hafa teny amin’ny ilany, teo amin’ny toerana nivoahany, sady nanome baiko hiditra tao an-tanàna tamin’ny fanambanin’ilay renirano, raha vao nanjary narivo tsara ny rano (...) Nampivily an’i Eofrata izy tamin’ny alalan’ny lakan-drano iray nankao amin’ny deboka [farihy voatr’olombelona nolavahan’ny mpanapak’i Babylona iray teo aloha], izay heniheny tamin’izay, ka tao no nihenan’ilay ony, mandra-pahatongan’ny fanambany voajanaharin’ilay renirano ho azo nitana. Tamin’izay, ireo Persiana izay niniana navela tao Babylona, teo amoron’ilay ony, dia niroboka an’ilay renirano, izay nihena tokony ho hatreo amin’ny antsasa-pen’ny lehilahy iray izao, ka niditra tao an-tanàna.”
it “Kyrosy” § 7
Kyrosy
Nandresy an’i Babylona. Niomana hifanandrina tamin’i Babylona i Kyrosy, ary nanomboka teo izy no nanatanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Nilaza i Isaia mpaminany fa haorina indray i Jerosalema sy ny tempoliny, ka io mpanjaka persianina io no notendren’i Jehovah Andriamanitra handresy an’i Babylona sy hanafaka an’ireo Jiosy natao sesitany tany. (Is 44:26–45:7) Maherin’ny 150 taona talohan’ny nahazoan’i Kyrosy fahefana no nosoratana io faminaniana io. Efa lao koa ny tanin’i Joda raha mbola tsy teraka akory i Kyrosy. Nilaza anefa i Jehovah fa i Kyrosy ilay ‘mpiandry ondriny’ hamonjy ny Jiosy. (Is 44:28; ampit. Ro 4:17.) Nantsoina hoe ‘voahosotra’ (dikan’ny teny hebreo mashiah, na mesia, sy ny teny grika kristôs, na kristy) àry i Kyrosy, noho izy voatendrin’i Jehovah mialoha. (Is 45:1) Efa hatry ny ela izy no ‘nantsoin’Andriamanitra tamin’ny anarany.’ (Is 45:4) Tsy midika anefa izany hoe i Jehovah no nanome anarana azy tamin’izy vao teraka. Fantatr’i Jehovah mialoha kosa fa hisy lehilahy antsoina hoe Kyrosy ho lasa mpanjaka, ka nantsoiny tamin’ny anarany mihitsy izy.
it “Kyrosy” § 17
Kyrosy
Tena tsara fanahy tamin’ireo Jiosy i Kyrosy, tsy toa an’ireo mpanjaka mpanompo sampy talohany. Naveriny ireo fitaovan’ny tempoly nentin’i Nebokadnezara II tany Babylona. Nomeny alalana hanafatra hazo sedera avy any Libanona ny Jiosy. Nilaza koa izy fa azo atao ny maka vola avy ao an-tranon’ny mpanjaka mba hisahanana izay ho lany amin’ny fanorenana. (Ezr 1:7-11; 3:7; 6:3-5) Voalazan’ilay Varingarin’i Kyrosy (SARY, Boky Faha-2, p. 332) fa tsara fanahy tamin’ireo firenena resiny i Kyrosy sady nalala-tsaina. Voalaza ao fa niteny toy izao izy: “Naveriko tany amin’ireo tanàna masina [voatonona teo aloha] any ampitan’i Tigra sy tany amin’ireo toerany masina rava efa ela be ireo sary tao (taloha), ary nanorina toerana masina mateza ho an’ireny aho. Nangoniko (koa) ireo mponina rehetra tany (taloha) ka naveriko (taminy) ny fonenany.”—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 316.
Vatosoa Ara-panahy
Fanontanian’ny Mpamaky
Faminaniana momba an’i Kyrosy, ilay nandresy an’i Babylona, ny ohatra faharoa. Hanafaka an’ireo Jiosy babo tany izy, ary hamoaka didy hanamboarana indray ny tempolin’i Jehovah. (Isaia 44:26–45:4) Nanatanteraka an’io faminaniana io i Kyrosy, mpanjakan’i Persa. (Ezra 1:1-4) Tsy nanompo an’ilay tena Andriamanitra anefa izy. Nampiasa an’i Kyrosy i Jehovah mba hanatanterahana faminaniana, kanefa namela azy hifidy an’izay hotompoiny.—Ohab. 21:1.
16-22 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 45-47
“Izaho no Andriamanitra, ary Tsy Misy Mitovy Amiko”
“Hohamasinina Anie ny Anaranao!”
14 Nanao izay ho afany i Satana mba hisakanana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny fikasany. Tsy nahomby mihitsy anefa izy. Hita ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no nataon’i Jehovah, ary hita amin’izany hoe tsy misy Andriamanitra hoatr’azy. Marina fa rehefa nikomy i Satana sy ny mpanohana azy, dia nalahelo be i Jehovah. (Sal. 78:40) Hendry sy nanam-paharetana ary nanao ny rariny foana anefa izy rehefa nandamina an’izany. Nasehony koa hoe tsy misy mahery noho izy, ary betsaka ny fomba nampisehoany an’izany. Ny fitiavany anefa no tena nisongadina tamin’izay rehetra nataony. (1 Jaona 4:8) Mbola manamasina ny anarany foana izy hatramin’izao.
‘Tena Mahery i Jehovah’
14 Ho hitantsika fa mampiasa ny heriny Andriamanitra, mba hamoronana, handringanana, hiarovana, ary hamerenana amin’ny laoniny; raha tsorina dia hoe mba hanatanterahana ny fikasany. (Isaia 46:10) Mampiasa ny heriny izy indraindray, mba hampisehoana lafiny lehibe amin’ny toetrany sy ny fitsipiny. Ny fomba lehibe indrindra ampiasan’i Jehovah ny heriny dia ny hampiasany ny Fanjakany mba hanatanterahana ny sitrapony, izany hoe hanamasinana ny anarany sy hampisehoana hoe ny fitondrany no tsara indrindra. Tsy misy afaka manakana izany.
it “Nody Ireo Natao Sesitany Tany Babylona” § 1
Nody Ireo Natao Sesitany Tany Babylona
NANAN-KARENA sy nandroso ny tanin’i Joda, nefa ‘lasa aolo tsy nisy mponina’ tamin’ny 607 T.K. Natao sesitany tany Babylona mantsy ireo Jiosy babo, ary nandositra tany Ejipta ireo sisa tavela tany Joda. (Je 9:11) Be hatsaram-panahy feno fitiavana anefa Andriamanitra, ka tsy hamela ny vahoakany hatao sesitany mandrakizay. Nilaza izy fa “hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona” ny Jiosy, ary avy eo hafahany ireo sisa tsy mivadika. (Je 25:11, 12; 29:10-14) Tsy hahasakana an’izany na dia i Babylona aza, izay firenena natanjaka indrindra toa tsy nety resy. Tafaverina tany an-tanindrazany tokoa ireo Jiosy. Porofo izany fa tsy maintsy tanteraka foana ny faminanian’i Jehovah.
Sambatra Isika fa Ampisehoan’i Jehovah ny Lalany
18 Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny lasa, ny fandehanana amin’ny lalan’i Jehovah dia mitaky tsy fivadihana— fahatapahan-kevitra tsy hanompo afa-tsy i Jehovah irery ihany. Izany dia mitaky fitokisana— finoana tanteraka fa azo itokisana ny fampanantenan’i Jehovah ka ho tanteraka. Ny fandehanana amin’ny lalan’i Jehovah dia mitaky fankatoavana— fanarahana ireo lalàny sy tsy fialana amin’izany ary fihazonana ireo fari-pitsipiny ambony. “Marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany.”—Salamo 11:7.
19 Nitodika tany amin’ireo andriamanitr’i Syria i Ahaza mba hahazoana fiarovana. Nanantena ireo Isiraelita tany Ejipta fa hanome azy ireo fanambinana ara-nofo ny “mpanjakavavin’ny lanitra”, izay andriamanibavy nivavahana hatraiza hatraiza tany Moyen-Orient fahiny. Amin’izao andro izao, dia andriamanitra maro no tsy sampy ara-bakiteny. Nampitandrina i Jesosy fandrao ny “Harena” indray no tompoina fa tsy i Jehovah. (Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy). Noresahin’ny apostoly Paoly ny amin’ny “fitsiriritana, izay fanompoan-tsampy.” (Kolosiana 3:5, NW ). Noresahiny koa ny amin’ireo izay manao ‘ny kibony ho andriamaniny.’ (Filipiana 3:19). Eny, anisan’ireo andriamanitra lehibe indrindra ivavahana amin’izao andro izao ny vola sy ny zavatra ara-nofo. Raha ny marina, dia ny ankamaroan’ny olona, anisan’izany ny olona maro manaraka fivavahana, no ‘matoky ny harena miovaova.’ (1 Timoty 6:17). Olona maro no miasa mafy manompo ireo andriamanitra ireo, ary ny sasany mahazo valisoa, toy ny fipetrahana ao amin’ny trano faran’izay kanto, ny fananana zavatra lafo vidy, sy ny fihinanana hanim-py. Tsy ny rehetra anefa no manam-be toy izany. Ary na ireo manam-be aza, dia mahita amin’ny farany fa ireny zavatra ireny mihitsy no tsy mitondra fahafaham-po. Tsy azo antoka izy ireny, mihelina, ary tsy manome izay ilaina ara-panahy.—Matio 5:3, NW.
Vatosoa Ara-panahy
Efa Fantatr’Andriamanitra ve fa Hanota i Adama sy Eva?
Lazain’ny Soratra Masina koa fa i Jehovah no “hany manam-pahendrena.” (Romanina 16:27) Nahita izany fahendrena tsy manam-petra izany ireo anjelin’Andriamanitra. “Nihoby” izy ireo rehefa avy namorona ireo zavatra teto an-tany i Jehovah. (Joba 38:4-7) Azo antoka fa nandinika tsara an’izay nitranga tao Edena ireo zavaboary ara-panahy manan-tsaina ireo. Raha efa fantatr’ilay Andriamanitra feno fahendrena, izay namorona an’izao rehetra izao mahatalanjona àry fa hivadika ireo olombelona noforoniny, ho sahiny ve ny hamorona azy ireo teo imason’ny anjely? Tsy mitombina mihitsy izany!
Mbola mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Izany ve dia tsy ho fantany nefa Andriamanitra faran’izay hendry izy?’ Marina fa anisan’ny ahitana ny fahendren’Andriamanitra ny fahaizany mamantatra “hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany.” (Isaia 46:9, 10) Tsy voatery hampiasa an’io fahaizany io foana anefa izy. Mahery indrindra, ohatra, izy nefa tsy voatery mampiasa ny heriny rehetra foana. Hendry àry izy ka fidiny tsara ny fotoana ilana hamantarana mialoha ny hoavy, sy ny toe-javatra mety hanaovana izany.
23-29 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 48-49
Ankatoavy Izay Ampianarin’i Jehovah Anao
it “Mpampianatra, Fampianarana” § 2
Mpampianatra, Fampianarana
I Jehovah Andriamanitra Mpamorona no Mpampianatra Be Voninahitra, izay mampianatra ny mpanompony. (1Mp 8:36; Sl 27:11; 86:11; 119:102; Is 30:20; 54:13) Mampianatra antsika ny zavaboary fa misy Andriamanitra iray faran’izay hendry. Vao ampahany kely monja amin’ny zavaboary anefa no fantatra ankehitriny, fa mbola maro no azo anaovana fikarohana sy fandinihana. (Jb 12:7-9) Mampianatra ny olona momba ny anarany sy ny fikasany ary ny lalàny koa i Jehovah Andriamanitra ka nanao fanambarana manokana. (Ampit. Ek 4:12, 15; 24:12; 34:5-7.) Hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny, ary ahafantarana ny marina momba ny sitrapon’Andriamanitra. (Ro 15:4; 2Ti 3:14-17) Mpampianatra koa ny fanahin’Andriamanitra.—Jn 14:26.
Efa Voalahatr’Andriamanitra ve ny Fiainantsika sa Isika no Avelany Hisafidy?
● Nataon’Andriamanitra tahaka ny endriny ny olombelona. (Genesisy 1:26) Baikoin’ny faniriany voajanahary ny biby, fa isika olombelona kosa afaka manahaka ny toetran’ny Mpamorona. Afaka maneho fitiavana sy manao ny rariny, ohatra, isika. Afaka misafidy toa an’ilay Mpamorona antsika koa isika.
● Miankina amintsika ihany ny hoavintsika, amin’ny ankapobeny. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hifidy ny fiainana ka hihaino ny feon’Andriamanitra’, izany hoe hifidy ny hankatò ny didiny. (Deoteronomia 30:19, 20) Tsy hisy dikany ireo teny ireo raha tsy afaka misafidy akory isika. Tena ratsy fanahy Andriamanitra raha izany. Tia antsika anefa izy ka tsy manery antsika hanaraka ny teniny. Hoy izy: “Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao.”—Isaia 48:18.
“Miorena Tsara eo Amin’ny Finoanareo Masina Indrindra”
8 Mampahatsiahy antsika i Jehovah eo fa hahita soa isika raha mankatò azy. Misy zavatra roa ampanantenainy antsika raha manao izany isika. Voalohany, ho toy ny renirano ny fiadanantsika, izany hoe ho toy ny rano be mikoriana moramora tsy an-kijanona. Faharoa, ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinantsika. Hahita onja mifandimby midona eo amin’ny torapasika ianao raha mijoro eo. Fantatrao fa ho tonga eo foana ireny onja ireny, ary tsy hitsahatra mihitsy. Mampanantena i Jehovah fa ho toy izany koa ny fahamarinanao. Tsy havelany ho lavo mihitsy ianao, raha miezaka ny tsy hivadika aminy! (Vakio ny Salamo 55:22.) Manohina ny fo tokoa ireo fampanantenana ireo! Moa ve izany tsy manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah? Tsy vao mainka ve isika mino fa mahasoa ny lalàny?
Vatosoa Ara-panahy
it “Fotoana Fanehoana Fankasitrahana” § 1-3
Fotoana Fanehoana Fankasitrahana
Naverin’ny apostoly Paoly ny faminaniana ao amin’ny Isaia 49:8 hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tamin’ny fotoana fanehoana fankasitrahana no namaliako anao, ary tamin’ny andro famonjena no nanampiako anao. Narovako foana ianao ka nataoko antoka ho an’ny olona, mba hamerenana ilay tany amin’ny laoniny, sy mba hahazoana indray ny lova efa nilaozana.’” (2Ko 6:2) I Isaia izay nisolo tena ny firenen’Israely (Is 49:3) no nilazana an’io faminaniana momba ny hamerenana ny Israely any amin’ny taniny io. Tanteraka voalohany izy io rehefa nafahana avy tany Babylona izy ireo, ka nilazana ireo voafonja israelita hoe: “Mivoaha!” Nody an-tanindrazana izy ireo ary namerina tamin’ny laoniny ilay tany efa lao.—Is 49:9.
Faminaniana momba ny Mesia koa anefa ilay izy, ka tanteraka tamin’i Kristy Jesosy ‘mpanompon’Andriamanitra.’ Milaza mantsy ny Isaia 49:8 fa ‘nataon’i Jehovah antoka ho an’ny olona’ io ‘mpanompo’ io. ‘Nomeny ho fahazavan’ny hafa firenena’ koa izy io (and. 6), “mba hitaran’ny [famonjen’Andriamanitra] hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Ampitahao Is 42:1-4, 6, 7 sy Mt 12:18-21.) ‘Hamaly’ sy ‘hanampy’ azy io i Jehovah amin’ilay “fotoana fanehoana fankasitrahana.” Tanteraka izany rehefa “nitalaho sy niangavy tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty [i Jesosy teto an-tany], ary nitaraindraina mafy sy nitomany, ka nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” (He 5:7-9; ampit. Jn 12:27, 28; 17:1-5; Lk 22:41-44; 23:46.) “Andro famonjena” ho an’ilay Zanak’Andriamanitra àry ilay fotoana. Tsy nivadika mihitsy izy nandritra izany fotoana izany, ka “nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.”—He 5:9.
Tanteraka tamin’ireo Kristianina nanoratan’i Paoly koa ilay faminaniana. Nampirisihiny izy ireo “hanaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra nefa tsy hanadino ny zava-kendren’izany.” Hoy koa izy rehefa avy namerina ny voalazan’ny Isaia 49:8: “Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana! Izao no andro famonjena!” (2Ko 6:1, 2) Lasa anisan’ny “Israelin’Andriamanitra” ireo Kristianina ireo nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. (Ga 6:16) Tokony ho mendrika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra anefa izy ireo, mba ho “andro famonjena” ho azy ireo tokoa ilay “fotoana fanehoana fankasitrahana.”
6-12 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 50-51
Henoy Ilay Nampianarin’Andriamanitra
Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana
5 Nampianarin’i Jehovah an’i Jesosy koa ny asa hanirahany azy etỳ an-tany. Voaresaka ao amin’ny Isaia hoe ahoana no nanaovany izany. (Vakio ny Isaia 50:4, 5.) Namoha an’ilay Zanany i Jehovah “isa-maraina” mba hampianatra azy. Oharina amin’ny ankizy fohazina maraina be i Jesosy, ary ampianarina avy eo. Hoy ny boky iray: ‘Toy ny hoe mitondra azy any an-dakilasy i Jehovah, ka mampianatra azy hoe inona ilay hotorina ary ahoana no hitoriana azy io.’ Nampianarin’i Jehovah an’i Jesosy tokoa izay ‘holazaina sy hotenenina.’ (Jaona 12:49) Nampianariny azy koa hoe ahoana no hatao rehefa mampianatra. Nampiharin’i Jesosy izay nianarany rehefa tonga tetỳ izy, ka nanao tsara ny fanompoany izy ary nampiofana ny mpianany koa.
“Tiako ny Ray”
13 Efa nazoto nianatra tamin’ny Rainy io Zanaka io, tamin’izy tany an-danitra. Voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 50:4-6 fa nomen’i Jehovah fampiofanana manokana momba ny andraikitry ny Mesia izy. Anisan’ilay fampiofanana ny fampiomanana azy hiatrika zava-tsarotra amin’ny maha Voahosotr’i Jehovah azy. Nazoto nianatra foana anefa izy na izany aza. Rehefa nidina tetỳ an-tany izy tatỳ aoriana ary nihalehibe, dia narisika nankany an-tranon’ny Rainy foana, sady nafana fo tamin’ny fanompoana sy ny fampianarana nasain’i Jehovah natao tao. Tsy mahagaga àry raha milaza ny Baiboly fa nandeha tsy tapaka tany amin’ny tempoly sy ny synagoga i Jesosy. (Lioka 4:16; 19:47) Mila mazoto mamonjy fivoriana koa isika, raha tsy tiantsika ho faty ny fitiavantsika an’i Jehovah fa hiredareda foana. Any isika no manompo azy, sady mampitombo ny fahalalantsika azy sy ny fankasitrahantsika azy.
Vatosoa Ara-panahy
it “Toerana Famakiam-bato” § 2
Toerana Famakiam-bato
Nampiasa teny an’ohatra mazava tsara izay mampahatsiahy ny famakiam-bato i Jehovah. (Is 51:1) Toa i Abrahama izay niavian’ny Israely ilay “vatolampy”, ary i Saraha ilay “lavaka nohadina” satria oharina amin’ny lavaka ny kibony nitondra an’i Isaka razamben’ny Israely. (Is 51:2) Misy heviny hafa koa anefa ilay andininy satria teraka tamin’ny fomba mahagaga i Isaka noho ny herin’Andriamanitra. Milaza àry ny Deoteronomia 32:18 fa i Jehovah ilay “Vatolampy niteraka” ny Israely, “Ilay narary nihetsi-jaza niteraka [matoanteny mitovy amin’ny hoe niteraka i Saraha, Is 51:2]” azy ireo.
13-19 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 52-53
Tena Be Fitiavana i Jesosy!
Ry Tanora, Aza Manaiky Hotaomina Haditra
2 Misy vokany be aminao ve ny ataon’ny namanao? Fa nahoana? Angamba te ho tian’izy ireo ianao, sa tsy izany? Tsy voatery ho ratsy izany. Na ny olon-dehibe koa aza te ho tian’ny olon-dehibe hafa. Tsy misy olona maniry hailikiliky ny hafa, na ankizy izy na olon-dehibe. Na izany aza, dia tsy ny olona rehetra no ho faly, rehefa manao ny tsara ianao. Tsy ny olona rehetra, ohatra, no faly tamin’i Jesosy. Na izany aza, dia nanao ny tsara foana izy. Lasa mpanara-dia azy ny olona sasany. Nanao tsinontsinona sy ‘nanamavo’ an’io Zanak’Andriamanitra io kosa ny hafa.—Isaia 53:3.
Asandratr’i Jehovah ny Mesia Mpanompony
25 Vonona ny hijaly sy ho faty ve ny Mesia? Hoy i Isaia: “Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy,—eny, tsy niloa-bava Izy.” (Isaia 53:7) Ho afaka niantso “anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona” i Jesosy, mba hanampy azy tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany. Hoy anefa izy: “Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?” (Matio 26:53, 54) Tsy nanohitra kosa ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra.” (Jaona 1:29) “Tsy namaly akory” izy, rehefa niampanga lainga azy teo anoloan’i Pilato ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona. (Matio 27:11-14) Tsy naniry hilaza zavatra nety ho nanembantsembana ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra momba azy izy. Vonona ny ho faty toy ny Zanak’ondry natao sorona i Jesosy. Fantany mantsy fa ny fahafatesany dia hanavotra ny olona mpankatò amin’ny fahotana sy ny aretina ary ny fahafatesana.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fitaovana” § 2
Fitaovana
Ilazana ny fitaovana samihafa nampiasaina tao amin’ny toerana masina ny hoe keli matetika, toy ny vilia, zinga, lapelina, vilia baolina, fitrebika, fitondrana afo, famonoan-jiro, fihazonana lahin-jiro, koveta, ary kaopy. (Ek 25:29, 30, 39; 27:3, 19; 37:16, 23; 38:3; 1Mp 7:40-50; 2Ta 4:11-22) “Masina” àry ireo fitaovana ireo. (1Mp 8:4) Nalain’i Nebokadnezara Mpanjaka tany Jerosalema ireo fitaovana masina, nefa nentin’ny Jiosy niala tany Babylona tamin’ny 537 T.K. Tsy maintsy nadio teo amin’ny lafiny ara-panahy sy nadio fitondran-tena àry ireo Jiosy ireo, araka izao baiko izao: “Mialà, mialà, mivoaha avy ao [Babylona], ary aza mikasika an’izay maloto! Mivoaha avy ao aminy, ary aoka hadio ianareo izay mitondra ny fitaovan’i Jehovah.” (Is 52:11) Tsy hoe nadio ivelany araka izay notakin’ny Lalàna fotsiny izy ireo, fa tokony hadio fo koa. Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina ny Isaia 52:11. Nilaza izy fa tokony ho afaka amin’izay mandoto ny nofo sy ny saina koa izy ireo.—2Ko 6:14-18; 7:1.
20-26 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 54-55
Vonona Hamoy Inona Ianao mba Hampianarin’i Jehovah?
Tena Sarobidy ny Fampianaran’Andriamanitra
3 Tsara fanahy i Jehovah ka vonona hampianatra ny olombelona tsy lavorary. Hoy ny Isaia 54:13 momba ny Kristianina voahosotra: “Ny zanakao rehetra dia hampianarin’i Jehovah, ka ho be ny fiadanan’ny zanakao.” Mihatra amin’ireo “ondry hafa” an’i Kristy koa ireo teny ireo. (Jaona 10:16) Manamarina izany ny faminaniana iray efa tanteraka amin’ny androntsika. Hitan’i Isaia tao amin’ny fahitana ny olona avy amin’ny firenena rehetra manatona ny fivavahana marina. Mifampiresaka izy ireo hoe: “Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.” (Isaia 2:1-3) Voninahitra tokoa ny hoe ampianarin’Andriamanitra!
“Vidio ny Fahamarinana ka Aza Amidy”
6 Vakio ny Isaia 55:1-3. Manampy antsika hahazo ny dikan’ny hoe mividy ny fahamarinana koa ireo tenin’i Jehovah ireo. Ohariny amin’ny rano sy ronono ary divay izay lazainy. Hoatran’ny rano madio sy mangatsiatsiaka, ohatra, izany satria mamelombelona antsika. Ny ronono indray manampy ny ankizy hitombo sy hihamatanjaka. Hoatr’izany koa izay lazain’i Jehovah, satria mampitombo sy manatanjaka ny finoantsika. Ary nahoana no hoatran’ny divay izay lazainy? Mahatonga antsika ho falifaly ny divay. (Sal. 104:15) Ampirisihin’i Jehovah ‘hividy divay’ àry isika, izany hoe ampirisihiny hankatò izay lazainy, amin’izay ho falifaly. (Sal. 19:8) Tena mahafinaritra ny fomba ilazan’ny Baiboly ny soa azon’ireo mianatra sy mankatò izay lazain’i Jehovah! Rehefa miezaka manao an’izany isika, dia hoatran’ny hoe mandoa ny vidin’ny fahamarinana. Andao isika izao hijery zavatra dimy mety hafointsika amin’izany.
INONA NO NAFOINAO MBA HIVIDIANANA NY FAHAMARINANA?
7 Fotoana. Mila mahafoy fotoana ny olona iray raha te hividy ny fahamarinana. Mila fotoana mantsy izy rehefa hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia avy eo hamaky Baiboly sy ireo boky sy gazety, hianatra samirery, ary hanomana sy hanatrika fivoriana. Tsy maintsy ajanony izay zavatra tsy dia lehibe, mba hahitana fotoana hanaovana an’ireo. (Vakio ny Efesianina 5:15, 16.) Hoatran’ny ahoana àry ny fotoana ilaintsika, raha te hahalala an’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly isika? Miankina amin’ny tsirairay izany, satria tsy mitovy ny fiainan’ny olona. Tsy ho tapitra mihitsy anefa ny zavatra azo ianarana momba an’i Jehovah sy ny fahendreny ary ny asany. (Rom. 11:33) Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana voalohany indrindra hoe hoatran’ny voninkazo ny zavatra ianarantsika ao amin’ny Baiboly. Toy ny hoe mahazo voninkazo iray isika isaky ny mahalala zava-baovao iray. Izao no voalaza ao: “Tsy ho nanisy voninkazo be dia be i Jehovah, raha iray dia ampy. Aza mianina amin’ny voninkazo iray fotsiny àry. Manangòna be dia be, dia mitadiava foana.” Eritrereto hoe: ‘Mba firy izay ny voninkazo efa nangoniko?’ Mbola hianatra momba an’i Jehovah isika, na dia rehefa hiaina mandrakizay aza. Mila mampiasa tsara ny fotoanantsika anefa aloha isika izao, mba hianarana zavatra betsaka araka izay azo atao. Izany no nataon’ny tovovavy japoney atao hoe Mariko.
“Tandremo ny Fihainonareo”
Be dia be ny vato misakana ny fihainoantsika tsara. Mety ho feno fanahiana ny saintsika. Mety hanelingelina antsika ny tabataba sy ny fihetsiketsehana eo amin’ny mpanatrika na any ivelan’ilay toeram-pivoriana. Mety ho sarotra amintsika ny mifantoka, raha tsy mahazo aina tsara isika ao amin’ilay toeram-pivoriana. Matetika ireo manan-janaka kely no voahelingelina. Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ny fandaharana?
Misy heriny lehibe eo amin’izay ifantohan’ny saintsika ny masontsika. Jereo tsara ilay mpandahateny, mba hahafahanao hifantoka. Rehefa manonona andinin-teny iray izy, na dia andinin-teny efa fantatrao tsara aza, dia tadiavo ilay izy, ary araho ny famakiany azy. Tohero ny fakam-panahy hitodika isaky ny misy tabataba na fihetsiketsehana. Raha be loatra ny zavatra manelingelina ampidirin’ny masonao ao an-tsainao, dia ho be dia be ny zavatra lazaina avy eny amin’ny lampihazo tsy ho renao.
Raha misy “ahiahy” manasarotra ny fifantohanao amin’ny fandaharana, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana saina sy fo tony izay ilaina mba hifantohana. (Sal. 94:19; Fil. 4:6, 7) Ataovy imbetsaka izany, raha ilaina. (Matio 7:7, 8) Fanomezana avy amin’i Jehovah ho an’ny vahoakany ireo fivoriana. Afaka matoky ianao fa tiany handray soa avy amin’izy ireny ianao.—1 Jaona 5:14, 15.
Vatosoa Ara-panahy
“Aza Manahy fa Izaho no Andriamanitrao”
14 Voalohany, mpanara-dia an’i Kristy isika, ka efa ampoizintsika hoe hankahala antsika ny olona. (Mat. 10:22) Efa niteny koa i Jesosy hoe henjehina mafy ny mpianany mandritra ny andro farany. (Mat. 24:9; Jaona 15:20) Faharoa, mampitandrina antsika io faminanian’i Isaia io hoe tsy hankahala antsika fotsiny ny fahavalo, fa hampiasa fiadiana isan-karazany mihitsy mba hamelezana antsika. Mamitaka antsika, ohatra, izy ireny, na manely lainga momba antsika, na mampijaly mafy antsika. (Mat. 5:11) Tsy hanakana azy ireo amin’izany i Jehovah. (Efes. 6:12; Apok. 12:17) Tsy tokony hatahotra anefa isika. Nahoana?
15 Ary inona ilay hevitra fahatelo tokony hotadidintsika? Nilaza i Jehovah hoe “tsy hisy hahomby izay fiadiana” ampiasaina hamelezana antsika. Mety hamely mafy antsika ny “olon-dozabe” nefa hiaro antsika i Jehovah, hoatran’ny manda miaro rehefa misy oram-baratra. (Vakio ny Isaia 25:4, 5.) Tsy hahavita hisakana antsika tsy hahazo fiainana mandrakizay mihitsy ny fahavalo.—Isaia 65:17
27 APRILY–3 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 56-57
Sambatra Isika hoe i Jehovah no Andriamanitsika
Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i Jehovah
14 Kanefa tsy maintsy hifarana ny fahari-pon’Andriamanitra. Hoy izy momba ny fotoana hahatongavan’izany: “Izaho no hanambara ny fahamarinanao; ary ny asanao dia tsy hahasoa anao. Raha mitaraina hianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ny tso-drivotra malemilemy aza.” (Isaia 57:12, 13a) Hahariharin’i Jehovah fa sandoka ny fanaovan’ny Joda ny marina. Tsy hahasoa azy ireo ny fihatsarambelatsihiny. Tsy hamonjy azy ny ‘marony’, na sampiny maro isan-karazany. Tsio-drivotra kely fotsiny dia hahafaoka ireo sampy ireo, rehefa hamely ny loza.
15 Tanteraka tamin’ny 607 T.K. ny tenin’i Jehovah. Tamin’izay i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, no nandrava an’i Jerosalema sy nandoro ny tempoly ary namabo ny ankamaroan’ny olona tao. “Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ny taniny.”—2 Mpanjaka 25:1-21.
