FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 115
  • Inona no Azoko Atao Rehefa Ilay Malahelo Be Iny Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azoko Atao Rehefa Ilay Malahelo Be Iny Aho?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Sao dia efa tafahoatra àry izany alaheloko izany?
  • Ahoana no hataoko rehefa miovaova be ny zavatra tsapako?
  • Ahoana no Hahazakako ny Alaheloko?
    Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
  • Fanampiana An’ireo Nidonam-pahoriana
    Mifohaza!—2011
  • Ahoana no Hiatrehana Azy? Inona no Azonao Atao Dieny Izao?
    Mifohaza!—2018
  • Ara-dalàna ve ny Fihetseham-po toy Izao?
    Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 115
Mitomany eo am-pandriana ny ankizivavy iray. Mijery ny sarin’izy sy ny dadabeny izy.

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao Rehefa Ilay Malahelo Be Iny Aho?

Nisy namanao na havanao maty ve vao haingana? Hanampy anao ity lahatsoratra ity raha izany.

Ho hitantsika ato hoe:

  • Sao dia efa tafahoatra àry izany alaheloko izany?

  • Ahoana no hataoko rehefa miovaova be ny zavatra tsapako?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Sao dia efa tafahoatra àry izany alaheloko izany?

Be dia be ny olona malahelo be loatra rehefa nisy maty ny namany na ny havany, sady amin’izay mandritra ny fotoana ela be.

“Mbola tsy nisy andro iray mihitsy tsy nieritreretako an’ny dadabenay. Efa roa taona izay izy no maty, kanefa mbola mitomany foana aho isaky ny miresaka momba an’azy.”​—Olivia.

“Bebenay foana taloha no mpanohana an’ahy tamin’ny tanjoko. Tsy nisy hitany anefa ny nahatratrarako an’ireny, na dia iray aza. Isaky ny nisy anankiray tratrako tamin’ny tanjoko dia nalahelo be an’azy foana aho.”​—Alison.

Miovaova be ny zavatra tsapanao rehefa misy olona akaiky anao maty. Ohatra:

“Tena tsy nino mihitsy aho rehefa maty dadatoanay. Efa ela be tatỳ aoriana vao nanaiky an’ilay izy ny saiko. Izay vao nisy olona akaiky an’ahy maty hatramin’izay, dia hoatran’ireny nilatsaham-baratra ireny aho.”​—Nadine.

“Tezitra tamin’ny dadabenay aho rehefa maty izy. Izahay mantsy efa niteny an’azy foana hoe mba tandritandremo ny fahasalamana, dia nefa mbola tsy noraharahiany ihany.”​—Carlos.

“Raha amin’ny olona akaiky an’ny dadabenay, dia izahay sy zandrinay irery no tsy teo tamin’izy maty. Nanamelo-tena foana aho, tatỳ aoriana, hoe tsy mba nanao veloma an’azy akory.”​—Adriana.

“Nisy mpivady naman’ny fianakavianay izay maty tamin’ny lozam-piarakodia. Isaky ny nisy nandeha nivoaka ny iray taminay tato an-trano, dia lasa natahotra be aho sao dia sanatria misy maty koa.”​—Jared.

“Telo taona izay bebenay no maty. Nanenina be aho hoe tsy mba niaraka matetika taminy aho tamin’izy mbola velona.”​—Julianna.

Ara-dalàna ianao raha tsy mino na tezitra na manamelo-tena na manenina rehefa misy namanao na havanao maty. Raha mahatsapa ny iray amin’ireo ianao, dia matokia fa hihena tsikelikely izany rehefa mandeha ny fotoana. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia inona no azonao atao mba tsy halahelo be intsony ianao?

Ahoana no hataoko rehefa miovaova be ny zavatra tsapako?

Miresaha amin’ny namana anankiray. Milaza ny Baiboly fa “natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra” ny tena namana. (Ohabolana 17:17) Hanampy anao amin’ny fotoana ilanao azy ny miresaka an’izay tsapanao amin’olona iray.

“Ara-dalàna be raha malahelo isika rehefa misy maty. Indraindray vitanao ny miatrika irery an’ilay izy, fa indraindray anefa ianao mahatsapa hoe tsy ho vitanao intsony ilay izy, dia izay no mahatsara an’ilay hoe miresaka amin’ny olona iray.”​—Yvette.

Mieritrereta momba an’ilay olona akaiky anao efa maty. Milaza ny Baiboly fa manana “zavatra tsara tehiriziny ao am-pony” ny olona tsara. (Lioka 6:45) Azonao soratana ny zavatra tadidinao momba an’ilay olona, na manaova album misy ny sariny.

“Nosoratako daholo ny zavatra rehetra nampianarin’ilay namako an’ahy talohan’ny nahafatesany, dia amin’izay hoatran’ny hoe velona foana ny modely navelany. Rehefa manoratra aho, dia lasa tsy dia malahelo be intsony.”​—Jeffrey.

Manoratra ao anaty kahie ny ankizivavy iray

Karakarao tsara ny fahasalamanao. Milaza ny Baiboly fa mahasoa ny manao fanatanjahan-tena. (1 Timoty 4:8) Ataovy azo antoka hoe ampy tsara ny sakafonao, dia manaova fanatanjahan-tena. Ataovy ampy tsara koa ny torimasonao.

“Lasa tsy misaina tsara ianao rehefa malahelo be. Ataovy azo antoka tsara àry hoe salama tsara ianao. Dia aza atao an-tsirambina ny sakafo, dia manaova ampy torimaso tsara.”​—Maria.

Mihazakazaka manao fanatanjahan-tena ny ankizilahy iray.

Ampio ny hafa. Milaza ny Baiboly hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

“Manaova zavatra ho an’ny hafa, indrindra fa ho an’ny olona efa namoy havana na namana. Amin’izay hitanao hoe tsy ianao irery no mijaly.”​—Carlos.

Ankizivavy iray manampy be taona iray hampiasa fitaovana elektronika.

Resaho amin’i Jehovah amin’ny vavaka izay tsapanao. Antsoin’ny Baiboly hoe “Mpihaino vavaka” i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 65:2) Lazainy koa hoe ‘manasitrana an’ireo torotoro fo izy; ary fonosiny ny ratran’izy ireo.’​—Salamo 147:3.

“Iangavio i Jehovah mba hanampy sy hampahery anao. Amin’ny fotoana sasany aloha ianao mety halahelo kokoa raha oharina amin’ny fotoana hafa, kanefa ho eo foana i Jehovah.”​—Jeanette.

Aza tonga dia mieritreritra hoe vetivety dia hisinda ny alahelonao. Tadidio hoe tsy mitovy ny zavatra tsapan’ny olona rehefa misy olona akaiky azy maty. Milaza ny Baiboly hoe “tsy nety nampiononina mihitsy” i Jakoba rehefa noheveriny hoe maty ny zanany lahy. (Genesisy 37:35) Aza gaga àry raha hoe ela be vao afaka ny alahelonao.

“Misy zavatra tampoka hahatsiarovako ny rahavavin’ny bebenay foana, na dia efa 15 taona aza izy izay no maty.”​—Taylor.

Alaivo sary an-tsaina hoe tapaka ny taolanao. Marary be ilay izy sady mety ho elaela vao sitrana. Atoron’ny dokotera anao koa anefa ny zavatra azonao atao amin’ilay izy sy ny fomba hitsaboana azy.

Misy platra ny tongotry ny ankizilahy iray, dia mitazana olona mitaingina bisikileta avy eo amin’ny varavarankely izy.

Hoatran’izany mihitsy koa no mitranga rehefa “maratra” ny fihetseham-pontsika satria namoy olona akaiky antsika tamin’ny fahafatesana isika. Mitaky fotoana vao mihena ny halahelo tsapantsika. Manàna àry faharetana. Diniho ny soso-kevitra ato amin’ity lahatsoratra ity, dia jereo hoe inona no tena hanampy anao amin’ireo.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Isabelle.

“Ny hoe miezaka tsy halahelo be intsony akory tsy midika hoe hadinoinao ilay olona tianao, na ezahinao esorina ao an-tsaina ny momba azy. Tsara ny mamerina mieritreritra ny fahatsiarovana tamin’ny lasa, dia mieritreritra hoe sarobidy taminao ilay olona sady mbola sarobidy aminao foana.”​—Isabelle.

Jordan.

“Aza manamelo-tena raha efa manomboka tsy dia malahelo be intsony ianao. Raha lasa falifaly indray ianao, dia tsy midika akory izany hoe tsy miraharaha an’ilay olona tianao intsony. Midika izany hoe mihasitrana ny ratram-ponao, ary raha mbola teo ilay havanao maty dia azo antoka fa tiany ho falifaly koa ianao.”​—Jordan.

Famerenana: Inona no Azoko Atao Rehefa Ilay Malahelo Be Iny Aho?

  • Miresaha amin’ny namana anankiray. Manampy anao ny miresaka ny zavatra tsapanao amin’ny olona iray.

  • Mieritrereta momba an’ilay olona akaiky anao efa maty. Miezaha hifantoka amin’ny fahatsiarovana tsara momba an’ilay olona. Soraty mihitsy aza ilay izy.

  • Karakarao tsara ny fahasalamanao. Ataovy azo antoka hoe ara-pahasalamana sy ampy tsara ny sakafonao. Manaova fanatanjahan-tena dia manaova ampy torimaso tsara.

  • Ampio ny hafa. Manaova zavatra ho an’ny hafa, indrindra izay olona efa nanana havana maty koa.

  • Resaho amin’i Jehovah amin’ny vavaka izay tsapanao. Iangavio i Jehovah mba hanampy sy hampahery anao.

  • Aza tonga dia mieritreritra hoe vetivety dia hisinda ny alahelonao. Tadidio hoe tsy mitovy ny zavatra tsapan’ny olona rehefa misy olona akaiky azy maty.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara