FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 46
  • Ny Mandan’i Jeriko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Mandan’i Jeriko
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Nafenin’i Rahaba Ireo Mpitsikilo
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Be voninahitra ny anaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Nafenin-dRahaba Ireo Mpisafo Tany
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nino An’i Jehovah i Rahaba
    Ampianaro ny Zanakao
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 46

TANTARA 46

Ny Mandan’i Jeriko

INONA no mampianjera ireto mandan’i Jeriko ireto? Toa nisy baomba lehibe namely azy. Nefa tamin’izany andro izany dia tsy nisy ny baomba; tsy nanana basy akory ny olona. Fahagagana hafa iray koa avy amin’i Jehovah izao! Andeha hofantarintsika ny fomba nitrangan’izany.

Henoy izay nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa: ‘Ianao sy ny lehilahy mpanafika eo aminao dia handeha manodidina ny tanàna. Mandehana manodidina azy indray mandeha isan’andro mandritra ny enina andro. Ento miaraka aminareo ny fiaran’ny fanekena. Tokony handeha eo alohany ny mpisorona fito ary hitsoka ny anjomarany.’

‘Amin’ny andro fahafito dia tokony handeha manodidina ny tanàna impito ianareo. Avy eo dia mitsofa anjomara lavareny, ary asaivo manakora amin’ny antsoantson’ady mafy iray ny rehetra. Ka dia hirodana tanteraka ireo manda!’

Nanao araka izay nolazain’i Jehovah i Josoa sy ny olona. Raha teny am-pandehanana ny rehetra dia nangina. Tsy nisy niteny na dia indray mandeha monja aza. Ny mba zavatra re dia ny feon’ny anjomara sy ny tongotra mamindra. Angamba natahotra ireo fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra tao Jeriko. Tazanao ve ilay tady mena mihantona avy eo amin’ny varavarankely? Varavarankelin’iza moa io? Eny, nanao izay nasain’ireo mpisafo tany roa natao i Rahaba. Ao an-trano ny fianakaviany rehetra niandry niaraka taminy.

Farany, tamin’ny andro fahafito, taorian’ny fandehanana manodidina ny tanàna impito, dia naneno ny anjomara, niantsoantso ny lehilahy mpanafika, ary nianjera ireo manda. Avy eo dia hoy i Josoa: ‘Vonoy ny olona rehetra ary doroy ny tanàna. Doroy ny zava-drehetra. Ny volafotsy, ny volamena, ny varahina ary ny vy ihany no alao ary atolory ho an’ny rakitry ny tranolain’i Jehovah.’

Hoy i Josoa tamin’ireo mpisafo tany roa: ‘Mandehana mankao an-tranon-dRahaba, ary ento mivoaka izy sy ny fianakaviany rehetra.’ Novonjena i Rahaba sy ny fianakaviany, araka ny nampanantenain’ireo mpisafo tany azy.

Josoa 6:1-25.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara