FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Joda, Taratasy Nosoratan’i”
  • Joda, Taratasy Nosoratan’i

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Joda, Taratasy Nosoratan’i
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-65 — Joda
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • ‘Miadia Mafy Hiaro ny Finoana’!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • “Miadia mafy ho an’ny finoana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • “Ry Malala, (...) tehirizo ny tenanao ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Joda, Taratasy Nosoratan’i”

JODA, TARATASY NOSORATAN’I

Taratasy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, nosoratan’i Joda rahalahin’i Jakoba sady rahalahin’i Jesosy Kristy koa. (Jereo JODA.) Nalefa ho an’ny “olona voantso, tiana ao amin’Andriamanitra Ray ary voatsimbina ho an’i Jesosy Kristy” izy io, ka natao ho an’ny Kristianina rehetra.​—Jd 1.

Nisy zavatra nampanahy, tamin’ny fotoana nanoratan’i Joda an’io taratasy io. Nisy olona ratsy fitondran-tena sy araka ny nofo mantsy nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana. ‘Navadik’izy ireo ho fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena baranahiny ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’ Tsy nanoratra indray momba ny famonjena iombonan’ny Kristianina voantso ho mpanjaka any an-danitra àry i Joda. Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra kosa izy hananatra an’ireo mpiray finoana taminy, mba hanoheran’izy ireo ny fitaoman-dratsy teo anivon’ny fiangonana. Nampirisihiny izy ireo mba “hiady mafy hiaro ny finoana”, ka hanohitra an’ireo ratsy fitondran-tena, hifikitra amin’ny fivavahana madio, hiezaka ho tsara fitondran-tena foana, ary ‘hivavaka eo ambany fitarihan’ny fanahy masina.’ (Jd 3, 4, 19-23) Noresahin’i Joda ny amin’ireo anjely nanota, ny mponin’i Sodoma sy Gomora, Kaina, Balama ary Kora. Izay nataon’i Jehovah tamin’ireny anjely nivadika sy ny ratsy fanahy fahiny ireny àry, hoy izy, no antoka fa tsy maintsy hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny olona tsy matahotra azy Izy. Naharihariny koa hoe maty eritreritra ireo olona nitady handoto ny Kristianina ireo.​—Jd 5-16, 19.

Fanazavana tsy hita ao amin’ny boky hafa. Fohy ny taratasin’i Joda, nefa misy fanazavana tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly. Izy irery, ohatra, no nilaza fa nifanditra tamin’ny Devoly momba ny fatin’i Mosesy i Mikaela arkanjely. Izy irery koa no niresaka momba ilay faminaniana nambaran’i Enoka fahiny ela be. (Jd 9, 14, 15) Nambaran’Andriamanitra mivantana taminy angamba ny zavatra nosoratany. Mety ho avy tamin’ny lovantsofina na asa soratra azo itokisana koa anefa ilay izy. Mety ho avy tamin’izany àry no nakan’ilay bokin’i Enoka (boky apokrifa heverina fa nosoratana tamin’ny taonjato faharoa na voalohany T.K. tany ho any) ny faminanian’i Enoka.

Toerana sy fotoana nanoratana azy. Azo inoana fa tany Palestina i Joda no nanoratra ny taratasiny, satria tsy voalaza mihitsy hoe niala tany izy. Azo tombanana avy amin’izay voalazan’ilay taratasy ny fotoana nanoratany azy io. Tsy noresahiny, ohatra, hoe nanafika an’i Jerosalema (taona 66) i Cestius Gallus, na noravan’ny Romanina notarihin’i Titus (taona 70) ilay tanàna. Talohan’ny taona 66 àry izy no nanoratra azy io. Tsy maintsy ho noresahin’i Joda mantsy izay faminanian’i Jesosy tanteraka momba ny handravana an’i Jerosalema (Lk 19:43, 44), mba ho anatra ho an’ny Kristianina iny didim-pitsaran’Andriamanitra iny. Toa naka teny avy tao amin’ny taratasy faharoa nosoratan’i Petera koa i Joda, rehefa nilaza hoe hisy mpaneso “amin’ny fotoana farany.” (Ampitahao 2Pe 3:3 sy Jd 18.) Mety ho tamin’ny taona 65 tany ho any àry izy no nanoratra ilay taratasy.

Anisan’ny Soratra Masina. Anisan’ny Baiboly ny bokin’i Joda satria ao anatin’ireo lisitra voalohany misy an’ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina. Nampiditra azy io tao ry Clément avy any Aleksandria, Tertullien, Origène, Eusèbe, Cyrille avy any Jerosalema, Athanase, Épiphane, Grégoire avy any Nazianze, Philastre, Jérôme, ary Augustin, izay velona teo anelanelan’ny taonjato faharoa ka hatramin’ny fahefatra. Ao amin’ny Ampahana Kôdeksa Hitan’i Muratori (t. 170) koa ny taratasin’i Joda.

[Tabilao, pejy 76]

HEVITRA MISONGADINA: JODA

Fampitandremana fohy nefa mafonja hoe aza manaiky ho voataonan’ny ratsy fanahy nitsofoka teo anivon’ny fiangonana

Nosoratana tamin’ny taona 65 tany ho any angamba, 30 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty

Mila miaritra ny Kristianina (and. 1-4)

Nisy olona tsy natahotra an’Andriamanitra nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana; navadiny ho fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena baranahiny ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra

Tsy maintsy miady mafy hiaro ny finoany ny Kristianina

Toe-tsaina, fitondran-tena, ary olona tokony hohalavirina (and. 5-16)

Tsarovy fa novonjena avy tany Ejipta ny Israelita, nefa naringana tatỳ aoriana izay tsy nino

Nosazina ireo anjely nandao ny toerana sahaza azy

Nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay i Sodoma sy Gomora izay tena ratsy fitondran-tena

Mbola nisy ihany anefa te hampiditra fanao ratsy teo anivon’ny fiangonana

Tsy nanevateva i Mikaela na tamin’izy niresaka tamin’ny Devoly aza; ireny olona ireny anefa ‘nanevateva ny manana voninahitra’

Nanahaka an’i Kaina, Balama, ary Kora izy ireny

Nampidi-doza toy ny harambato voasaron-drano izy ireny; tsy nitera-boka-tsoa toy ny rahona tsy mitondra orana sy hazo voaongotra

Naminany i Enoka fa hiharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy ireny

Mpimenomenona izy ireny, be taraina, tia tena, ary nandoka olona mba hamitahana

Fomba anoherana an’ilay fitaoman-dratsy (and. 17-25)

Efa nilaza ny apostoly hoe hisy ratsy fanahy toy ireny “amin’ny fotoana farany”

Ny Kristianina kosa tokony hiorina tsara eo amin’ny finoana, hivavaka eo ambany fitarihan’ny fanahy masina, hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ary hiandry ny famindram-pon’i Jesosy

Tokony hanampy ny hafa izy ireo, hamindra fo amin’ireo misalasala, ary hamonjy sy hisarika azy avy ao amin’ny afo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara