FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbv lahatsoratra 33
  • Apokalypsy 21:1: “Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Apokalypsy 21:1: “Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao”
  • Fanazavana Andinin-teny
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tian’ny Apokalypsy 21:1 holazaina?
  • Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Apokalypsy 21:1?
  • Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Apokalypsy 21:4: “Hofafany ny Ranomaso Rehetra”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Fanazavana Andinin-teny
ijwbv lahatsoratra 33

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Apokalypsy 21:1: “Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao”

“Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho, fa efa lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha, sady tsy nisy ranomasina intsony.”​—Apokalypsy 21:1, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

“Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.”​—Apokalypsy 21:1, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Apokalypsy 21:1 holazaina?

Mampiasa fanoharana io andininy io mba hilazana fa hisolo ny fitondran’olombelona rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Handringana ny ratsy fanahy io Fanjakana io, ary izay olona vonona hanaiky ny fitondrany no vahoaka hoentiny.

Mampiasa “famantarana” na fanoharana ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 1:1) Azo inoana àry hoe tsy lanitra sy tany ara-bakiteny no voaresaka ao amin’io andininy io. Miresaka “lanitra vaovao” sy “tany vaovao” an’ohatra koa ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly. (Isaia 65:17; 66:22; 2 Petera 3:13) Hanampy antsika hahazo ny dikan’ilay hoe lanitra vaovao sy tany vaovao ny fandinihana an’ireo sy ny tantara hafa ao amin’ny Soratra Masina.

“Lanitra vaovao.” Matetika no mampiseho fitondrana na fanjakana ilay teny hoe “lanitra” ao amin’ny Baiboly. (Daniela 4:25, 26; Isaia 14:12-14) Milaza àry ny boky iray fa “manondro fitondrana na fanjakana ilay hoe lanitra” ao amin’ny faminaniana.a Ny Fanjakan’Andriamanitra àry no tiana horesahina amin’ilay hoe “lanitra vaovao” ao amin’ny Apokalypsy 21:1. Antsoina hoe “Fanjakan’ny lanitra” koa io Fanjakana io indraindray, ary miresaka betsaka azy io ny Apokalypsy sy ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. (Matio 4:17; Asan’ny Apostoly 19:8; 2 Timoty 4:18; Apokalypsy 1:9; 5:10; 11:15; 12:10) I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ary hisolo ny “lanitra taloha” io Fanjakana io, izany hoe hisolo ny fitondrana rehetra naorin’ny olombelona.​—Daniela 2:44; Lioka 1:31-33; Apokalypsy 19:11-18.

“Tany vaovao.” Milaza ny Baiboly fa tsy ho potika mihitsy ny tany. Resahiny koa hoe tsy hosoloana tany hafa izy io. (Salamo 104:5; Mpitoriteny 1:4) Inona àry no tian’ny Apokalypsy 21:1 holazaina amin’ilay hoe “tany”? Matetika no manondro olombelona ny hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 11:1; 1 Tantara 16:31; Salamo 66:4; 96:1) Ny hoe “tany vaovao” àry, dia manondro ny olona manaiky ho vahoakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Horinganina kosa ny “tany taloha”, izany hoe ny olona rehetra manohitra ny Fanjakan’Andriamanitra.

“Tsy nisy ranomasina intsony.” Tsy ara-bakiteny koa ilay “ranomasina” voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 21:1, hoatran’ilay “lanitra” sy “tany” ihany. Matetika ny ranomasina no tsy tony sy misamboaravoara. Mety tsara hilazana ny olona maro be tafasaraka amin’Andriamanitra io fanoharana io. Tsy te hahafantatra an’Andriamanitra mantsy ry zareo sady tsy te hankatò ny lalàny, ka mahatonga korontana sy olana isan-karazany. (Isaia 17:12, 13; 57:20; Apokalypsy 17:1, 15) Ho ringana koa izy ireo. Izao no lazain’ny Salamo 37:10: “Kely sisa dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy; hijery an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy.”

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Apokalypsy 21:1?

Miresaka momba an’izay hitranga mandritra ny “andron’ny Tompo” ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 1:10) Milaza ny faminanian’ny Baiboly fa nanomboka tamin’ny 1914 io andro io, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy.b Tsy tonga dia nitondra ny tany anefa izy. Misy faminaniana hafa koa mantsy milaza hoe hiharatsy be ny fiainana mandritra ny tapany voalohany amin’ny “andron’ny Tompo.” Antsoina hoe “andro farany” io tapany voalohany io. (2 Timoty 3:1-5, 13; Matio 24:3, 7; Apokalypsy 6:1-8; 12:12) Handrava ny lanitra taloha ny tany taloha, ary hitondra fiadanana sy filaminana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny faran’io fotoan-tsarotra io. Hankafy fiainana sy ho salama tsara ny vahoakan’io Fanjakana io, izany hoe ny “tany vaovao.”​—Apokalypsy 21:3, 4.

Vakio ao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Apokalypsy toko 21. Mora vakina io Baiboly io sady misy raki-peo, fanamarihana ambany pejy, ary fanondroana andininy hafa. Misy Fanazavana Fanampiny koa ao hahitanao sary sy sarintany.

Jereo ity video fohy ity raha te hahafantatra mombamomba ny bokin’ny Apokalypsy ianao.

a McClintock and Strong’s Cyclopedia (1891), Boky Faha-4, pejy 122.

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Asehon’ny Fanisan-taonan’ny Baiboly Momba ny Taona 1914?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara