FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 62
  • Hoatran’ny Ahoana ny Mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hoatran’ny Ahoana ny Mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hoatran’ny ahoana ny fizotran’ilay mariazy?
  • Aiza ny mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah no atao?
  • Iza avy no afaka manatrika?
  • Misy akanjo manokana anaovana ve?
  • Afaka manome fanomezana ve?
  • Afaka mifandom-bera ve?
  • Afaka manipy fotsimbary na zavatra mitovitovy amin’izany ve?
  • Misy sakafo sy zava-pisotro ve?
  • Misy hira sy dihy ve any amin’ilay mariazy?
  • Mankalaza aniverseran’ny mariazy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Mariazy Manome Voninahitra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Fampakaram-bady Mahafaly Izay Manome Voninahitra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fampakaram-bady Mendri-kaja eo Imason’Andriamanitra sy ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 62
Mariazy atao eny an-tokotany. Mametaka peratra amin’ny tanan’ilay vehivavy ilay lehilahy

Hoatran’ny Ahoana ny Mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Matetika no tsotra nefa mihaja ny mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary misy lahateny ara-baiboly fohy amin’ilay izy. Mety hisy fiaraha-mikorana na fiaraha-misakafo koa aorian’ilay lahateny.a Nanatrika mariazy hoatr’izany i Jesosy tamin’ny voalohandohan’ny fanompoany teto an-tany, ary tany Kana ilay izy no natao.​—Jaona 2:1-11.

  • Hoatran’ny ahoana ny fizotran’ilay mariazy?

  • Aiza ny mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah no atao?

  • Iza avy no afaka manatrika?

  • Misy akanjo manokana anaovana ve?

  • Afaka manome fanomezana ve?

  • Afaka mifandom-bera ve?

  • Afaka manipy fotsimbary na zavatra mitovitovy amin’izany ve?

  • Misy sakafo sy zava-pisotro ve?

  • Misy hira sy dihy ve any amin’ilay mariazy?

  • Mankalaza aniverseran’ny mariazy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Hoatran’ny ahoana ny fizotran’ilay mariazy?

Misy lahateny maharitra 30 minitra amin’ilay mariazy ary tena zava-dehibe izy io. Mpiandraikitra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no manao an’ilay izy. Asongadina amin’io lahateny mampahery io hoe ahoana no anampian’ny Baiboly an’ilay mpivady vao mba hifankatia foana sy hanana tokantrano sambatra ary maharitra.​—Efesianina 5:33.

Any amin’ny tany maro, dia avelan’ny fanjakana hanao ny sora-panambadian’ilay mpivady ny mpiandraikitra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha izay no izy, dia hanao ny voadim-panambadiana ilay mpivady aorian’ilay lahateny. Mety hifanolotra peratra koa ry zareo. Ambaran’ilay mpiandraikitra avy eo hoe mpivady ara-dalàna izy roa.

Any amin’ny tany hafa indray, dia takin’ny lalàna ny hanaovana ny sora-panambadiana any amin’ny biraom-panjakana. Atao aloha kelin’ny lahatenim-panambadiana ilay izy. Raha tsy nanao voadim-panambadiana ilay mpivady tany amin’ny biraom-panjakana dia aorian’ny lahateny izany no atao. Raha efa nanao an’ilay voady kosa ry zareo dia afaka mamerina an’izany, fa lazaina amin’ny filazam-potoana lasa fotsiny ilay izy. Rehefa vita ny lahateny dia hanao vavaka famaranana ilay mpandahateny mba hotahin’Andriamanitra ilay mpivady vao.

Aiza ny mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah no atao?

Betsaka no mifidy ny hanao ny mariaziny any amin’ny Efitrano Fanjakana, raha misy an’izany eo an-toerana.b Raha mieritreritra ny hanisy fety ilay mpivady aorian’ilay lahateny, dia hifidy toeran-kafa ry zareo hanaovana an’izany.

Lehilahy sy vehivavy atao mariazy ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Mpiandraikitra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah manao lahatenim-panambadiana.

Iza avy no afaka manatrika?

Raha hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana ilay mariazy dia afaka manatrika daholo amin’ny ankapobeny, na Vavolombelon’i Jehovah na tsia. Raha misy fety aorian’ilay izy dia ilay mpivady no hifidy an’izay hasainy.

Misy akanjo manokana anaovana ve?

Marina hoe tsy misy akanjo manokana anaovana rehefa manatrika an’ilay mariazy any amin’ny Efitrano Fanjakana. Miezaka be anefa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanaraka ny torolalan’ny Baiboly, dia manao akanjo maotina sy mendrika ry zareo. Tiany raha manao hoatran’izany koa ny hafa. (1 Timoty 2:9) Raha mifidy ny hanao fety ilay mpivady dia mbola mihatra foana izany torolalana izany.

Afaka manome fanomezana ve?

Mampirisika ny olona halala-tanana ny Baiboly. (Salamo 37:21) Faly ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mahazo fanomezana amin’ny mariaziny, ary mahafaly an-dry zareo koa ny manome. (Lioka 6:38) Tsy mangataka fanomezana anefa ry zareo dia tsy tononiny koa ny anaran’izay olona manome. (Matio 6:3, 4; 2 Korintianina 9:7; 1 Petera 3:8) Tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina mantsy izany sady tsy mampahazo aina an’ireo olona nasaina.

Afaka mifandom-bera ve?

Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy azo atao ny mifandom-bera. Mety hiangavy an’ireo olona nasainy anefa ny mpivady sasany mba tsy hanao an’izany, amin’izay tsy manafintohina ny hafa.​—Romanina 14:21

Afaka manipy fotsimbary na zavatra mitovitovy amin’izany ve?

Tsia. Fanaon’ny olona any amin’ny toerana sasany ny manipy fotsimbary any amin’ilay mpivady vao. Rehefa manao an’izany, hono, ry zareo dia ho tsara vintana sy ho sambatra ary ho ela velona ilay mpivady. Tsy manao zavatra misy ifandraisany amin’ny finoanoam-poana mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mirary ny olona ho tsara vintana, ohatra, ry zareo satria mifanohitra amin’ny torolalan’ny Baiboly izany.​—Isaia 65:11.

Misy sakafo sy zava-pisotro ve?

Tsy misy sakafo sy zava-pisotro mandritra an’ilay fandaharana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Raha manisy fety anefa ilay mpivady aorian’izay dia mety handroso sakafo sy zavatra hosotroina ry zareo any amin’ilay toerana. (Mpitoriteny 9:7) Raha mifidy ny hanisy zava-pisotro misy alkaola ry zareo dia ataony azo antoka hoe araka ny antonony izany, ary izay ampy taona ihany no avela hisotro.​—Lioka 21:34; Romanina 13:1, 13.

Misy hira sy dihy ve any amin’ilay mariazy?

Raha manapa-kevitra ny hanisy fety ilay mpivady dia afaka mifidy ry zareo hoe hasiana hira sy dihy ve sa tsia. (Mpitoriteny 3:4) Ry zareo ihany no hifidy an’izay mozika mety aminy sy mety amin’ny kolontsaina any amin-dry zareo, fa tokony ho mendrika fotsiny ilay izy. Matetika no misy mozika alefa mandritra an’ilay fandaharana any amin’ny Efitrano Fanjakana, ary miorina ao amin’ny Baiboly ny foto-kevitr’izy ireny.

Mpivady vao mandihy mandritra ny mariazin-dry zareo. Misy olona nasaina vitsivitsy koa mandihy.

Mankalaza aniverseran’ny mariazy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy mandrara ny fankalazana aniverseran’ny mariazy ny Baiboly nefa tsy mampirisika ny olona hanao an’izany koa. Anjaran’ilay mpivady àry no manapa-kevitra ny amin’izany. Raha mifidy ny hankalaza an’ilay izy ry zareo, dia izay tiany na izy mivady irery no hanao an’izany na hanasa namana sy fianakaviana.

a Miovaova arakaraka ny fomba amam-panao sy ny zavatra takin’ny lalàna eo an-toerana izany.

b Tsy mandray karama ilay mpiandraikitra manao an’ilay lahateny ary tsy mandoa vola ny mampiasa Efitrano Fanjakana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara