FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbv lahatsoratra 34
  • Kolosianina 3:23: “Na Inona na Inona no Ataonareo, dia Ataovy Amin’ny Fo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kolosianina 3:23: “Na Inona na Inona no Ataonareo, dia Ataovy Amin’ny Fo”
  • Fanazavana Andinin-teny
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tian’ny Kolosianina 3:23 holazaina?
  • Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Kolosianina 3:23?
  • Ny taratasy ho an’ny Kolosiana, loharanon’ny torohevitra feno fahendrena momba ny finoana sy ny fitondrantena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Afaka Mampahatanjaka Anao i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ampio ny Hafa Handeha Mendrika An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-51 — Kolosiana
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Fanazavana Andinin-teny
ijwbv lahatsoratra 34

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Kolosianina 3:23: “Na Inona na Inona no Ataonareo, dia Ataovy Amin’ny Fo”

“Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny hoe ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.”​—Kolosianina 3:23, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.”​—Kolosianina 3:23, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Kolosianina 3:23 holazaina?

Tokony hiezaka ho mpiasa mazoto ny Kristianina satria misy ifandraisany amin’ny fanompoany an’i Jehovah Andriamanitra ny fomba anaovany ny asany.

“Izay rehetra ataonareo.” Miezaka manaraka an’izay lazain’ny Baiboly izay te hanompo an’i Jehovah, na inona na inona ataony. Miezaka ny hanao ny marina sy hazoto ary ho mendri-pitokisana izy ireo amin’izay zavatra fanaony andavanandro, na ao an-trano izany, na any am-piasana, na any am-pianarana.​—Ohabolana 11:13; Romanina 12:11; Hebreo 13:18.

“Ataovy amin’ny fo manontolo.” Ilay hoe “amin’ny fo manontolo” dia nalaina avy amin’ny teny grika “ilazana olona iray tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny heriny manontolo.”a

Rehefa manao zavatra ny olona hoatr’izany dia izay tsara indrindra vitany no ataony, sady atontony ao daholo ny fahaizany sy ny heriny manontolo.

“Ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” Na inona na inona asa ataon’ny Kristianina, dia raisiny ho zava-dehibe ilay izy satria fantany hoe hisy vokany eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah Andriamanitra ny fomba anaovany azy. Ny hampifaly an’Andriamanitra no tena tanjony, fa tsy ny hampifaly ny mpampiasa azy na olon-kafa. Rehefa mazoto miasa sy falifaly foana ny Kristianina iray, dia tsy ny fahitan’ny olona azy ihany no ho tsara fa ny fahitan’ny olona an’ilay Andriamanitra tompoiny koa. Manao an’izay azony atao àry ny Kristianina “mba tsy hisy hanazimbazimba mihitsy ny anaran’Andriamanitra.”​—1 Timoty 6:1; Kolosianina 3:22.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Kolosianina 3:23?

Nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo Kristianina tao amin’ny tanànan’i Kolosia fahinyb ny bokin’ny Kolosianina. Mety ho tamin’ny faramparan’ny fotoana nigadrany voalohany tany Roma no nanoratany azy io, izany hoe tamin’ny taona 60-61 tany ho any.

Misy torohevitra manampy ny Kristianina hanompo an’Andriamanitra sady hiray saina, ao amin’ny Kolosianina, na dia samy hafa aza ny fiaviany sy ny zavatra iainany. (Kolosianina 3:11) Ampirisihina hanahaka ny toetran’Andriamanitra izy ireo ao, anisan’izany ny fitiavana, ny hatsaram-panahy, ary ny famindram-po. (Kolosianina 3:12-14) Hazavaina ao koa hoe rehefa manompo an’Andriamanitra ny olona iray dia tokony hasehony eo amin’ny fiainany manontolo izany.​—Kolosianina 3:18–4:1.

Vakio ao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Kolosianina toko 3. Mora vakina io Baiboly io sady misy raki-peo, fanamarihana ambany pejy, ary fanondroana andininy hafa. Misy Fanazavana Fanampiny koa ao hahitanao sary sy sarintany.

Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’ny Kolosianina ianao.

a Nalaina tao amin’ny Diksionera Mamakafaka ny Testamenta Vaovao (anglisy), 1993, Boky Faha-3, pejy 502.

b Tany amin’ny faritra misy an’i Torkia amin’izao no nisy azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara