Lesona Faha-15
Manampy ny Hafa Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra
Nahoana no tokony holazainao amin’ny hafa ny zavatra ianaranao? (1)
Iza no azonao ilazana ny vaovao tsara? (2)
Misy vokany inona eo amin’ny hafa ny fitondran-tenanao? (2)
Rahoviana ianao no afaka miara-mitory amin’ny fiangonana? (3)
1. Efa nianatra zava-tsoa maro avy ao amin’ny Baiboly ianao izao. Tokony hampiezaka anao hanana toetra kristianina izany fahalalana izany. (Efesiana 4:22-24) Tena ilaina izany fahalalana izany mba hahazoanao fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3) Mila mandre ny vaovao tsara anefa ny hafa mba ho voavonjy koa. Tsy maintsy mitory amin’ny hafa ny tena Kristianina rehetra. Didin’Andriamanitra izany.—Romana 10:10; 1 Korintiana 9:16; 1 Timoty 4:16.
2. Afaka manomboka milaza ireo zava-tsoa ianaranao amin’ireo olona manodidina anao, ianao. Ilazao ny havanao, ny namanao, ny mpiara-mianatra sy mpiara-miasa aminao. Aoka ianao ho tsara fanahy sy hanam-paharetana rehefa manao izany. (2 Timoty 2:24, 25) Tadidio fa matetika ny fitondran-tenanao no tena jeren’ny olona fa tsy izay lazainao loatra. Koa ny fitondran-tena tsara asehonao àry dia mety hisarika ny hafa hihaino ilay hafatra lazainao aminy.—Matio 5:16; 1 Petera 3:1, 2, 16.
3. Aoriana kely, dia mety hahafeno fepetra ianao mba hanomboka hiara-mitory amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana. Dingana lehibe eo amin’ny fandrosoanao izany. (Matio 24:14) Tena ho faly be ianao raha afaka manampy olona ho tonga mpanompon’i Jehovah sy hahazo fiainana mandrakizay!—1 Tesaloniana 2:19, 20.