16 Tsy hamonjy ny Kristianisma Anarana ankehitriny koa ireo sampiny maro isan-karazany, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah. (Isaia 2:19-22; 2 Tesaloniana 1:6-10) Hofoanana miaraka amin’i “Babylona Lehibe” (ny fivavahan-diso maneran-tany) ny Kristianisma Anarana. Ilay bibidia mivolon-jaky ara-panoharana sy ny tandrony folo no “hahatsinontsinona [an’i Babylona Lehibe] sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:3, 16, 17) Tena faly tokoa isika nankatò ilay baiko hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy”! (Apokalypsy 18:4, 5) Enga anie isika tsy hiverina intsony mihitsy ho any amin’i Babylona Lehibe na ny fanaony.
“Tsy Anisan’ity Tontolo ity ny Fanjakako”
16 Tena mila miova hoatr’izany koa isika rehetra. Oharina amin’ny ranomasina misamboaravoara sady tsy mety mitony ny olombelona, ao amin’ny Baiboly. (Isaia 17:12; 57:20, 21; Apok. 13:1) Matetika ny resaka politika no mahatonga ny olona ho tezitra sy hisara-bazana ary hahery setra. Isika kosa tsy hoatr’izany fa miray saina sy mihavana foana. Azo antoka fa faly be i Jehovah mahita hoe miray saina ny mpanompony, na dia misara-bazana aza ity tontolo ity.—Vakio ny Zefania 3:17.
it “Tany” § 21
Tany
Ilazana fitambaran’olona milamina koa ny tany an’ohatra. Oharina amin’ny ranomasina misamboaravoara kosa ny fitambaran’olona tsy milamina fa mikorontana.—Is 57:20; Jk 1:6; Jd 13; ampit. Ap 12:16; 20:11; 21:1.
it “Fiadanana, Fihavanana” § 3
Fiadanana, Fihavanana
Mahita fiadanana. Andriamanitry ny fiadanana na filaminana i Jehovah. (1Ko 14:33; 2Ko 13:11; 1Te 5:23; He 13:20) Avy aminy ny fiadanana (No 6:26; 1Ta 22:9; Sl 4:8; 29:11; 147:14; Is 45:7; Ro 15:33; 16:20), satria vokatry ny fanahy. (Ga 5:22) Izay mihavana amin’Andriamanitra ihany àry no manana ny tena fiadanana. Simba ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra raha manao fahotana lehibe izy. Mety hikorontan-tsaina izy, noho izany. Hoy ny mpanao salamo: “Na hatrany amin’ny taolako aza dia tsy misy fiadanana, noho ny fahotako.” (Sl 38:3) Tokony ‘hiala amin’ny ratsy ka hanao ny tsara’ àry izay mitady fihavanana sy mitandro izany. (Sl 34:14) Tsy hisy mihitsy ny fiadanana raha tsy eo ny fahamarinana. (Sl 72:3; 85:10; Is 32:17) Tsy misy fiadanana àry ho an’ny ratsy fanahy. (Is 48:22; 57:21; ampit. Is 59:2-8.) Manana fiadanana kosa ny olona mahafoy tena tanteraka ho an’i Jehovah sy tia ny lalàny (Sl 119:165) ary mankatò ny didiny.—Is 48:18.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana II
56:6—Iza ireo “hafa firenena”, ary nahoana izy ireo no lazaina fa ‘mitana ny faneken’i Jehovah’? Ny ondry hafan’i Jesosy no atao hoe “hafa firenena.” (Jaona 10:16) Mitana ny fanekena vaovao izy ireo, satria mankatò ny lalàna mifandray amin’izy io, manohana tanteraka ny fandaminan’i Jehovah, mianatra zavatra mitovy amin’izay ianaran’ny Kristianina voahosotra, ary miara-mitory sy mampianatra amin’izy ireo.
Aoka Isika Hanaja Ireo Fivoriana Masina
VORIAN’I Jehovah hivavaka aminy ao ‘an-tendrombohiny masina’ ny vahoakany, dia ny Kristianina voahosotra sy ny namany. Ataony izay hifalian’izy ireo ao amin’ny ‘tranony fivavahana’, izany hoe ny tempoliny ara-panahy, izay “trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.” (Isaia 56:7; Marka 11:17) Hita amin’izany fa masina sy madio ary omena toerana ambony, ny fivavahana amin’i Jehovah. Mihevitra ho masina ny zavatra heverin’i Jehovah ho masina isika, raha manaja ireo fivoriantsika, izay fotoana ianarana sy ivavahana.