FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbv lahatsoratra 19
  • Hebreo 11:1: “Ny Finoana no Fahatokiana ny Amin’ny Zavatra Antenaina”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hebreo 11:1: “Ny Finoana no Fahatokiana ny Amin’ny Zavatra Antenaina”
  • Fanazavana Andinin-teny
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tian’ny Hebreo 11:1 holazaina?
  • Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Hebreo 11:1
  • Finoana
    Mifohaza!—2016
  • Manehoa Finoana Miorina Amin’ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Inona no Atao hoe Finoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Asehoy hoe Tena Mino ny Fampanantenan’i Jehovah Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Fanazavana Andinin-teny
ijwbv lahatsoratra 19

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Hebreo 11:1: “Ny Finoana no Fahatokiana ny Amin’ny Zavatra Antenaina”

“Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.”​—Hebreo 11:1, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.”​—Hebreo 11:1, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Hebreo 11:1 holazaina?

Io andinin-teny io no manome ny famaritana fohy indrindra ny atao hoe finoana. Asehon’izy io koa fa tsy hoe minomino befahatany fotsiny ny olona manam-pinoana.

“Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina.” Rehefa jerena ny teny tany am-boalohany nanoratana ny Hebreo 11:1, dia midika hoe matoky, na resy lahatra tanteraka, ilay teny grika nadika hoe “finoana.” Tsy faniriana fotsiny ilay izy, fa “fiandrasana amin-toky.” Ilay teny grika nadika hoe “fiandrasana amin-toky”a dia azo adika koa hoe “taratasy fanamarinam-pananana”, izay manome antoka, na manome toky, an’ilay olona manana azy.

“Ny finoana dia . . . fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” Miorina amin’ny porofo marim-pototra ny finoana. Tsy azo lavina ilay porofo, ka resy lahatra ilay olona fa tena misy ny zavatra iray na dia mbola tsy hitany aza.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Hebreo 11:1

Ny apostoly Paoly no nanoratra ny bokin’ny Hebreo, ary nosoratany ho an’ireo Kristianina nipetraka tany Jerosalema sy ny manodidina izy io. Resahin’i Paoly eo amin’io ampahany amin’ny taratasiny io hoe tena zava-dehibe ny finoana. Nanoratra, ohatra, izy hoe: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (Hebreo 11:6) Rehefa avy nanome famaritana ny atao hoe finoana i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:1, dia nitanisa lehilahy sy vehivavy maromaro resahin’ny Baiboly hoe nanam-pinoana. Notantarainy hoe nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo mba hampisehoana ny finoany.​—Hebreo 11:4-38.

a Avy amin’ny teny grika hoe hypôstasis ilay teny hoe “fiandrasana amin-toky”, ary azo adika ara-bakiteny hoe “ilay zavatra ao ambany, na fototra.”

Vakio ny Hebreo toko 11, dia jereo koa ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara